Bokin'Izaia

Toko faha-40

3 Injany misy feo miantso hoe: Misavà làlana any an'efitra, ho an'ny Tompo, manorena arabe any an-tany lava volo ho an'ny Andriamanitsika!

4 Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra; ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry; ny avo hanjary tany lemaka; ary ny vato mideza ho lembalemba.

5 Dia hiseho ny voninahitry ny Tompo, ka ho hitan'ny nofo rehetra tsy an-kanavaka fa ny vavan'ny Tompo no efa niteny.

6 Injay misy feo manao hoe: Miantsoa! dia nisy namaly hoe: Ahoana no antso hataoko? - Ahitra ihany ny nofo rehetra, ary tahaka ny vonin-javatra eny an-tsaha, ny hatsaran-tarehiny.

7 Maina ny ahitra, malazo ny voniny, rahefa seranin'ny fofon'ain'ny Tompo. Eny, ahitra ihany ny olombelona:

8 maina ny ahitra, malazo ny voniny, fa ny tenin'Andriamanitra haharitra mandrakizay.

9 Miakara eny an-tendrombohitra avo hianao, izay mitondra ny teny soa ho an'i Siona. Manandrata feo mafy hianao, izay mitondra ny teny soa ho an'i Jerosalema; manandrata feo, fa aza matahotra, lazao amin'ny tanànan'i Jodà hoe: Indro ny Andriamanitrareo!

10 Indro fa tonga Iaveh Tompo, amin'ny heriny; ny sandriny mampiasa ny fanapahana. Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy, ary ny tamby homeny, eo anoloany.

11 Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian'ondry izy; handray ny zanak'ondry amin'ny sandriny, hitondra an'ireny eo an-trotroany, ary handroaka moramora ny mampinono.

12 Iza no namatra ny ranomasina tamin'ny tànan'ilany, sy nanjehy ny lanitra tamin'ny zehiny? ary namatra ny vovo-tany rehetra tamin'ny vata, sy nandanja ny tendrombohitra tamin'ny farangom-pandanjana, ary ny havoana tamin'ny mizàna?

13 Iza no nitari-dàlana ny fanahin'ny Tompo, ary iza no nanolo-tsaina nampianatra azy? Iza no nidinihany mba hanoro hevitra azy

14 sy hampianatra azy ny làlan'ny fahamarinana? ary hampianatra azy ny fahendrena sy hanoro azy ny làlan-tsaina?

15 Indro ny firenena fa hoatra ny rano indray mitete miraikitra amin'ny siny, heverina hoatra ny vovoka eo amin'ny mizàna; indro ny nosy fa hoatra ny vovoka madinika manidina.

16 Libàna, tsy ampy hataina, ary ny biby ao, tsy ampy ho sorona dorana.

17 Ny firenena rehetra tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany, fa ataony ho zava-poana sy tsinontsinona.

18 Koa ampitovinareo amin'inona ary Andriamanitra, ary sarin'inona no hamboarinareo ho azy?

19 Rahefa nanao sampy anidina ny mpanao taozavatra dia petahan'ny mpanefy volamena takela-bolamena, sy anaovany tongalika volafotsy anidina.

20 Ny mahantra tsy manam-be hatolotra mifidy izay hazo tsy mety lo, dia mitady mpiasa mahay zavatra, hanaovany sampy tsy mihozongozona.

21 Tsy fantatrareo va? Tsy renareo va? Tsy nisy nanambara taminareo hatramin'ny voalohany va? Tsy renareo va izay nandatsaka ny fanorenan'ny tany?

22 Izy no manerinerina eo ambonin'ny andohalambon'ny tany; ary ny mponina eo dia tahaka ny valala ihany; izy no namelatra ny lanitra tahaka ny voaly, sy nanenjana azy, hoatra ny lay hitoerana.

23 Hahatsinontsinona ny mpanapaka izy, sy hampanjary zava-poana, ny mpitsara amin'ny tany.

24 Vao nambolena ireo, vao nafafy ireo, vao latsa-paka amin'ny tany ny fotony, dia tsofiny ka malazo, ary nindaosin'ny ranonoram-baratra hoatra ny vodivary.

25 Koa iza ary no hampitovinareo ahy, ka ho tahaka azy aho, hoy ilay Masina?

26 Asandrato ny masonareo amin'ny eo ambony, ka mijere. Iza no nahary ireo zavatra ireo? Dia izay mampandeha milahatra ny tafik'ireo, sy miantso azy rehetra amin'ny anarany avy; ary noho ny haben'ny heriny sy ny hafatratry ny tanjany, tsy misy midify ireny na dia iray aza.

27 Nahoana hianao, ry Jakoba, no milaza, ary hianao koa, ry Israely, no miteny hoe: Miafina amin'ny Tompo ny làlako, ary takona eo anatrehan'Andriamanitra ny rariny ananako?

28 Tsy fantatrao va? tsy renao va? Andriamanitra mandrakizay Iaveh, izay namorona ny faran'ny tany; izay tsy mba mety sasatra na vizana ary tsy takatry ny saina ny fahendreny.

29 Manome hery an'izay sasatra izy ary mampitombo tanjaka an'izay reraka.

30 Ny zatovo mety sasatra sy vizana, ary ny tovon'olona mety hangozohozo.

31 Fa izay miankina amin'ny Tompo kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.

Toko faha-41

1 Mangina hihaino ahy, hianareo, ry nosy, ary aoka ny firenena hamelombelona ny heriny, ka hanatona sy hiteny! Andeha isika hiaraka ho eo amin'ny fitsarana.

2 Iza no nampiakatra avy any atsinanana an'ilay ifanenan'ny fahamarinana ny diany? Iza no nanolotra azy an'ireo firenena, sy nampanaiky azy an'ireo mpanjaka? Mampanjary ny sabany ho vovoka izy; ary ataony tonga sahala amin'ny akofa entin-drivotra ny tsipìkany.

3 Enjehiny ireo, ka mizotra soa aman-tsara izy; eo amin'ny làlana mbola tsy nodiavin'ny tongony.

4 Iza no nanao izany? Iza no nahefa izany? Ilay niantso ny taranaka hatramin'ny voalohany, izaho Iaveh, izay voalohany, sady ho eo amin'ny farany koa!

5 Mahita izany ireo nosy, ka raiki-tahotra; mangovitra ny vazan-tany; manatona izy ireo ka tonga.

6 Samy manampy ny namany avy izy, ary mifampilaza hoe: Matokia!

7 Ny mpanefy mankahery ny mpanao anidina; ny mpandama amin'ny tantanana mankahery ny mively eo amin'ny riandriana; hoy izy, miantso ny faninginana: Tsara ity; dia homboany amin'ny fantsika ilay sampy tsy hihozongozona.

8 Fa hianao kosa, ry Israely, mpanompoko, hianao, ry Jakoba nofidiko, taranak'i Abrahama, sakaizako.

9 Hianao izay notantanako avy any am-paran'ny tany, sy nantsoiko avy any amin'ireo tany lavitra ireo: hianao izay nilazako hoe: Mpanompoko hianao, efa nofidiko, ka tsy mba nariako.

10 Aza matahotra hianao fa momba anao aho; aza mijerijery amin'ahiahy, fa izaho no Andriamanitrao; nohazoniko mafy hianao, ka manampy anao aho; ary manohana anao amin'ny tànana an-kavanan'ny fahamarinako.

11 Ho menatra sy hangaihay foana, izay rehetra misafoaka hamely anao; hanahaka ny zava-poana sy ho levona, izay mifanditra aminao.

12 Hozahanao fa tsy ho hitanao intsony, ry zareo mila sotasota aminao; hanahaka ny zava-poana, hanjary tsinontsinona, ry zareo miady aminao.

13 Fa izaho Iaveh Andriamanitrao, mitantana anao amin'ny tànana an-kavanana, milaza aminao hoe: Aza matahotra, izaho no tonga mamonjy anao.

14 Aza matahotra, ry kankana avy amin'i Jakoba, ry olom-bitsy sisa, tamin'Israely! fa izaho no tonga mamonjy anao - teny marin'ny Tompo - ary ilay Masin'Israely no mpanavotra anao.

15 Indro ataoko ambaramba maranitra hianao sady vao no marani-daniroa, hodiavinao ny tendrombohitra sy hotorotoroinao, ary hampanjarinao akofa ny havoana.

16 Hokororohinao izy, ka hopaohin'ny rivotra, sy haelin'ny ranonoram-baratra. Fa ianao kosa hientan-kafaliana amin'ny Tompo ary ilay Masin'Israely no hireharehanao.

17 Ireo ory sy mahantra, izay mitady rano fa tsy mahita, ka mainan'ny hetaheta ny lelany, dia izaho Iaveh no hihaino azy, izaho Andriamanitr'Israely tsy handao azy.

18 Hampiboiboika renirano, eo amin'ny tendrombohitra mangadihady aho, ary loharano eo afovoan'ny lohasaha; hovako ho farihy ny efitra; ary ho loharano miboiboika, ny tany karankaina.

19 Ny efitra hampaniriako sedra akasia, mirta sy oliva; hataoko indray maniry eo amin'ny tany lava volo ny sipresa, platana, ary boisy.

20 Mba ho hitany sy fantany ary hodinihiny sy hiarahany mahalala, fa ny tànan'ny Tompo no nanao izany, ary ilay Masin'Israely no nahary izany.

21 Alaharo ny teninareo, hoy Iaveh, Asehoy izay mahamarina ny anareo, hoy ny mpanjakan'i Jakoba.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.156