Bokin'Izaia
Toko faha-45
12 Izaho no nanao ny tany, sy nahary ny olona eo amboniny; izaho no namelatra ny lanitra tamin'ny tànako, izaho no mandidy ny tafika rehetra eo aminy.13 Izaho no nanangana azy io, tamin'ny fahamarinako, ka mandravona ny làlany rehetra; Izy no hanangana ny tanànako indray, sy hampody ny oloko voababo, tsy amin'avotra na fanatitra, hoy Iavehn'ny tafika.
14 Izao no lazain'ny Tompo: Ny vokatra azon'i Ejipta, ny tombony azon'i Etiopia, sy ny Sabeana olona lava tsanganana, dia samy ho tonga ao aminao sy ho anao, fa izy ireo dia hanaraka anao; ho tonga am-patorana sy hiankohoka eo anatrehanao, ary hifompòna aminao, hanao hoe: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy ato aminao, ka tsy misy hafa. Tsy misy Andriamanitra hafa iray akory!
15 Marina tokoa fa Andriamanitra miafina hianao, ry Andriamanitr'Israely mpamonjy ô!
16 Menatra sy mangaihay avokoa izy rehetra, lasa mandeha amin-kenatra ny mpanao sampy.
17 Fa Israely kosa novonjen'ny Tompo amin'ny famonjena mandrakizay; tsy ho menatra na hangaihay intsony hianareo, amin'ny taona ho avy.
18 Fa izao no lazain'ny Tompo, izay nahary ny lanitra, izy dia ilay Andriamanitra namorona ny tany, sy nahavita ary nampiorina azy, ka tsy nataony ho zava-mifanjevo foana, fa nataony ho fonenana: Izaho no Iaveh, ary tsy misy hafa!
19 Tsy niteny tao amin'ny mangingina aho, tao amin'ny toerana maizimaizina amin'ny tany. Tsy nilaza tamin'ny taranak'i Jakoba aho nanao hoe: Aoka hitady ahy foana anie hianareo! Fa izaho Iaveh dia milaza ny marina, manambara ny fahamarinana.
20 Mivoria hianareo, ka avia, miaraha manatona, ry sisan'ny firenena izay afaka. Tsy mahalala na inona na inona izay mitondra ny sampi-hazony, sy miantso izay andriamanitra tsy mba mamonjy.
21 Antsoy izy ireo; asaovy manatona izy; ary aoka hiara-misaina avokoa izy! Iza no efa nilaza izany zavatra izany hatramin'ny voalohany, sy nanambara izany hatramin'ny ela? Tsy izaho Iaveh va? Ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy izaho; Izaho no Andriamanitra marina, ary tsy misy mpamonjy afa-tsy izaho.
22 Mitodiha atý amiko, dia hovonjena hianareo, hianareo rehetra mponina amin'ny tany, fa izaho no Andriamanitra, ary tsy misy hafa.
23 Efa nianiana tamin'ny tenako aho; ny marina no aloaky ny vavako, dia ny teny iray, izay tsy hofoanana: Ny lohalika rehetra handohalika amiko, ary ny lela rehetra hianiana amiko.
24 Izao no hilazan'ny olona ahy: Amin'ny Tompo irery no mitoetra ny fahamarinana sy ny hery! Hanatona azy ny olona; fa ho menatra kosa izay rehetra tezitra taminy.
25 Hohamarinina sy homem-boninahitra ao amin'ny Tompo avokoa, ny taranak'Israely rehetra.
Toko faha-46
1 Mirodana Bela, miletsy Nebao; ataingina eo ambony biby, eo ambony biby mpitondra entana ny sariny. Ireo sampy izay nentinareo dia ataingina toy ny entana mavesatra, eo ambony biby sasatra.2 Miletsy izy ireo, miara-mirodana izy; tsy nahavonjy ny entana izy; lasan-ko babo mbamin'ny tenany aza.
3 Mihainoa ahy, ry taranak'i Jakoba, mbaminareo sisa rehetra amin'ny taranak'Israely; hianareo izay nataoko an-tsangory hatry ny fony vao teraka, nentiko hatreny an-kibon-dreninareo.
4 Tsy hiova aho hatramin'ny fahanteranareo, fa hanohana anareo mandra-pahafotsivolo anareo. Efa nanao izany aho, ka mbola hitondra anareo; hanohana anareo sy hanafaka anareo.
5 Hampitahainareo amin'iza aho, ary hataonareo sahala amin'iza? Hampitahafinareo amin'iza aho ka hitovy izahay?
6 Izy ireo dia maka volamena ao an-kitapony, mandanja volafotsy amin'ny mizana, ary manakarama mpanao anidina, hanao andriamanitra amin'izany, dia miankohoka sy mivavaka.
7 Lanjainy io, tohanany, dia lasa izy ireo mametraka azy eo amin'ny fitoerany; ka mitsatoka eo, tsy mihetsika amin'ny fitoerany izy. Na dia misy miantso azy aza tsy mamaly izy, na mahavonjy olona ho afaka amin'ny fahoriany.
8 Mihevera izany, ary misehoa ho lehilahy; ampoizo izany, ry mpiodina;
9 tsarovinareo ny zavatra lasa, tamin'ny andro taloha. Eny, izaho dia Andriamanitra, ary tsy misy hafa.
10 Andriamanitra aho, ary tsy misy mitovy amiko, izaho no manambara ny farany, hatramin'ny voalohany, sy ny mbola tsy eo akory, hatrarý aloha ela; izaho izay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hefaiko ny sitra-poko rehetra;
11 izay miantso ilay voromahery avy any Atsinanana, dia ilay lehilahy araka ny hevitro avy any an-tany lavitra. Efa niteny aho, ka hanatanteraka! Efa nikasa aho, ka hanefa izany!
12 Mihainoa ahy, hianareo olona madi-po, izay lavitry ny fahamarinana.
13 Ampanakekeziko ny fahamarinako, ka tsy lavitra izy; ary ny famonjeko tsy ho ela; hanome famonjena an'i Siona aho, sy ny voninahitro ho an'Israely.
Toko faha-47
1 Midìna, mipetraha amin'ny vovoka, ry virjiny, zanakavavin'i Babilona; mipetraha amin'ny tany, fa tsy amin'ny seza fiandrianana, ry zanakavavin'ny Kaldeana; fa hianao tsy hantsoina intsony hoe: ikala kiankianina, ikala miangentsana.2 Alao ny vato fikosoham-bary, ka totoy ny lafarina. Esory ny voalinao; akaro ny morotongotr'akanjonao, asehoy ny ranjonao, fa hita ny ony.
3 Aoka hiharihary ny fitanjahanao, aoka ho hita ny fahamenaranao! Fa hamaly faty aho, ka tsy misy olona hananako antra. -
4 Ny anaran'ny Mpanavotra antsika dia Iavehn'ny tafika, ilay Masin'Israely! -
5 Mipetraha tsy miteny, midira ao amin'ny maizina, ry zanakavavin'ny Kaldeana; fa hianao tsy hantsoina intsony hoe: ilay tompovavin'ny fanjakana.
6 Efa tezitra tamin'ny vahoakako aho, ka navelako hozimbaina ny lovako, dia natolotro ho eo an-tànanao izy. Tsy nanananao antra izy; nasianao jioga mavesatra mbamin'ny antitra.
7 Ary hoy hianao: Tompovavy ho amin'ny mandrakizay aho! ka dia tsy mba nandinika izany akory hianao, na mba nitsapa izay hiafaran'izany rehetra izany.
8 Fa ankehitriny, mihainoa, ry ilay nihantahanta, izay nipetraka tsy nanana ahiahy akory, sy nilaza tao am-ponao hoe: Izaho ity, dia izaho irery ihany! tsy ho mpitondratena na oviana na oviana aho, na hofoanana anaka!
9 Kanjo ireo zava-droa ireo ho indray mianjera aminao, tampoka, indray andro monja, dia ny fahafoanana anaka, sy ny fananoan-tena, ho tonga aminao tanteraka an-tsakany sy an-davany izany, na dia eo aza ny hamaroan'ny odinao, na dia eo aza ny herin'ny fankatoavanao.
10 Fa nitoky tamin'ny hafetsenao ratsy hianao, nanao hoe: Tsy misy mahita ahy! Ny fahendrena amam-pahaizanao, dia izany no nanodoka anao raha hianao nanao anakampo hoe: Izaho ity, dia izaho irery ihany!
11 Indro, ho tonga aminao ny loza, tsy azonao sakanana; hianjera aminao ny antambo, tsy azonao hahodivitra, ary hanjo anao ny faharavana tampoka, tsy nampoizinao velively akory.
12 Aoka ary hianao haharitra amin'ny fankatoavanao, sy amin'ireo odinao marobe, izay nanarananao fo hatramin'ny fahatanoranao. Sao mba mety hahita soa amin'izany hianao; sao mba mety hampahatahotra, hianao!
13 Efa nisasatra tamin'ny fanontaniana betsaka hianao; ka aoka handroso hamonjy anao ireo izy ireo, izay mpandrefy ny lanitra, sy mpandinika ny kintana, izay manambara, isaka ny tsinam-bolana, ny zavatra tsy maintsy ho tonga aminao.
14 Indreo izy, fa tonga tahaka ny vodivary; hodoran'ny afo, nefa tsy hahavonjy ny ainy, amin'ny herin'ny lelafo; fa tsy mba vain'afo hamindroana akory ity na afo hitaninana eo anoloany!
15 Ho toy izany aminao ireo nanasaranao tena, ireo nifampiraharahanao, hatramin'ny fahatanoranao: samy mipariaka amin'izay alehany avy izy, fa tsy misy hamonjy anao!
Toko faha-48
1 Mihainoa izao, ry taranak'i Jakoba, hianareo izay antsoina amin'ny anaran'Israely; nateraky ny loharanon'i Jodà, mianiana amin'ny anaran'ny Tompo, ary mankalaza ny Andriamanitr'Israely, nefa tsy amin'ny fo mahitsy na araka ny hitsim-po.2 Fa maka ny anarany amin'ny tanàna masina izy ireo, sy miankina amin'ny Andriamanitr'Israely, izay mitondra anarana hoe: Iavehn'ny tafika.
3 Ny zavatra taloha, dia efa nambarako hatramin'ny ela; naloaky ny vavako izany, sady nantsoiko ampahibemaso; ary tampoka aho dia nanao, ka tanteraka ireo zavatra ireo.
4 Noho ny fahalalako fa hianao dia mafy hatoka, ary anja-by ny vozonao, sy varahina ny handrinao,
5 dia nambarako taminao hatramin'ny ela izany zavatra izany; nolazaiko taminao talohan'ny hahatongavany izany, fandrao lazainao hoe: Ny sampiko no nanao izany; ny andriamanitro hazo na anidina no nandidy izany.
6 Efa nandre izany hianao; jereo fa tanteraka avokoa izy; fa hianareo kosa, tsy hanambara izany va hianareo? Ankehitriny mampandre anao zava-baovao aho, dia zava-miafina mbola tsy fantatrao.
7 Vao izao no noharina izany, fa tsy taloha; hatramin'izao anio izao, tsy mbola nandre izany hianao, fandrao lazainao hoe: Indro fa efa fantatro ihany izany.
8 Tsy mbola nandre izany hianao, tsy nahalala izany hianao; tsy mbola nandre izany velively ny fonao. Satria fantatro hianao fa mpivadika loatra, ary ny anaranao hatrany an-kibon-dreninao dia hoe mpivadika.
