Bokin'Izaia
Toko faha-54
1 Mihobia an-kafaliana, ry momba, izay tsy niteraka; mampisehoa hafaliana sy firavoravoana lehibe, ry tsy mba nihetsi-jaza; fa ny zanak'ilay nariana no maro, noho ny zanak'izay manam-bady, hoy Iaveh.2 Halalaho ny itoeran'ny lay, velaro ny ambaim-ponenanao, aza hazonina fa alefaso ho lava ny tadinao, ary aoreno mafy ny tsima-day!
3 Fa hitatra miankavanana sy miankavia hianao; ary haka fonenana amin'ny firenena ny taranakao; ary hanisy mponina amin'ny tanàna lao izy.
4 Aza matahotra, fa tsy ho menatra hianao; aza mangaihay, fa tsy hisy hahamenatra anao; fa hanadino ny henatry ny fahatanoranao hianao; ary tsy hahatsiaro intsony ny tondromaso, fony mpitondra-tena.
5 Fa ny vadinao dia ny Mpahary anao; Iavehn'ny tafika no anarany, ary ny Mpanavotra anao dia ilay Masin'Israely, Andriamanitry ny tany rehetra no iantsoana azy.
6 Hoatra ny vady nafoy sy tra-pahoriana, no ampodian'ny Tompo anao, hoatra ny vadin'ny fahatanorana efa nisaorana; hoy ny Andriamanitrao.
7 Vetivety foana, kelikely foana no nahafoizako anao, fa amin'indrafo lehibe kosa no amoriako anao.
8 Tamin'ny firehetan'ny hatezerako no nanafenako vetivety ny tavako taminao, fa amim-pitiavana mandrakizay kosa no angorahako anao, hoy Iaveh Mpanavotra anao.
9 Dia ho toy ilay ranon'i Noe izany amiko, nony nianiana aho fa ilay ranon'i Noe tsy hiely intsony amin'ny tany: toy izany koa no nianianako fa tsy ho tezitra aminao na handrahona anao intsony aho.
10 Na dia hihataka aza ny tendrombohitra, ka hihozongozona ny havoana, ny fitiavako tsy mba hiala aminao, ary ny fanekem-pihavanako tsy mba hikorontana, hoy Iaveh ilay mangoraka anao.
11 Ry kala ory, afotofoton'ny tafio-drivotra, tsy manam-piononana o; indro aho handatsaka ny vatonao amin'ny antimoanina, sy hanorina anao eo ambonin'ny safira;
12 hataoko vato tsy leon-doza ny nongonongo-mandanao, eskarbokla ny vavahadinao, ary vatosoa avokoa ny manda manodidina anao.
13 Ho mpianatry ny Tompo avokoa ny zanakao rehetra, ary ho be fiadanana ny zanakao.
14 hatao miorina tsara amin'ny fahamarinana hianao; aoka ho lavitra anao anie ny fanahiana,fa tsy manan-katahorana hianao; ho lavitra anao anie ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany.
15 Raha misy miara-mioko, tsy ho avy amiko izany; fa iza no miara-mioko hamely anao? Ho lavo eo anoloanao izy.
16 Indro fa izaho no nahary ny mpanefy, izay mifofotra ny arina mivaivay, ka manatsoaka ny fiadiana hamboariny avy ao, ary izaho no nahary ny mpandrava mba handringana.
17 Ny fiadiana rehetra notefena hamelezana anao, tsy hisy asany, ary lela rehetra hisondrotra hifanohitra aminao, horesenao lahatra. - Izany no lovan'ny zanak'Iaveh; izany no fahamarinana ho azony avy amiko. - Teny marin'ny Tompo. -
Toko faha-55
1 Hianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa aty amin'ny rano, na dia hianareo tsy manam-bola aza; avia mividiana vary, ka mihinàna; avia hividy tsy amim-bola, na takalo, hividy divay sy ronono.2 Nahoana hianareo no mandany vola amin'izay tsy hanina; sy izay nisasaranareo, amin'izay tsy mahavoky? Koa mihainoa ahy, ary mihinana izay tsara; ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin'izay hanina fy.
3 Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko; mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo aho, ka hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an'i Davida.
4 Indro izy natsangako ho vavolombelona eo amin'ny firenana; ho mpanapaka sy mpandidy ny firenena.
5 Indro hianao hiantso ny firenena tsy fantatrao, ary ny firenena tsy nahalala anao, hidodododo ho aminao, noho ny amin'ny Tompo Andriamanitrao, sy ilay Masin'Israely, satria nomeny voninahitra hianao.
6 Mitadiava an'ny Tompo, dieny mbola mety ho hita izy; miantsoa azy dieny mbola akaiky izy.
7 Aoka ny ratsy fanahy hiala amin'ny làlany, ary ny meloka amin'ny heviny; ka hiverina amin'ny Tompo izy, dia hamindrany fo; dia amin'Andriamanitra fa mamela malalaka izy.
8 Fa ny fihevitro, tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo, tsy mba làlako. - Teny marin'ny Tompo.
9 Tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany, no hahavon'ny làlako noho ny làlanareo, sy hahavon'ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
10 Tahaka ny ranonorana aman'oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any, raha tsy efa mahavonto sy mahalonaka ny tany, sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy, ka mampahazo voa famafy ny mpamafy, ary hanina ho an'ny mpihinana;
11 toy izany ny teniko izay aloaky ny vavako, tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako, sy mahatontosa izay namoahako azy.
12 Fa hivoaka amin-kafaliana hianareo, ary ho entina amim-piadanana; amin'ny fahitana ananareo, ny tendrombohitra sy havoana hihoby an-kafaliana, ary ny hazo rehetra eny an-tsaha hitehaka.
13 Ny sipresa no haniry eo amin'izay misy tsilo, ary ny mirta no hipoitra eo amin'izay misy hery. Ho voninahitra ho an'ny Tompo izany, ary tsangambato mandrakizay tsy horavana.
Toko faha-56
1 Izao no lazain'ny Tompo: Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny, fa efa akaiky ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako.2 Sambatra ny olona hanao izany, sy ny zanak'olombelona hifikitra mafy amin'izany, ka hitandrina ny sabata, tsy mandika azy, sy hifehy ny tànany tsy hanao ratsy akory!
3 Aoka ny hafa firenena efa nifikitra tamin'ny Tompo, tsy hanao hoe: Ho esorin'ny Tompo marina aho, tsy ho isam-bahoakany, ary aoka ny eonoka tsy hanao hoe; Indro hazo maina aho!
4 Fa izao no lazain'ny Tompo amin'ny eonoka: Izay mitandrina ny sabatako ka hifidy izay sitrako ary hifikitra mafy amin'ny fanekeko:
5 dia omeko fahatsiarovana sy anarana, tsaratsara kokoa noho izay zanakalahy sy zanakavavy ao an-tranoko sy ao anatin'ny mandako izy; anarana mandrakizay no homeko azy ka tsy ho levona.
6 Ary ny hafa firenena izay mifikitra amin'ny Tompo mba hanompo azy sy ho tia ny anarany, ary ho mpanompony; izay rehetra mitandrina ny sabata fa tsy mandika azy, sy miraikitra mafy amin'ny fanekeko,
7 dia ho entiko ho ao an-tendrombohitra masina, sy hampifaliko ao an-tranoko fivavahana, hankasitrahana eo ambony otely ny sorony dorana aman-tsorony: fa ny tranoko hatao hoe: trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra
8 - teny marin' Iaveh Tompo izay mamory ny lasan-ko babo amin'Israely! Mbola hamory ny sasany koa aho ho eo aminy, hanampy ireo efa voavory sahady.
9 Hianareo, biby any an-tsaha rehetra, avia hihinana; ary hianareo biby any an'ala rehetra koa!
10 Fa ny mpiambina an'Israely jamba avokoa, tsy mahalala na inona na inona; amboa moana avokoa izy rehetra, ka tsy mahavovo ; fa manonofy, mandriandry, tia torimaso.
11 Amboa lian-kanina, tsy mahalala voky. Mpiandry ondry izy ireo, tsy mety mahalala na inona na inona! Samy mandeha amin'ny làlany araka izay mahasoa ny tenany avy, hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.
12 Avia hianareo, hoy izy, fa haka divay aho, ary hiboboka zava-pisotro mahery isika; ary ny ampitso koa toraky ny anio ihany, dia ho andro fety lehibe dia lehibe tokoa.
Toko faha-57
1 Lasa tsy hita intsony ny marina, nefa tsy misy misaina ao am-pony; alaina ny olona tia vavaka, nefa tsy misy mihevitra akory fa nesorina ho afaka amin'ny loza ny marina,2 ka miditra ho amin'ny fiadanana izy! Mandry ao amin'ny fandriany, izay nanaraka ny làla-mahitsy.
3 Fa manatona kosa, hianareo, ry zanak'i kala mpanao ody, ry taranaky ny mpaka vadin'olona sy mpijangajanga!
4 Iza no hanihaninareo? Iza no isanasananareo vava sy itranganareo lela? Tsy zanaky ny mpanao ratsy va hianareo, sy taranaka mpandainga?
5 Mirehidrehitra hianareo eo ambanin'ny terebinta, sy eny ambanin'izao hazo maitso rehetra izao! Mamono zaza eny an-dohasaha, ambanin'ny tsefatsefa-karambato!
6 Ny vato kilonjy eny an-dohasaham-driaka, no anjaranao, izany dia izany no anjaranao! Fa ireny avy no nanidinanao fanatitra araraka, sy notoloranao fanatitra! Moa tsy maintsy hahafa-po ahy va izany?
7 Nanorina ny fandrianao, tany an-tendrombohitra avo sy manerinerina hianao! Dia niakatra tany hianao hanao sorona.
8 Teo ivohon'ny varavarana sy ny tolam-bavaravana hianao, no nametraka ny fahatsiarovanao. Fa lavitra ahy hianao miala rako-dambam-pandriana, miakatra ao sy manitatra ny fandrianao hianao, ary nandraikitra ny tambinao tamin'izy ireo; mankamany ny fifamihinany aminao hianao, mandoto ny masonao hianao.