Bokin'Izaia
Toko faha-37
20 Ankehitriny, Iaveh Andriamanitray ô, vonjeo amin'ny tanan'i Senakeriba izahay; ary aoka ho fantatry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, fa hianao irery no Iaveh. 21 Dia naniraka ho any amin'i Ezekiasa Izaia, zanak'i Amosa, hilaza hoe: Izao no lazain'ny Tompo, Andriamanitr'Israely: Efa reko ny vavaka nataonao tamiko, ny amin'i Senakeriba, mpanjakan'i Asiria;22 ka izao no teny nolazain'ny Tompo ny aminy: Maneso anao, mihomehy anao, ilay virjiny zanakavavin'i Siona; manifikifi-doha eo aorianao, ny zanakavavin'i Jerosalema! 23 Iza no notsiratsirainao sy nompainao? Hamely an'iza no nanandratanao feo, sy niandranandrananao maso? -
24 Hamely an'ilay Masin'Israely. Ny mpanomponao no efa naniratsiranao ny Tompo, ary hianao efa nanao hoe: Amin'ny hamaroan'ny kalesiko no efa niakarako teny an-tampon-tendrombohitra, teny amin'ny fara-sisin'i Libàna; hokapaiko ny avo indrindra amin'ny sedra ao aminy, ny tsara indrindra amin'ny sipresa ao aminy, dia hahatakatra ny tendrony avo indrindra aho, mbamin'ny alany, hoatra ny saha misy hazo mamoa.
25 Nihady aho, dia manan-drano hosotoina; homainiko amin'ny faladian-tongotro ny onin'i Ejipta rehetra.
26 Tsy mba renao va fa efa hatramin'ny ela dia nanao izany aho, ary efa noforoniko hatramin'ny andro taloha? Ankehitriny ataoko izay hahatanterahan'izany, hampanajarianao ho korontan-javatra miavosa ny tanàna mimanda.
27 Tsy manan-kery ny mponina fa raiki-tahotra sy mivadi-po; izy ireo manahaka ny ahitra eny an-tsaha aman-java-maitso milenodenoka, tahaka ny ahitra ambony tafon-trano, tahaka ny vary mandavenona, maina alohan'ny fahamasahany.
28 Fantatro anefa hianao na mipetraka hianao na mivoaka hianao, na miditra hianao; fantatro ny hatezeranao amiko.
29 Noho hianao misafoaka amiko, sy noho ny fireharehanao efa tafakatra mby ao an-tsofiko, izaho kosa hametaka ny masom-biko amin'ny oronao sy ny lamboridiko eo amin'ny vavanao, sy hamerina anao amin'ny làlana nihavianao.
30 Ary izao no ho famantarana ho anao: Amin'ity taona ity, ny vokatra avy amin'ny vary raraka an-tany no hohanina; amin'ny taona faharoa ny maniry ho azy no hohanina; fa amin'ny taona fahatelo kosa hamafy sy hijinja ny vokany hianareo.
31 Izay voavonjy tamin'ny taranak'i Jodà, izay sisa tavela mbola handatsaka faka any ambany, ary hamoa voa any ambony. 32 Fa hisy sisa hivoaka avy amin'i Jerosalema, ary hisy afaka avy ao an-tendrombohitra Siona. Izany no hefain'ny firehetam-pon'ny Tompon'ny tafika. 33 Noho izany, izao no lazain'ny Tompo, ny amin'ny mpanjakan'i Asiria: Tsy hiditra amin'izany tanàna izany izy, na handefa zana-tsipika ao aminy, na hanangana ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezana azy. 34 Hiverina amin'ny làlana nihaviany izy, fa tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity. - Teny ton'ny Tompo.
35 Hiaro ity tanàna ity aho mba hamonjy azy, noho ny amin'ny tenako, sy noho ny amin'i Davida mpanompoko.
36 Dia nivoaka ny anjelin'ny Tompo, ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy teo an-tobin'ny Asiriana, ary nony vao nifoha ny olona tamin'ny maraina dia indreo maty avokoa ireo.
37 Ary Senakeriba mpanjakan'i Asiria, nony avy nandrava ny tobiny, dia lasa nody, 38 ka nitoetra tany Niniva. Fa raha ilay niankohoka tao an-tranon'i Nesroka, andriamaniny iny izy, dia nokapain'i Adrameleky sy Sarasara, zanany lahy, tamin'ny sabatra, ka nandositra tany amin'ny tanin'ny Ararata izy ireo, dia Asarhaddona, zanany lahy, no nanjaka nandimby azy.
Toko faha-38
1 Tamin'izany andro izany, narary efa ho faty Ezekiasa. Ary tonga tao aminy Izaia, zanak'i Amosa, nanao taminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Omeo ny fianakavianao izay didinao, fa ho faty hianao, fa tsy ho velona intsony.2 Dia nitodika nankany amin'ny rindrina Ezekiasa, ka nivavaka tamin'ny Tompo; hoy izy: 3 Iaveh ô, tsarovy fa nandeha teo anatrehanao tamim-pahamarinana sy firaiketam-po aminao aho, ary nanao izay tsara eo imasonao. Sady nitomany nanao ranomaso havozona Ezekiasa. 4 Dia tonga tamin'Izaia ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:
5 Mandehana lazao amin'i Ezekiasa hoe: Izao no lazain'ny Tompo, Andriamanitr'i Davida, rainao: Reko ny vavakao, hitako ny ranomasonao, ka indro, ampiako dimy ambin'ny folo taona ny andronao. 6 Hamonjy anao sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asiria aho; ary hiaro ity tanàna ity. 7 Ary izao no famantarana omen'ny Tompo ho anao, hahafantaranao fa hotanterahin'ny Tompo izany teny nolazainy izany: 8 Indro aho hampihemotra ny aloka hiverina araka ny ambaratonga efa nampidinin'ny masoandro azy, eo amin'ny ambaratongan'i Akaza, dia ambaratonga folo. Dia nihemotra ambaratonga folo, teo amin'ny ambaratonga efa nidinany teo, ny masoandro. 9 Zavatra nosoratan'i Ezekiasa, mpanjakan'i Jodà, fony izy narary ka sitrana tamin'ny aretiny:
10 Hoy aho: Dia amin'izao andro mbola iadanako izao aho no midina ho any amin'ny vavahadin'ny seoly; ka hanesorana amiko ny taonako sisa!
11 Hoy aho: Tsy mba hahita an'ny Tompo intsony aho, tsy hahita an'ny Tompo, eo amin'ny tanin'ny velona; tsy mba hahita ny olombelona intsony aho eo amin'ny mponina any amin'ny fonenana mangina!
12 Ny fonenako nesorina, nentina lavitra ahy, tahaka ny lain'ny mpiandry ondry. Tahaka ny mpanenona aho manao ny tenon'ny fiainako, fa tapahany hiala amin'ny fanenomana aho! Hatramin'ny antoandro ka mandra-pihavin'ny alina dia hotaperinao ny aiko.
13 Tsy niteny tsy nivolana aho, mandra-pahamarainan'ny andro. Nanapatapaka ny taolako rehetra toy ny liona izy; hatramin'ny antoandro ka mandra-pihavin'ny alina dia hotaperinao ny aiko!
14 Nikoraraika toy ny vano aman-tsidintsidina aho, nitoloko toy ny voromailala aho, valalanina ny masoko, mijery any ambony:
15 Tompo o, anaovana an-tery setra aho, hianao anie no hiantoka ahy. Inona no holazaiko? Nilaza tamiko izy, nahavita izy. Handeha amim-panetre-tena aho, amin'ny taona iainako rehetra, mahatsiaro ny hangidin'ny aiko.
16 Tompo o, izany no fiainana, ao amin'izany rehetra izany ny fiainan'ny fanahiko. Mahasitrana ahy hianao, mampody ny aina amiko;
17 Koa indro manjary fiadanana ho ahy ny mangidy mafy indrindra. Nanesotra ny fanahiko hianao, teo amin'ny lavaka famoizana; narianao any ivohonao ny fahotako rehetra.
18 Satria tsy mankalaza anao ny seoly, ary ny fahafatesana tsy manao hira fiderana anao; ireo midina any an-davaka, tsy manantena ny fahamarinanao intsony.
19 Fa ny velona dia ny velona ihany no mankalaza anao tahaka izao ataoko anio izao; ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao.
20 Iaveh efa nalaky namonjy ahy; isika kosa hitendry hampaneno ny kofehin'ny lokangako amin'ny andro rehetra iainantsika, ao an-tranon'ny Tompo.
21 Hoy Izaia: Mitondrà ampempan'aviavy iray, dia apetaho amin'ny fery, ary aoka ho sitrana ny mpanjaka. Ary hoy Ezekiasa: Inona no famantarana ahalalako fa hiakatra any amin'ny tranon'ny Tompo aho?
Toko faha-39
1 Tamin'izany andro izany, Merodaka-Baladana, zank'i Baladana mpanjakan'i Babilona, nampitondra taratasy amam-panomezana ho an'i Ezekiasa, fa efa reny ny naharariany sy ny nahasitranany.2 Faly Ezekiasa tamin'ny nahatongavan'ireo iraka ireo ka nasehony azy ny trano fitehirizany ny rakiny, ny volafotsy amam-bolamena, ny zava-manitra aman-diloilo sarobidy, ny trano fitehirizam-piadiany, mbamin'izay rehetra tao amin'ny trano firaketany; tsy nisy tsy nasehon'i Ezekiasa an'ireo na ny tao an-tranony, na ny teo amin'ny fanjakany rehetra. 3 Dia nankao amin'i Ezekiasa mpanjaka Izaia, mpaminany, ka nanao taminy hoe: Inona no nolazain'ireo olona ireo; ary avy aiza izy ireo no nankaty aminao? Hoy ny navalin'i Ezekiasa: Avy lavitra izy ireo no nankaty amiko; avy any Babilona.
4 Ary hoy Izaia: Inona avy no hitany tato an-tranonao? Ka hoy ny navalin'i Ezekiasa: Hitany avokoa izay rehetra ato an-tranoko; tsy misy tsy nasehoko azy ny firaketako rehetra. 5 Dia hoy Izaia tamin'i Ezekiasa: Henoy ny tenin'ny Tompon'ny tafika: 6 Indro ho avy ny andro, hitondrana any Babilona izay rehetra ato an-tranonao, sy izay rehetra nangonin'ny razanao mandrak'androany; tsy hasiana mijanona na inona na inona, hoy Iaveh. 7 Ary amin'ireo zanakao, avy amin'ny tenanao, naterakao, dia hangalana hatao eonoka, any an-dapan'ny mpanjakan'i Babilona. 8 Ka hoy Ezekiasa tamin'Izaia: Tsara ny tenin'ny Tompo nambaranao; ary nanampy teny izy nanao hoe: fa hisy fiadanana sy fandriana fahizay, amin'ny androko.
Toko faha-40
1 Ampionony, ampionony ny vahoakako, hoy Andriamanitrareo.2 Mitenena amin'ny fon'i Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy, fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony, voarainy tamin'ny tànan'ny Tompo, ny indroa heny valin'ny fahotany.