Bokin'Izaia

Toko faha-8

13 Iavehn'ny tafika, dia izy no hohamasininareo, izy no aoka hatahoranareo sy hangovitanareo.

14 Dia ho fitoerana masina izy, nefa koa ho vato fanafintohinana sy ho vatolampy mahasolafaka ho an'ny firenena roa amin'Israely, ho fandrika aman-tonta ho an'ny mponina eny Jerosalema.

15 Maro amin'izy ireo no ho tafintohina, ho lavo, sady ho montsamontsana; ary ho voafandrika sy ho voasambotra.

16 Fehezo ny teni-vavolombelona, asio tombo-kase ny fampianarana ao am-pon'ny mpianatro.

17 Manantena an'ny Tompo izay manafina ny tavany amin'ny taranak'i Jakoba aho, ary matoky azy.

18 Inty aho sy ireo zaza nomen'Andriamanitra ahy, dia famantarana sy fambara amin'Israely izahay, avy amin'ny Tompon'ny tafika, izay monina ao an-tendrombohitra Siona.

19 Raha avy izay hilazany aminareo hoe: Manontania an-dry zareo miantso ny maty, sy amin'ny mpisikidy manao feo mimonomonona sy mibitsibitsika, valio hoe: Moa tsy ny Andriamaniny va no tokony hanontanian'ny vahoaka? dia ny maty va no hilan-tsaina ho an'ny velona?

20 Ny fampianarana sy ny teny vavolombelona ihany e! Fa raha manao teny hafa noho izany ny vahoaka, dia tsy misy fahazavan'ny marina ho azy.

21 Hirenireny amin'ny tany, votom-pahoriana sy mosarena, ary rahefa noana izy hanozona ny mpanjakany sy ny Andriamaniny amin'ny fiafonafonany.

22 Hanandratra ny masony any ambony, dia hanondrika azy amin'ny tany indray: Ka indro ny fahoriana, ny aizina, ny tebiteby mampanjombona; horoahina any amin'ny aizim-pito izy.

23 Tsy hisy intsony anefa ny aizim-pito, amin'ny tany nozoim-pahoriana. Toy ny nanotofan'ny andro taloha fahafaham-baraka, ny tany Zabolona sy ny tany Neftali, no hamenoan'ny andro farany voninahitra, ny làlan'ny ranomasina, ny tany an-dafin'i Jordany, ary ny faritanin'ny firenena.

Toko faha-9

1 Ny vahoaka nandeha tamin'ny aizim-pito, nahita mazava lehibe; ary ireo nonina tamin'ny tany aloky ny fahafatesana, namirapiratan'ny mazava.

2 Nampitombo ny vahoakanao hianao, ary nataonao lehibe ny hafaliana; ka mifaly eo anatrehanao, toy ny fifaliana raha fararano izy, toy ny fihobiana an-kafaliana, raha mizara babo.

3 Satria ny jioga nanavesatra azy, ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny, ny tehin'ny mpitoroka azy, dia samy notapahinao, toy ny tamin'ny andron'i Madiana.

4 Ny kapan'ny mpiady rehetra tamin'ny fikatrohana mbamin'ny kapaoty nihosin-dra rehetra, dia atao anatin'ny afo: ka levon'ny afo.

5 Fa misy zaza teraka ho antsika; zazalahy nomena antsika; ka ny fanjakana napetraka eo an-tsorony; ary ny anarany atao hoe: Mpanolo-tsaina mahagaga, Andriamanitra mahery, Ray mandrakizay, Andrian'ny fiadanana,

6 mba hanitatra ny fanjakana, sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana, ho an'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy, amin'ny hitsiny sy ny rariny, hatramin'izao ka ho mandrakizay. Ny zotom-pon'ny Tompon'ny tafika no hanatanteraka izany.

7 Nandefa teny ho an'i Jakoba, ny Tompo, ary mihatra amin'Israely izany;

8 hahalala izany avokoa ny vahoaka, dia Efraima sy ny mponina any Samaria, izay miteny amim-piavonavonana sy amim-pireharehan'ny fony manao hoe:

9 Nianjera ny biriky, fa vato voapaika kosa no harafitsika, voakapa ny aviavy fa sedera kosa no hasolontsika azy.

10 Iaveh nanangana ny mpanohitra an-dRasina hamely azy ireo sy manindrona an'ireo fahavalony,

11 dia i Siria any Atsinanana, sy ny Filistina any Andrefana, ka ho lanin'ireo, hataony be am-bava, Israely. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tànany.

12 Satria tsy niverina amin'izay nikapoka azy ny vahoaka, ary tsy nitady an'ny Tompon'ny tafika izy ireo.

13 Ka hofongoran'ny Tompo amin'Israely ny loha sy ny rambo, ny fototr'antrendry aman-jozoro amin'ny indray andro monja.

14 Ny loholona sy ny andriana no loha, ary ny mpaminany mampianatra lainga no rambo.

15 Fa ireo mitarika ity vahoaka ity mamily azy, ary izay voatarika dia very.

16 Noho izany ny zatovon'izy ireo tsy ankasitrahan'ny Tompo, ary ny kamboty amam-pitondratenany, tsy ananany antra; satria izy rehetra dia samy mpankahala fivavahana sy ratsy fanahy avokoa, ary ny lela rehetra mamoaka fankahalana ny fivavahana avokoa. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tànany.

17 Fa nirehitra hoatra ny afo ny faharatsiana, ka mandevona ny hery sy ny tsilo; mampiredaka ny hery milobolobo amin'ny ala, ka ny setroka misavoana mitambolombolona.

18 Noho ny hatezeran'ny Tompon'ny tafika dia may ny tany, ary ny vahoaka zary rembin'ny afo. Tsy misy mitsimbina izay rahalahiny intsony;

19 mikapa eny an-kavanana ny olona, nefa noana ihany, mandrapaka eny an-kaviany izy, nefa mbola tsy voky; samy mihinana ny nofon-tsandriny avokoa izy; Manase mamely an'i Efraima, Efraima mamely an'i Manase, izy roa tonta ireo mamely an'i Jodà.

20 Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany ary mbola mihinjitra ihany ny tànany.

Toko faha-10

1 Loza ho an'izay mamoaka fitsarana tsy marina, sy ho an'ny mpanoratra manoratra fanamelohana tsy ara-drariny.

2 Mampanalavitra ny tribonaly ny osa sy manendaka ny rariny amin'izay ory eo amin'ny vahoakako; ny mpitondratena ataony firemby; ary ny kamboty fambabony!

3 Hanao ahoana re hianareo, amin'ny andro famangiana, sy amin'ny loza amin'antambo ho tonga avy lavitra? Any amin'iza no handosiranareo, hamonjy anareo, ary aiza no hanaovanareo ny harenanareo?

4 Hany sisa hatao dia milefitra eo amin'ny babo, na lavo eo amin'ny maty. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tànany.

5 Loza ho an'i Asora, tsorakazon'ny fahatezerako! fiasan'ny havinirako ny tehina eny an-tànany!

6 Irahiko izy hamely ny firenena mpankahala fivavahana, omeko didy izy hamely ny vahoaka mahatezitra ahy, dia handroba sy hamabo azy, ary hanosihosy azy, toy ny fotaka eny an-dàlambe.

7 Kanjo tsy izany no heviny, ary tsy izany no heverin'ny fony; fa ny handringana no hany kendreny, sy hamongotra firenena tsy an-kavitsiana.

8 Hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ny andriandahiko?

9 Tsy toa an'i Karkemisa va no nahazo an'i Kalnao, tsy toa an'i Arfada va no nahazo an'i Hamata? ary tsy toa an'i Damasa va no nahazo an'i Samaria?

10 Toy ny nanakaran'ny tànako an'ireo fanjakan'ny andriamanitra tsy mahomby, izay mahery noho ny an'i Jerosalema sy Samaria toy ny efa nataoko tamin'i Samaria sy ireo andriamaniny,

11 moa tsy toy izany koa va no hataoko amin'i Jerosalema sy ny sary sampiny?

12 Nefa izao no hitranga raha avy izay hahatanterahan'ny Tompo ny asany manontolo, amin'ny tendrombohitra Siona sy amin'i Jerosalema, dia hosavako ny vokatry ny fo be anjonanjon'ny mpanjakan'i Asiria, sy ny reharehan'ny masony miandranandrana.

13 Satria izy nanao hoe: Ny nahefako izany dia noho ny herin'ny tànako, sy noho ny fahendreko, satria mahira-tsaina aho! Ny faritanin'ny firenena, nafindrako, ny hareny nobaboiko, ary ireo nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany dia nanongana azy aho toy ny lehilahy mahery fo.

14 Toy ny fisambotra akany no nisamboran'ny tanako ny haren'ny firenena, ary toy ny fanangona atody nilaozana no namoriako ny tany rehetra, ka tsy nisy nikopak'elatra, na nisoka-bava na mba nikiaka akory!

15 Mirehareha amin'ny tànana mampandihy azy va ny famaky, miavonavona amin'izay mampandeha azy va ny tsofa? Sa hoe: ny tsorakazo indray va no manetsika izay manainga azy; sa hoe: ny tehina indray no manangana izay tsy hazo!

16 Noho izany, ny Tompo, Iavehn'ny tafika, haniraka faharerahana hamely ny mpiadiny matanjaka; ary eo ambanin'ny voninahiny, hisy afo mirehitra toy ny afo amin'ny hain-trano.

17 Ny fahazavan'Israely no ho afo; ary ny Masiny no ho lelafo, handoro sy handevona, indray andro monja, ny tsilo sy ny heriny.

18 Ka ny voninahitry ny ala amam-boly hazo mamoa ho foanany hatramin'ny fanahy ka hatramin'ny vatana; hanahaka ny marary matin'ny singotr'aty izany.

19 Ho azo isaina ny hazo sisa any an'alany; zaza iray dia hahalatsaka an-tsoratra azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1585