Bokin'Izaia

Toko faha-13

14 Amin'izany ny olona tahaka ny gazela henjehina, tahaka ny biby fiompy tsy misy mpamory, dia samy hitodika ny fireneny avy, sy handositra ho any amin'ny taniny.

15 Izay hita rehetra ho voagorobaka, izay voasambotra rehetra ho lavon'ny sabatra.

16 Ny zanany madinika ho montsanina eo imasony, ny tranony hobaboina ary ny vadiny hosavihina.

17 Indro hatsangako hamely azy ireo ny Meda, izay tsy mandala volafotsy, tsy maniry volamena.

18 Ny tsipikany handripaka ny zatovo; ny naloaky ny kibo, tsy hananany antra; ny zaza tsy hiantran'ny masony.

19 Ary Babilona, ilay ravaky ny fanjakana maro, haingon'ny Kaldeana be rehareha, dia hanahaka an'i Sodoma sy Gomora izay noravan'Andriamanitra. Tsy hisy mponina intsony ao aminy,

20 ary tsy honenana intsony amin'ny taona mifandimby izy; ny Arabo tsy hanangan-day eo; ary ny mpiandry biby tsy hametraka biby fiompy am-bala eo.

21 Fa ny bibidia eny an'efitra no hanao ny lavany eo, ny vorondolo no hameno ny tranony; ny ostritsa no honina any, ary ny satira no hifalihavanja eo.

22 Ny amboadia no hierona ao an-dapany lao; ary ny alikadia ao an-trano firavoravoany. Efa antomotra ny fotoanany, ary tsy hohalavaina ny androny.

Toko faha-14

1 Fa Jakoba kosa hiantran'ny Tompo, ary Israely mbola hofidiny; hamponeniny amin'ny taniny indray izy; ny hafa firenena hikambana aminy, sy hiraikitra amin'ny taranak'i Jakoba.

2 Ny firenena no haka azy, ka hanatitra azy hody, ary ny taranak'Israely handray azy ireo ho an'ny tenany, ao amin'ny tanin'ny Tompo, ho mpanompolahy amam-panompovavy; dia ho tonga mpamabo izay namabo azy izy, sy hanapaka an'ireo nampahory azy.

3 Ary amin'ny andro hampitsaharan'ny Tompo anao amin'ny fisasarana aman-tebitebinao, sy amin'ny fanompoana mafy nampanaovina anao,

4 dia hoventesinao izao hira faniniana izao, ny amin'ny mpanjakan'i Babilona, ka hataonao hoe: Akory ity niafaran'ilay mpanjaka manao jadona, ary nitsaharan'ny fampahoriana?

5 Notapatapahan'ny Tompo ny tehin'ny ratsy fanahy, ny tehim-panjakan'ny mpanapaka!

6 Nikapoka ny vahoaka tamin-katezerana mafy izy, tamin'ny kapoka tsy an-kijanona; nentin'ny fisafoahany dia nataony ambany jioga ny firenena, tamin'ny fanenjehana tsy misy hiainana.

7 Indro miadana ny tany rehetra, mandry fehizay izy, velona ny hobin-kafaliana.

8 Ny sipresa aza mifaly amin'ny fahalavoanao mbamin'ny sedera any Libana: Hatrizay nahalavoanao teo izay, tsy misy olona miakatra hikapa anay intsony.

9 Taitra ny aminao ny seoly any ambany lalina any, handeha hitsena anao. Fohaziny noho ny aminao ny avelo ny mpanjakan'ny tany rehetra; asainy hitsangana avy eo amin'ny seza fiandrianany avokoa ny mpanjakan'ny firenena rehetra.

10 Samy miteny izy rehetra, hilaza aminao hoe: Hianao koa miongana toa anay, ka indro hianao tsy misy hafa aminay!

11 Nivarina amin'ny seoly ny reharehanao, mbamin'ny feom-balihanao. Voalafika kankana hianao, ary olitra no irakofanao!

12 Akory ity hianao no potraka avy any an-danitra, ry kintana mamirapiratra, zanaky ny maraina? Akory ity hianao no mitsingidina amin'ny tany, hianao ilay mpandrava firenena?

13 Hianao ilay nanao anakampo hoe: Hiakatra any an-danitra aho; ary ambony mihoatra ny kintan'Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; hipetraka eo ambonin'ny tendrombohitry ny fivoriana, eny amin'ny avaratra avo tsy hita noanoa;

14 hisondrotra any an-tampon'ny rahona, ary hitovy amin'ny Avo Indrindra!

15 Kanjo indro hianao latsaka aty amin'ny seoly aty amin'ny hantsana lalina tsy hita noanoa!

16 Izay mahita anao, mibanjina anao, sady manao tsara jery anao, manao hoe: Io va re izany olona nampitabataba ny tany, nampihozongozona ny fanjakana,

17 nampanjary efitra an'izao tontolo izao, nandrava ny tanàna, tsy nandefa ny babo hody any aminy?

18 Ny mpanjaka rehetran'ny firenena, samy mandry amim-boninahitra avokoa, eo an-tranony avy;

19 fa hianao kosa nariana lavitry ny fasanao, toy ny sampana atao ho tsinontsinona, tototry ny maty novonoina tamin'ny sabatra, sy voavarina any amin'ny sola-baton'ny hantsana manjombona, tahaka ny faty voahosihosy.

20 Tsy mba hiaraka amin'izy ireo eny am-pasana hianao, satria nandevona ny taninao, ary nandringana ny vahoakanao! Tsy hotononina mandrakizay ny taranaky ny ratsy fanahy.

21 Manomàna famonoana hamelezana ny taranany, noho ny helok'ireo razany. Aza tafarina intsony hampanaiky ny tany izy ireo, aoka anie ka tsy handrakotra tanàna ny vohon'ny tany izy ireo.

22 Hitsangan-kamaly ireny aho, - teny ton'ny Tompon'ny tafika - ary ho foanako amin'i Babilona avokoa ny anarana sy izay sisa eo, ny taranaka aman-tsolofo, - teny ton'ny Tompo'ny tafika. -

23 Hataoko fonenan-tsokina, amam-piandronan-drano izy, ary hofafako amin'ny kofafa fandringanana, - teny ton'ny Tompo'ny tafika. -

24 Iaveh'ny tafika nianiana hoe: Eny, ho to izay hevitra efa nokasaina; ary ho tanteraka izay efa notapahako.

25 Hanorotoro an'i Asora amin'ny taniko aho, ary hanosihosy azy eo an-tendrombohitro. Dia ho esorina amin'izy ireo ny jiogany, ary halana eo an-tsorok'izy ireo ny entany.

26 Izany no hevitra raikitra hamelezana ny tany rehetra, ary tànana ahinjitra hamelezana ny firenena rehetra!

27 Fa Iaveh'ny tafika no efa nanapaka izany, ka zovy no hahasakana izany, ary ny tànany efa nahinjiny, ka iza no hamily izany?

28 Tamin'ny taona nahafatesan'i Akaza mpanjaka no nivoahan'izao faminaniana izao.

29 Aza manaram-po amin'ny fifaliana, ry Filistina manontolo, noho ny nahatapahan'ny tsorakazo namely anao; fa hisy menarana hateraky ny tarana-bibilava ary dragona manidina no haterany.

30 Ka amin'izay ny farahidiny hahita hanina; ary ny mahantra handry fahizay. Fa ny tanarakao kosa, hataoko maty mosary; ary izay sisa avy aminao, haringana. -

31 Midradradradrà, ry vavahady; miantsoantsoa, ry tanàna; Matahora mafy, ry Filistina manontolo! Fa indro misy setroka tamy avy any avaratra, ary tsy misy miala amin'ny laharany, ny antoko miaramilany.

32 Inona no havaly ireo iraky ny firenena? Izao: Iaveh no nanorina an'i Siona, ka mahita fialofana ao izay ory amin'ny vahoakany.

Toko faha-15

1 Faminaniana ny amin'i Moaba. Marina tokoa fa ny alina nandrobana azy, dia fongotra Ara-Moaba. Ny alina nandrobana azy, Kira-Moaba dia fongotra.

2 Miakatra ho any an-tempolin'i Kamaosy sy any Dibona ny olona, eny amin'ny fitoerana avo mba higogogogo; migogogogo ny amin'i Nebao sy Medeba, i Moaba. Ny loha mibory avokoa; ny somotra voaharatra daholo.

3 Eny an-dàlambe izy ireo mitafy lasaka; eny ambony tafon-trano sy eny an-kianja izy, minaonaona avokoa, mijoy ranomaso daholo.

4 Mibabababa Hesebona sy Eleale; re hatrany Jahasy ny feony. Noho izany midradradradra ny mpiadin'i Moaba, mangovitra ny fanahin'izy io.

5 Ory an'i Moaba ny foko; efa mby ao Segora sahady ny mpiaro azy, efa ao Eglata-Selisiah. Eny, mitomany izy no miakatra ny fiakarana Lohita; eny amin'ny làlan'i Horonaima, manao antsom-pahoriana ny olona.

6 Satria ritra ny ranon'i Nimrima, maina ny ahitra, fongana ny ahi-maitso, tsy misy intsony izay zava-maitso.

7 Izay zavatra mba azony noraisina sy izay fitaovany, dia nentiny any an-dafin'ny lohasahan-driaky ny Hazomalahelo.

8 Fa efa re eran'ny faritanin'i Moaba ny fitarainana, manako hatrany Eglaima ny finanananany, tonga hatrany Beera-Elima ny finanananany.

9 Satria feno ra ny ranon'i Dimona. Fa hampihavy tombon-doza amin'i Dimona aho, hampihavy liona ho amin'izay sisan'i Moaba, dia amin'izay tavela eo amin'ny tany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1521