Bokin'Izaia
Toko faha-25
3 Noho izany ny firenena mahery anankiray hanome voninahitra anao; ny tanànan'ireo firenena mahatsiravina hanaja anao.4 Hianao no trano mimanda ho an'ny osa, trano mimanda ho an'ny mahantra anatin'ny fahoriany, fialofana amin'ny ranonoram-baratra, alokaloka amin'ny hainandro migaingaina, Fa ny fifofofofon'ny mpanao jadon'ny mpanjaka dia toy ny ranonoram-baratra miantonta amin'ny ampiantany.
5 Toy ny firehitry ny hainandro amin'ny tany karankaina, no amolahanao ny fidohadohan'ny baribariana. Toy ny andresen'ny aloky ny rahona ny firehitry ny hainandro, no andresena ny akoram-pandresen'ny mpampahory.
6 Hanomanan'ny Tompon'ny tafika amin'ity tendrombohitra ity ho an'ny firenena rehetra, fanasana amin'ny hena matavy, fanasana amin'ny divay ela niotrehana, hena matavy sy be tsoka, divay ela niotrehana sy voatantavana.
7 Hotriariny eto amin'ity tendrombohitra ity ny voaly manarona ny olona rehetra, mbamin'ny rakotra mandrakotra ny firenena rehetra.
8 Ny Fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay; Iaveh Tompo hamafa ny ranomaso amin'ny tava rehetra; ny henatry ny vahoakany hesoriny tsy hisy amin'ny tany rehetra; fa efa niteny Iaveh.
9 Izao no holazain'ny olona amin'izany andro izany: Indro ny Andriamanitsika izay niankinantsika mba ho voavonjy; dia Iaveh izay nantenaintsika. Aoka isika hanao fifaliana sy hiravoravo amin'ny famonjeny.
10 Fa ny tanan'ny Tompo hipetraka amin'ity tendrombohitra ity; ary Moaba kosa, hohosihosena an-toerana, toy ny fihosihosy mololo ao an-dobon-jezika.
11 Haninji-tànana ihany izy, ao anatin'izany fotaka izany, toy ny mpilomano maninji-tànana hilomano; nefa haetrin'ny Tompo ny avonavony, na hanampatra ny heriny rehetra aza ny tànany.
12 Ny mandanao avo be, harodany, hazerany, hatontany amin'ny tany, anatin'ny vovoka.
Toko faha-26
1 Amin'izany andro izany hohiraina ao amin'ny tanin'i Jodà izao hira izao: Manana tanàna mafy isika! Ny famonjeny no ataony mandany sy manda ivelany.2 Vohay ny vavahady, avelao hiditra ny firenena marina, mitana ny fahamarinana.
3 Ny fo mahalefitra iantohanao fiadanana, dia fiadanana noho izy matoky anao.
4 Matokia an'ny Tompo mandrakizay hianareo, fa vatolampin'ny taona rehetra Iaveh.
5 Manetry izay nonina any amin'ny havoana izy; naniva ny tanàna miezinezina, naniva azy amin'ny tany, nataony mikasika ny vovoka izy
6 ka voahosihosin'ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ambany toetra sy ny dian'ny ory.
7 Voaravona ny sakeli-dàlan'ny marina; mahitsy ny làlana izay areninao ho an'ny marina.
8 Koa teo amin'ny lalan'ny fitsaranao no niandrasany anao, ry Iaveh, ny anaranao amam-pahatsiarovana anao, no fanirian'ny fanahinay.
9 Ny fanahiko naniry anao mandritra ny alina; ary ny saiko ato anatiko, nikatsaka anao. Satria raha mihatra amin'ny tany ny fitsaranao, dia tonga mahalala ny fahamarinana ny mponina amin'izao tontolo izao.
10 Raha omena famindram-po ny ratsy fanahy dia tsy mahalala ny fahamarinana; ka na eo amin'ny tanin'ny fahamarinana aza izy dia manao ratsy, sy tsy mahita izay fiandrianan'ny Tompo.
11 Ry Iaveh ô, ny tànanao efa voaainga tsy hitan'izy ireo. Fa ny zotom-ponao ho an'ny olonao kosa ho hitany ka hangaihay izy ireo; ho levon'ny afo natao handevonana ny fahavalonao.
12 Ry Iaveh ô, hiantoka fiadanana ho anay hianao, fa ny asanay rehetra dia hianao no nanatanteraka azy ho anay.
13 Ry Iaveh Andriamanitray ô, nisy tompo hafa noho hianao efa nanapaka anay koa; fa noho hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao.
14 Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana, fa efa nosavanao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy.
15 Nampitomboinao ny firenena, ry Iaveh, nampitomboinao ny firenena sy nahariharinao ny voninahitrao; nitarinao halalaka ny faritry ny tany.
16 Nitady anao izy, nony azom-pahoriana, ry Tompo o, noborahiny ny fitarainany, raha nokapohinao izy.
17 Tahaka ny vehivavy bevohoka madiva ho teraka, miolanolana sy miantsoantso eo amin'ny fijaliany, tahaka izany izahay eo anatrehan'ny tavanao, ry Iaveh.
18 Fa efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, dia tsy niteraka afa-tsy rivotra. Tsy nanome ny famonjena ho an'ny tany izahay, ka tsy nisy mponina teraka ho an'izao tontolo izao.
19 Ho velona indray ny olonao efa maty; hitsangana indray ny fatin'ny oloko. Mifohaza, ka manaova hobin-kafaliana, hianareo izay mandry eo amin'ny vovoka, fa ny andonao, ry Tompo, dia andon'ny fahazavana; ary ny tany hamoaka indray ny maty.
20 Mandehana, ry vahoakako, midira ao an'efi-tranonao, ka mirindrina varavarana hianao rahefa ao; miere vetivety foana, mandra-pahalasanan'ny fahatezerana.
21 Fa indro Iaveh mivoaka avy amin'ny fonenany, hizaha ny tsy fahamarinan'ny mponina amin'ny tany; ary ny tany hampiseho ny ra izay nofohiny, ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.
Toko faha-27
1 Amin'izany andro izany Iaveh hamaly, amin'ny sabany mafy sady lehibe no mahery, an'i Leviatana ilay menarana faingam-pandeha, an'i Leviatana ilay menarana miforiporitra, ka hamono ilay bibibe izay ao an-dranomasina.2 Amin'izany andro izany no hilazana hoe: Tanim-boaloboka anankiray ahazoana divay mahery, mihirà ho azy!
3 Izaho Iaveh no miambina azy; manondraka azy mandrakariva aho; ary sao hisy olona hiditra ao aminy, miambina azy andro aman'alina aho:
4 tsy manan-katezerana intsony aho. Aiza no hahitako tsilo sy hery hiadiako? Dia hiroatra hamely an'ireo aho, ka hodorako izy.
5 Afa-tsy raha mifikitra amin'ny fiarovako ny olona, ka manao fihavanana amiko, ka izaho no anaovany fihavanana!
6 Amin'ny andro ho avy Jakoba handatsapaka, Israely hamony sy hitsimoka, ary hofenoiny amin'ny vokany izao tontolo izao.
7 Moa nasiana toy ny namelezana an'ireo namely azy va izy? Moa novonoina toy ny namonoana an'ireo namono azy va izy?
8 Nofaizinao amin'ny sazy antoniny izy, nataonao sesi-tany. Noroahiny tamin'ny rivotra mahery tamin'ny andro misy rivotra avy atsinanana.
9 Toy izao no hahavoaonitra ny helok'i Jakoba, ary izao no ho vokatra rehetra amin'ny famelana ny fahotany. Rahefa ny vaton'ireo otely no hataony manjary vovoka sy manahaka ny vato sokay, dia tsy hantsangana intsony ny asrah sy ny sarin'ny Masoandro.
10 Fa ny tanàna mimanda efa zary tany foana, fonenana lao sy nilaozana, tahaka ny efitra; zanak'omby no miraotra ao, mandry sy mihinana ny rantsan-kazo ao.
11 Rahefa maina ny rantsan-kazo dia tapahana; ka dia avy ny vehivavy hitaina azy, Fa firenena tsy hendry izy, ka tsy hamindra fo aminy ilay nanao azy, ary tsy hiantra azy ilay namorona azy.
12 Amin'izany andro izany dia hisy zavatra toy izao: hahintsan'ny Tompo ny vary hatramin'ny mason-dranon'ny Ony, ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Ejipta, dia hotazana tsirairay hianareo, ry zanak'Israely.
13 Ary hisy zavatra toy izao amin'izany andro izany: haneno ny trompetra lehibe, ka izay very tany amin'ny tanin'i Asora, mbamin'izay voasesi-tany, tany amin'ny tany Ejipta, dia hody ka hiakohoka eo anatrehan'ny Tompo, ao amin'ny tendrombohitra masina, ao Jerosalema.
Toko faha-28
1 Loza ho an'ny diadema be avonavon'ny mpimamo ao Efraima, sy ny voninkazo mora malazo famirapiratan'ny fihaingoany, eny an-tampon'ny lohasaha lonaka misy an'ireo lehilahy mamon'ny divay.2 Indro fa misy fahavalo mahery sy mahefa avy amin'ny anaran'ny Tompo, tahaka ny oran-kavandra aman-tafio-drivotra mpandrava, tahaka ny ranonorana be mivatravatra ka manafotra; dia hanjera azy mafy amin'ny tany.
3 Ho hosena amin'ny tongotra ny diadema be avonavon'ny mpimamo ao Efraima.
4 Ny voninkazo mora malazo famirapiratan'ny fihaingoany, eny an-tampon'ny lohasaha lonaka, hanahaka ny voan'aviavy masaka aloha'ny fahavaratra: izay mahita azy, raha vantany vao mahazo azy an-tànana mandrapaka azy.
5 Amin'izany andro izany Iaveh ho diadema mamirapiratra sy fehiloham-boninahitra ho an'ny sisan'ny vahoakany,
6 ho fanahy fahamarinana ho an'izay mipetraka eo amin'ny seza fitsarana, ary ho hery ho an'izay manohana ny fahavalo mananika am-bavahady.