Bokin'ny Eklesiastika
Toko faha-46
10 mba hahafantaran'ny zanak'Israely rehetra, fa tsara ny manaraka ny Tompo.11 Ary ny Mpitsara samy araka ny anarany avy, izay rehetra tsy niraiki-po tamin'ny fijangajangana, izay rehetra tsy nihataka niala tamin'ny Tompo, aoka hombam-pitahiana anie ny fahatsiarovana azy!
12 Ho velona indray anie ny taolany avy ao am-pasana! hohavaozina indray anie ny anarany, eo amin'ny taranak'ireo olo-malaza.
13 Nankasitrahan'ny Tompo Andriamaniny Samoela; mpaminanin'ny Tompo izy nanorina ny fanjakana, ary nanosotra andriana hanapaka ny vahoakany.
14 Nitsara ny fiangonana, araka ny lalan'ny Tompo, ka dia nanopy maso nitsinjo an'i Jakoba ny Tompo.
15 Niseho ho mpaminany izy, tamin'ny fahamarinany, ary hita fa mpahita mendrika hinoana noho ny fahamarinan'ny filazany.
16 Niantso ny Tompo ambony indrindra izy, tamin'ilay namoritra azy hatraiza hatraiza ny fahavalo, ary zanak'ondry mbola minono no nateriny.
17 Ka ny Tompo nikotrokotroka tany an-danitra ambony, sy nampandre ny feony nipoaka mafy:
18 ary nanorotoro ireo filohan'ny Tiriana, mbamin'ireo rehetra mpanapaky ny Filistina.
19 Talohan'ny fotoanan'ny fahoriana mandrakizay, dia niantso ny Tompo, sy ilay voahosony ho vavolombelona izy, nanao hoe: Tsy misy nandraisako fanomezana akory, na dia kapa aza. Ary tsy nisy olona nitsangan-kiampanga azy.
20 Ary nony efa natory izy dia naminany, ka nilaza tamin'ny mpanjaka fa efa akaiky ny hiafarany. Nanandratra ny feony izy avy tao anatin'ny tany, ka naminany mba hanafoana ny heloky ny vahoaka.
Toko faha-47
1 Manaraka izany niseho Natana, mba haminany, tamin'ny andron'i Davida.2 Toy ny fanavaka ny sabora amin'ny sorona fisaorana, no nanavahana an'i Davida teo amin'ny zanak'Israely.
3 Nilalao tamin'ny liona, toy ny amin'ny zanak'osy izy, ary tamin'ny orsa, toy ny amin'ny zanak'ondry kely.
4 Fony izy mbola tanora, tsy namono ilay goavam-be va izy, ka nahafa-kenatra ny vahoaka, nony nanainga tanana mbamin'ny vaton'antsamotadiny izy, sy nanongana ny reharehan'i Goliata?
5 Satria niantso ny Tompo Avo Indrindra izy, ary ny Tompo nanome hery ny tànany ankavanana, hamono mahafaty an'ilay mpiady mahery, mba hanandratra ny tandroky ny vahoakany.
6 Ka dia nankalazaina izy, noho ny amin'ireo iray alina; noderaina izy, noho ny fitahian'ny Tompo; ary natolotra azy ny satro-boninahitra.
7 Fa nomontsaniny hatraiza hatraiza ny fahavalo, nohoseny tamin'ny tongony ny Filistina, ny mpanohitra; noketrahiny mandrak'androany ny herin'ireny.
8 Tamin'izay rehetra nataony izy nanolotra haja, ny Masina, ny Avo Indrindra, tamin'ny teny fiderana; tamin'ny fony tokoa nanao hira fankalazana ary tia an'Ilay nanao azy.
9 Nanendry mpihira eo anoloan'ny otely izy, ary nampandre hira mireondreona mahafinaritra tamin'ny feon'ireo.
10 Nataony manetriketrika ny fety, ary kanto tapitra ohatra ny fankalazana ny andro lehibe, amin'ny fotoana ankalazan'ny mpihira ny anara-masin'ny Tompo, sy hampanakoakoany ny fitoerana masina vao maraina.
11 Ny Tompo kosa namela ny hadisoany, nanandratra ny fahefany ho mandrakizay; ary nataony azo antoka ny hananany taranaka mpanjaka, sy ny seza fiandrianana be voninahitra eo amin'Israely.
12 Nitsangana nanarakaraka azy ny zanaka feno fahendrena anankiray, tao anatin'ny fandrosoana no nahavelomany noho ny amin-drainy.
13 Nanjaka tamin'ny androm-piadanana Salomona, fa nomen'Andriamanitra fitsaharana amin'ny manodidina rehetra izy, mba hanorina tempoly ho an'ny anarany, sy hanamboatra fitoerana masina mandrakizay.
14 Endrey izany fahendrenao, tamin'ny fahatanoranao, niboiboika fahalalana toy ny ony!
15 Niely eran'ny tany ny fahiratan-tsainao, dia nofenoinao oha-teny mifono hevitra izy.
16 Tonga hatrany amin'ny nosy lavitra ny anaranao, ary tian'ny olona teo amin'ny fiadananao hianao.
17 Ny hiranao masina, ny ohabolanao, ny fanoharanao, ary ny valin-teninao efa nigagan'izao tontolo izao anao.
18 Tamin'ny anaran'ny Tompo Andriamanitra, izay antsoina ho Andriamanitr'Israely, hianao nanangona volamena toy ny fira-potsy, nampiasa volafotsy toy ny firaka.
19 Nanaram-po tamin'ny vehivavy hianao, ary nomenao fahefana tamin'ny vatanao izy;
20 nasianao pentina ny voninahitrao, ary nolotoinao ny tanarakao, ka dia niantso hatezerana ho amin'ny zanakao hianao.
21 Mahatsiaro mangirifiry noho ny hadalanao aho; fa izany no antony nivakian'ny fanjakana, ka avy amin'ny Efraima no nitrangan'ny filohan'ny fanjakana nikomy.
22 Kanefa ny Tompo tsy hiala amin'ny famindram-pony, ary tsy hasiany levona iray akory ny asany; tsy hamongotra ny taranak'ilay voafidiny izy, ary tsy ataony lany tamingana ilay tia azy. Jakoba namelany dimby; ary Davida namelany solofo iray razana aminy.
23 Nodimandry tany amin'ny razany Salomona, ary ny navelany nanarakaraka azy, dia zanany iray razana aminy, iray, olona adala eo imason'ny vahoaka, tsy manam-pahalalana, i Roboama izay nanao izay hihatahan'ny vahoaka amin'ny heviny; ary Jeroboama, zanak'i Nabata, izay nampanota an'Israely, sy nisori-dalana hidiran'i Efraima amin'ny fivadihana.
24 Dia tafahoatra loatra ny fahotan'Israely ka nentina lavitra ny taniny izy.
25 Nivarina tamin'izao karazam-paharatsiana rehetra izao izy, mandra-pidonan'ny famaliana azy ireo.
Toko faha-48
1 Manaraka izany, nitsangana Elia, mpaminany hoatra ny afo, ary nirehitra hoatra ny fanilo ny teniny.2 Niantso mosary hamely an'Israely izy, ary nahavitsy isa azy, noho ny zotom-pony.
3 Nanakatona ny lanitra tamin'ny tenin'ny Tompo izy, ary nampilatsaka afo avy any intelo toy izany ihany koa.
4 Voninahitra lehibe manao ahoana, ry Elia, no azonao tamin'ny fahagagana nataonao ary zovy no afaka hihambo ho mitovy aminao?
5 Hianao nampitsangana ny maty anankiray hiala amin'ny fahafatesana sy amin'ny seoly, tamin'ny tenin'ny Avo Indrindra;
6 hianao namarina mpanjaka ho amin'ny faharavana, sy olo-malaza avy amin'ny fandriany ho any amin'ny fahafatesana;
7 hianao nandre fananarana teo ambonin'i Sinaia, sy didy famaliana tany Horeba;
8 hianao nanokana mpanjaka hanao famaliana, sy mpaminany handimby anao;
9 hianao nofaohina tamin'ny tadio afo, sy tamin-kalesy tarihin-tsoavaly afo;
10 hianao voatendry ao amin'ny teny mafy an-tsoratra ho amin'ny fotoana ho avy ho tsy maintsy hampitovy ny hatezerana alohan'ny hirehetany, hitarika ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka indray, ary hanangana ny firenen'Israely indray.
11 Sambatra izay hahita anao, ka ho voahaingon'ny fitiavana an'Andriamanitra! Fa izahay koa dia ho velona marina tokoa.
12 Nony voahodidin'ny tadio Elia dia tonga feno ny fanahiny Elisea. Nandritra ny andro niainany tsy nisy mpanjaka nahahozongozona azy, ary tsy nisy olona nanapaka azy.
13 Tsy misy zavatra tsy azony natao, ary ny vatany tafandry tao am-pasana nanao fahagagana.
14 Velona izy, nanao zava-mahagaga; maty indray nanao zava-mahatalanjona.