Bokin'Izaia
Toko faha-41
22 Aoka hasehony sy hambarany amintsika, izay zavatra ho avy! Ambarao izay zavatra taloha, mba inona sy inona avy ireny? hikezaka handinika izany ny fonay, hahalalanay izay nahatanterahany! Na hoe ampandreneso anay, izay zavatra ho avy!23 Lazao izay zavatra ho avy any aoriana any, dia ho fantatray fa andriamanitra hianareo. Manaova soa, na manaova ratsy, mba hahitanay izany sy hiarahantsika migaga.
24 Indro fa tsinontsinona hianareo, ary zava-poana ny asanareo; vetaveta izay mifidy anareo!
25 Nampitranga azy avy any avaratra aho, ka tonga izy, avy any atsinanana izy miantso ny anarako; hoseny hoatra ny fanosy fotaka, ny mpanapaka; sy tahaka ny fanosin'ny mpanao vilany ny tanimanga.
26 Iza no nampahalala azy hatramin'ny voalohany mba hahafantaranay izany, sy teo aloha ela, mba hilazanay hoe: Marina izany? Tsia: tsy nisy olona nilaza azy! Tsia, tsy nisy olona nampandre azy! Tsia, tsy nisy olona nandre ny teninareo!
27 Izaho no voalohany nilaza tamin'i Siona hoe: Indro! indreo izy, ary mandefa mpitondra teny soa mahafaly ho an'i Jerosalema aho.
28 Mijery aho, ka tsy misy olona; tsy misy mpanolo-tsaina amin'izy ireo, izay azoko nanontaniana sy hamaly ahy.
29 Indro fa zava-poana avokoa izy rehetra; tsinontsinona ny asany; rivo-poana ny sampiny.
Toko faha-42
1 Indro ny mpanompoko izay tantanako; ilay voafidiko ka sitraky ny foko; napetrako ao aminy ny fanahiko; hamoaka fahamarinana ho an'ny firenena izy.2 Tsy hiantso mafy izy, na hanandra-peo, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalambe.
3 Ny volotara, tsy hotapahany; ny lahin-jiro efa ho faty, tsy hovonoiny. Hanambara ny rariny, araka ny marina izy;
4 tsy ho ketraka izy na ho kivy akory, mandra-panoriny ny rariny amin'ny tany; ary ny nosy hiandry ny lalàny.
5 Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitra izay nahary ny lanitra sy namelatra azy, izay namelatra ny tany mbamin'ny vokatra ao aminy, izay nanome fofon'aina ny olona eo aminy, sy fofon'aina ho an'izay mandeha eo.
6 Izaho Iaveh no niantso anao, tamin'ny fahamarinana, sy nandray tànana anao, miaro anao aho ary manao anao ho fanekem-pihavanana ho an'ny vahoakako sy fahazavan'ny firenena,
7 hampahiratra ny mason'ny jamba, hamoaka ny mifatotra eo amin'ny tranomaizina, sy ireo mipetraka ao anatin'ny haizina ao amin'ny fonja.
8 Izaho no Iaveh, izany no anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Ny fanajana ahy, tsy ho an'ny sampy.
9 Efa tanteraka izay, ireo zavatra taloha; ary zava-baovao indray izao no ambarako: alohan'ny hitrangany dia ampandrenesiko rahateo hianareo.
10 Mihirà fihiram-baovao ho an'ny Tompo; sy fiderana azy, hatramin'ny faran'ny tany, hianareo miantsambo amin'ny ranomasina sy monina ao aminy, hianareo, nosy, mbamin'ireo mponina aminareo!
11 Aoka hanandra-peo ny efitra mbamin'ny tanàna eo aminy; ny toby onenan'i Sedara! Aoka hientan-kafaliana, ny mponina any Selà; aoka hihobim-piravoravoana any an-tampon-tendrombohitra!
12 Aoka hanome voninahitra an'ny Tompo, sy hitory fiderana azy eny amin'ny nosy!
13 Fa mivoaka Iaveh toy ny lehilahy mahery; mamoha ny firehetam-pony, toy ny mpiady, mandefa akoran'ady, akora mikotrokotroka; manampatra ny heriny, handresy ny fahavalony.
14 Ela nanginana aho; nitam-bava tsy niteny sy nanindry fo aho; mitolokoloko toy ny vehivavy miteraka, misentosento sy mihanahana aho.
15 Hofoanako ny tendrombohitra aman-kavoana; hataoko maina avokoa izay maitso eo aminy; hampanjariako nosy ny ony, ary hamainiko ny farihy.
16 Hampandehaniko amin'ny làlan-tsy fantany ny jamba; ary hotarihiko amin'ny sakeli-dàlana mbola tsy hitany; ny maizina hataoko mazava eo anoloany; ary ny tany be havoana halamako. Hotanterahiko ireo teny ireo; ary tsy avelako tsy hatao.
17 Hihemotra sy ho safo-kenatra ireo, izay matoky ny sampy, izay milaza amin'ny sarin-javatra anidina hoe: Hianareo no andriamanitray.
18 Mihainoa, hianareo marenina; mihirata hijery, hianareo jamba!
19 Iza no jamba afa-tsy ny mpanompoko; iza no marenina tahaka ny iraka irahiko? Iza no jamba tahaka an'izay nataoko sakaizako, sy jamba tahaka ny mpanompon'ny Tompo?
20 Nahita zavatra maro hianao, fa tsy nahatana na inona na inona; nisokatra ny sofiny, fa tsy nandre na inona na inona izy.
21 Sitrak'Iaveh noho ny fahamarinany, ny nanome lalàna lehibe sy be voninahitra!
22 Ary indro ity vahoaka ity, dia voababo sy norobaina ny fananany. Voafatotra ao an-johy avokoa izy rehetra; voahiboka ao an-tranomaizina izy; robaina izy nefa tsy misy mamonjy azy, baboina ny fananany, nefa tsy misy manao hoe: Avereno!
23 Iza aminareo moa no hety handre izany dia handinika sy hihaino amin'ny sisa?
24 Iza no nanolotra an'i Jakoba horobaina, sy Israely hobaboina? Moa tsy Iaveh va, izay nanotantsika? Tsy nety nanaraka ny làlany izy ireo; ary ny lalàny tsy nohenoiny?
25 Dia nalatsany tamin'izy ireo ny afon'ny fahatezerany, sy ny firehitry ny ady: ka nirehitra nanodidina azy izany, nefa tsy azony an-tsaina, ary nandoro azy, nefa tsy noheveriny.
Toko faha-43
1 Ary ankehitriny, izao no lazain'ny Tompo, dia ilay nahary anao, ry Jakoba, sy namorona anao, ry Israely: Aza matahotra fa izaho efa nanavotra anao, izay efa niantso anao amin'ny anaranao, ka ahy hianao!2 Raha mita rano hianao, dia homba anao aho; raha mamaky ny ony hianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan'ny afo hianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
3 Fa izaho Iaveh no Andriamanitrao; ilay Masin'Israely no Mpamonjy anao. Efa nomeko ho avotrao, Ejipta, ary ho solonao Etiopia sy Sabà.
4 Satria sarobidy eo imasoko sy mendrika hohajaina hianao, sady tia anao aho, hanome olona maro ho takalonao aho, sy firenena maro, ho solon'ny ainao.
5 Aza matahotra fa momba anao aho, hamerina ny taranakao avy any Atsinanana aho, ary hanangona anao avy any Andrefana.
6 Ny Avaratra hilazako hoe: Atolory izy! ary ny Atsimo hataoko hoe: Aza mitana azy! Avereno ny zanakolahy, avy any lavitra any, sy ny zanakovavy, avy any am-paran'ny tany,
7 dia izay rehetra mitondra ny anarako, izay nohariko ho voninahitro sy noforoniko ary nataoko.
8 Avoahy ny olona jamba mana-maso, sy ny marenina manan-tsofina.
9 Aoka hivory ny firenena rehetra, sy hiangona ny vahoaka! Iza amin'izy ireo no nanambara izany zavatra izany, sy nilaza tamintsika ny faminaniana taloha? Aoka hasehony izay vavolombelona sy hanamarina ny filazany izy; aoka hihaino azy ny olona sy hanao hoe: Marina izany!
10 Hianareo no vavolombeloko, - teny marin'ny Tompo sady mpanompoko, izay nofidiko; mba hahafantaranareo sy hinoanareo ahy ary hahazoanareo an-tsaina, fa izaho no izy. Tsy misy Andriamanitra voaforona talohako; ary tsy hisy koa any aoriako.
11 Izaho dia izaho ihany no Iaveh, ary tsy misy mpamonjy afa-tsy izaho.
12 Izaho no nilaza, izaho no namonjy, izaho no nilaza mialoha, tsy mba andriamani-kafa eo aminareo; ary hianareo no vavolombeloko - teny marin'ny Tompo.
13 Izaho no Andriamanitra. Amin'ny sisa izaho ihany koa no izy, ary tsy misy olona mahafaka amin'ny tànako; Hiasa aho, ka zovy moa no hahasakana izany?
14 Izao no lazain'ny Tompo, mpanavotra anareo, ilay Masin'Israely: Noho ny aminareo, dia naniraka hamely an'i Babilona aho, ka hataoko vaky mandositra avokoa izy ireo, dia ny Kaldeana, ka hidina any amin'ny sambo ireharehany fatratra!
15 Izaho no Iaveh, ilay Masinareo, ilay mpahary an'Israely, mpanjakanareo!
16 Izao no lazain'ny Tompo, izay nanao làlana eny amin'ny ranomasina, sakeli-dàlana eny amin'ny rano mahery,
17 izay namoaka kalesy aman-tsoavaly, sy tafika amam-piady mahery, hiantafika, - indray lavo tsy hiarina intsony izy rehetra; voakenda sy maty toy ny lahin-jiro izy. -