Bokin'Izaia
Toko faha-3
13 Nitsangana Iaveh hamoaka ny fitsarana, ary nijoro hitsara ny vahoaka izy.14 Mifandahatra amin'ny loholona eo amin'ny fitsarana Iaveh, sy amin'ny mpanapaka ny vahoakany manao hoe: Niraotra ny voaloboka hianareo; ny fananan'ny malahelo nobaboinareo dia ao an-tranonareo.
15 Lalàna avy aiza no anosihosenareo ny vahoakako, sy anorotoroanareo ny tavan'ny ory? Teny ton'ny Tompo Iavehn'ny tafika, izany.
16 Efa niteny Iaveh nanao hoe: Noho ireo zanakavavin'i Siona tonga mpiavonavona, mandeha misolanandrana, mianjonajom-pijery, malako famindra, ary mampikorintsandrintsana ny masom-bola fehin-tongony,
17 dia hataon'ny Tompo sola ny tampon-dohan'ny zanakavavin'i Siona, ary asehon'ny Tompo ny fitanjahany.
18 Amin'izany andro izany, hesorin'ny Tompo ny ravaky ny masom-bola, ny masoandro sy ny volantsinana,
19 ny kavina, ny fehin-tànana, ny voaly,
20 ny fehiloha, ny fehin-tongotra amam-pehin-kibo,
21 ny fitoeran-dranomanitra amam-pelana, ny peratra aman-kavin'orona;
22 ny akanjo fitondra amin'ny fety sy ny akanjo vity malalaka, ny kapaoty amam-poketra;
23 ny fitaratra aman'akanjo moselina, ny lamba fehiloha amam-boaly fisaronana.
24 Ka ny zava-manitra hosoloana lo; ny fehin-kibo hosoloana mahazaka; ny volo mivona, hosoloana loha sola; ny akanjo vity malalaka, hosoloana lasaka; ny hatsaran-tarehy, hosoloana tomboka amin'ny afo.
25 Ny mpiadinao halavon-tsabatra, ary ny maherinao ho faty an'ady.
26 Hitomany sy hisaona ny vavahadin'i Siona, ary efa ory izy, dia hipetraka amin'ny vovoka.
Toko faha-4
1 Amin'izany andro izany, hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray, hanao hoe: ny mofonay no hohaninay, ary ny fitafianay no hitafianay, fa aoka mba hitondra ny anaranao izahay, ka halanao tondromaso.2 Amin'izany andro izany, ny solofon'ny Tompo ho haingo amam-boninahitra, ary ny vokatry ny tany ho rehareha amam-piravaka, ho an'ireo sisan'Israely afaka.
3 Ka izay ho tafajanona ao Siona, sy izay ho voatsimbina ao Jerosalema hantsoina hoe masina; dia izay rehetra voasoratra ao Jerosalema mba ho an'ny fiainana.
4 Rahefa voasasan'ny Tompo, ny loton'ny zanakavavin'i Siona, ka voadiony Jerosalema amin'ny ra izay eo afovoany, amin'ny fanahin'ny fitsarana amam-panahin'ny fandringanana,
5 amin'izay dia hoforonin'ny Tompo eran'ny tendrombohitra Siona manontolo, sy eo ambonin'ny fivoriany, ny rahona aman-tsetroka anankiray mandritra ny andro, ary fahazavan'ny afo midedadeda amin'ny alina. Eo ambonin'ny voninahiny rehetra dia hisy elo;
6 fa hisy lay mba hanalokaloka, amin'ny fidaindainan'ny andro, ary ho fandosirana sy fialofana, amin'ny ranonoram-baratra sy ny ranonorana.
Toko faha-5
1 Andeha hihira ho an'ny malalako aho, ilay hiran'ny malalako, ny amin'ny tanim-boalobony. Ny malalako dia nanan-tanimboaloboka, teo amin'ny tanety mahavokatra.2 Ka nasainy ny tany, nesoriny ny vato taminy; ary namboly karazam-boaloboka teo izy. Nanorina tilikambo teo afovoany izy, ary nandavaka famiazam-boaloboka koa. Nampoiziny hamoa voaloboka tsara izy, kanjo divay marikivy no vokany.
3 Ary izao kosa, ry mponina ao Jerosalema, sy olona any Jodà, masìna hianareo, tsarao aho, sy ny tanim-boaloboko!
4 Inona moa no mbola tokony ho natao tamin'ny tanim-boaloboko, ka tsy nataoko taminy? Nahoana no voaloboka no nantenaiko ho voany, kanjo tsy namoa afa-tsy divay marikivy izy?
5 Koa ankehitriny haposako aminareo, izay hataoko amin'ny tanim-boaloboko: hongotako ny fefiny, dia horaotina izy; harodako ny tambohony, dia ho voahosihosy izy.
6 Hataoko tany foana izy; ka tsy hohetezana na hasaina intsony; fa hanirian'ny hery aman-tsilo; ary handidy ny rahona aho, tsy handatsaka orana aminy intsony.
7 Fa ny taranak'Israely, no tanim-boalobok'Iavehn'ny tafika, ary ny olona any Jodà, no voly nolalainy; hitsiny no nantenainy taminy, kanjo ra latsaka no niseho; ny fahamarinana no nantenainy, kanjo fitarainam-pahoriana no hita.
8 Loza ho an'izay manampy trano amin'ny trano, sy manitatra saha amin'ny saha, mandra-paha-tsy misy manelanelana intsony, fa dia izy irery no honina eo afovoan'ny tany.
9 Ity no teny ren'ny sofiko avy amin'ny Tompon'ny tafika: Eny, ho foana ireo trano maro ireo, tsy hisy mpitoetra intsony ireo trano lehibe sy tsara tarehy ireo.
10 Fa ny tanim-boaloboka telonjato ara tsy hahavokatra afa tsy iray bata, ny voan-javatra iray homera tsy hahavokatra afa tsy iray efah.
11 Loza ho an'izay mihazakazaka hatramin'ny vao maraina mitady fisotro mahamamo, ary manalava ny filerany amin'ny hariva, efa voarehitry ny divay.
12 Harpa amam-baliha sy langoraona, ary sodina aman-divay, dia izay no fanasan'izy ireo; fa ny asan'ny Tompo tsy asiany fiheverana, ary ny ataon'ny tànany tsy jereny akory.
13 Noho izany ny vahoakako ho lasan-ko babo, tsy manampo izany akory; ny andriany ho zary andian'olo-noana, ary ny valalabemandry aminy ho main'ny hetaheta.
14 Koa dia mitatra ny seoly, ka manadanadana tsy anerany ny vavany; mivarina ao ny reharehan'i Siona, mbamin'ny be sy ny maro aminy izay mihahohaho sy mifaly.
15 Haetry ny olombelona, haongana ny olona, ary haondrika ny mason'ny mpiandranandrana;
16 dia hiseho ho lehibe, amin'ny fitsarana, Iavehn'ny tafika, ary hiseho ho masina amin'ny fahamarinana ny Andriamanitra masina.
17 Hisy ondry hiraoka ahitra, toy ny eo amin'ny fiandrasana azy, sy olon-kafa handevona ny sahan'ny mpanan-karena efa voasimba.
18 Loza ho an'izay mitari-keloka amin'ny kofehim-pitaka, sy ota, toy ny amin'ny mahazakan-tsarety!
19 izay manao hoe: Aoka ho dodona izy, aoka hohafainganiny ny asany, hahitantsika azy! Aoka hihakeky sy ho tanteraka ny didin'Ilay Masin'Israely, ka hahafantarantsika!
20 Loza ho an'izay miantso ny ratsy soa, ary ny soa, ratsy; izay manao ny aizina ho fahazavana, sy ny fahazavana ho aizina; izay manao mamy ho mangidy, sy ny mangidy ho mamy.
21 Loza ho an'izay manao ny tenany ho hendry, sy mihevitra azy ho mazava saina!
22 Loza ho an'izay mahery amin'ny fisotroan-divay, sy matanjaka amin'ny fampiharoharoana ny fitsotro mahery!
23 ho an'izany manamarina ny meloka, noho ny kolikoly, sy tsy manome ny rariny ananan'ny marina!
24 Noho izany, toy ny fandevon'ny lelafo ny mololo, sy toy ny fitelin'ny afo ny ahi-maina, ny fakany hanahaka ny zavatra lo; ary ny voniny hofaohina toy ny vovoka; satria nanipaka ny lalàn'ny Tompon'ny tafika izy ireo, sy naniratsira ny tenin'Ilay Masin'Israely.
25 Noho izany, nirehitra tamin'ny vahoakany ny fahatezeran'ny Tompo, nahinjiny tany aminy ny tànany, dia nikapoka azy izy; mihozongozona ny tendrombohitra; miampatra toy ny diky eny an-dàlana, ny fatin'izy ireo. Na dia izany rehetra izany aza anefa tsy mbola afaka ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tànany.
26 Manangan-tsaina ho an'ireo firenena lavitra izy; ary misiaka miantso azy ireo, avy any am-paran'ny tany. Dia indreo tonga ireny, faingana sady mailaka.
27 Tsy misy reraka na mangozohozo, na dia iray aza, tsy misy rendremana na matory, na dia iray aza, tsy misy olona miala fehin-kibo eny am-balahany, na tapa-kofehin-kiraro akory.
28 Voaranitra avokoa ny zana-tsipìkany, voahenjana avokoa ny tsipìkany; mafy tahaka ny vato ny kitron-tsoavaliny; tahaka ny tadio ny kodiaran-tsaretiny.
29 Fieron'ny liona, ny fierony; manerona izy toy ny liona tanora izay mitrerona sy misambotra ny rembiny; dia lasany izany ka tsy misy mahesotra izany aminy intsony.
30 Amin'izany andro izany hisy rohondrohona hihatra amin'ny vahoaka, tahaka ny firohondrohon'ny ranomasina. Hijery ny tany ny olona ka indro aizina no eo! Tebiteby mafy sy fahazavana! Rahefa izany dia mivelatra hanarona ny lanitry ny faritany ny aizina.