Bokin'Izaia

Toko faha-32

13 Eo amin'ny tanin'ny vahoakako, tsilo sy hery no maniry, na dia eo ambonin'ny trano firavoravoana rehetra aza ao amin'ny tanàna ravoravo.

14 Fa ny lapa, nilaozana, ny tanàna maresaka, zary tany foana; Ofely sy ny Tilikambo fiambenana, zary fierem-biby ho mandrakizay, fikarenjen'ampondra dia, ary fiandrasana biby fiompy.

15 Mandra-pampidina ho ao amintsika, ny fanahy avy any ambony, ka ny efitra ho tonga saha misy hazo mamoa, ary ny sahan-kazo mamoa hatao ho ala.

16 Amin'izany, ny hitsiny hitoetra any an'efitra; ny rariny hiorim-ponenana ao amin'ny sahan-kazo mamoa.

17 Ary ny ho vokatry ny fahamarinana dia ny fitsaharana sy ny fandriam-pahalemana mandrakizay.

18 Ny vahoakako honina eo amin'ny toeram-piadanana, eo amin'ny trano fonenana mahatoky, eo amin'ny trano fipetrahana mandry fahizay.

19 Nefa ny ala, haripaky ny havandra; ary ny tanàna, haetry ambany dia ambany.

20 Sambatra hianareo mamafy eny rehetra eny anilan'ny rano, sy mamela ny tongotry ny omby aman'ampondra, hiriaria.

Toko faha-33

1 Loza ho anao, ry mpandrava, mbola tsy noravana, ry mpandroba, tsy mbola norobaina! Rahefa nitsahatra ny nandrava hianao, dia horavana; rahefa tapi-nandroba hianao, dia horobaina.

2 Tompo o, mamindrà fo aminay! Hianao no antenainay. Aoka hianao ho sandriny isa-maraina, sy ho famonjena anay amin'ny andro fahoriana.

3 Mandositra ny vahoaka mandre ny feon'ny kotro-baratrao; miparitaka ny firenena nony mitsangana hianao.

4 Hangonina hoatra ny fanangon'ny valala ny babonareo; mihazakazaka mankao ny olona, hoatra ny andiam-balala.

5 Manerinerina Iaveh fa mitoetra any ambony izy; fenoiny rariny amam-pahamarinana Siona.

6 Azo antoka ny andronao; hanananao be ny famonjena, sy ny fahendrena amam-pahalalana; ny fahatahorana an'ny Tompo no rakitrao.

7 Indreo ny lehilahy maheriny, mibabababa eny an-dalambe; ary ny iraka mitady fihavanana, mitomany amin'alahelo mafy.

8 Ny arabe maty, ny làlana tsy misy mpandeha. Ny fanekena nivadihany; ny tanàna nafokainy; ny olona tsy hajainy.

9 Misaona sy milofika ny tany; menatra sy malazo i Libàna, zary sahala amin'i Arabah i Sarona, manitsan-dravina Basàna sy Karmely.

10 Ankehitriny hitsangana aho, hoy Iaveh, ankehitriny hijoro aho; ankehitriny hisandratra aho.

11 Torontoronina mololo hianareo, ka hiteraka vodivary; ny fofonainareo ihany no ho afo mandevona anareo.

12 Ary ny vahoaka dia ho memy fandoroan-tsokay, ho tsilo voatomboka mirehitra anaty afo.

13 Hianareo lavitra, mihainoa ny nataoko; hianareo akaiky, mahafantara ny heriko.

14 Nangovitra ny mpanota ao Siona, ary raiki-tahotra ny mahalala fivavahana, nanao hoe: Iza amintsika no hahatoetra ao anaty afo mandevona? Iza amintsika no hahatoetra ao anaty lelafo mandrakizay?

15 Izay nandeha amin'ny rariny, sy miteny amin'ny hitsiny; izay tsy mety mandray harena azo an-keriny, izay manifikifi-tànana tsy handray kolikoly; izay manentsin-tadiny amin'ny resaka handatsa-dra, sy mitampi-maso tsy hahita ny ratsy:

16 izany no honina any amin'ny fitoerana avo; ny trano mimanda miorina amin'ny vatolampy no fialofany, ny haniny dia homena azy; ary ny ranony tsy hanam-paharitana.

17 Ny masonao hibanjina ny mpanjaka amin'ny tarehiny, hahatsinjo ny tany midadasika lasa lavitra.

18 Ny fonao hahatsiaro ny natahorany: Nankaiza ny mpanoratra? Nankaiza ny mpampiasa nitana ny fandanjana? Nankaiza ny lehibe mpanisa ny tilikambo?

19 Tsy ho hitanao intsony ny vahoaka mirehareha, ny vahoaka manao teny maizina sy tsy fantatra; fa fiteny tsy fantatra no akanakaniny.

20 Jereo ity Siona tanàna fanaovantsika fety; aoka ny masonao anie hahita an'i Jerosalema, fonenana mahasambatra, lay tsy hafindrafindra, izay tsy hongotana mandrakizay ny tsimany sy tsy hanesorana iray akory ny tadiny.

21 Ao marina no honenan'ny Tompo ho antsika amin'ny voninahiny; ao no misy ony aman-dakan-drano lehibe; izay tsy ho sahin'ny lakana voizina hidirana na iray aza, sy tsy hidiran-tsambo lehibe na iray aza.

22 Satria Iaveh no mpitsara antsika, Iaveh no mpanao làlana ho antsika, Iaveh no mpanjakantsika; izy no hamonjy antsika.

23 Mivaha ny mahazakan-tsambonao, tsy mahatana ny andrin-tsambo ho eo amin'ny fiorenany izy; ary tsy mahahazona ny sainan-tsambo mivelatra intsony. Amin'izany mizara babo betsaka ny olona, ny mandringa avy no hanana anjara babo.

24 Tsy misy mponina manao hoe: Marary aho! Nahazo ny famelana ny helony, ny vahoaka monina ao Siona.

Toko faha-34

1 Manatona hihaino, hianareo firenena, mampandria sofina, hianareo vahoaka! Aoka hihaino avokoa ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy; izao tontolo izao mbamin'ny vokatra rehetra avy aminy.

2 Fa mihatra amin'ny firenena rehetra ny haviniran'ny Tompo, ary amin'ny miaramilany rehetra ny hatezerany; nataony anatema, natolony hovonoina ireny.

3 Ny maty amin'izy ireo hariana, ny fatiny hitera-pofona maimbo, ary hiempo azon'ny rany ny tendrombohitra.

4 Ny tafiky ny lanitra rehetra ho zary vovoka; ny lanitra hahorona hoatra ny taratasy; ary ny tafiny rehetra hiraraka hoatra ny firaraky ny ravim-boaloboka, hoatra ny firaraky ny ravina malazo amin'ny aviavy.

5 Fa efa mamon-drà teny amin'ny lanitra ny sabatro, ka indro izy midina ho any Edoma, ho any amin'ny firenena nataoko anatema hitsarana azy.

6 Ny sabatry ny Tompo dia feno ra, mihosi-menaka, sy ran-janak'ondry aman'osilahy, ary sabora fonom-boan'ondralahy. Fa manao sorona ao Bosrà, Iaveh, sy famonoam-be ao amin'ny tanin'i Edoma.

7 Miaraka aripaka amin'izany koa ny ombimanga, sy ny omby miaraka amin'ny ombilahy. Vonto ra ny taniny, mandriaka ny menaka ao amin'ny vovok'izy ireo.

8 Fa andro famalian'ny Tompo izany, ary taona famaliana ny nataony tamin'i Siona.

9 Hanjary dity ny reniranony, ho solifara ny vovo-taniny, ary ho tonga dity mahamay ny taniny,

10 ka ny firehiny tsy hovonoina na andro na alina, ary ny setrony, hisavoana mandrakizay.

11 Ny pelikano aman-tsokina no hivolo-tompony ao; ny vorondolo sy ny goaika no honina ao; ary hohenjanina eo aminy ny famolain'ny fikorontanana sy ny levin'ny fanafoanana.

12 Tsy hisy intsony ny lehibe hanangana mpanjaka; ary hofoanana avokoa ny mpanapaka ao.

13 Tsilo no haniry ao an-dapany; ary voaroy amam-beroberokamboa no ho eo an-tranony mimanda, ka ho fieren'amboadia sy valan'ostritsa foana izy.

14 Ny kary aman-amboadia, ho tafahoana ao; ary ny satira hifampiantsoantso ao. Ny lolovokatra mpiseho alina hiorim-ponenana ao koa, sy hahazo fitoerana fitsaharany.

15 Ao ny bibilava no hanao ny akaniny sy hanatody sy hikotrika azy hanangona ny zanany eo ambanin'ny alokalony. Hiangona ao avokoa ny papango.

16 Izahao ao amin'ny bokin'ny Tompo ka vakio: Tsy misy tsy ao ireo na dia iray aza, na ity na itsy tsy misy tsy tonga ao. Fa ny vavan'ny Tompo no efa nandidy izany, ary ny fofon'ainy no nanangona azy.

17 Tenany no nanao loka ho an'ireo, ary tànany no nizara ny tany ho azy ireo amin'ny famolaina; ka hanana izany mandrakizay ireo; ary honina ao amin'ny taona mifandimby.

Toko faha-35

1 Hifaly ny efitra sy ny tany karankaina, hiravoravo ny tany lemaka lava volo,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1573