Bokin'Izaia

Toko voalohany

16 Misasà hianareo, midiova hianareo, esory ny haratsian'ny asanareo, hiala eo imasoko; mitsahara tsy hanao ratsy,

17 mianara hanao soa; katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondratena.

18 Avia, hiara-mifandahatra isika; Na mangatrakatraka aza ny fahotanareo, hanjary fotsy hoatra ny oram-panala; na mena hoatra ny jaky aza izy, ho tonga toy ny volon'ondry.

19 Raha manaiky amin'ny fo mazoto hianareo, dia hihinana ny zava-tsoan'ny taninareo.

20 Fa raha manohitra sy miodina kosa hianareo, dia ho levonin'ny sabatra; fa efa niteny ny vavan'ny Tompo.

21 Ahoana no nahatongavany ho janga, izy ilay tanàna mahatoky sy feno fahamarinana, izay nonenan'ny fitsarana marina; fa ankehitriny kosa ... mpamono olona no eo!

22 Ny volafotsinao zary tain-drendrika, ny divainao notapohin-drano.

23 Ny lehibenao mpikomy, sy naman'ny mpangalatra; sady tia fanatitra no fatra-pitady tambitamby avokoa; ny kamboty tsy omeny rariny; ary ny adin'ny mpitondratena, tsy tonga eo anatrehany.

24 Ka noho izany - Teny ton'ny Tompo, Iaveh'ny tafika, ilay Maherin'Israely: - Edrey! hiala fo amin'ny mpandrafy ahy aho, sy hamaly an'ireo fahavaloko.

25 Haninjitra ny tànako aminao aho, ka ny tain-drendrikao hoempoiko toy ny amin'ny sirahazo, ary ny potipoti-pirakao rehetra ho esoriko.

26 Hametrahako mpitsara toy ny tany aloha hianao, mbamin'ny mpanolo-tsaina toy ny tamin'ny andro voalohany. Rahefa izany dia hantsoina hoe tanànan'ny fahamarinana, tanàna mahatoky hianao.

27 Havotana amin'ny hitsiny Siona, ary amin'ny rariny, izay hibebaka ao.

28 Fa ny mpikomy amam-panota kosa, indray torotoroina avokoa; ary izay mahafoy an'ny Tompo, dia ho faty.

29 Fa ho menatra ny terebinta nankamaminareo ary ho menatra ny zaridaina izay nahafinaritra anareo hianareo.

30 Satria ho tahaka ny terebinta nalazo ravina hianareo, ary tahaka ny zaridaina tsy misy rano.

31 Ary ny olo-mahery ho tahaka ny rano, ary ny asany ho kilalaon'afo. Ka hiara-mirehitra izy roa tonta, sady tsy hisy olona hamono ny afo.

Toko faha-2

1 Ny teny hitan'Izaia, zanak'i Amosa momba an'i Jodà sy Jerosalema.

2 Izao no ho tonga any amin'ny andro farany; ny tendrombohitry ny tranon'ny Tompo, hatao eo an-tampon'ny tendrombohitra; sy hasandratra ho eo ambonin'ny havoana. Ary ny firenena rehetra hirohotra ho any aminy,

3 ary firenena maro no ho avy sy hilaza hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny Tompo, any an-tranon'ny Andriamanitr'i Jakoba; hampianatra antsika ny làlany izy, ary hizotra amin'ny làlany isika. Fa avy any Siona no hivoahan'ny lalàna, ary avy any Jerosalema no hivoahan'ny tenin'ny Tompo.

4 Ho mpanelanelana amin'ny vahoaka izy, ary ho mpitsara ny firenena maro. Ny sabany hotefeny ho lela fangadin'omby, ary ny lefony ho antsy fijinjana. Ny firenena tsy hisy hanangan-tsabatra hamely ny firenena hafa, ary tsy hianatra ady intsony ny olona

5 Avia, ry taranak'i Jakoba, ka aoka handeha amin'ny fahazavan'ny Tompo isika.

6 Fa efa nandao ny vahoakanao hianao, ry taranak'i Jakoba, satria efa feno tafahoatra hatry ny ela ny helony; manaraka ny fankatoavana toy ny Filistina izy, ary mifandray tànana amin'ny zanaky ny hafa firenena.

7 Feno volafotsy sy volamena ny taniny, ary ny rakitra ao aminy tsy misy fetra;

8 feno soavaly ny taniny, ka tsy hita isa ny kalesiny. Feno sampy ny taniny, ary miankohoka eo anatrehan'ny asa-tànany izy ireo, dia eo anatrehan'ny zavatra narafitry ny rantsan-tànany.

9 Noho izany, haetry ny olona, ary haiva ny olombelona: Eny, tsy hamela ny helony hianao!

10 Midira ao anaty vatolampy, miere ao anaty vovoka, eo anatrehan'ny tahotra avy amin'ny Tompo sy ny famirapiratan'ny fiandrianany.

11 Ny fiandranandran'ny mason'ny olona, hatanondrika, ary ny avonavon'ny olombelona, haetry, fa Iaveh no hasandratra, dia izy irery ihany, amin'izany andro izany.

12 Satria hisy andro anankiray ho an'ny Tompo, hamelezany ny fiavonavonana rehetra sy ny fianjonanjonana rehetra, hamelezana izay misandratra rehetra, hanonganany azy:

13 hamelezana ny sedera avo sy manerinerina rehetra any Libàna, mbamin'ny oaka rehetra any Basàna;

14 hamelezana ny tendrombohitra avo rehetra, mbamin'ny havoana manerinerina rehetra;

15 hamelezana ny tilikambo mijoalajoala rehetra, mbamin'ny manda mafy rehetra;

16 hamelezana ny sambon'i Tarsisa rehetra, mbamin'izay mahafinaritra ny maso rehetra.

17 Ny reharehan'ny olona haongana, ary ny avonavon'ny olombelona haetry, fa Iaveh no hasandratra, dia izy irery ihany, amin'izany andro izany.

18 Ny sampy ho foana avokoa.

19 Dia hiditra anatin'ny zòma amin'ny vatolampy ny olona, sy anatin'ny zohy amin'ny tany, eo anatrehan'ny tahotra avy amin'ny Tompo, sy ny famirapiratan'ny fiandrianany, rahefa hitsangana hampangovitra ny tany izy.

20 Amin'izany andro izany, dia harian'ny olona ny sampiny volafotsy sy volamena, izay nataony hivavahany, ho an'ny voalavo sy ny ramanavy;

21 izy kosa handositra ho any an-dava-bato, sy any an-tsefatsefaky ny haram-bato, eo anatrehan'ny tahotra avy amin'ny Tompo, sy ny famirapiratry ny fiandrianany, rahefa hitsangana hampangovitra ny tany izy.

22 Koa atsaharo ny fitoky amin'olombelona, izay tsy misy afa-tsy fofon'aina kely foana eo am-bavorony; ka hatao ho inona izy?

Toko faha-3

1 Fa indro ny Tompo, Iavehn'ny tafika, hanesotra amin'i Jerosalema sy Jodà, ny vonjy aman-tohana rehetra,

2 ny vonjy rehetra momba ny mofo, ny vonjy rehetra momba ny rano, ny mahery fo mbamin'ny lehilahy mpiady, ny mpitsara, ny mpaminany amam-pimasy, ny loholona,

3 ny kapiteny aman'olom-boalohandohany, mbamin'ny mpanolo-tsaina, ny mpanao taozavatra kinga amin'ny raharahany amam-panao fankatoavana famantsy lahy;

4 dia zatovolahy no apetraka ho lehiben'izy ireo, ary ankizy no hanapaka azy.

5 Ka hiantoraka hifamely ny lehilahy amin'ny lehilahy ary ny olona samy amin'ny mifanakaiky aminy; hiantoraka hifamely izy ireo, ny tovolahy amin'ny anti-panahy, ary ny olom-poana amin'ny olo-manan-daza indrindra.

6 Nony halain'ny rahalahiny ny olona anankiray, ao an-tranon-drainy ilazany hoe: Manan-damba hianao, ka aoka ho lehibenay, ary aoka ho ambany fiambenanao izao faharavana izao!

7 Dia hikafankafana izy, amin'izany andro izany, hanao hoe: Tsy te-ho mpanasitrana aho, fa tsy mana-mofo na lamba ao an-tranoko akory, ka aza ataonareo lehiben'ny vahoaka.

8 Satria mangozohozo Jerosalema ary mirodana Jodà, noho ny teny aman'asan'izy ireo manohitra an'ny Tompo, mba hihaika ny fijerin'ny fiandrianany.

9 Ny toetry ny tarehiny no miampanga azy ireo; mampiharihary ny fahotany, tahaka an'i Sodoma izy, fa tsy miery amin'izany akory. Loza ho an'ireo fa ny tenany no fototry ny fahaverezany.

10 Lazao amin'ny marina fa sambatra izy, satria hihinana ny vokatry ny asany.

11 Loza ho an'ny ratsy fanahy! fa hidiran-doza izy, fa haverina aminy ny nataon'ny tànany.

12 Zaza no mampahory ny vahoakako, ary vehivavy no manapaka azy. Ry vahoakako, mampania anao izay mitondra anao, ary mandrava ny làlana tsy maintsy halehanao izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2306