Bokin'Izaia

Toko faha-16

1 Alefaso ny zanak'ondrin'ny mpanapaka ny tany, avy any Petrà, hamaky ny efitra, ho any an-tendrombohitry ny zanakavavin'i Siona.

2 Tahaka ny vorona mandositra tahaka ny vorona iray akany aely, ny zanakavavin'i Moaba, eo amin'ny fitana an'i Arnona.

3 Aoka hianao hanoro hevitra anay, hanelanelana anay; hanome aloka anay, toy ny amin'ny alina, amin'ny mitatao vovonana; hanafina ny enjehina, tsy hanondro ny mandositra!

4 Aoka ireo mpandositra avy any Moaba hahazo mitoetra eo aminao; aoka hianao ho fiereny, tsy ho azon'ireo mpandringana izy; fa mitsahatra ny fanafihana, tapitra ny fandravana, lasa niala tamin'ny tany ny mpampahory.

5 Tafaorina amin'ny famindram-po ny seza fiandrianana, ary ny hipetraka amin'izany seza fiandrianana izany, araka ny fahamarinana, eo an-dain'i Davida, dia ny mpitsara anankiray mikendry ny rariny, ary mazoto hampijoro ny fahamarinana.

6 Fantatray ny avonavon'i Moaba, ilay fatra-piavonavona, ny rehareha aman'avonavony, ny anjonanjony aman-teny mamitaka.

7 Koa aoka Moaba hitomany an'i Moaba; aoka hidradradradra izy rehetra! Ny ampempam-boalobok'i Kira Hereseta, no aoka hitomanianareo, amim-pahareraham-po mafy.

8 Fa zoin-doza avokoa ny sahan'i Hesebona; ny amin'ny voalobok'i Sabama, dia efa noravan'ny tompon'ny firenena ny sakeliny mandadina, izay efa nisandrahaka hatrany Jazera, nandroso tsy hita lany tany an'efitra, nandefa lavitra ny solofony, nampita ny ranomasina.

9 Koa mitomany toy ny itomanian'i Jazera aho, momba ny voalobok'i Sabama; mandrotsaka ranomaso aminareo aho ry Hesebona, ry Eleale, fa ny vokatrareo amam-pararanonareo, no nahatongavan'ny fanokaran'ny mpamia.

10 Foana ny fifaliana amam-piravoravoana eo amin'ny sahan-kazo mamo, tsy misy hira na hobin-kafaliana intsony eo amin'ny tanim-boaloboka; ny mpioty voaloboka, tsy mamia divay eo amin'ny famiazana intsony; efa natsahatra ny hobin'ny mpamia.

11 Koa mipararetra hoatra ny harpa ny tsinaiko, noho ny amin'i Moaba; sy ny foko noho ny amin'i Kira-Haresa.

12 Dia ho hitan'ny olona Moaba hisasatra eo amin'ny fitoerana avony, hiditra ao amin'ny fitoera-masiny izy hivavaka, nefa tsy hahazo na inona na inona.

13 Izany no teny faminaniana notononin'ny Tompo fahiny ela ny amin'i Moaba.

14 Ary ankehitriny kosa miteny Iaveh, ka manao hoe: Ao anatin'ny telo taona, araka ny fanisana ny taona iasan'ny mpikarama, dia ho lefy ny voninahitr'i Moaba mbamin'ny vahoaka be ao aminy, fa zavatra kely foana no ho sisa, sady ho vitsy sy osa.

Toko faha-17

1 Faminaniana ny amin'i Damasa. Indro fa Damasa voaesotra tsy ho isan-tanàna intsony; dia ho korontan-javatra foana izy!

2 Ny tanànan'i Aroera ilaozana, nafoy ho an'ny biby fiompy izy, ka mijanona ao tsy misy mampiala azy.

3 Halana amin'i Efraima ny manda, ary ny fanjakana amin'i Damasa; ny sisa amin'i Siria, ho toy ny voninahitry ny zanak'Israely, - teny ton'ny Tompon'ny tafika.

4 Izao no hiseho amin'izany andro izany: ny voninahitr'i Jakoba halazo, ny tavin'ny vatany hihamahia.

5 Amin'izany dia ho toy ny raha manangona ny amboarany ny mpijinja, sy raha mitango ny salohim-bary ny tànany; ho tahaka ny raha manangona salohim-bary ny olona, eny amin'ny lohasahan-dRefaima.

6 Mbola hisy hotsimponina ihany izy, toy ny raha manozongozona ny hazo oliva misy oliva roa na telo eny an-tendrony indrindra, misy efatra na dimy eny amin'ny rantsan'ny hazo, - teny ton'ny Tompo, Andriamanitr'Israely.

7 Amin'izany andro izany ny olona hijery any amin'ilay nahary azy, ary hibanjina ny Masin'Israely ny masony.

8 Fa tsy hijery intsony any amin'ny otely asan-tànany izy; tsy hibanjina intsony izay novolavolain'ny tànany; dia ny aserah sy ny andrin'ny Masoandro.

9 Amin'izany andro izany ny tanànany mafy, dia ho toy ny tanàna nilaozana eny an'ala aman-tendrombohitra, izay nilaozana teo anoloan'ny zanak'Israely: dia ho tany efitra.

10 Satria hianao nanadino ny Andriamanitry ny famonjena anao, tsy nahatsiaro ny Vatolampin'ny herinao. Koa dia mamboly voly mahafinaritra hianao, ary foto-boaloboky ny olon-kafa firenena no ataonao ao.

11 Amin'ny andro ambolenao azy dia fefenao manodidina izy, ary ny ampitso maraina, dia mampamony ny voa nafafinao hianao; kanjo tsy azonao ny vokatra amin'ny andron'ny faharariana amam-pangirifiriana mahafaty!

12 Endrey izany fihahohahom-bahoaka be! mirohondrohona toy ny firohondrohon'ny ranomasina izy ireo. Firohondrohom-pirenena re izany!

13 Mirohondrohona hoatra ny rano mahery izy. Mirohondrohona ny firenena toy ny firohondrohon'ny ranobe. Kanjo rahonany ireny dia mandositra lavitra, dia tafaely toy ny mololo tsofin'ny rivotra eny an-kavoana, toy ny vovoka mitambolombolona eo anoloan'ny tafio-drivotra.

14 Amin'ny andro hariva dia indro ny fahareraham-po; alohan'ny maraina dia tsy ao intsony ireny! Izany no anjaran'ireo mandroba antsika, izany no hanjo an'ireo mamabo antsika.

Toko faha-18

1 Eh, ry tany izay andrenesana ny fisasasasan'ny elatra, any an-dafin'ny onin'i Kosa!

2 Izay mandefa iraka eny ambony ranomasina, amin'ny lakan-jozoro ambonin'ny vohon-drano! Mandehana hianareo iraka faingam-pandeha, mankany amin'ny firenena lava ranjanana sady malambolambo ny hodiny, any amin'ny vahoaka atahorana any lavitra any; firenena manao jadon'ny mpanjaka sy manorotoro, izay vakivakin'ny ony ny taniny.

3 Ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao, ry mponina ambonin'ny tany! mijere hianareo, rahefa voatsangana eny an-tendrombohitra ny faneva, mihainoa hianareo rahefa maneno ny trompetra.

4 Fa izao no nolazain'ny Tompo tamiko: Hisonanina ato amin'ny fonenako aho, dia hijery, toy ny hafanana malefaka raha mamirapiratra ny masoandro, toy ny ranon'ando amin'ny hafanam-pararano.

5 Fa alohan'ny fijinjana, rahefa tapitra ny famoniana, ka efa tonga sampaho efa ho masaka ny voniny, dia hotapahiny amin'ny antsy, ny rantsany, hesoriny ny sampany dia hotangosany.

6 Izy rehetra indray hatolotra ho an'ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an'ny biby ambonin'ny tany; ny vorona mpihaza hihinana azy amin'ny fahavaratra; ary ny biby ambonin'ny tany koa amin'ny ririnina.

7 Amin'izany andro izany, hisy fanatitra haterina amin'ny Tompon'ny tafika, avy amin'ny vahoaka lava ranjanana sady malambolambo ny hodiny, amin'ny vahoaka atahorana any lavitra any, firenena manao jadona sady manorotoro, ary vakivakin'ny ony ny taniny, ho ao amin'ny fonenan'ny anaran'ny Tompon'ny tafika, any an-tendrombohitra Siona.

Toko faha-19

1 Faminaniana ny amin'i Ejipta. Indro Iaveh, mitaingin-drahona maivana miditra any Ejipta. Ka ny sampin'i Ejipta, mangovitra eo anatrehany, ary ny fon'i Ejipta mihonaka ao anatiny.

2 Hamporisika an'i Ejipta hamely an'i Ejipta aho, ka hiady izy ireo, ny rahalahy amin'ny rahalahy, ary ny sakaiza amin'ny sakaiza, ny tanàna amin'ny tanàna, ary ny fanjakana amin'ny fanjakana.

3 Ny fanahin'i Ejipta ho foana ao anatiny; ary ny fisainany hataoko very; hanontaniany ny mpimasy amam-panao fankatoavana, mbamin'ny mpamoha angatra amam-pisikidy.

4 Hatolotro ho an-tanan'ny tompo lozabe i Ejipta ary mpanjaka mahatahotra no hizaka azy, - teny ton'ny Tompo'ny tafika.

5 Ny rano amin'ny ranomasina ho ritra; ny ony ho tankina sy ho maina;

6 Ny renirano hanjary maimbo, ny lahin-dranon'i Ejipta hihena dia ho maina; ny zozoro amam-bolotara halazo.

7 Ny tanim-bilona manaraka an'i Nila ao amoron'i Nila, ny saha voafafy rehetra manaraka an'i Nila; ho maina hanjary foana, ary tsy hisy intsony.

8 Ny mpaka hazandrano hisentosento sy higogogogo, dia ny mpamintana rehetra, eo an'ony; ny mpandatsaka harato eo ambonin'ny rano hivarahontsana.

9 Ry zareo miasa ny rongony madinika voaraotra, sy ry zareo manenona ny landihazo, hiraviravy tànana.

10 Ireo andrin'i Ejipta ho torotoro, ary ny manao taozavatra ho rera-po avokoa.

11 Ny mpanapaka an'i Tanisy adala foana; ny an'ireo hendry amin'ny mpanolo-tsain'i Faraona dia hadalana no toroheviny. Ahoana no ahasahianareo milaza amin'i Faraona hoe: Zanak'olon-kendry aho, tanarak'andriana fahagola aho?

12 Aiza moa izay olon-kendrinao? ka aoka hambarany aminao ary aoka hovinaniny izay nodidian'ny Tompon'ny tafika hanjo an'i Ejipta!

13 Ny mpanapaka an'i Tanisy efa very saina; ny mpanapaka an'i Memfisy efa voafitaka, ny tenan'izy ireo, vato fehizoron'ny karazam-pokon'i Ejipta no nandrebireby azy.

14 Norotsahan'ny Tompo fanahy mampandraingiraingy izy, ka ataony mandraingiraingy i Ejipta amin'ny ataony rehetra, mova tsy ny olona mamo mandraingiraingy eo am-pandoavany!

15 Ary tsy misy asa hahasoa an'i Ejipta, amin'izay rehetra mety ho vitan'ny loha na ny rambo, ny antrendry na ny zozoro.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1543