Bokin'Izaia

Toko faha-43

18 Aza mahatsiaro ny zavatra lasa intsony, ary aza mihevitra ny zavatra taloha intsony!

19 Fa indro aho, hanao zava-mahagaga vaovao; efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va hianareo? Hanisy làlana any an'efitra aho, sy ony eny an-tany karankaina.

20 Hanome voninahitra ahy ny biby eny an-tsaha, mbamin'ny amboadia sy ny ostritsa, satria nanisy rano tany an'efitra aho, sy ony eny amin'ny tany karankaina, hampisotroina ny vahoakako, ny olom-boafidiko,

21 ny vahoaka noforoniko mba ho ahy, ka hitory ny fiderana ahy.

22 Kanefa, ry Jakoba o, tsy mba niantso ahy hianao, na nisahirana tamiko akory, ry Israely.

23 Tsy mba nanateranao ny ondrin'ny sorona doranao aho, na nomenao voninahitra tamin'ny soronao akory. Tsy namesatra anao tamin'ny fanatitra aho na nanasatra anao tamin'ny emboka manitra.

24 Tsy lany vola namidy veromanitra ho ahy hianao; na namoky ahy tamin'ny saboran-tsoronao; fa hianao aza no namesatra ahy tamin'ny fahotanao, nanasatra ahy tamin'ny tsy fahamarinanao.

25 Izaho dia izaho ihany no mamono ny fahadisoanao, noho ny fitiavako ny tenako, ka tsy hotsarovako intsony ny fahotanao.

26 Ampahatsiarovy aho; aoka hifandahatra isika. Aoka ny tenanao no hilaza izay mahamarina ny anao.

27 Nanota ny rainao voalohany, ary nivadika tamiko ireo mpanalàlanao.

28 Ka izany no nanonganako an'ireo loholon'ny fitoerana masina, nanolorako an'i Jakoba ho anatema sy Israely ho fandatsa.

Toko faha-44

1 Ary ankehitriny, mihainoa, ry Jakoba mpanompoko sy hianao, ry Israely voafidiko.

2 Izao no lazain'ny Tompo, izay nanao anao, sy namorona anao hatrany am-bohoka, sady namonjy anao. Aza matahotra, ry Jakoba mpanompoko, ry Israeliko, izay nofidiko!

3 Fa handatsaka rano amin'ny tany mangetana aho; sy sakeli-drano eo amin'ny tany karankaina. Handatsaka ny fanahiko amin'ny taranakao aho, sy ny fitahiako amin'ny solofonao.

4 Dia haniry eo amin'ny ahi-maitso izy, tahaka ny hazomalahelo amoron'ny rano mandeha.

5 Ny iray hilaza hoe: An'ny Tompo aho! ny iray kosa hiantso ny anaran'i Jakoba ho fiarovana; ny hafa indray hanoratra amin'ny tànany hoe: An'ny Tompo! ary halainy ho fanampin'anarana, ny anaran'Israely.

6 Izao no lazain'ny Tompo, mpanjakan'Israely sy mpanavotra azy, dia Iavehn'ny tafika: Izaho no voalohany, ary izaho no farany, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy izaho.

7 Iza no tahaka ahy? - aoka hiteny izy; aoka hilaza izany izy sy hampiseho izany!- hatrizay nanorenako ny karazan'olombelon'ny andro fahagola. Aoka hambarany àry ny zavatra ho avy sy izay tsy maintsy ho tonga!

8 Aza taitra na matahotra foana hianareo! Tsy efa nampahalala anao, hatry ny ela va, sy efa nilaza izany taminao? - Hianareo no vavolombeloko! - Moa misy Andriamanitra afa-tsy izaho va? Tsy misy Vatolampy hafa; tsy mahita izany aho.

9 Zava-poana avokoa ny mpanao sampy, ary tsy misy asany akory izay asany tampony indrindra. Tsy mahita na inona na inona ny vavolombelon'izy ireny, tsy mahalala na inona na inona, ka henatra ho azy izany.

10 Iza no namorona andriamanitra sy nanao sampy anidina, mba tsy hahazoany soa na inona na inona?

11 Ho menatra avokoa ny mpivavaka aminy; fa olombelona ihany ny mpanao azy! Aoka hivory avokoa izy, ka hiseho!... Hangovitra sy ho indray menatra avokoa izy rehetra.

12 Ny mpanefy vy miasa amin'ny fandraka, ataony amin'ny arina mivaivay ny taozavatra, amboariny amin'ny tantanana, foromporoniny amin'ny sandry matanjaka izy. Kanefa noana izy, ka indro tsy manankery; tsy misotro rano, ka indro reraka.

13 Ny mpanao taozavatra amin'ny hazo manenjana ny kofehy, manoritra ny endri-javatra amin'ny pensily, manamboatra azy amin'ny fandraka, mandrefy azy amin'ny kompà. Manao azy hanan'endrik'olona, ilay endrika tsara, izay endriky ny olombelona, mba hamponenany azy ao an-trano.

14 Misy olona mandeha hikapa sedera; maka sena sy oaka izy; mifidy amin'izay hazo any an'ala; na mamboly sedera hampanirin'ny ranonorana.

15 Izany hazo izany dia hataon'ny olona kitay, misy halainy hamindroany, misy koa ampirehetiny handrahoan-kanina; misy koa ataony andriamanitra hivavahany; misy hanaovany sampy, dia iankohofany eo anoloany.

16 Ny antsasany nodorany tamin'ny afo; ny antsasany andrahoany hena ho azy, manatsatsika hena izy, dia mivoky. Mamindro koa izy ka manao hoe: Adre! mihamafana aho izany; mahatsiaro ny hafanan'ny afo aho izany!

17 Ny sisan'izany anaovany andriamanitra ho azy, sampy ho azy, dia miankohoka izy, mivavaka aminy, ary eo anatrehany izy dia mangataka manao hoe: Vonjeo aho, fa andriamanitro hianao!

18 Tsy mahalala na mahafantatra na inona na inona izy ireo, fa voatentina ny masony ka tsy mahita, ary ny fony koa, ka tsy mahazo an-tsaina.

19 Ary tsy mieritreritra ao am-pony izy, tsy mba manan-tsaina na manam-pahalalana ka hanao anakampony hoe: Efa nodorako tamin'ny afo ny antsasany, efa nanendy mofo tamin'ny vain'afo aho, efa nanatsatsika hena aho, dia nihinana; ka ny sisan'izany va hanaovako fahavetavetana, hiankohofako eo anatrehan'izay vatan-kazo foana!

20 Voky lavenona izy; mivaona entin'ny fony voafitaka izy. Tsy hamonjy ny fanahiny izy, na hilaza hoe: Moa tsy lainga va izay eto an-tànako?

21 Tsarovy izany zavatra izany, ry Jakoba, ry Israely o, fa mpanompoko hianao! Izaho namorona anao mba ho mpanompoko hianao; tsy hanadino anao aho, ry Israely!

22 Efa nolevoniko toy ny zavona ny fahadisoanao; ary toy ny rahona ny fahotanao: ka miverena amiko, fa efa nanavotra anao aho.

23 Mihobia an-kafaliana, ry lanitra, fa efa vitan'ny Tompo izany. Mirohondrohona, ry fanambanin'ny tany! Ataovy maresaka ny fifaliana, ry tendrombohitra, mbaminareo ala sy ny hazo rehetra eo aminareo: fa Iaveh efa nanavotra an'i Jakoba, sy naneho ny voninahiny eo amin'Israely!

24 Izao no lazain'ny Tompo mpanavotra anao, izay namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho Iaveh, no nanao ny zavatra rehetra, izaho irery no mamelatra ny lanitra, sy mampiorina ny tany: Iza moa no niaraka tamiko?

25 Izaho no mahafoana ny fambaran'ny mpaminany mpandainga, mahabedibedy foana ny mpimasy, mampikoy ny olon-kendry, ary manova ny fahaizany ho fahadalana.

26 Izaho no mahatò ny tenin'ny mpanompoko, sy mahatanteraka ny hevitra lazain'ny irako; ny amin'i Jerosalema dia ilazako hoe: Honenana anie izy! ny amin'ny tanànan'i Jodà hoe: Hatsangana indray anie izy ireo! Hamboariko indray izay rava aminy.

27 Izaho no milaza amin'ny hantsana hoe: Tankìna! Hataoko ritra ny oninao.

28 Ny amin'i Sirosy dia milaza aho manao hoe: Mpiandry ondriko izy; hanatanteraka ny sitra-poko manontolo izy, hilaza amin'i Jerosalema hoe: Haorina indray anie hianao! Sy amin'ny tempoly hoe: Hatsangana indray anie hianao!

Toko faha-45

1 Izao no lazain'ny Tompo, amin'ilay voahosony, amin'i Sirosy, izay notantanako tamin'ny tànany havanana, mba handavo ny firenena rehetra eo anatrehany, sy hamaha ny fehin-kibon'ireo mpanjaka, ary hamoha ny varavarana eo anoloany, mba tsy ho voasakana tsy hiditra amin'ireny izy.

2 Izaho handeha eo alohanao, handravona ny làlana mikitoantoana, hanorotoro ny vavahady varahina, ary hanapatapaka ny hidy vy.

3 Homeko anao ny rakitra miafina, sy ny harena voalevina, mba hahafantaranao fa izaho no Iaveh, Andriamanitr'Israely, izay niantso anao tamin'ny anaranao.

4 Jakoba mpanompoko, sy Israely voafidiko, no niantsoako anao tamin'ny anaranao; sy nanendreko anao, fony mbola tsy nahalala ahy hianao.

5 Izaho no Iaveh, ary tsy misy hafa koa; tsy misy Andriamanitra afa-tsy izaho! Nampisikina anao aho, fony hianao mbola tsy nahalala ahy;

6 mba hahafantaran'ny olona, hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany fa tsy misy na inona na inona afa-tsy izaho! Izaho no Iaveh ary tsy misy hafa.

7 Izaho no mamorona ny mazava, sy mahary ny maizina; manao ny fiadanana sy mahary ny loza; izaho Iaveh no manao izany rehetra izany.

8 Ampidino, ry lanitra, ny andonao avy any ambony; ary aoka ny rahona handatsaka ny fahamarinana toy ny ranonorana! Aoka ny tany hisokatra, hahavokatra ny famonjena, ka hampitsimoka ny fahamarinana, miaraka amin'izany! Izaho Iaveh no mahary ireo zavatra ireo.

9 Loza ho an'izay miady hevitra amin'ilay namorona azy, nefa tavim-bilany isan'ny tavim-bilany tany ihany izy. Ny tanimanga va hilaza amin'izay namolavola azy hoe: Inona ity ataonao? Ny asanao va hanao hoe: Tsy manan-tànana izy?

10 Loza ho an'izay manao amin-dray anankiray hoe: Nahoana no miteraka hianao? na amin'ny vehivavy iray hoe: Nahoana no velom-bao hianao?

11 Izao no lazain'ny Tompo, ilay Masin'Israely sy izay namorona azy: Sahinareo va ny hanontany ahy ny amin'ny ho avy, dia ny hanome didy ahy ny amin'ny zanako sy ny asan'ny tànako?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0895