Bokin'Izaia
Toko faha-48
9 Noho ny anarako, dia manindry ny hatezerako aho, ary noho ny voninahitro, dia mandefitra aminao aho, mba tsy hamongorana anao.10 Indro fa nandrendrika anao aho, nefa tsy nahazo volafotsy; ary nizaha toetra anao tamin'ny memin'ny fahoriana aho.
11 Noho ny fitiavako ny tenako, dia noho ny fitiavako ny tenako no hanaovako izany; satria ahoana no hanazimbana ny anarako? Tsy hafoiko ho an'ny hafa ny voninahitro.
12 Mihainoa ahy, ry Jakoba, sy hianao, ry Israely, izay nantsoiko; Izaho dia izaho no voalohany, izaho koa no farany.
13 Ny tànako ihany no nanorina ny tany, ary ny tànako an-kavanana no namelatra ny lanitra; izaho no miantso azy ireo, dia tonga miaraka amin'izay izy.
14 Mivoria hianareo rehetra, ka mihainoa: Iza tamin'ireny no mba efa nilaza izany? Ilay tian'ny Tompo dia hanatanteraka ny sitra-pony amin'i Babela, ary ny sandriny hamely ny Kaldeana. -
15 Izaho dia izaho ihany no niteny sady niantso azy; nasaiko tonga izy, ka hambinina ny alehany.
16 Manatòna ahy hianareo, ka henoy izao: Hatramin'ny voalohany, tsy niteny an-takontakona aho; hatramin'ny ahatongavan'ireo zavatra ireo dia eo aho; - Ary ankehitriny Iaveh, Tompo, maniraka ahy omban'ny Fanahiny. -
17 Izao no lazain'ny Tompo mpanavotra anao, ilay Masin'Israely: Izaho Iaveh, Andriamanitrao, mampianatra anao mba hahitanao soa; mitarika anao amin'ny làlana tokony halehanao aho.
18 Enga anie ka hihaino ny teniko hianao, dia ho tahaka ny ony ny fiadananao; ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao;
19 ho tahaka ny fasika ny taranakao; dia ho tahaka ny vovo-pasika, ny haloaky ny kibonao; tsy hesorina ny anarany, na hovonoina eo anatrehako.
20 Mivoaha avy ao Babilona, mandosìra ny Kaldeana, amin'ny hobin-kafaliana! Torio izany, ataovy antso avo koa, ampandreneso hatrany am-paran'ny tany! Lazao hoe: Iaveh efa nanavotra an'i Jakoba mpanompony!
21 Tsy mangetaheta ireo any amin'ny efitra nitondrany azy: fa mampiboiboika rano avy amin'ny vatolampy izy ho an'ireo; mampitresaka ny vatolampy izy, dia migororoana ny rano. Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy, hoy Iaveh.
Toko faha-49
1 Mihainoa ahy, ry nosy; mitandrema hianareo, ry firenena lavitra! Iaveh efa niantso ahy hatrany am-bohoka, efa nilaza ampahibemaso ny anarako, hatrany an-kibon'i neny.2 Nataony sabatra maranitra ny lelako; nalofany tamin'ny aloky ny tànany aho; nataony zana-tsipìka maranitra aho, nafeniny teo amin'ny tranon-jana-tsipìkany.
3 Ary hoy izy tamiko: Mpanompoko hianao, ry Israely, izay hataoko reharehako.
4 Dia hoy kosa aho: Foana ny nisasarako; zava-poana sy tsinontsinona, no nandaniako ny heriko; fa ao amin'ny Tompo ny rariny ananako, ao amin'Andriamanitro ny valisoa ho ahy.
5 Ary ankehitriny miteny Iaveh, izay namorona ahy hatrany am-bohoka mba ho mpanompony, hampody an'i Jakoba aminy indray, ary mba ho tafakambana aminy indray Israely. - Ary mahazo voninahitra eo imason'ny Tompo aho, ary Andriamanitro no heriko. -
6 Hoy izy: Mbola zavatra kely foana ny maha-Mpanompoko anao, hanangana ny firenen'i Jakoba indray, sy hampody ireo sisa voatahiry amin'Israely; fa hatsangako ho fahazavan'ny firenena hianao, mba hihitaran'ny famonjeko hatramin'ny faran'ny tany.
7 Izao no lazain'ny Tompo, ilay mpanavotra sy ilay Masin'Israely; amin'ilay esoina sy tevatevain'ny vahoaka, mpanompon'ny mpanapaka masiaka: Hahita anao ny mpanjaka, ka hitsangana; ary ny mpanapaka, ka hiankohoka, noho ny amin'ny Tompo izay mahatoky, sy ilay Masin'Israely izay nifidy anao.
8 Izao no lazain'ny Tompo: Mihaino anao amin'ny andro fankasitrahana aho, ary mamonjy anao amin'ny andro famonjena; niaro anao aho, ary nanangana anao ho faneken'ny firenena, hanandratra indray ny tany, hizara ny lova nosimbana;
9 hilaza amin'izay lasan-ko babo hoe: Mivoaha! sy amin'izay ao anatin'ny aizina hoe: Mankanesa atý amin'ny mazava; hahazo hiraotra izy ireo manaraka ny làlana, ary ny vilon-kohaniny dia eny amin'ny havoana rehetra;
10 tsy ho noana izy na hangetaheta, tsy ho tratry ny fasika mahamay, na ny masoandro. Fa ilay mamindra fo aminy no hitarika azy ireo, sy hitondra azy ho eo amin'ny rano miboiboika.
11 Hataoko làlana ny tendrombohitra rehetra; ary hasandratra indray ny làlako.
12 Indreo ny sasany avy lavitra; indreo ny sasany avy any avaratra sy avy any andrefana, ary indreo koa ireo avy any amin'ny tanin'ny Sinima.
13 Mihobia an-kafaliana, ry lanitra; miontàna, ry tany! Velomy ny hobin-kafaliana, ry tendrombohitra! Fa Iaveh efa nampionona ny vahoakany, sy nangoraka ireo azy nampahorina!
14 Hoy Siona: Nafoin'ny Tompo aho; hadinon'ny Tompo aho! -
15 Hanadino ny taizany va ny vehivavy, ka tsy hamindra fo amin'ny naloaky ny kibony? Na hanadino aza ny reny, izaho tsy mba hanadino anao!
16 Jereo, efa vitako tombo-kavatsa eo amin'ny felatànako hianao; eo anatrehako mandrakariva ny mandanao.
17 Ny zanakao, tamy faingana; ry zareo nanimba sy nandrava anao, manalavitra anao.
18 Atopazo manodidina ny masonao, ka jereo, fa mivory avokoa izy ireo, manatona anao izy ireo. Velona aho, - teny marin'ny Tompo, dia hihaingoanao, toy ny firavaka, ireo rehetra ireo; ary hisikinanao toy ny sikin'ny ampakarina.
19 Fa ny tanànanao rava, ny efitrao, ny taninao foana, ireo rehetra ireo dia tsy ho ampy amin'izay ho an'ny mponina eo aminao; ary izay nandany anao, lasa lavitra!
20 Amin'izany, hiteny eo an-tsofinao ireo zanakao nesorina taminao, hanao hoe: Ety loatra aho amin'ity tany ity, ka omeo fitoerana hahazoako honenana aho; ka ataovy izay hahazoako tany honenana.
21 Ary hianao kosa hanao anakampo hoe: Iza no niteraka ireto ho ahy? Fa tsy nanan-janaka aho, momba aho, noroahina sy nisaorana aho; ary ireto kosa, iza no nitaiza azy? Indro aho nitoetra irery; ka taiza ireto?
22 Izao no lazain'ny Tompo Tompo: Indro aho hanandratra ny tànako amin'ny firenena, ary hanangana ny fanevako amin'ny vahoaka; dia hoentiny miverina eo an-tànany ny zanakao lahy; ary hoentiny miverina eo an-tànany ny zanakao lahy; ary ho entiny miverina eny an-tsorony, ny zanakao vavy.
23 Mpanjakalahy no ho mpitaiza anao ary ny andriambaviny no ho mpitaiza anao; hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao izy ireo, ary hilelaka ny vovoka amin'ny tongotrao; dia ho fantatrao fa Iaveh aho, ary tsy ho menatra izay manantena ahy.
24 Fa moa azo alaina amin'ny mahery va ny rembiny, ary mety ho afaka hitsoaka va ny marina lasan-ko babo?
25 Izao no lazain'ny Tompo: Halàna aminy na ny sambotry ny mahery aza, ary ho afaka aminy ny babon'ny mpanao an-keriny. Fa ny mpandrafy anao, dia izaho no hiady aminy, ny zanakao, dia izaho no hamonjy azy ireo.
26 Hataoko mihinana ny nofony ny mpampahory anao; hidoroka amin'ny ran'ny tenany, hoatra ny amin'ny divay vaovao; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa izaho Iaveh no Mpamonjy anao, ary ilay Maherin'i Jakoba no mpanavotra anao!
Toko faha-50
1 Izao no lazain'ny Tompo: Aiza izay taratasy fisaorana an-dreninao, nisaorako azy? Iza no manan-trosa amiko, nivarotako anareo? Tsia, noho ny tsy fahamarinanareo ihany no nivarotana anareo; noho ny fahotanareo ihany, no nisaorana an-dreninareo.2 Tonga aho: nahoana no tsy nisy olona? Niantso aho: nahoana no tsy nisy namaly? Moa fohy tànana va aho, ka tsy afa-namonjy? Sa tsy ampy hery ho enti-manafaka? Vao rahonako fotsiny dia maina ny ranomasina, zary efitra ny ony, maimbo ny hazandranony, fa ritra ny rano, ka matin'ny hetaheta ireny.
3 Azoko tafiana fahamaintisana ny lanitra, sy saronana amin'ny lamba fisaonana.
4 Nomen'ny Tompo Tompo, ny lelan'ny mpianatra aho, mba hahaizako mankahery ny reraka, amin'ny teniko. Mamoha isa-maraina izy; mamoha ny sofiko izy, mba hihainoako, hoatra ny fihainon'ny mpianatra.
5 Nosokafan'ny Tompo Tompo ny sofiko, ary tsy mba nanohitra aho, na nihemotra akory,
6 Natolotro tamin'ny mpikapoka ahy ny lamosiko; ary tamin'ireo nanongotra ny volombavako ny takolako; ary ny tavako tsy nafeniko tamin'ny latsa sy ny rora.
7 Fa Iaveh Tompo namonjy ahy, ka ny latsa tsy nahaketraka ahy; ka ny tavako nataoko manahaka ny afo-vato, ary fantatro fa tsy ho menatra aho.
8 Akaiky ilay manamarina ahy: iza no handahatra manohitra ahy? Aoka hifanatrika isika! Iza no manohitra ahy? Aoka izy hankaty amiko! -
9 Iaveh Tompo namonjy ahy: Ka iza no hanameloka ahy? He! ho kotikotika hoatra ny vorodamba izy rehetra, ho lanin'ny kalalao!
10 Iza aminareo no matahotra an'ny Tompo, sy mihaino ny feon'ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin'ny maizina, sy tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny anaran'ny Tompo, sy hiankina amin'ny Andriamaniny!
11 Fa hianareo rehetra mampirehitra afo kosa, sy mandray zana-tsipìka mirehitra ho fiadiana, mandehana amin'ny lelafonareo, sy eo afovoan'ny zana-tsipìka narehitrareo! Izao no hanjo anareo avy amin'ny tànako; hampandrina amin'ny fahoriana hianareo!
