Bokin'Izaia

Toko faha-60

3 Mandroso ho amin'ny fahazavanao ny firenena, ary ho eo amin'ny famirapiratan'ny fiposahanao ny mpanjaka.

4 Atopazo manodidina ny masonao, ka jereo, izy rehetra mivory mankaty aminao; ny zanakao lahy tamy avy lavitra; ny zanakao vavy entina an-trotroana.

5 Hahita izany hianao amin'izay ka ho miramirana; hibitaka sy hiravoravo ny fonao, fa hivantana aminao ny haren'ny ranomasina; ary ho tonga ao aminao ny rakitry ny firenena.

6 Ho rakotry ny angamenavava zavon-tany mbamin-drameva avy any Madiana sy Efah hianao; ny any Saba rehetra ho avy, hitondra volamena sy emboka manitra, ary hitory ny fiderana an'ny Tompo.

7 Hivory ao aminao ny biby fiompy rehetra any Sedara; hozakainao ny ondralahin'i Nabaiota, hiakatra ho fanatitra ankasitrahana eo ambony oteliko ireny, ary hataoko be voninahitra ny tranon'ny voninahitro.

8 Iza moa ireto manidina hoatra ny rahona, sy hoatra ny voromailala ho eo amin'ny tranony?

9 Fa izaho no antenain'ny nosy; ary ny sambon'i Tarsisa no ho lohalalana; hamerina hankaty ny zanakao avy lavitra, mbamin'ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an'ny anaran'ny Tompo Andriamanitrao, sy ilay Masin'Israely, satria efa nomeny voninahitra hianao.

10 Ny taranaky ny firenen-kafa, no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany ho mpanomponao. Satria nikapoka anao tamin'ny hatezerako aho, fa mamindra fo anao, amin'ny fitiavako kosa.

11 Hivoha lalandava ny vavahadinao, tsy hirindrina izy, na andro na alina, hampidirana ny haren'ny firenena ho ao aminao, mbamin'ireo mpanjakany mova tsy ny manotrona ny mpandresy.

12 Fa ho levona ny firenena amam-panjakana tsy hanompo anao, hofongorana mihitsy izany firenena izany.

13 Ho indray tonga ao aminao ny voninahitr'i Libana, ny sipresa, ny platana, ny boisa, handravahana ny fitoerako masina, dia hataoko be voninahitra ny fitoerana hipetrahan'ny tongotro.

14 Ny zanak'ireo mpampahory anao ho tonga ao aminao, sady hiondri-doha, ary izay rehetra naniratsira anao koa hiankohoka amin'ny tongotrao; ary hianao hantsoina hoe, ny Tananan'ny Tompo, ilay Sionan'ilay Masin'Israely.

15 Hianao izay efa nariana teo sy nankahalaina ary nanirery, dia hataoko reharehan'ny taona rehetra, sy fifalian'ny taranaka rehetra.

16 Hitsentsitra ny rononon'ny firenena hianao, sady hitsentsitra ny nonon'ny mpanjaka, dia ho fantatrao fa izaho Iaveh no Mpamonjy anao, ary ilay Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao.

17 Volamena no hampankanesako aty ho solon'ny varahana; sy volafotsy no havantako aty ho solon'ny vy; sy varahana ho solon'ny vato; ny fiadanana no hataoko mpitondra anao, ary ny fahamarinana no ho mpifehy.

18 Tsy ho re eo amin'ny taninao intsony izay hoe fampahoriana; na izay hoe fandravana amam-pandringanana, eo amin'ny faritaninao; ny mandanao antsoina hoe: i Famonjena, ary ny vavahadinao: i Fiderana.

19 Ny masoandro tsy ho fanazavana anao amin'ny andro intsony; ary ny fisomambisambin'ny volana tsy hitsilo anao intsony; fa Iaveh no ho fahazavana mandrakizay ho anao, ary ny Andriamanitrao no ho voninahitrao.

20 Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary tsy hihataka intsony ny volanao. Satria Iaveh no ho fahazavana mandrakizay ho anao ary ho tapitra ny andron'ny fisaonanao.

21 Tsy hisy afa-tsy olo-marina eo amin'ny vahoakanao, ary hanana ny tany mandrakizay izy ireo; dia izy ireo solofo namboleko, asan'ny tanako, noharina ho voninahitro.

22 Ny vitsy indrindra ho tonga arivo; ary ny kely indrindra ho firenena mahery. Izaho Iaveh no hanafaingana izany samy amin'ny fotoanany avy.

Toko faha-61

1 Ato amiko ny fanahin'ny Tompo, Tompo, satria voahosotry ny Tompo aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin'ny mahantra, hamehy ny ferin'ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;

2 hitondra taom-pahasoavana anankiray ho an'ny Tompo, sy ny andro famaliana anankiray ho an'ny Andriamanitsika; hampionona ny tra-pahoriana rehetra.

3 Hitondra ho an'ny tra-pahoriana ao Siona sy hanasatroka azy ny satro-boninahitra ho solon'ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon'ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon'ny fahareraham-po; dia hantsoin'ny olona hoe: terebintan'ny fahamarinana, volin'ny Tompo ho an'ny voninahiny.

4 Amin'izany izy ireo dia hanangana ny efa rava ela; hanarina indray ny sisan'izay voafongotra fahiny; hanamboatra ny tanana simba, mbamin'ny korontan-javatra rava tamin'ny taona lasa.

5 Ho eo ny vahiny, hiandry ny biby fiompinareo; ny zanaky ny hafa firenena, ho mpiasanareo sy mpamboly voalobokareo.

6 Fa hianareo kosa hataon'ny olona hoe: mpisoron'ny Tompo, sy hantsoin'ny olona hoe: Mpandraharahan'ny Andriamanitsika. Hihinana ny haren'ny firenena hianareo; hihaingo amin'ny zavatra kanto avy aminy, ary hitafy ny fiamboniana nananany.

7 Ho solon'ny henatrareo taloha, dia anjara roa no ho raisinareo, ary ho solon'ny fahafam-baraka, dia hifaly amin'ny anjarany avy izy ireo, ka dia hahazo anjara roa eo amin'ny taniny izy ireo, dia hisy fifaliana mandrakizay ho azy.

8 Fa izaho Iaveh dia tia ny rariny, halako ny fandrobana atao amim-pamadihana; homeko ny valin'ny asany amim-pahamarinana izy, ary hanao fanekena mandrakizay amin'izy ireo aho.

9 Ny taranak'izy ireo, halaza eny amin'ny firenena; ary ny tamingany any amin'ny firenen-tsamihafa. Izay hahita azy hahalala azy avokoa, fa taranaka nosoavin'ny Tompo izy ireo.

10 Ho revon-kafaliana eo amin'ny Tompo aho, ary hiravoravo amin'ny Andriamanitro ny foko, satria notafiany fitafiam-pamonjena aho, ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana, toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany; toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.

11 Fa toy ny ampanirian'ny tany ny tsimoka eo aminy, sy toy ny ampitsimohan'ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy no ampanirian'ny Tompo Tompo ny fahamarinana, sy ny fiderana eo anatrehan'ny firenena rehetra.

Toko faha-62

1 Noho ny amin'i Siona tsy hangina aho, ary noho ny amin'i Jerosalema, tsy hiala sasatra aho, mandra-piposaky ny fahamarinany, hoatra ny hazavan'ny maraina; sy mandra-pamirapiratry ny famonjeny, hoatra ny fanilo.

2 Hahita ny fahamarinanao ny firenena, hahita ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra, ka hantsoina amin'ny anaram-baovao hianao, izay hofidin'ny vavan'ny Tompo.

3 Ho satro-boninahitra eo an-tanan'ny Tompo hianao, sy ho hamaman'andriana, eo an-tanan'ny Andriamanitsika.

4 Tsy hisy intsony hanao anao hoe i Nafoy; ary tsy hisy intsony hiantso ny taninao hoe i Faharinganana. Fa ny hiantsoana anao dia ny hoe i Ankasitrahako; ary ny taninao i Vady ampakarina. Satria Iaveh hankasitraka anao; ary ny taninao hahazo vady.

5 Tahaka ny ampakaran'ny zatovo ny virjiny ho vadiny, no hampakaran'ny zanakao anao; ary tahaka ny hamalifalian'ny ampakarina ny mpampakatra, no hamalifalianao ny Andriamanitrao.

6 Eo ambonin'ny mandanao, ry Jerosalema, no efa nametrahako mpiambina; ka tsy hangina intsony ireny, na andro na alina.

7 o ry zareo mpampahatsiaro an'ny Tompo o, aza mitsahatra hianareo; ary aza avelanareo hitsahatra izy, mandra-panangany an'i Jerosalema indray, sy mandra-panaony azy ho fideran'ny tany.

8 Iaveh efa nianiana tamin'ny tanany an-kavanana, sy tamin'ny sandriny mahery hoe: Ny varinao tsy homeko hohanin'ny fahavalonao intsony, ary tsy hosotroin'ny zanaky ny hafa firenena intsony ny divainao, vokatry ny fisasaranao.

9 Fa izay mijinja ny vary ihany no hihinana azy, ka hidera an'ny Tompo; ary izay hioty ny voam-boaloboka ihany no hisotro azy, eo amin'ny kianjan'ny fitoerako masina.

10 Mivoaha, mivoaha amin'ny vavahady hianareo, areno ny lalan'ny vahoaka. Savao, savao ny arabe, esory ny vato eo aminy; manangana saina eo ambonin'ny vahoaka.

11 Izao no nambaran'ny Tompo, hatrany amin'ny faran'ny tany: Lazao amin'ny zanakavavin'i Siona hoe: Indro, avy ny Mpamonjy anao; ny valisoa homeny efa eny aminy; ary ny tamby hatolony efa eo anoloany.

12 Izy ireo hantsoina hoe: Firenena masina, Ny navotan'ny Tompo; ary hianao kosa hantsoina hoe: Ilay irina, Tanana tsy foy.

Toko faha-63

1 Iza moa ity avy any Edoma, avy any Bosra, mitafy mena midorehitra? Mamirapiratra izy amin'izany fitafiana izany, mijoro amin'ny haben'ny heriny. - Izaho ity, izay miteny amim-pahamarinana, sady manan-kery hamonjy.

2 Nahoana no misy mena ity fitafianao, ary tahaka ny an'izay manosy eo amin'ny famiazam-boaloboka ny akanjonao?

3 Nanosy irery teo amin'ny famiazam-boaloboka aho, fa tsy nisy na dia iray aza niaraka tamiko, ny avy amin'ny firenena. Dia nanosy azy ireo aho, nentin'ny hatezerako, ary nanitsakitsaka azy aho nentin'ny fahavinirako; nipitika tamin'ny akanjoko ny ranony, ka voalotoko avokoa ny fitafiako.

4 Satria andro famaliana no tato am-poko; ary efa tonga ny taom-panavotana.

5 Nijery aho fa tsy nisy olon-kanampy; talanjona aho fa tsy nisy olon-kanohana. Ka dia ny sandriko no namonjy ahy, ary ny hatezerako no nanohana ahy.

6 Nentin'ny hatezerako aho nanamontsana ny firenena; nataoko leon'ny fahavinirako izy ireo; ary nataoko nandriaka tamin'ny tany ny rany.

7 Hankalazaiko ny famindram-pon'ny Tompo, ny fiderana an'ny Tompo, noho izay rehetra efa nataon'ny Tompo ho antsika, noho ny hatsaram-pony lehibe amin'ny taranak'Israely, izay nasehony azy araka ny fiantrany, sy araka ny famindram-pony tsy misy fetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1548