Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-50

25 Misy firenena roa halan'ny foko, ary ny fahatelony tsy firenena akory aza:

26 dia ireo monina any an-tendrombohitra Seira, ny Filistina, ary ilay vahoaka adala monina ao Sikema.

27 Amin'ity boky ity aho nanoratra fampianaran-tsaina amam-pahaizana izaho Jesoa zanak'i Siraka avy ao Jerosalema, izay namoaka be dia be ny fahendren'ny foko.

28 Sambatra izay hifototra amin'izany fampianarana izany; ho tonga hendry izay mandray azy ao am-pony;

29 fa handresy amin'ny zavatra rehetra izy, raha manaraka izany: satria ny fahazavan'ny Tompo no lalany.

Toko faha-51

1 Vavaka nataon'i Jesò, zanak'i Siraka. Te-hankalaza anao aho, ry Tompo, Mpanjaka, te hidera anao aho, ry Andriamanitra Mpamonjy; mankalaza ny anaranao aho.

2 Fa mitsangana ho mpiaro ahy sy vonjiko hianao; hianao namonjy ny vatako tamin'ny fanimbana, tamin'ny fandriky ny lela mpanendrikendrika, tamin'ny molotr'ireo mamoron-dainga; ary teo anatrehan'ny mpandrafy ahy;

3 hianao no nanohana ahy, hianao no nanafaka ahy, araka ny haben'ny indrafonao sy ny anaranao, tamin'ireo nikitro-nify vonon-kandrapaka ahy; tamin'ny tanan'ireo nitady ny aiko, tamin'ny fahoriana rehetra namoritra ahy,

4 tamin'ny hasomparana avy amin'ny afo nanodidina ahy, teo afovoan'ny afo izay tsy narehitro;

5 tamin'ny hantsan-dalin'ny seoly, tamin'ny lela maloto, sy tamin'ny teny mamitaka natao tamin'ny mpanjaka, tamin'ny endrikendriky ny lela tsy marina.

6 Efa nanakaiky ny fahafatesana ny fanahiko, ary efa nikasika ny seoly any ambany ny aiko.

7 Efa nanodidina ahy hatraiza hatraiza izy ireo sady tsy nisy olona hamonjy ahy; niandrandra vonjy avy amin'ny olombelona aho, nefa tsy nisy velively akory.

8 Izay aho vao nahatsiaro ny indrafonao, ry Tompo, sy ireo asa nataonao tamin'ny andro fahiny; tsaroako fa hianao namonjy ireo nanantena anao, sy nanafaka azy ireo tamin'ny tanan'ny firenena mpanompo sampy.

9 Ka dia niankohoka tamin'ny tany aho, nampisondrotra ny fivavahako sy nitaraina taminao hamonjy ahy amin'ny fahafatesana.

10 Niantso ny Tompo rain'ny Tompoko aho, mba tsy handaozany ahy, amin'ny andron'ny fahoriako; amin'ny andron'ny mpiavonavona, izay tsy ahitam-bonjy.

11 Hidera ny anaranao tsy an-kijanona aho, ary hihira azy amim-pankasitrahana. Dia nohenoina ny fangatahako,

12 fa novonjenao tamin'ny faharavana aho, ary tamin'ny andron'ny fahoriana nataonao afaka aho, ka dia hankalaza anao sy hidera anao aho, ary hisaotra ny anaran'ny Tompo.

13 Fony aho mbola tanora, mbola tsy naniasia, dia nitady an-karihary ny fahendrena aho tamin'ny fivavahako.

14 Nangataka izany teo anoloan'ny tempoly aho, sady hikatsaka azy hatramin'ny farany.

15 Tamin'ny fahitana ny voniny, toy ny fahitana ny salohy mihamena, dia nifaly taminy ny foko. Nizotra ny lala-mahitsy ny tongotro nomba azy; nanara-dia azy hatramin'ny fahatanorako aho.

16 Nanongilan-tsofina taminy kelikely aho dia nandray azy, ka nahazo fampianarana lehibe ho ahy.

17 Tombontsoa lehibe no azoko avy aminy; ka sitrako ny manome voninahitra ilay nanome ahy ny fahendrena.

18 Satria tapa-kevitra ny hanaraka azy aho; nikely aina hanao soa, ka tsy ho very fanantenana.

19 Mba ho azy no niadian'ny fanahiko, sy nanaovako ny asako tamim-pitandremana lehibe. Nasandratro ny tanako, ka nalahelovako ny tsy nahalalako azy.

20 Notarihiko hamkaminy ny fanahiko, dia nahita azy, noho ny fahadiovan-toetrako. Niaraka taminy hatramin'ny voalohany aho, dia nahazo fahalalana, ka noho izany tsy ho ariana na oviana na oviana.

21 Nietam-po tamin'ny fikatsahana azy aho, ka nahazo soa sarobidy.

22 Nomen'ny Tompo ny fahaiza-miteny ho valisoa aho, ka hoentiko midera azy izany.

23 manatona ahy hianareo tsy mahalala, ary aoreno ao an-trano fampianarana ny fonenanareo;

24 fa tsy ampy fahendrena hianareo, ary mangetaheta fatratra ny fanahinareo.

25 Miloa-bava sy miteny aho hoe: - Raiso tsy amim-bola izany; -

26 aondreho eo ambany jioga ny vozonareo, ary aoka handray fampianarana ny fanahinareo; fa tsy lavitra no haleha vao mahita azy.

27 Aoka hahita maso hianareo, fa niasa kely foana aho, dia nahita fitsaharana lehibe;

28 milatsaha hihaino fampianarana vidina vola be, fa hahazo volamena be hianareo amin'ny fananana izany.

29 Aoka hifaly amin'ny famindram-pon'ny Tompo ny fanahinareo, ary aza menatra amin'ny fiderana azy.

30 Tanteraho alohan'ny fotoana ny asanareo, dia homeny valisoa hianareo amin'ny fotoanany.

Bokin'Izaia

Toko voalohany

1 Fahitan'Izaia, zanak'i Amosa, momba an'i Jodà sy Jerosalema, izay hitany tamin'ny andron'i Oziasa, Joatama, Akaza ary Ezekiasa, mpanjakan'i Jodà.

2 Mihainoa, ry lanitra, ary hianao ry tany, mitongilàna sofina, fa miteny Iaveh: Efa namelon-jaza aho, ary efa nanabe ireny, kanjo izy ireo niodina tamiko.

3 Ny omby mahalala ny tompony; ary ny ampondra, ny fihinanam-bilon'ny tompony; fa Israely kosa tsy manam-pahalalana, ny vahoakako tsy mba manan-tsaina.

4 Adray! ry ilay firenena mpanota, vahoaka mavesa-keloka, tarana-dratsy, zana-meloka! Nandao an'ny Tompo izy ireo, naniratsira an'Ilay Masin'Israely, nihataka nihemotra.

5 Aiza indray no hasiana aminareo, raha mitohy ny fiodinanareo? ny loha manontolo marary, ary ny fo manontolo mavozovozo.

6 Hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha, tsy misy salama na dia kely aza, ao aminy: Tsy misy afa-tsy ratra, dian-kapoka, fery mangirifiry, tsy voasasa, na voabandy, na voalemin-diloilo akory.

7 Ny taninareo, lao; ny tanànanareo levon'ny afo. Ny taninareo levonin'ny hafa eo imasonareo; hoatra ny fandravan'ny olon-kafa firenena no fahasimbany.

8 Ary ny zanakavavin'i Siona dia tafajanona toy ny trano bongo anaty tanim-boaloboka, toy ny tranotomboka, anaty tanim-boatango, toy ny tilikambo fiambenana.

9 Raha tsy namelan'ny Tompon'ny tafika ambiny kely sisa isika, dia ho sahala amin'i Sodoma, hanahaka an'i Gomora.

10 Mihainoa ny tenin'ny Tompo, ry mpitsaran'i Sodoma; mitongilàna sofina amin'ny lalàn'Andriamanitsika, ry vahoakan'i Gomora.

11 Mampaninona ahy izay habetsahan'ny soronareo? hoy Iaveh. Efa tofoky ny ondralahy atao sorona dorana aho, mbamin'ny saboran-janak'omby. Tsy sitrako ny ran'ombalahy, mbamin'ny ondry aman'osy.

12 Raha tonga hiseho eo anatrehako hianareo, zovy moa no nitady anareo, handia izay kianjako akory?

13 Atsaharo ny mitondra fanati-poana ho ahy; fahavetavetana amiko ny emboka; raha ny amin'ny voaloham-bolana, sabata, fiantsoam-piangonana, dia tsy zakako hankasitrahana ny heloka sy ny fivoriana miaraka ampahibemaso.

14 Halan'ny foko ny voaloham-bolana amam-petinareo; mavesatra amiko ireny, sasatry ny mandefitra izany aho.

15 Raha manandratra ny tànanareo hianareo, misarona maso eo anoloanareo aho; raha mampitombo ny fivavahana hianareo, tsy mihaino akory aho: Feno ra ny tànanareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2332