Bokin'Izaia
Toko faha-30
5 Mangaihay avokoa izy noho izany firenena izany tsy hahefa na inona na inona aminy, tsy hahazoany vonjy na fanampiana fa henatra sy fahafaham-baraka foana ihany.6 Faminaniana ny amin'ireo bibin'ny negeba: Izy ireo mamakivaky ny tany mampahory sy mampitebiteby, izay ivoahan'ny liona aman-dionavavy, ny menarana sy ny dragona manidina, mitondra ny hareny eny an-damosin'ny ampondra, sy ny rakiny eo amin'ny trafon'ny rameva, ho an'ny firenena tsy mahefa na inona na inona.
7 Ho zava-poana sy tsinontsinona ny vonjin'i Ejipta; izany no iantsoako azy hoe: Ilay be rehaka mipetra-poana.
8 Koa ankehitriny mandehana soraty eo anatrehany amin'ny fafana izany, ary ataovy an-tsoratra ao anatin'ny boky, hany ka amin'ny andro ho avy dia ho vavolombelona mandrakizay izany.
9 Satria izy dia firenam-pikomiana zanaka miodina, zanaka mandà, tsy mihaino ny làlan'ny Tompo.
10 Izy ireo manao amin'ny mpahita hoe: Aza mahita; sy amin'ny mpaminany hoe: Aza maminany ny zava-marina aminay, fa zava-mahafinaritra no lazao aminay; hevi-dravina no vinanio.
11 Mialà amin'ny làlana, ivilio ny làlana, esory eo imasonay, ilay Masin'Israely!
12 Noho izany, izao no lazain'ilay Masin'Israely: Noho hianareo manamavo izany teny izany, sy mitoky amin'ny fanaovana an-keriny amam-pitaka, sady manao izany ho fiankinanareo,
13 noho izany, io heloka io ho anareo, dia ho toy ny mivava efa mila hampianjera sy efa mandomba eo amin'ny rindrina avo, izay mirodana tampoka, indray mihelina monja.
14 Ka dia ho montsamontsana hoatra ny fahamontsanan'ny vilany tany izy, izay vakivakin'ny olona tsy itondrany roa, ary ny vakiny tsy hahitana silany akory mba hakana afo ao am-patana na hanovozan-drano ao an-dobo.
15 Fa izao no nolazain'ny Tompo Tompo, ilay Masin'Israely: ny fibebahana sy ny fiandrasana amim-piadanana no hahavoavonjy anareo; ao amin'ny fitsaharana amam-pahatokiana no herinareo.
16 Nefa tsy nety hianareo, fa hoy hianareo: Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay. - Eny hoe, handositra hianareo. - Himaona mitaingina ny soavaly faingan-tongotra izahay. Eny iky, fa ho faingana kokoa izay hanenjika anareo.
17 Raha iray no handrahona, dia arivo no handositra; ary raha dimy no handrahona, handositra avokoa hianareo. Mandra-pahatonganareo ho kely sisa, tahaka ny tsato-kazo eny an-tampon'ny tendrombohitra, na ny faneva famantarana eny an-kavoana.
18 Izany no iandrasan'ny Tompo vao hamindra fo aminareo izy, dia hitsangana, ka hiantra anareo; satria Andriamanitra marina Iaveh. Sambatra izay rehetra manantena azy!
19 Fa hianao, ry vahoaka monina ao Siona, ao Jerosalema, tsy hitomany intsony hianao, fa raha vao mitaraina hianao dia hamindrany fo; raha vao mandre anao izy dia hamaly anao.
20 Homen'ny Tompo anareo, ny hanim-piahiahiana mafy sy ny ranom-pahoriana; ary tsy hiery intsony izay mampianatra anao, ary hahita maso an'izay mampianatra anao hianao.
21 Ary handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe: - Ity no làlana, ka ombao io! - dia raha hianareo hivily na ho an-kavanana na ho an-kavia.
22 Hataonareo ho zava-maloto, ny volafotsy mipetaka amin'ny sampinareo; mbamin'ny volamena mipetaka amin'ny sariolonareo: ka harianareo hoatra ny zava-maloto: Mialà eto hoy hianareo aminy.
23 Ny Tompo handefa ny ranonorany amin'ny voa nafafinao amin'ny tany, ary ny tany hahavokatra mofo, tsara tokoa sady betsaka; amin'izany andro izany ny biby fiompinareo hihinana eny amin'ny tany fiandrasana malalaka:
24 ary ny omby aman'ampondra miasa ny tany, hihinam-bilom-bary matsiro, voakororoka tamin'ny lapela aman-tsahafa.
25 Eny an-tendrombohitra avo rehetra, eny an-kavoana avo rehetra hisy sakeli-drano aman-dranovelona, amin'ny andro famonoam-be, sy hianjeran'ny tilikambo.
26 Ny hazavan'ny volana ho tahaka ny hazavan'ny masoandro; ary ny hazavan'ny masoandro ho avo fitoheny, ho tahaka ny hazavan'ny hafitoana, amin'ny andro hamehezan'ny Tompo ny ratran'ny vahoakany, sy hanasitranany ny fery namelezany azy.
27 Indro avy any lavitra any ny anaran'ny Tompo, mahamay ny hatezerany, ka tsy tanty ny fahamainy; midoaka fisafoahana ny molony; ary tahaka ny afo mandevona ny lelany.
28 Tahaka ny riaka manafotra ny fofon'ainy; manafotra havozona, hanasivanany ny firenena amin'ny sivana fandravana, sy hanisiany lamboridy mampivily làlana eo amin'ny valanoranon'ny olona.
29 Amin'izany hianareo hiventy hira, tahaka ny amin'ny alina ankalazana ny fety, ary ny fonareo hiravoravo tahaka an'izay miakatra amin'ny feon-tsodina, ho ao an-tendrombohitry ny Tompo hanatona ny vatolampin'Israely.
30 Iaveh hampiriadritra ny feony miezinezina, ary hampiseho ny fiantefan'ny sandriny, amin'ny firehitry ny hatezerany aman-delafo mandevona; amin'ny tafio-drivotra aman-dranonoram-baratra sy vato havandra.
31 Dia hangovitra Asora amin'ny feon'ny Tompo; hikapoka amin'ny tsorakazony izy,
32 ka isaky ny miantefa ny tsorakazo tsy diso hampidinin'ny Tompo aminy, dia hatao mitatatata ny ampongatapaka aman-dokanga, ary hiady aminy, sady hamely mafy azy izy.
33 Fa efa voaomana hatramin'ny ela Tofeta; io koa dia efa voaomana ho an'ny mpanjaka. Nataon'ny Tompo malalaka sady lalina izy; misy afo aman-kitay betsaka eo ambonin'ny antontan'kitainy; ny fofon'ain'ny Tompo tahaka ny riaka solifara, no mampirehitra azy.
Toko faha-31
1 Loza ho an'ireo izay midina hitady vonjy any Ejipta; miantehitra amin'ny soavaly, ary mitoky amin'ny kalesy, noho ny hamaroan'ireny, sy amin'ny mpitaingin-tsoavaly, noho izy matanjaka; nefa ilay Masin'Israely tsy mba andrandrainy; ary Iaveh tsy tadiaviny.2 Izy anefa dia hendry; mahatonga loza, tsy mitsoa-teny, hitsangan-kamely ny ankohonan'ny ratsy fanahy, ary handà ny fanampiana avy amin'izay manao ny tsy marina.
3 Ny Ejipsiana dia olombelona ihany, fa tsy Andriamanitra; ny soavaliny dia nofo, fa tsy fanahy; dia haninji-tànana Iaveh, ka ho tafintohina izay manampy, ho potraka izay hampiana, ary hiara-devona avokoa izy roa tonta.
4 Fa izao no nolazain'ny Tompo tamiko: Toy ny fieronan'ny liona sy ny liona tanora amin'ny rembiny, raha mivory hanohitra azy ny mpiandry ondry maro be, ka tsy resin-tahotra izay horakorak'izy ireo, na manahy izay hamaroany akory; toy izany koa no hidinan'ny Tompon'ny tafika mba hiady, eo an-tendrombohitra Siona sy eo amin'ny havoany.
5 Tahaka ny vorona mamelatr'elatra hanomba ny zanany, no hiarovan'ny Tompon'ny tafika an'i Jerosalema; hiaro izy sy hamonjy, ary handalo sy hanafaka.
6 Koa miverena re ho amin'ilay efa nihatahanareo fatratra, ry zanak'Israely.
7 Fa amin'izany andro izany ny olona, samy hanary ny sampy volafotsy aman-tsampy volamenany avy izay nataon'ny tànanareo hanotana.
8 Ary Asora ho lavon-tsabatra, nefa tsy sabatr'olombelona; sabatra izay tsy sabatr'olombelona no handevonana azy; handositra eo anoloan'ny sabatra izy, ary ny zatovony hampandoavina hetra.
9 Ny vatolampiny handositra aman-tahotra; ary ny andriandahiny mangovitra handao ny faneva, - teny ton'ny Tompo - izay manana ny afony ao Siona, sy ny fatam-pandoroany ao Jerosalema.
Toko faha-32
1 Indro misy mpanjaka hanjaka araka ny rariny; ary ny mpanapaka hitondra araka ny hitsiny.2 Ka izy ireo dia samy ho fiarovana amin'ny rivotra; ho fialofana amin'ny ranonoram-baratra; tahaka ny ranovelona eo amin'ny tany karankaina; tahaka ny alo-batolampy eo amin'ny tany foana.
3 Ny mason'ny mahiratra tsy hajambaina intsony, ny sofin'ny malady, hihaino tsara,
4 ny fon'ny maivan-doha, halaky mahazo an-tsaina; ny lelan'ny mikodedidedika, hahay miteny mazava.
5 Ny adala tsy mba antsoina hoe andriana intsony; ary ny mpihatsaravelatsihy, tsy ho lazaina hoe mahery fo intsony.
6 Satria ny adala miteniteny foana, ary ny ratsy no imasoan'ny fony, mba hanaovany zavatra mifanohitra amin'ny fivavahana; sy hanononany teny diso manohitra an'ny Tompo, mba hamelany ny fanahin'ny noana hilendalenda fotsiny eo, sy hanesorany ny fisotro eny amin'izay mangetaheta.
7 Ny fiadian'ny mpamitaka dia enti-mamadika, mamoron-tsain-dratsy izy io, hamerezany amin'ny lainga ny olona iva toetra, ary ny mahantra koa, na dia izay milaza zavatra ara-drariny aza.
8 Fa ny andriana manan-kevitra mendrik'andriana, sy hitsangan-kanao asa mendrik'andriana.
9 Ry vehivavy tsy manahy, mitsangàna, mihainoa ny feoko! Ry zazavavy tsy manahy, mampandria sofina aminy teniko.
10 Raha afaka herintaona mahery andro vitsy, dia hangovitra hianareo tsy manahy, fa ny fiotazam-boaloboka tsy hisy; ny fanangonam-boa tsy hatao.
11 Manàna vadi-po, ry kala mitsilamodamoka! mangovita, ry kala tsy manahy. Esory ny fitafianareo sarobidy, mialà akanjo, misikina lasaka.
12 Migogogogo ny olona mandondon-tratra ny amin'ny saha mahafinaritra, ny amin'ny tanim-boaloboka mahavokatra!