Bokin'Izaia
Toko faha-6
1 Tamin'ny taona nahafatesan'i Oziasa, mpanjaka, no nahitako ny Tompo, nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana avo sy manerinerina, ary nahafeno ny tempoly ny rebareban'akanjony.2 Nisy Serafima nitoetra teo anatrehany; manan'elatra enina avy: ny roa nisaronany tava; ny roa nisaronany tongotra, ny roa nanidinany. 3 Niantso mafy izy ireo, nifamaly ka nanao hoe: Masina, masina, masina Iaveh'ny tafika! feno ny voninahiny ny tany rehetra. 4 Nihozongozona ny fanambanin'ny vavahady, noho ny feon'izay niantso mafy, ary tonga feno setroka ny trano.
5 Ka hoy aho tamin'izay: Loza ho ahy! maty aho! fa izaho olona maloto molotra; ary ny firenena hitoerako maloto molotra; nefa aho nahita maso ny Mpanjaka, Iavehn'ny tafika! 6 Kanjo, nanidina nanatona ahy, ny iray tamin'ireo Serafima, nitondra vain'afo teny an-tànany, nalainy tamin'ny tandra, teo ambony otely.
7 Nakasiny tamin'ny vavako izany, dia hoy izy: Jereo, efa voakasik'ity ny molotrao; ka voaesotra ny helokao, ary voaonitra ny fahotanao. 8 Dia nandre ny feon'ny Tompo aho, nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho any? Ka hoy aho: Inty aho; iraho aho.
9 Ary hoy izy: Mandehana ka lazao amin'ity firenena ity hoe: Mandrenesa hianareo, fa aza mahafantatra; aoka hahita hianareo fa tsy hahazo an-tsaina.
10 Ataovy lamodamoka ny fon'ity firenena ity, ary ataovy lalodalovana ny sofiny, dia tampeno ny masony, mba tsy hahita maso izy, sy tsy handre ny sofina ka tsy hibebaka sy tsy ho sitrana.
11 Ary hoy aho: Mandra-pahoviana, ry Tompo? Ka hoy ny navaliny: Mandra-paharingan'ny tanàna, ka tsy hisy mponina, ka ny trano, tsy hisy olona intsony, ary ny tany ho rava sy lao;
12 mandra-pitondran'ny Tompo ny olona any lavitra, ka ho be ny lao amin'ny tany.
13 Ary na ny ampahafolon'ny mponina aza no sisa eo, dia mbola haripaka indray ihany koa ireo. Kanefa toy ny terebinta sy ny aoka, rahefa voakapa mbola manam-pototra; ny fototr'Israely, dia ho tsimoka masina.
Toko faha-7
1 Tamin'ny andron'i Akaza, zanak'i Joatama, zanak'i Oziasa, mpanjakan'i Jodà, dia niakatra hanafina an'i Jerosalema, Rasima, mpanjakan'i Siria, niaraka tamin'i Fasea, zana-dRomelia, mpanjakan'Israely; nefa tsy nahafaka azy izy.2 Nambara tamin'ny taranak'i Davida izany vaovao izany, fa hoe: Mitoby any amin'i Efraima i Siria. Tamin'izany nipararetra hoatra ny fanetsiky ny rivotra ny hazo an'ala ny fon'ny mpanjaka sy ny fon'ny vahoaka. 3 Dia hoy Iaveh tamin'Izaia: Mivoaha hianao sy Seara-Jasoba, zanakao, hitsena an'i Akaza eo amin'ny faran'ny lakan-dranon'ny kamory ambony, amin'ny làlan'ny sahan'ny mpamotsy lamba; 4 ka hianao hilaza aminy hoe: Mitandrema, mandria amim-piadanana, aza matahotra, ary aza rera-po foana hianao eo anatrehan'ireo tapa-porohana roa midonaka ireo, amin'ny fisafoak'i Rasima sy Siria, ary ny zana-dRomelia. 5 Noho i Siria nihevitra hampidi-doza anao mbamin'i Efraima sy ny zana-dRomelia nanao hoe:
6 Andeha isika hananika an'i Jodà, ka hampaharaiki-tahotra azy sy hananika azy ary hanangana ny zanak'i Tabeela ho mpanjaka ao;
7 noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Tsy ho vanona izany; tsy hisy izany!
8 Satria fa Damasa no lohan'i Siria, ary Rasina no lohan'i Damasa; ka dimy amby enimpolo taona sisa, dia hitsahatra tsy ho vahoaka intsony Efraima.
9 Ary Samaria no lohan'i Efraima, ny zana-dRomelia no lohan'i Samaria. Raha tsy mino hianareo, dia tsy haharitra.
10 Mbola niteny tamin'i Akaza koa Iaveh nanao hoe:
11 Mangataha famantarana amin'ny Tompo Andriamanitrao: mangataha izany, na any amin'ny faravodin'ny seoly, na any amin'ny havoan'ny lanitra. 12 Fa hoy Akaza: Tsy hangataka aho; tsy haka fanahy an'ny Tompo aho. 13 Ka hoy Izaia: Mihainoa, ry taranak'i Davida: Mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona, no dia mbola mahasasatra an'Andriamanitra koa hianareo?
14 Noho izany dia tenan'ny Tompo no hanome famantarana anareo: Indro nanan'anaka ny Virjiny, ka miteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Emmanoela.
15 Hihinana hero-dronono sy tantely izy, mandra-pahainy mandà ny ratsy sy mifidy ny tsara.
16 Fa alohan'ny hahaizan'io zaza io mandà ny ratsy sy mifidy ny tsara, dia ho rava ny tanin'ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.
17 Iaveh hahatonga aminao sy ny vahoakanao ary amin'ny fianakavian-drainao, andro tsy mbola nisy tonga toa azy, hatramin'ny andro nisarahan'i Efraima tamin'i Jodà, - dia ny mpanjakan'i Asiria.
18 Amin'izany andro izany, Iaveh hisiaka ny lalitra any amin'ny fara lafin'ny onin'i Ejipta, sy ny renitantely, any amin'ny tanin'i Asiria.
19 Dia ho avy ireny, ka hipetraka avokoa eny amin'ny lohasaha mideza, sy eny an-tsefatsefa-karambato, any amin'ny hazo madinika milobolobo, mbamin'ny tany fiandrasana biby rehetra.
20 Amin'izany andro izany ny Tompo hanaratra, amin'ny hareza nahofany tany an-dafin'ny ony, - dia amin'ny mpanjakan'i Asiria, - ary hoesoriny koa ny volom-bava.
21 Amin'izany andro izany, ny olona iray hiompy ombivavy iray sy ondrivavy roa;
22 ka noho ny habetsahan'ny ronono avy amin'ireny dia tsy hihinana afa-tsy hero-dronono ny olona; fa hero-dronono sy tantely no fihinan' ny olona rehetra tafajanona eo amin'ny tany.
23 Amin'izany andro izany ny tany rehetra misy foto-boaloboka arivo izay lafo lela volafotsy arivo, dia ho rakotra hery sy tsilo.
24 Zana-tsipìka aman-tsipìka, no ho enti-miditra ao, fa tsy hisy afa-tsy hery sy tsilo, amin'ny tany rehetra.
25 Ary ny tendrombohitra rehetra izay fiasa amin'ny antsetra fiavana tsy hankanesanao intsony noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; fa dia ho tany fiandrasana omby, ary ho tany hitsakitsahan'ny ondry.
Toko faha-8
1 Ary hoy Iaveh tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty eo, amin'ny soratra azon'ny olona rehetra vakina, izao: Hafaingano ny fandrobana! Mamaboa faingana.2 Ary naka vavalombelona mahatoky hiaraka amiko aho, dia Oria mpisorona sy Zakaria zanak'i Jebarakia. 3 Dia nanatona ny mpaminany vavy aho ary nanan'anaka izy, ka niteraka zazalahy. Ary hoy Iaveh tamiko: Ataovy hoe: Maher-Salala-Kasy-Baza ny anarany. 4 Fa alohan'ny hahaizan'io zaza io miantso hoe: Idada sy Ineny dia hoaterina eo anatrehan'ny mpanjakan'i Asiria ny haren'i Damasa sy ny babo azo tamin'i Samaria. 5 Izao koa no nolazain'ny Tompo tamiko:
6 Satria ity firenena ity nanazimba ny ranon'i Siloe misononoka fandeha, sy mifaly noho ny amin-dRasina sy ny zana-dRomelia,
7 noho izany, indro hampiakarin'ny Tompo hanafika azy ireo, ny ranon'ny ony, sady mahery no lalina, dia ny mpanjakan'i Asiria mbamin'ny heriny rehetra: ny masondranony rehetra hosaforany, ary ny morony rehetra hihoarany;
8 ho tafatsofoka amin'i Jodà izy, ho tondraka sy hanafotra, hisondrontra mandra-pahatongany havozona, ary ny fivelaran'ny elany handrakotra ny tampon'ny taninao rehetra ry Emmanoela ô!
9 Manaova akoran'ady, ry vahoaka, nefa ho resy hianareo! Manongilàna sofina hianareo rehetra, ry faravazan'ny tany. Vonony ny fitaovanareo, nefa ho resy hianareo! Vonony ny fitaovanareo, nefa ho resy hianareo e!
10 Manaova fikasana, nefa hofoanana izany; manomeza baiko, nefa tsy hisy vokany izany; satria momba anay Andriamanitra!
11 Fa izao no nolazain'ny Tompo tamiko, raha mandray ahy ny tànany, sy nanoro ahy tsy hanaraka ny làlan'ity firenena ity, nanao hoe:
12 Aza miantso hoe tetika fikomiana izay rehetra ataon'ity vahoaka ity hoe tetika fikomiana. Aza matahotra izay atahorany, na mangovitra akory hianareo.