Bokin'Izaia
Toko faha-57
9 Miseho eo anatrehan'ny mpanjaka hianao mitondra diloilo: ataonao betsaka ny zava-manitrao; alefanao lavitra ny irakao; mietry hatrany amin'ny seoly hianao.10 Reraka noho ny fandehandehananao matetika hianao; tsy mba nilaza hoe: Aim-bery foana izany! Hitanao fa mbola misy hery ny tànanao, ka izany no tsy ahatsiarovanao marary.
11 Fa iza ary no atahoranao? iza no ahinao, no dia mivadika amiko hianao, ka tsy mba mahatsiaro ahy, sy tsy asianao raharaha akory aho? Moa tsy nangina aho, ary efa hatry ny ela, dia hatrizay tsy natahoranao ahy izay?
12 Izaho no hanambara ny fahamarinanao, ary ny asanao izay tsy mahasoa anao akory.
13 Rahefa hitaraina hianao, aoka hamonjy anao ireo antontan'andriamanitrao! Ho paohin'ny rivotra avokoa ireo, hindaosin'ny tsotso-drivotra! Fa izay matoky ahy no handova ny tany, sy ho tompon'ny tendrombohitra masina.
14 Ary hisy hilaza hoe: Savao, savao ny làlana, areno izy, Esory ny misakantsakana rehetra eo amin'ny làlan'ny vahoakako!
15 Fa izao no lazain'ny Avo-Indrindra, izay mipetraka amin'ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe: ilay Masina: Mitoetra eo amin'ny fitoerana avo sy masina aho, ary koa ao amin'ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy, mba hamelombelona ny fanahin'ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon'ny torotoro fo.
16 Fa tsy te-hifandahatra mandrakariva aho, na hitahiry fahatezerana mandrakizay; satria amin'izany dia ho torana eo anatrehako ny fanahy, sy ny aina izay nataoko.
17 Noho ny fitsiriritany mahameloka, nitezitra aho ary namely azy noho ny fahatezerako, nefa miery tsy ho hita aho; ary izy kosa maditra, nanaraka ny làlan'ny sitra-pony!...
18 Hitako ny làlany ary hanasitrana azy aho; hitari-dàlana azy, ary hamerina aminy ny fampiononako, ho azy sy ho an'ireo malahelo eo aminy.
19 Izay manisy fiderana eo am-bava dia milaza manao hoe: Fiadanana, fiadanana, ho an'ny lavitra sy ny akaiky, hoy Iaveh, ary hanasitrana azy aho!...
20 Fa ny ratsy fanahy kosa, tahaka ny ranomasina manonja, izay tsy mety mitony, ary manakobana tany dilatra amam-potaka ny onjany.
21 Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.
Toko faha-58
1 Manezaha antso mafy, ka aza tànana ny feonao; ataovy manehoeho hoatra ny trompetra ny feonao, ka ambarao amin'ny vahoakako ny fahotany, ary amin'ny taranak'i Jakoba ny fahadisoany.2 Mitady ahy isan'andro izy ireo, samy maniry hahalala ny làlako, mova tsy ny firenena efa nanaraka ny rariny, sy tsy mba nahafoy ny didin'Andriamanitra akory. Mangataka fitsarana marina amiko izy, ary maniry hohatonin'Andriamanitra:
3 Soa inona ho anay ny mifady hanina raha tsy hitanao izany, sy ny manetry ny fanahinay, raha tsy jerenao izany? - Amin'ny andro ifadianareo, mbola ny raharahanareo ihany no ataonareo; ary mbola poretinareo hiasa mafy ihany ny mpikaramanareo rehetra.
4 Sady miady sy mifandritra hianareo no mifady, ary mamely totohondry an-katezerana aza! Ny fomba fifadianareo amin'izany andro izany tsy mba hihainoana ny feonareo any amin'ny avo.
5 Moa izany va no fifadiana ankasitrahako? Izany va no andro fanetren'ny olona ny fanahiny? Ny miondri-doha hoatra ny zozoro, sy mandry amin'ny lasaka sy lavenona, dia izany va no antsoina hoe fifadiana, sy andro ankasitrahan'ny Tompo?
6 Tsy izao va no fifadiana tiako kokoa: dia ny manapaka ny famatorana tsy an-drariny, ny mamaha ny fehezan'ny jioga, ny mandefa ny ampahoriana ho afaka; ny manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany?
7 Moa tsy ny hizaranao ny mofonao amin'izay noana va; sy ny hampiantranoanao ireo mahantra tsy manan-kidirana, sy ny hanafianao izay hitanao miboridana, ary ny tsy hiviliana tsy hijery ny tapaky ny tenanao?
8 Amin'izany ny fahazavanao hiposaka hoatra ny fahazavan'ny maraina, ary ny fahasitrananao ho tonga faingana; ny fahamarinanao, hialoha làlana anao; ny voninahitry ny Tompo ho vodi-làlanao.
9 Amin'izany hianao hiantso, ary Iaveh hamaly; hianao hitaraina, ary izy hanao hoe: Inty aho! Raha esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga, ny fanambanana sy ny teny manala baraka;
10 raha manome ny haninao ho an'ny noana hianao, sy mamoky ny fanahy miferin'aina; hiposaka ao amin'ny maizina ny fahazavanao, hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny aizinao:
11 ary Iaveh hitari-dàlana anao mandrakizay; sy hamoky ny fanahinao eny amin'ny tany karankaina; ary hanome hery ny taolanao. Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka hianao, sy ho tahaka ny loharano velona, tsy manam-paharitana.
12 Ny taranakao hanorina indray ny rava ela; hianao hanangana ny fanorenana nalatsaka fahagola; ny olona hiantso anao hoe: Mpanamboatra ny banga, mpamelon-dàlana hahatonga ny tany ho azo honenana.
13 Raha fadinao ny manitsakitsaka ny sabata, amin'ny fanaovana ny raharahanao amin'ny androko masina, raha ny sabata no antsoinao hoe: fahafinaretana, sy ny andro masin'ny Tompo hoe, mendrika ho hajaina. Koa manajà azy amin'ny tsy fanarahana ny làlanao sy tsy fanaovana ny raharahanao, na ny teniteny foana;
14 dia hahita fahafinaretana ao amin'ny Tompo hianao amin'izany; sady hasandratro toy ny mpandresy, eo amin'ny avo amin'ny tany, sy hampiaraniko amin'ny lovan'i Jakoba rainao; fa ny vavan'ny Tompo no efa niteny.
Toko faha-59
1 Indro fa tsy ny tànan'ny Tompo no fohy ka tsy mahavonjy, tsy ny sofiny no lalodalovana ka hoe tsy hahare;2 fa ny helokareo no nanisy efitra mampisaraka anareo sy ny Andriamanitrareo; ny fahotanareo no nanafenany ny tavany tsy hihainoany anareo.
3 Satria ny tànanareo voaloto tamin'ny ra: ary ny rantsan-tànanareo tamin'ny heloka. Ny molotrareo miteny lainga; ny lelanareo milaza teny ratsy.
4 Tsy misy mitory olona ara-drariny, na mandahatra momba ny adiny araka ny hitsiny; fa ny tsy izy no iankinany, ny lainga no alahany; torontoronina hevi-dratsy ny olona ka miteraka heloka.
5 Mikotrika atody menarana izy, sy manenona tranon-kala: izay mihinana amin'ny atodiny, ho faty; ary raha potsirina izany, dia menarana no mivoaka avy ao.
6 Ny tenona ataony tsy azo itafiana; ary ny taozavany tsy azo irakofana; fa asa mahameloka ny asany, ary asa mandoza no ao an-tànany.
7 Ny tongony miriotra ho amin'ny ratsy, sy mimaona handatsaka ny ra tsy manan-tsiny; ny heviny dia hevitra mahameloka; fandravana amam-pandringanana no eo amin'ny alehany.
8 Tsy mahalala ny làlan'ny fiadanana izy; ary tsy mba misy hitsiny eo amin'ny làlany; fa làla-miolakolaka no soritany haleha, ka izay mandia izany tsy mahita fiadanana.
9 Noho izany, nanalavitra antsika ny fitiavana marina, ary tsy tonga hatraty amintsika ny fahamarinana. Miandry ny mazava isika, kanjo ny aizina no indro eo; miandry ny fahazavan'ny andro, kanjo mandeha amin'ny maizina ihany.
10 Miraparapa manara-drindrina, hoatra ny jamba isika, miraparapa hoatra ny olona tsy mana-maso; tafintohina amin'ny mitataovovonana, hoatra ny maizin-takariva; eo afovoan'ny olona matanjaka isika dia sahala amin'ny olona maty.
11 Manerona hoatra ny orsa avokoa isika; ary tsy mitsaha-mitoloko hoatra ny voromailala; miandry ny fitsarana isika nefa tsy tonga izy, miandry ny famonjena nefa lavitra antsika izany.
12 Fa ny fiodinanay, efa maro eo anatrehanao; ary ny fahotanay, mitsangan-ko vavolombelona mamely anay; eny, eto anatrehanay ny fiodinanay, ary fantatray ny helokay:
13 dia ny nivadika sy nandà an'ny Tompo, nihataka nanalavitra ny Andriamanitray, niteny fampahoriana amam-pikomiana; namorona sy namoaka lainga avy ao am-ponay!...
14 Ka dia nihataka ny rariny, ary lavitra anay eny ny fahamarinana; fa tafintohina eo an-kianja malalaka ny fahamarinana, ary tsy mahazo miditra eo ny hitsiny:
15 Lasana ny fahamarinana, ka baboina izay mifady ny ratsy. Hitan'ny Tompo izany ka tsy sitraky ny masony, ny tsy fisian'ny hitsiny intsony.
16 Hitany fa tsy nisy olona teo, ary gaga izy fa tsy nisy nanalana akory. Ka dia ny sandriny no nitsangan-kanampy azy, ary ny fahamarinany no nanohana azy.
17 Niakanjo ny fahamarinana ho fiarovan-tratra izy, ary nametraka ny satro-pamonjena teo an-dohany; ny famaliana no nataony ho akanjo fiadiana, ary nihodidina tamin'ny fahasarotam-piaro, toy ny amin'ny kapaoty izy.
18 Hifandanja amin'ny asa natao ny valy, dia hatezerana ho an'ny mpandrafy azy, valim-bonoana ho an'ny fahavalony, hanao valim-bonoana amin'ireo nosy izy.
19 Dia hatahorany hatrany andrefana ny anaran'ny Tompo, ary hatrany amin'ny fiposahan'ny masoandro, ny voninahiny; fa ny fihaviny ho toy ny ony maria, ampandehanin'ny fofon'ain'ny Tompo.
20 Ho avy izy ho Mpanavotra ho an'i Siona, sy ho an'ny ao amin'i Jakoba, izay hibebaka amin'ny helony; - teny marin'ny Tompo.
21 Ary izaho kosa, dia izao no fanekeko amin'izy ireo, hoy Iaveh: Ny fanahiko izay ao aminao, sy ny teniko izay hataoko ao am-bavanao, dia tsy ho tapaka tsy ho eo am-bavanao, sy eo am-bavan'ny zanakao, ary eo am-bavan'ny zanaky ny zanakao, hatramin'izao ka ho mandrakizay, hoy Iaveh.
Toko faha-60
1 Mitsangana, ka namirapirata! fa miposaka ny fahazavanao; ary miposaka eo aminao, ny fahazavan'ny Tompo.2 Indro ny aizina fa manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa Iaveh kosa no miposaka eo aminao; ary ny voninahiny miseho eo aminao.