Bokin'Izaia
Toko faha-10
20 Ary izao no hiseho amin'izany andro izany: Ny sisa amin'Israely ary izay afaka tsy lany amin'ny taranak'i Jakoba, dia hitsahatra tsy hiankina amin'izay namely azy intsony, fa hiankina amin'ny Tompo izy ireo amin'ny Masin'Israely, tsy hivadika aminy.21 Misy sisa hiverina, dia sisa amin'i Jakoba, ho amin'ny Andriamanitra mahery.
22 Satria na dia hoatra ny fasika amin'ny ranomasina aza ny vahoakanao, ry Israely, dia izay sisa eo ihany no hiverina; ka efa raikitra ny fandringanana hampisafoaka ny fahamarinana,
23 fa ny fandringanana efa naraikiny dia hotanterahin'ny Tompo, Iavehn'ny tafika, amin'ny tany rehetra.
24 Izany no hilazan'ny Tompo, Iavehn'ny tafika hoe: Aza matahotra na inona na inona avy amin'i Asora, ry vahoakako monina any Siona, raha mamely anao amin'ny tsorakazo izy, ka manainga ny tehina aminao, toy i Ejipta taloha.
25 Fa rahefa afaka kely foana, dia hitsahatra ny hatezerako, ary hifotitra aminy, handringana azy, ny fahavinirako.
26 Hanainga kotopia hamelezana azy Iavehn'ny tafika, toy ny namelezany an'i Madiana, teo amin'ny vatolampin'i Oreba, ary toy ny tehiny teny ambony ranomasina; ary hoaingainy izany toy ny taloha tany Ejipta.
27 Ka izao no hiseho amin'izany andro izany: Ny entan'i Asora hesorina eo an-tsorokao; ary ny jiogany eo amin'ny vozonao, ka ny tanjakao no hahavaky ny jioga.
28 Iny izy tonga ao Ajata, efa mamaky an'i Magrona, mametraka ny entany ao Makmasy.
29 Nihoatra ny hadilanana izy ireo, nitoby tao Gabà tamin'ny alina; raiki-tahotra mafy Ramà, vaky nandositra Gabaan'i Saola.
30 Manaova antso mafy fitarainana, ry zanakavavin'i Gallima! mampandria sofina, ry Laisa! Indrisy, ry Anatota mahantra!
31 Miparitaka Medmenà, lasa nandositra ny mponina ao Gabima,
32 Indray andro sisa, dia any Nobe izy; hanainga tànana hamely ny tendrombohitry ny zanakavavin'i Siona izy, hamely ny havoan'i Jerosalema!...
33 Indro ny Tompo, Iavehn'ny tafika, mikapa ny sampan-kazo, ataony mikotrokotroka; ny avo indrindra, voakapa; ny lasa ambony indrindra voazera amin'ny tany.
34 Ny ala milobolobo voakapa amin'ny vy; ary lavo i Libana alamaky ny Mahefa anankiray.
Toko faha-11
1 Misy rantsana hipoitra amin'ny fototr'i Jese, ary misy solofo haniry avy amin'ny fakany.2 Hitoetra eo aminy ny fanahin'ny Tompo, dia ny fanahin'ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina, fanahin'ny fifidianana amam-paherezana, fanahin'ny fahalalana amam-pahatahorana an'ny Tompo.
3 Ny fahatahorana an'ny Tompo no fototry ny fahafinaretany. Tsy hitsara araka izay miseho amin'ny masony izy, na hanapaka araka izay ren'ny sofiny.
4 Ny madinika hotsarainy ara-drariny, ary ny mpietry eto an-tany dia hamoahany teny fitsarana araka ny marina. Hikapoka ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany izy, ary hamono ny ratsy fanahy amin'ny fofon'ain'ny molony.
5 Fahamarinana no hisikinan'ny valahany ary fatra-po mahatoky no ho fehin-kibony.
6 Ny amboadia hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry, ny pantera hiara-mandry amin'ny zanak'osy; ny zanak'omby sy ny liona aman'omby mifahy, hiray toerana, ka zaza no hiroaka azy.
7 Ny ombivavy sy ny orsa handeha ho amin'ny tanim-bilona iray, ny zanak'ireo, hiray trano fandriana; ary ny liona hihinam-bilona hoatry ny omby.
8 Ny zaza minono hilalao eo amin'ny lavaky ny menarana; ary ny zaza vao misara-nono hanao ny tànany ao an-davaky ny baziliky.
9 Tsy hisy hampidi-doza na handrava, eran'ny tendrombohitra masina, satria ny tany ho feno fahalalana an'ny Tompo, toy ny fanambanin'ny ranomasina, feno ny rano manarona azy.
10 Izao no hiseho amin'izany andro izany: Ny solofon'i Jese voatsangana ho fanevan'ny vahoaka samihafa, dia hotadiavin'ny firenena, ary ho be voninahitra ny fonenany.
11 Ary izao no hitranga amin'izany andro izany: Ny Tompo haninjitra ny tànany fanindroany, hanavotra ny sisa amin'ny vahoakany, izay sisa mbola ho hita any Asiria sy Ejipta, sy Patraosy, Etiopia, Elama, Senaara, Hamata sy ireo nosy amin'ny ranomasina.
12 Ary izy hanangam-paneva ho an'ny firenena, hamory ny voasesi-tany amin'Israely; hanangona ny tafaely amin'i Jodà, avy any amin'ny vazan-tany efatra.
13 Ny fialonan'i Efraima ho foana; ny fandrafian'i Jodà hitsahatra; Efraima tsy hialona an'i Jodà intsony; ary Jodà tsy handrafy an'i Efraima intsony.
14 Hanidina amin'ny soroky ny Filistina any andrefana izy, ary hiara-mamabo ny zanaky ny Atsinanana; Edoma sy Moaba hasiany amin'ny tanany; ary ny taranak'i Amona, hanoa azy ireo.
15 Iaveh hanao anatema ny sakeli-dranomasin'i Ejipta, sy hanainga ny tanany hamely ny Ony amin'ny herin'ny rivony, dia hikapoka azy sy hampisaraka azy hisampana fito, ka ataony azo aleha tsy ialan-kapa eo.
16 Dia hisy làlana halehan'ny vahoakany sisa, izay sisa mbola ho hita any amin'ny tany Asiriana, toy ny nisy halehan'Israely, tamin'ny andro niakarany avy any amin'ny tany Ejipta.
Toko faha-12
1 Ka dia izao no holazainao amin'izany andro izany: Midera anao aho, ry Iaveh, fa tezitra hianao, nefa nihodivitra ny hatezeranao, ka mampionona ahy hianao.2 Inty ny Andriamanitry ny fahafahako; matoky aho, fa tsy manan-tahotra; fa ny heriko sy fiderako, dia Iaveh, Iaveh, izy no famonjena ahy teo.
3 Hanovo rano an-kafaliana hianareo amin'ny loharanom-pamonjena, ary izao no holazainareo amin'izany andro izany:
4 Miderà an'ny Tompo, miantsoa ny anarany; torio amin'ny firenena ny asany lehibe, ataovy antso avo, fa tafasandratra ny anarany.
5 Mihirà ho an'ny Tompo fa nanao zava-mahagaga izy; ka aoka ho fantatra any amin'ny tany rehetra izany!
6 Miantsoa mafy, manaova firavoravoana, ry vehivavy mponina any Siona, fa lehibe eo afovoanao, Ilay Masin'Israely!
Toko faha-13
1 Faminaniana momba an'i Babilona nambara tamin'Izaia, zanak'i Amosa.2 Manangàna faneva, eo amin'ny tendrombohitra mangadihady; antsoy amin'ny feo avo izy ireo, hofay tànana izy, handingana ny vavahadin'ireo mpanapaka.
3 Izaho kosa efa nanome didy an'ireo natokako, ary efa niantso ireo lehilahy maheriko ho entiko hahafa-po ahy amin'ny hatezerako, izay miarahaba ny fiandrianako, amin'ny hobin-kafaliana.
4 Injany re ny horakoraka any an-tendrombohitra, toa hahohahom-bahoaka be; injany re ny tabataban'ny fanjakana, ny firenena tafavory: Iavehn'ny tafika izany mampanao matso ireo miaramilany mpiantafika.
5 Avy any an-tany lavitra, avy any am-paravodilanitra izy ireo dia Iaveh sy ireo entiny manatanteraka ny fahatezerany handravany ny tany rehetra.
6 Aoka hinaonaona hianareo, fa antomotra ny andron'ny Tompo: toy ny fandravana ataon'ny Tsitoha no fihaviny.
7 Noho izany ny tànana rehetra hiraviravy; ny fon'ny olombelona rehetra ho reraka,
8 hangovitra izy, ho azon'ny tebiteby amam-panaintainana; hiolanolana toy ny vehivavy miteraka izy; sady hifampijery samy hitanaka foana eo, ary hivoaramena hoatra ny afo ny tarehiny!
9 Indro tonga ny andron'ny Tompo, andro fahalozana, fahavinirina sy firehetam-pahatezerana, hampanjary ny tany ho efitra, sy handringana ny mpanota eo.
10 Fa ny kintan'ny lanitra, sy antokon-kintany, tsy mandefa ny fahazavany hamirapiratra, ny masoandro nihamaizina teo amin'ny fiposahany, ary ny volana tsy mandefa ny fahazavany.
11 Hosaziko izao tontolo izao noho ny faharatsiany; ary ny ratsy fanahy noho ny helony; hataoko mitsahatra ny fiandranandran'ny mpirehareha; ary haetriko ny avonavon'ireo mpanjaka manao jadona.
12 Hataoko mahalana mihoatra noho ny volamena madio, ny olombelona; mahalana mihoatra noho ny volamena avy any Ofira.
13 Noho izany, ny lanitra hampangovitiko; ary ny tany ho hozongozonina hiala amin'ny fitoerany, azon'ny haviniran'ny Tompon'ny tafika, amin'ny andro hirehetan'ny fahatezerany.