Bokin'Izaia
Toko faha-28
7 Ireo koa mandraingiraingin'ny divay, jembin'ny zava-pisotro mahery, na mpisorona na mpaminany samy jembin'ny zava-pisotro mahery, rendriky ny divay, jembin'ny fisotro mahery, mandraingiraingy eo am-paminaniana, mivembena eo am-pitsarana;8 feno loa maloto ny latabatra rehetra, tsy misy fitoerana intsony.
9 Iza no tadiaviny hampianarana fahendrena, ary zovy no tadiavany hamoasana ny fianarana? Ny zaza vao notazana, vao mitsaha-nono va?
10 Fa didy manampy didy, didy manampy didy fitsipika manampy fitsipika, fitsipika manampy fitsipika mbetika izao, mbetika izany.
11 Eny ary, fa olona mibadabada sy amin'ny fitenim-pirenen-kafa, no hitenenan'ny Tompo amin'ity vahoaka ity.
12 Niteny izy nanao hoe: Ity no fitoerana fitsaharana; avelao hiala sasatra ny reraka; ity no fanamaivanana; - kanefa tsy nety nihaino izy ireo.
13 Noho izany, ho azy ireo ny tenin'ny Tompo, dia ho didy manampy didy, didy manampy didy; fitsipika manampy fitsipika, fitsipika manampy fitsipika, mbetika izao mbetika izany; mba handeha izy ireo, ka ho lavo mitsilany, ho torotoro ary ho voasambotra amin'ny fandrika.
14 Koa mihainoa ny tenin'ny Tompo hianareo, ry olona mpananihany, lehiben'ny vahoaka eto Jerosalema.
15 Hianareo manao hoe: Efa nanao fanekena tamin'ny fahafatesana izahay; efa nanao fifanarahana tamin'ny seoly izahay, ka dia handalo ho lasa ny loza manafotra fa tsy hahatratra anay, fa efa nanao ny lainga ho fialofana izahay, ary ny fitaka ho fierena.
16 Noho izany, izao kosa no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro aho efa nametraka vato ho fanorenana ao Siona dia vato voatsapa toetra, fehizoro, sarobidy, voaorina mafy: izay miankina aminy amim-pinoana, tsy mba handositra.
17 Ny rariny no hataoko fitsipika, ary ny fahamarinana no hataoko fandanjana. Ka ny lainga fiarovana ho paohin'ny havandra; ary ny fierenareo hindaosin'ny rano.
18 Ny fanekenareo amin'ny fahafatesana hofoanana; ary ny fifanarahanareo amin'ny seoly, tsy haharitra; fa rehefa handalo ny loza manafotra, homontsaniny hianareo;
19 isaky ny avy izy, hahatratra anareo, fa ho avy izy rahampitso sy rahampitso andro aman'alina; ny fangorohoroana ihany no hanao fananarana anareo!
20 Satria: fohy tsy misy hitsorana, ny farafara; ary kely tsy ampy hirakofana ny firakotra.
21 Fa Iaveh hitsangana, toy ny tao an-tendrombohitra Farasima; sy hirimorimon'ny hatezerana, toy ny tao an-dohasahan'i Gabaona, hahavita ny asany, asa tokana aman-tany, hanatanteraka ny lahasany, lahasa hafa noho ny fanaony!
22 Koa ankehitriny atsaharo ny hanihaninareo, fandrao mihamafy ny fatoranareo; satria efa reko fa misy fandringanana voatendrin' Iavehn'ny tafika hahazo ny tany rehetra.
23 Mampandria sofina, ka mandrenesa ny feoko, mihainoa tsara ka mandrenesa ny feoko:
24 Moa ny mpiasa tany izay mihevitra ny hamafy, dia miasa tany hatrany hatrany sy miasa tany ary mamaky bainga ihany?
25 Rahefa voaravony ny tany, moa tsy dia hapariakany va amin'izay ny nigela sy hafafiny ny komina, ary hataony mitandahatra tsara ny fromenta sy ny orja amin'ny anjara toerany; ary ny epaotra kosa, eny an-tsisiny?
26 Ny Andriamaniny no nampianatra azy izany fitsipika izany, sy nanoro azy.
27 Satria tsy mba ny rambaramba no fivelezana ny nigela, ary ny komina tsy kodiavana kodiaran-tsarety; fa ny nigela velezina amin'ny tehina, ary ny komina amin'ny tsorakazo.
28 Ny fromenta hosena, fa tandremana tsara ny tsy hivelezana azy lava; atosika ho eo aminy ny kodiaran-tsarety, mbamin'ny soavaly, nefa tsy torotoroina izy.
29 Izany koa dia avy amin'ny Tompo'ny tafika; mahagaga amin'ny fisainany izy, sady be no azony enti-manatanteraka.
Toko faha-29
1 Loza ho an'i Ariela, dia Ariela, ilay tanàna nilasian'i Davida! Ampio taona ny taona, aoka ho tafatsingerina ireo fety lehibe,2 dia hoporetiko mafy Ariela, ka tsy hisy afa-tsy sento amam-pitarainana ao; fa ho tahaka an'i Ariela ho ahy izy;
3 Izaho hitoby manodidina anao, hanisy miaramila hanemitra anao, ary hanangana manda hamelezana anao.
4 Haetry hianao ka avy amin'ny tany no hisandratan'ny feonao, ho re avy amin'ny vovoka ny feonao mimonomonona, hivoaka avy amin'ny tany toy ny an'ny matoatoa, ny feonao; ary hiakatra avy amin'ny vovoka, toa bitsibitsika malemy, ny teninao.
5 Ny habetsahan'ny fahavalonao, ho tahaka ny vovoka madinika; ary ny habetsahan'ny mpiady, ho toy ny akofa manidina.
6 Ary indro fa amin'izay dia tampoka sy amin'ny indray mipy maso no hisavan'ny Tompon'ny tafika anao, amin-kotrokotroka, kotro-baratra, rohondrohona mafy, tadio, tafio-drivotra, ary lelafo mandevona.
7 Ary ho tahaka ny nofy, tahaka ny fahitana amin'ny alina no hahazo ireo firenena maro rehetra izay hiady amin'i Ariela, sy izay rehetra hanafika azy sy ny tranony mimanda, sy hamoritra azy mafy.
8 Tahaka ny olona noana, manonofy hoe mihinana, kanjo nony mahatsiaro dia foana ihany ny fanahiny; ary tahaka ny olona mangetaheta manonofy hoe misotro, kanjo nony mahatsiaro, hanan'ny hasasarana sy mangetaheta ihany izy. Dia tahaka izany no hahazo an'ireo firenena maro ireo, izay mandeha hamely ny tendrombohitra Siona.
9 Migagà hianareo, ka aoka hitanaka foana hianareo! Manajambà tena hianareo, ka aoka ho voajamba! Mamo izy ireo nefa tsy tamin-divay, mivembena izy ireo nefa tsy tamim-pisotro mahery.
10 Fa Iaveh no nampidina ao aminareo fanahy mampatoritory; nakimpiny ny masonareo - ny mpaminany izany; nosaronany ny lohanareo - ny mpahita izany.
11 Ary ny fahitana rehetra aminareo, dia tonga toy ny teny amin'ny boky voaisy tombo-kase; ka atolotra ny olona mahavaky teny izy, atao hoe: Vakio ity, dia valiany hoe: Tsy azoko atao, fa voaisy tombo-kase ity boky ity.
12 Atolotra ny olona tsy mahavaky teny indray atao hoe: Vakio ity dia valiany hoe: Tsy mahavaky teny aho.
13 Ary hoy ny Tompo: Satria ity firenena ity manatona ahy amin'ny vavany sy mankalaza ahy amin'ny molony, nefa ny fony hampanalaviriny ahy, ary ny fivavahana ataony amiko dia didy nianarany tamin'olombelona,
14 noho izany mbola hanohy ny fanaovana zava-mahagaga aho, amin'izany vahoaka izany, dia zava-mahagaga tsy fahita, tsy fahita amin'ity firenena ity. Ka ny fahendren'ny olon-kendriny ho foana, ary ny fahazavan-tsain'ny mpampianatra azy hihamaizina.
15 Loza ho an'izay manafina lalina tsy ho hitan'ny Tompo, ny hevi-mifono voakasany, sady manao ny asany ao amin'ny maizina, ka manao hoe: Iza no mahita antsika sy mahalala antsika?
16 Hadalana re izany: Hatao ho tanimanga va ny mpanefy tanimanga no ilazan'ny taozavatra ny mpanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy, sy ilazan'ny siny amin'ny mpanefy hoe: Tsy mahalala na inona na inona izy?
17 Tsy vetivety foana va dia ho zary saha misy hazo mamoa i Libàna, ary ny saha misy hazo mamoa dia atao ho ala?
18 Amin'izany andro izany, ny marenina handre ny tenin'ny boky, ary ny jamba hivoaka amin'ny aizina aman'aizim-pito ka hahita.
19 Ny manetry tena hitombo hafaliana hatrany, amin'ny Tompo, ary ny mahantra indrindra hientan-kafaliana ao amin'Ilay Masin'Israely.
20 Satria lasa tsy hita intsony ny mpampahory ary maty ny mpaniratsira ary ho ringana izay rehetra mamoron-tsain-dratsy,
21 dia ireo manameloka olona noho ny teniny indraim-bava; mamela-pandrika ho an'izay namaky betroka azy eo am-bavahady; ary mamery ny marina amin'ny laingany.
22 Noho izany, izao no lazain'ny Tompo amin'ny taranak'i Jakoba, dia izy izay nanavotra an'i Abrahama: Tsy hisy hahamenatra an'i Jakoba intsony tsy hivaloarika intsony ny handriny.
23 Fa izy sy ireo taranany, rahefa mahita ny asan'ny tànako eo aminy, dia hanamasina ny anarako izy ireo, hanamasina an'Ilay Masin'i Jakoba izy ireo, ary hanaja ny Andriamanitr'Israely. Ireo mivily saina, hianatra fahendrena, ary ireo mimonomonona, handray fampianarana.
Toko faha-30
1 Loza ho an'izay zaza maditra - teny ton'ny Tompo, izay manao fikasana nefa tsy ombako; sy manao fanekem-pihavanana, nefa tsy omban'ny fanahiko, ka manampy ota ny ota.2 Dia midina eny amin'ny làlana mankany Ejipta izy ireo nefa tsy manontany ny vavako, mba hialoka eo ambany fiarovan'i Faraona sy hialokaloka eo amin'ny alokalok'i Ejipta.
3 Hody henatra ho anareo, ny fiarovan'i Faraona; ary ho fanalam-baraka ho anareo, ny fialokalofana ao amin'ny alokalok'i Ejipta.
4 Efa mby any Tanisa sahady ireo mpanapaka an'i Jodà; ary efa tafahoatra hatrany Hanesa ny irany;