Bokin'Izaia

Toko faha-63

8 Fa hoy izy: Eny, oloko izy ireo, zanaka tsy mba hivadika! Ka dia Mpamonjy ho azy ireo izy.

9 Tamin'ny fahorian'ireo rehetra, niory koa izy, ary ny anjelin'ny tavany namonjy azy ireo. Noho ny fitiavany sy ny hamoram-pony dia ny tenany no nanavotra azy ireo; nanohana sy nivimbina azy, nandritra ny andro rehetra fahiny.

10 Izy ireo kosa anefa niodina sy nampalahelo ny Fahaniny Masina; ka dia tonga fahavalon'izy ireo izy tamin'izay, ary ny tenany no niady tamin'ireny.

11 Dia nahatsiaro ny andro fahiny, ny andron'i Moizy, ny vahoakany! Aiza ilay nitondra niakatra avy tamin'ny ranomasina, ny mpiandry ny andian'ondriny? Aiza ilay nametraka teo amin'izy ireo, ny Fanahiny Masina,

12 izay nampandeha, teo an-kavanan'i Moizy, ny sandriny be voninahitra, izay nampisaraka ny rano teo anoloany, hahazoany anarana mandrakizay;

13 izay nampandeha azy namaky ny hantsana ka tsy tafintohina, tahaka ny soavaly mamaky ny tany lava volo,

14 tahaka ny biby fiompy midina ho eny an-dohasaha? Notarihin'ny fanahin'ny Tompo ho amin'ny fitsaharana izy. Toy izany no nitarihanao ny vahoakanao, mba hahazoanao anarana be voninahitra.

15 Mitsinjova eny an-danitra, ary mijere, eny amin'ny fonenanao masina sy be voninahitra. Aiza ny hafanam-po amam-pahefanao, ny fientanam-ponao amam-pamindram-ponao? Niato izany raha ny amiko.

16 Hianao anefa no rainay; fa Abrahama tsy mahalala anay, ary Israely tsy mahafantatra anay. Hianao, Iaveh, no rainay; Mpanavotra anay no anaranao, hatrizay ela izay.

17 Nahoana izahay, ry Tompo o, no dia hataonao maniasia lavitra ny lalanao, ka hamafisinao fo, tsy hatahotra anao? Miverena, noho ny fitiavanao ny mpanomponao sy ny fokon'ny lovanao!

18 Ny vahoakanao masina nizaka ny tany andro kely foana; ny fitoeranao masina efa nohitsakitsahan'ny fahavalony.

19 Izahay hatry ny ela, no efa hoatra ny olona tsy tapahanao akory, sy tsy iantsoana intsony ny anaranao. Inay hianao mandriatra ny lanitra, dia midina, - dia hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra!

Toko faha-64

1 Tahaka ny afo mampirehitra ny hazo maina; tahaka ny afo mampangotraka ny rano; mba hampahafantaranao ny fahavalonao, ny anaranao, ka hangovitan'ny firenena eo anatrehanao,

2 amin'ny fahavitanao zava-mahatahotra, tsy azo nampoizina; endrey raha midina hianao dia hihozongozona eo anoloanao ny tendrombohitra! -

3 zavatra izay mbola tsy re tsaika akory! Tsy mbola nisy nandre, tsy nisy maso nahita, izay Andriamanitra hafa manao toy izany, ho an'ny manantena azy, afa-tsy hianao.

4 Hianao no mitsena izay manaraka ny rariny an-kafaliana, izay mizotra ny lalanao sady mahatsiaro anao. Fa izao tezitra hianao, ary meloka izahay; - sady efa ela no toy izany: hovonjena va izahay? -

5 Izahay rehetra dia efa tahaka ny olona maloto; ary ny fahamarinanay rehetra, toy ny akanjo maloto. Malazo toy ny ravina avokoa izahay, ary ny helokay, mipaoka anay toy ny rivotra.

6 Tsy nisy olona niantso ny anaranao, nifoha mba hifikitra aminao. Fa nafeninao taminay ny tavanao, ary navelanao ho levona ao anatin'ny fahotanay izahay.

7 Fa ankehitriny, Tompo o, rainay hianao; tanimanga izahay, ary hianao no ilay nanefy anay; asan-tananao avokoa izahay rehetra.

8 Aza tafahoatra amin'ny hatezeranao hianao, ry Iaveh, ary aza dia tsarovanao mandrakariva ny helokay. Jereo ange fa vahoakanao avokoa izahay rehetra!

9 Ireo tanananao masina, tonga efitra; Siona zary efitra, Jerosalema, tany maty.

10 Ny tranonay masina sy be voninahitra, izay nankalazan'ny razanay ny fiderana anao, efa nodoran'ny afo, ary ny zavatra maminay rava avokoa.

11 Ka dia mbola hahatsindry fo ihany va hianao amin'izany rehetra izany, ry Iaveh? Mbola hangina ihany va hianao sy hampijaly anay mafy indrindra?

Toko faha-65

1 Nekeko hotadiavin'izay tsy nangataka ahy aho, nety ho hitan'ireo tsy nitady ahy aho; Hoy aho: Inty aho! Inty aho! tamin'ny firenena izay tsy nitondra ny anarako.

2 Namela-tanana tontolo andro aho, mankamin'ny vahoaka niodina, mankamin'ireo mizotra amin'ny lalan-dratsy, araka izay sitraky ny sainy; mankamin'ny vahoaka mihaika ahy,

3 tsy an-kijanona sy manatrika, izay manao sorona eny amin'ny zaridaina, mandoro emboka eny ambony biriky;

4 mitoetra any anaty fasana, ary mandany ny alina any am-pierena, mihinana henan-kisoa, mbamin'ny hanina maloto eo an-doviany;

5 manao hoe: Mihataha hianao! Aza manakaiky ahy, fa masina ho anao aho! Ireny dia setroka eo am-bavoroka, afo mirehitra mandrakariva.

6 Indro fa voasoratra eo anatrehako: Tsy hangina aho mandra-pamaliko mandra-pamaliko ao an-tratran'ireny,

7 ny helokareo mbamin'ny heloky ny razanareo, hoy Iaveh, ny razanareo izay nandotra emboka, teny an-tendrombohitra, sy naniratsira ahy teny amin'ny havoana; hafatrako ao an-tratrany, ny valin'ny fitondra-tena nataony.

8 Izao no lazain'ny Tompo: Raha misy ranom-boaloboka eo amin'ny sampahony, dia hoy ny olona nahita azy: Aza simbana, fa misy fitahiana ao; toy izany koa no hataoko, noho ny amin'ny mpanompoko, mba tsy handrava azy rehetra.

9 Hamoaka taranaka avy amin'i Jakoba aho, sy mpandova ny tendrombohitro, avy amin'i Joda, ka ny voafidiko no hahazo azy, ary ny mpanompoko no honina eo.

10 Ary Sarona no hatao vala ho an'ny ondry, ary ny lohasahan'i Akora no hatao tany fiandrasana omby, ho an'ny oloko, izay nitady ahy.

11 Fa hianareo kosa izay nahafoy an'ny Tompo, sy nanadino ny tendrombohitro masina, fa mamela-databatra ho an'i Gada, ary mameno kapoaka ho an'i Meni,

12 atolotro ho an'ny sabatra hianareo, ka hiondrika hovonoina avokoa. Satria niantso aho, tsy novalianareo, niteny aho, fa tsy nohenoinareo; fa izay ratsy eo imasoko no nataonareo, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.

13 Koa izao no lazain'ny Tompo Tompo: Ny mpanompoko hihinana, fa hianareo ho noana; ny mpanompoko hisotro, fa hianareo hangetaheta. Ny mpanompoko hiravoravo, fa hianareo hangaihay;

14 ny mpanompoko hihira noho ny hafalian'ny fony, hianareo kosa hikiakiaka noho ny fahorian'ny fonareo; sy hidradradradra noho ny fangitakitaky ny fanahinareo;

15 ary ny anaranareo dia havelanareo hatao fiozonana eo amin'ireo voafidiko; ary hianao hovonoin'ny Tompo Tompo; fa ireo mpanompony kosa hantsoiny amin'ny anarana hafa.

16 Na iza na iza te hotahina eto an-tany, dia hitady hotahin'ny Andriamanitry ny fahamarinana; ary na iza na iza hianiana eto an-tany, hianiana amin'ny Andriamanitry ny fahamarinana. Fa ny fahoriana taloha hohadinoina, sy ho lasa tsy ho hitan'ny maso intsony.

17 Fa indro mahary lanitra vaovao sy tany vaovao aho, ka ny zavatra taloha dia tsy hotsarovana intsony, na ho mby ao an-tsaina akory aza.

18 Aoka hifaly kosa hianareo, sy hanan-kafaliana mandrakizay, noho izay efa hohariko: fa indro aho hahary an'i Jerosalema ho an'ny fifaliana, sy ny vahoakany ho an'ny firavoravoana.

19 Dia ho faly amin'i Jerosalema aho, sy ho ravoravo amin'ny vahoakako. Ka tsy misy ho re ao intsony, na ny feo mitomany na ny antsom-pahoriana.

20 Tsy hisy intsony ao na ny zaza teraka ho fohy andro iainana, na ny anti-panahy tsy mahatratra ny isan'ny androny; fa mbola maty tanora ihany ny maty amin'ny fahazato taonany, ary efa zato taona ny mpanota vao ho tratry ny ozona.

21 Hanao trano izy, dia izy no honina ao; hamboly voaloboka izy, dia izy no hihinana ny vokany.

22 Fa tsy hanao trano honenan'ny hafa izy, na hamboly hihinanan'ny sasany. Fa hanahaka ny an'ny hazo ny andron'ny oloko; ary hahatonta ny asan'ny tanany ireo voafidiko.

23 Tsy hanasa-tena foana intsony izy; na hiteraka ho faty tampoka foana; fa ho taranaka ambinin'ny Tompo izy ireo mbamin'ny solofony miaraka aminy.

24 Alohan'ny hiantsoany dia hamaly aho; mbola hiteny izy, dia efa ekeko ny teniny.

25 Ny amboadia sy ny zanakondry hiara-miraotra vilona, ny menarana hihinam-bovoka; ny liona hihinam-bilona hoatra ny omby; ary ny tany no hiveloman'ny bibilava. Ary tsy hisy ratsy na fanimbana hatao, eo amin'ny tendrombohitro masina manontolo, hoy Iaveh.

Toko faha-66

1 Izao no lazain'ny Tompo: Ny lanitra no seza fiandrianako; ary ny tany no fitoeran-tongotro. Ka trano inona no hataonareo ho ahy, ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako?

2 Izao rehetra izao nataon'ny tanako avokoa; ka izany no nahatonga azy ho misy; - teny marin'ny Tompo. Izao no olona tsinjoviko, dia izay manetry tena sy torotoro fo, ary mangovitra amin'ny teniko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1536