Bokin'ny Eklesiastika
Toko faha-48
15 Na dia izany rehetra izany aza tsy nibebaka ny vahoaka, ary tsy niala tamin'ny fahotany, mandra-pitondra azy lavitra ny taniny, sy tafaely amin'ny tany rehetra. Tsy nisy tavela afa-tsy vahoaka vitsy foana, mbamin'ny filohany avy amin'ny fianakavian'i Davida.16 Ireo indray kosa, ny sasany nanao izay sitrak'Andriamanitra, ary ny sasany nampitombo ny fandikan-dalana.
17 Ezekiasa nanamafy ny tananany, sady nitarika an'i Gihona ho ao anatin'ny mandany; nandavaka ny vatolampy tamin'ny vy izy, ary nanao dobo fitahirizan-drano.
18 Tamin'ny androny niakatra Senakeriba, ary naniraka an-dRabsakesa; dia niainga io, ka nanainga tanana hamely an'i Siona, ary nihambohambo noho ny fireharehany.
19 Tamin'izany nivarahotsaka ny fo aman-tanan'izy ireo, ary latsaka am-panaintainana, toy vehivavy miteraka, izy.
20 Niantso ny Tompo be indrafo izy, nanandra-tanana taminy, ary nandre azy niaraka tamin'izay ny Masina any an-danitra, ka nanafaka azy tamin'ny alalan'Izaia.
21 Nasiany ny tafiky ny Asiriana ary naringan'ny anjeliny ireny.
22 Fa nanao ny sitraky ny Tompo Ezekiasa, ary nifikitra mafy tamin'ny lalan'i Davida rainy, araka ny famporisihan'Izaia ilay mpaminany lehibe sy marina amin'ny fahitany.
23 Tamin'ny androny nihemotra ny masoandro, ary nohalavain'Izaia ny andro iainan'ny mpanjaka
24 Tamin'ny tsindrimandry mahery izy nahita ny andro ho avy, ary nampiorina ny tra-pahoriana tao Siona. Nanambara ny tsy maintsy ho tonga hatramin'ny fahataperan'ny andro, mbamin'ny zava-miafina alohan'ny fahantanterahany.
Toko faha-49
1 Ny fahatsiarovana an'i Josiasa dia zava-manitra, natao tamin'ny fofona manitra indrindra, namboarina tamin'ny fahaizan'ny mpamorona zava-manitra; mamy toy ny tantely ny fahatsiarovana azy, amin'ny vava rehetra, ary toy ny mozika eo amin'ny fanasana.2 Hainy ny nitarika ny vahoaka ho amin'ny fibebahana, ary vitany ny mamoana ny fahavetavetana avy amin'ny fankahalana fivavahana.
3 Nampitodika marina ny fony amin'ny Tompo izy, ary nanamafy ny fitiavam-bavaka, tamin'ny andron'ny mpankahala fivavahana.
4 Afa-tsy Davida sy Ezekiasa ary Josiasa, dia nanao ny ratsy avokoa ny hafa rehetra; nahafoy ny lalan'ny Avo Indrindra ny mpanjakan'i Joda, ka nizotra ho amin'ny fahaverezany.
5 Satria navelany ho an'ny hafa ny fahefany, ary ho an'ny firenen-kafa ny voninahiny.
6 Nodoran'izy ireo ny tanana voafidy ho an'ny fitoerana masina, ary nataony lao ny kianjany, noho ny amin'i Jeremia.
7 Fa ratsy fitondra azy izy, nefa ilay voahasina ho mpaminany hatrany an-kibon-dreniny, mba hanongana sy handrava ary hamono, sady hanorina sy hamboly koa.
8 Ezekiela dia nibanjina ny fahitam-boninahitra, izay nasehon'ny Tompo azy, tambonin'ny kalesin'ny Kerobima;
9 fa nihevitra ny fahavalo, tao anatin'ny ranonoram-baratra mananontanona izy, ary nanisy soa an'izay nanaraka ny lala-mahitsy.
10 Ny amin'ireo mpaminany roa ambin'ny folo lahy dia aoka ho velona indray anie ny taolany avy ao anaty fasany. Fa nampionona an'i Jakoba izy ireo, ary namonjy azy tamin'ny fanantenana marina.
11 Atao ahoana no fankalaza an'i Zorobabela? Fa toy ny peratra fitomboka eo amin'ny tanana an-kavanana izy.
12 Torak'izany koa Jesoa, zanak'i Josedeka! Fa izy roa lahy ireo tamin'ny androny nanorina ny tranon'Andriamantra indray ary samy nanangana ny tempoly, voatokana ho an'ny Tompo, sy voatendry hanana voninahitra mandrakizay.
13 Lehibe koa ny fahatsiarovana an'i Nehemia, izay nanangana indray ny mandantsika efa rava, sy nanamboatra indray ny vavahadintsika mbamin'ny hidiny, ary nanorina ny tranontsika indray.
14 Tsy misy olona tahaka an'i Henaoka teto ambany masoandro, fa izy koa nofaohina tamin'ity tany ity.
15 Tsy nisy koa olombelona tahaka an'i Josefa, filohan'ny rahalahiny, tohan'ny fireneny; ary voatahiry tamim-pitandremana ny taolam-balony.
16 Sema sy Seta koa, nankalazaina teo amin'ny olombelona; fa Adama no ambonin'ny zavatra rehetra tamin'ny zava-voahary.
Toko faha-50
1 Simona zanak'i Oniasa no mpisorona lehibe, nanamboatra ny tranon'ny Tompo tamin'ny andro niainany, ary nanamafy ny tempoly nandritra ny andro niainany;2 izy no nandatsaka ny fototra hanovona avo sasaka ny manda avo izay manohana ny manodidina ny tempoly.
3 Tamin'ny androny no nanaovana ny famorian-drano; ny varahina nanaovana azy nitovy habe amin'ny vavan'ny ranomasina.
4 Nikarakara ny vahoakany izy, mba hiaro azy amin'ny faharavana, ary nanamafy ny tanana, hahatoha ny fahirano.
5 Endrey izany fiandrianany, teo afovoan'ny vahoaka tafavory manodidina, nony nivoaka ny trano misy fisalobonana izy!
6 Fa toy ny kintana fitarik'andro manjopiaka maninteraka ny rahona, toy ny volana amin'ny andro maha-fenomanana azy,
7 toy ny masoandro mamirapiratra eo ambonin'ny tempolin'ny Avo Indrindra, ary toy ny avana mamirapiratra eo amin'ny rahona mazava;
8 toy ny vonin-draozy amin'ny andro lohataona; toy ny lisy eo amoron'ny rano; toy ny sampan-kazo mani-pofona, amin'ny andro fahavaratra;
9 toy ny zava-manitra, eo ambonin'ny afo fanembohana, toy ny vazy volamena am-ponjany, voaravaka vatosoa isan-karazany;
10 toy ny fototr'oliva efa mitsiry voa, ary toy ny sipresa mijoalajoala anatin'ny rahona.
11 Rahefa manao ny akanjom-boninahitra izy, ka voatafy ny fanamiany rehetra, ary miakatra eo amin'ny otely masina, dia mampamirapiratra ny manodidina ny fitoerana masina.
12 Fa rahefa mandray ny lanin-tsorona, avy eo an-tanan'ireo mpisorona izy, ka mijoro eo akaikin'ny fatan'ny otely, hodidinin'ireo rahalahiny manao faribolana, dia miseho ho toy ny sedera kanto any Libana izy, ary ireo mpisorona manodidina azy, toa fototr'antrendry.
13 Ireo taranak'i Aarona rehetra dia voatafy ny fanamiany kanto avokoa, sy mitana ny fanatitra ho an'ny Tompo, eo an-tanany, eo anatrehan'ny fiangonan'Israely rehetra.
14 Ary rahefa vitany ny fanompoana eo amin'ny otely, dia ny hampitombo hatsarana ny fanatitra ho an'ny Avo Indrindra tsitoha, no nanamparany ny tanany eo ambonin'ny kapoaky ny fanatitra araraka, ka nandrarahany ny ram-boaloboka.
15 Naidiny eo am-pototry ny otely, dia hanitra mani-pofona ankasitrahan'ny Avo Indrindra sy Mpanjaka lehibe.
16 Ireo taranak'i Aarona amin'izany nihoby, nitsoka ny trompetrany vita amin'ny vy voatefy, ary nandefa horaka mikotrokotroka, ho fahatsiarovana eo anatrehan'ny Avo Indrindra.
17 Ny vahoaka rehetra amin'izany dia indray dodona nihohoka tamin'ny tany, hitsaoka ny Tompony, ny Andriamanitra tsitoha, ny Avo Indrindra.
18 Ny mpihira indray manampatra ny feony, midera azy; manakoako eran'ny tempoly lehibe ny hira mireondreona.
19 Ary ny vahoaka mitaraina amin'ny Tompo Avo Indrindra, variana mivavaka eo anatrehan'ny Mpamindra fo, mandra-pahatapitry ny fombam-pivavahan'ny Tompo.
20 Dia nidina tamin'izay ny mpisorona lehibe, ka nanandratra ny tanany, amin'ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra, mba hiloa-bava hanome ny tso-drano avy amin'ny Tompo, sy hahazo voninahitra amin'ny anarany.
21 Dia niankohoka indray ny vahoaka, mba handray ny tsodrano avy amin'ny Avo Indrindra.
22 Ary ankehitriny misaora ny Tompon'izao rehetra izao izay nanao zava-dehibe hatraiza hatraiza, izay nampanan-daza ny androntsika hatramin'ny voalohany, ary nitondra antsika araka ny famindram-pony.
23 Homeny hafaliam-po anie isika; aoka ho amin'izao androntsika izao anie ny fiadanana, dia ho amin'Israely toraky ny tamin'ny andro lasa!
24 Hitoetra amintsika mandrakizay anie ny famindram-pony, ary hanafaka antsika anie izy rahefa tonga ny androny.
