Bokin'Izaia

Toko faha-51

1 Mihainoa ahy, hianareo izay manaraka ny marina, izay mitady an'ny Tompo. Diniho ny vatolampy nanendahana anareo; sy ny tany fihadiam-bato nangalana anareo.

2 Diniho Abrahama rainareo; sy Sarà, izay niteraka anareo; fa fony izy mbola tokana no nantsoiko izy, dia notahiko sy nohamaroiko.

3 Satria efa nampionona an'i Siona Iaveh, ka nampiononiny ny rava rehetra teo; novany ho tahaka an'i Edena ny efitra teo; ary ho zaridainan'ny Tompo ny tany foana tao. Fifaliana amam-piravoravoana no ho hita ao, mbamin'ny hira fisaorana amam-peo mozika.

4 Mihainoa ny feoko, ry vahoakako, manongilàna sofina, ry fireneko! fa hamoaka lalàna aho, ary hanorina ny didiko ho fanazavana ny firenena.

5 Akaiky ny fahamarinako; efa hiseho ny famonjeko: ary hitsara ny firenena ny sandriko; manantena ahy ny nosy, ary matoky ny sandriko izy.

6 Andrandrao ho amin'ny lanitra ny masonareo, dia ampidino ho amin'ny tany ny fijerinareo; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka; ary ny tany hanjary vorotra, hoatra ny fitafiana; ny mponina eo aminy ho levona torak'izany koa; fa ny famonjeko kosa haharitra mandrakizay; ary ny fahamarinako tsy mba ho levona.

7 Mihainoa ahy, hianareo mahalala ny fahamarinana, ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao. Aza matahotra izay latsan'olombelona; na mivadi-po amin'izay fanaratsian'izy ireo.

8 Fa ho lanin'ny kalalao, hoatra ny fitafiana izy ireo, ary hokotehin'ny tsindoha, hoatra ny volon'ondry. Fa ny fahamarinako kosa haharitra mandrakizay; ary ny famonjeko hihatra amin'ny taona rehetra.

9 Mifohaza, mifohaza hianao, mitafia hery, ry sandrin'ny Tompo! Mifohaza toy ny tamin'ny andro taloha, tahaka ny tamin'ny taona fahiny. Tsy hianao va no nitetika an-dRahaba ho potipotika, sy nitomboka ilay dragona ho gorobaka?

10 Tsy hianao va no nahamaina ny ranomasina, dia ny rano tao amin'ny hantsam-be. Ka nanao ny fanambanin'ny ranomasina ho làlana nalehan'ny navotana?

11 Koa hiverina ny navotan'ny Tompo; dia hiditra ao Siona amin'ny hobim-pifaliana; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; ho henika azy ny fifaliana amam-piravoravoana; Lasa nandositra ny sento amam-pahoriana. -

12 Izaho dia izaho no mampionona anareo; fa iza moa hianao no dia matahotra olombelona mety maty, zanak'olombelona mihelina hoatra ny ahitra;

13 ka dia manadino an'ny Tompo, Mpahary anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany; mangovitra tsy an-kijanona, tontolo andro, eo anatrehan'ny fisafoaky ny mpanapaka masiaka rahefa mioman-kandrava anao izy. Ary aiza izao, izay fisafoaky ny mpanapaka masiaka?

14 Vetivety foana, dia ho voavaha izay mitanondrika; tsy ho faty ao an-davaka izy; ary tsy ho diso hanina.

15 Izaho dia Iaveh Andriamanitrao, izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany; Iavehn'ny tafika no anarany.

16 Nataoko tao am-bavanao ny teniko, ary noalofako tamin'ny aloky ny tànako hianao, mba hamboly lanitra sy hanorina tany, ary hilaza amin'i Siona hoe: Vahoakako hianao!

17 Mifohaza, mifohaza, miarena hianao, ry Jerosalema, izay efa nisotro ny kapoaky ny hatezerana, avy amin'ny tanan'ny Tompo; izay efa nisotro sy nandany ny kapoaka mahajenjina!

18 Tsy nisy nitari-dàlana azy, na iray aza, ny zanany naterany rehetra. Tsy nisy nitantana azy, na iray aza, ny zanaka notezainy rehetra.

19 Loza roa no namely anao: - iza moa no hanao teny mangoraka anao? - Dia ny fandravana amam-pandringanana, ny mosary sy ny sabatra, - hataoko ahoana no fampionona anao? -

20 Ny zanakao lahy efa reraka ka miapokapoka eny an-joron-dàlana rehetra eny, mova tsy ny antilopa voan'ny fandrika harato, jenjin'ny hatezeran'ny Tompo sy ny fandrahonan'ny Andriamanitrao.

21 Koa mihainoa izao, ry kala fadiranovana, jenjina, fa tsy amin-divay!

22 Izao no lazain'ny Tompo Tomponao sy Andriamanitrao izay miaro ny vahoakany: Indro efa nesoriko teny an-tànanao, ny kapoaka mahajenjina, ny kapoaky ny fahatezerako; tsy hisotro izany intsony hianao, izao sisa izao.

23 Hataoko eo an-tanan'ny mpanenjika anao izany, dia amin-dry zareo nanao taminao hoe: Miondreha handehananay! Dia ny lamosinao no nataony toy ny tany, sy toy ny lalambe ho an'ny mpandeha!

Toko faha-52

1 Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Siona! Tafio ny fitafiana fitondranao amin'ny fety, ry Jerosalema tanàna masina ô! Fa ny tsy mifora sy ny maloto tsy hiditra eo aminao intsony.

2 Ahintsano ny vovoka eny aminao; mitsangàna hianao, mipetraha hianao, ry Jerosalema; vahao ny fatorana amin'ny vozonao, ry voababo, zanakavanin'i Siona.

3 Fa izao no lazain'ny Tompo: Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo; ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo!

4 Fa izao no lazain'ny Tompo Tompo: Ny honina any no nidinan'ny vahoakako tany Ejipta fahiny; ary tatý aoriana dia nampahorin'i Asora, tsy ahoan-tsy ahoana izy.

5 Koa ankehitriny, inona no hataoko eto? - teny marin'ny Tompo fa nobaboina tsy an-drariny ny vahoakako? Ny mpanapaka azy masiaka, manerona; - teny marin'ny Tompo, ary ny anarako, tevatevaina tsy an-kijanona, isan'andro.

6 Koa indro, hahalala ny anarako kosa ny vahoakako; eny, ho fantany amin'izany andro izany, fa izaho no miteny hoe: Inty aho!

7 Endrey izany hatsaran'ny tongotr'ilay iraka eny an-tendrombohitra, izay mitory ny vaovao mahafaly, dia ny fiadanana; ilay manambara ny fahasambarana, ilay mitory ny famonjena; ilay milaza amin'i Siona hoe: Manjaka ny Andriamanitrao!

8 Ny feon'ny mpitilinao! Manandra-peo izy ireo, miara-mihoby an-kafaliana, satria hitany maso ny fiverenan'ny Tompo ao Siona.

9 Miaraha mihoby an-kafaliana, ry Jerosalema rava! Fa Iaveh efa nampionona ny vahoakany, sy efa nanavotra an'i Jerosalema.

10 Nasehon'ny Tompo ny sandrin'ny fahamarinany, hiharihary eo imason'ny firenena rehetra. Ary ny faran'ny tany rehetra, hahita ny famonjen'ny Andriamanitsika.

11 Mialà, mialà, mivoaha teo hianareo; aza mikasika izay maloto. Mivoaha avy ao aminy; mandiova tena hianareo, izay mitondra ny fanak'Iaveh.

12 Fa tsy hikoropaka no hivoahanareo, ary tsy handositra no ho fandehanareo; fa Iaveh no mandeha eo alohanareo, ary ny Andriamanitr'Israely no ho vodilàlanareo!

13 Indro fa hambinina ny Mpanompoko, hitombo, hankalazaina, ary ho tafasandratra indrindra.

14 Toy ny nigagan'ny maro nahita azy, - fa rava endrika loatra izy, ka ny tarehany efa hoatra ny tsy tarehan'olombelona intsony; ary ny tavany efa hoatra ny tsy tavan-janak'olombelona intsony, -

15 no hampiontanany firenena maro. Hitampim-bava eo anatrehany ny mpanjaka, satria hahita ny tsy mbola nolazaina taminy, sy handre ny tsy mbola reny.

Toko faha-53

1 Iza no nino izay renay, ary iza no nanehoana ny sandrin'ny Tompo?

2 Fa nisondrotra teo anatrehany izy, tahaka ny hazo madinika marefo, tahaka ny solofon-kazo mitsiry amin'ny tany karankaina; tsy nanana endrika na hatsaran-tarehy nanaitra ny masontsika; na bika namelona ny fitiavantsika.

3 Nesorina sy nilaozan'ny olona izy, olona ory sady zatra ny fijaliana; hoatra ny zavatra hisaronan'ny olona tava; natao faneso sy tsy nahoantsika velively.

4 Marina tokoa fa ny aretintsika no nentiny, ary ny fahoriantsika no nivesarany; ary isika anefa nijery azy ho olom-boasazy, nokapohan'Andriamanitra sy naetry.

5 Kanefa izy nolefonina noho ny fahotantsika, notorotoroina noho ny helotsika; nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana; ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika.

6 Efa mpaniasia toy ny ondry avokoa isika, samy nanaraka ny làlany avy isika; ary nazeran'ny Tompo taminy avokoa ny helotsika rehetra.

7 Vonoina izy, ary mandefitra, tsy niloa-bava akory izy; tahaka ny zanak'ondry entina hovonoina, tahaka ny ondrivavy eo anatrehan'izay manety azy; tsy miloa-bava akory.

8 Nesorina izy noho ny fampahoriana sy ny fitsarana; ary iza moa tamin'ireo niara-belona taminy, no mba nihevitra, fa nofongorana eo amin'ny tanin'ny velona izy, ary nozoin-doza noho ny fahotan'ny vahoakako?

9 Natao hiray fasana tamin'ny ratsy fanahy izy; ary eo amin'ny mpanan-karena nony efa maty, nefa tsy mba nanao ny tsy marina, ary tsy mba nisy fitaka teo am-bavany.

10 Sitrak'Iaveh ny nanorotoro azy tamin'ny fijaliana, nefa rahefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panonerana, dia hahita taranaka izy, ho lava andro iainana, ary hambinina eo an-tànany ny hevitra nokasain'ny Tompo.

11 Noho ny fijalian'ny fanahiny, dia hahita izy, ka ho afa-po. Ilay marina, mpanompoko, noho ny fahalalany, hanamarina olona betsaka, ary ny tenany hivesatra ny helok'ireo.

12 Noho izany homeko anjara eo amin'ny lehibe izy, ary hiara-mizara babo amin'ny mahery; satria nanolotra ny ainy ho faty izy, sady natao ho isan'ny mpanao ratsy: ary ny tenany no nitondra ny fahotan'ny maro, sady hanao fifonana ho an'ny mpanota.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0891