Bokin'Izaia

Toko faha-35

2 ary hamony tahaka ny narisisa; hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana ary hanao hoby firavoravoana izy. Homena azy ny voninahitr'i Libàna mbamin'ny hakanton'i Karmely sy Sarona. Izy ireo hahita ny voninahitry ny Tompo, sy ny famirapiratan'ny Andriamanitsika.

3 Hatanjaho ny tànana osa, herezo ny lohalika mangozohozo!

4 Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe: Makà hery fa aza matahotra. Inty ny Andriamanitrareo; tamy ny famaliana, famalian'Andriamanitra, tenany no ho avy, dia hamonjy anareo.

5 Amin'izay dia hahiratra ny mason'ny jamba, halady ny sofin'ny marenina.

6 Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa, hinantsanantsan-kafaliana ny lelan'ny moana. Fa hisy rano miboiboika any an'efitra; ary sakeli-drano eny amin'ny tany lemaka lava volo.

7 Ny tany hay, hanjary ho farihy, ary ny tany mangetana ho loharano. Ny lavaka fonenan'ny amboadia hanjary saham-bolotara aman-jozoro.

8 Hisy arabe, hisy làlana, izay atao hoe ny làlana masina; ka ny tsy madio tsy mba hihazo eo; fa ho azy ireo ihany izy io; izay homba azy na ny olon-tsotra aza tsy hivilivily.

9 Ao tsy mba hisy liona, tsy hisy biby masiaka mandia ao, tsy hisy ho hita ao. Fa ny voavonjy no hizotra ao, ary ny navotan'ny Tompo no ho tonga ao indray;

10 Ho tonga ao Siona amin'ny hobin-kafaliana izy ireo; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy; fa ny sento amam-pijaliana handositra.

Toko faha-36

1 Tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo, nanjakan'i Ezekiasa, niakatra Senakeriba, mpanjakan'i Asiria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Jodà, ka nahafaka ireny.

2 Ary nirahin'ny mpanjakan'i Asiria ny lehiben'ny mpandroso divay aminy nitondra miaramila maro, avy ao Lakisa ho any Jerosalema, amin'i Ezekiasa mpanjaka; nijanona teo amin'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony, eo amin'ny làlana mankamin'ny sahan'ny Mpamotsy lamba, ny lehiben'ny mpandroso divay. 3 Dia nanatona azy Eliasima, zanak'i Helkiasa lehiben'ny tao an-dapa, nomban'i Sobnà mpanoratra, ary Joahe zanak'i Asafa, mpitahiry ny bokim-panjakana. 4 Hoy ny lehiben'ny mpandroso divay tamin'izy ireo: Mba lazao kely amin'i Ezekiasa izao: Izao no tenin'ny mpanjaka lehibe, mpanjakan'i Asiria: Avy aiza no nahazoanao toky iankinanao toy izao? Hoy izaho: Teny foana izany fikasana aman-kery hoenti-miantafika izany. 5 Fa ankehitriny, iza no itokianao no niodina tamiko hianao? 6 Indro fa ny itokianao hitehenana dia ilay volotara folaka, i Ejipta, izay manindrona sy manaboroaka ny tanan'izay rehetra mitehina aminy; fa izany no afitsok'i Faraona amin'izay rehetra matoky azy. 7 Ary raha hianao manao amiko hoe: Iaveh Andriamanitray no itokianay - moa tsy izy va no nanesoran'i Ezekiasa ny fitoerana avo aman'otely nanaovany tamin'i Jodà sy Jerosalema hoe: Eo anoloan'ity otely ity no hiankohofanareo? 8 Koa ankehitriny manaova fanekena amin'ny tompoko, ny mpanjakan'i Asiria, fa homeko soavaly roa arivo hianao, raha afa-mamory olona hitaingina azy! 9 Hataonao ahoana no fampiamboho kapiteny iray akory, amin'ny mpanompon'ny tompoko, na dia izay kely indrindra amin'izy ireo aza? Noho izany dia Ejipta no itokianao hahazoana kalesy aman-tsoavaly. 10 Ary ankehitriny matoa niakarako ity tany ity handrava azy, moa tsy avy amin'ny sitrak'Iaveh izany? - Izao no nolazain'ny Tompo tamiko: Miakara hamely izany firenena izany, ka ravao izy! 11 Dia hoy Eliasima sy Sobnà ary Joahe, tamin'ny lehiben'ny mpandroso divay: Mba teny arameana no ataovy amin'ny mpanomponao, satria hainay izany; fa aza dia manao teny jodaika, ho ren'ny vahoaka eny ambony manda. Fa izao no navalin'ny lehiben'ny mpandroso divay: 12 Moa ny tomponao sy hianao va, no nanirahan'ny tompoko ahy, hilaza izany teny izany; fa tsy ireo olona mipetraka eo ambony manda hihinana ny dikiny sy hisotro ny ditsany miaraka aminareo? 13 Dia nandroso ny lehiben'ny mpandroso divay ka nanao feo avo niantso tamin'ny teny jodaika nanao hoe: Mihainoa, hianareo, ny tenin'ny mpanjaka lehibe, mpanjakan'i Asiria!

14 Izao no lazain'ny mpanjaka: Aza mety hofitahin'i Ezekiasa hianareo, fa tsy hahavonjy anareo izy. 15 Ary aza mety hotaritin'i Ezekiasa hatoky an'ny Tompo, hataony hoe: Hamonjy antsika tokoa Iaveh, ary tsy atolotra eo an'tanan'ny mpanjakan'i Asiria ity tanàna ity. 16 Aza mihaino an'i Ezekiasa hianareo; fa izao no tenin'ny mpanjakan'i Asiria: Manaova fanekem-pihavanana amiko, ary maneke ahy hianareo, dia samy hihinana ny voaloboka aman'aviaviny, sy hisotro ny rano eo amin'ny dobo famorian-dranony avy hianareo; 17 mandra-pihaviko hitondra anareo, ho any amin'ny tany toy ny anareo, dia tany misy vary aman-divay, tany misy mofo amam-boaloboka. 18 Aza mety hambosin'i Ezekiasa hianareo, ataony hoe: Hamonjy antsika Iaveh. Moa misy andriamanitry ny firenena nahavonjy ny taniny, tamin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asiria va?

19 Aiza ny andriamanitr'i Emata sy Arfada? Aiza ny andriamanitr'i Sefarvaima? Moa nanafaka an'i Samaria tamin'ny tànako va ireny? 20 Iza tamin'ireo andriamanitry ny firenena rehetra ireo no nahavonjy ny taniny tamin'ny tànako, no hahavonjen'ny Tompo an'i Jerosalema amin'ny tàanako? 21 Nangina tsy nisy namaly izy ireo na dia teny indraimbava aza, satria efa nodidian'ny mpanjaka hoe: Aza mamaly azy hianareo.

22 Dia nankany amin'i Ezekiasa Eliasima zanak'i Elkiasa lehiben'ny ao an-dapa, sy Sobnà mpanoratra, ary Joahe zanak'i Asafa mpitahiry ny bokim-panjakana, ka nambarany taminy ny tenin'ny lehiben'ny mpandroso divay, ary samy voatriatra ny fitafiany.

Toko faha-37

1 Nony nandre izany teny izany Ezekiasa, dia notriariny ny fitafiany, notafiny ny lasaka, lasa izy nankao an-tranon'ny Tompo.

2 Ary nirahiny Eliasima, lehiben'ny ao an-dapa, sy Sobnà, mpanoratra, ary ny lohandohan'ny mpisorona, samy voatafy lasaka, ho any amin'Izaia zanak'i Amosa, mpaminany, 3 ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Ezekiasa: Androm-pahoriana amam-pamaizana sy fahafaham-baraka izao andro izao, fa ny zaza vonon-kivoaka avy ao am-bohoka nefa ny hery hiterahana azy, tsy misy. 4 Angamba ho ren'ny Tompo Andriamanitrao, ny tenin'ny lehiben'ny mpandroso divay nirahin'ny mpanjakan'i Asiria, tompony, hanevateva an'Andriamanitra velona, ka hosaziny noho ny teny efa ren'ny Tompo Andriamanitrao. Koa manaova fivavahana ho an'izay sisa mbola tavela. 5 Lasa nankany amin'Izaia ireo mpanompon'i Ezekiasa, mpanjaka,

6 dia hoy Izaia tamin'izy ireo: Izao no holazainareo amin'ny tomponareo: Toy izao no tenin'ny Tompo: Aza matahotra ny teny efa renao, izay naniratsiran'ny mpanompon'ny mpanjakan'i Asiria ahy. 7 Fa indro aho, manisy fanahy ao anatiny, hany ka noho ny vaovao hampandrenesina azy dia hiverina ho any amin'ny taniny izy, dia hataoko lavon-tsabatra any amin'ny taniny. 8 Dia niverina ny lehiben'ny mpandroso divay ka nahita ny mpanjakan'i Asiria, nanao fahirano an'i Lobnà; efa reny ny nialan'ny tompony tany Lakisa.

9 Ary nandre vaovao ny mpanjakan'i Asiria ny amin'i Tharakà, mpanjakan'i Etiopia, fa hoy ny olna taminy: Efa niainga izy io hanafika anao. Nony vao nandre izany izy, dia nandefa iraka ho any amin'i Ezekiasa, nanao hoe: 10 Izao no holazainareo amin'i Ezekiasa mpanjakan'i Jodà ataovy hoe: Aza mety hofitahin'ny Andriamanitrao, izay itokianao hianao, ataony hoe: Tsy hatolotra eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asiria Jerosalema. 11 Indro efa renao ny nafitsoky ny mpanjakan'i Asiria, ny tany rehetra, fa nataony anatema izany!... Ka hianao ve dia ho voavonjy? 12 Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan'ny razako dia Gozàna, Harama, Resefa, ary ny taranak'i Edena, izay any Telasara? 13 Aiza avy ny mpanjakan'i Emata, ny mpanjakan'i Arfada, ary ny mpanjakan'ny tanàna Sefarvaima, ny an'i Anà, ny an'i Avà? 14 Noraisin'i Ezekiasa avy eny an-tanan'ireo iraka ny taratasy, ka novakiny; dia niakatra ho ao an-tranon'ny Tompo izy sady namelatra izany teo anatrehan'ny Tompo. 15 Ary nivavaka teo anatrehan'ny Tompo Ezekiasa nanao hoe: 16 Ry Iavehn'ny tafika, Andriamanitr'Israely ô, izay mpietraka amin'ny Kerobima, hianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, hianao no namorona ny lanitra sy ny tany. 17 Atongilano ny sofinao, Iaveh, ka mihainoa! Ahirato ny masonao, Iaveh, ka mijere? Henoy avokoa ny tenin'i Senakeriba izay nalefany, hanevatevana an'ilay Andriamanitra velona. 18 Marina tokoa, ry Iaveh ô, fa Senakeriba dia nandrava ny firenena rehetra mbamin'ny taniny, 19 ary nanipy ny andriamanitr'ireny tao anaty afo, satria tsy andriamanitra ireny, fa asan-tanan'olombelona, vato aman-kazo, ka dia voaravany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1553