Bokin'Izaia
Toko faha-66
3 Fa izay mamono omby, hoatra ny mamono olona; izay manao sorona ondry, hoatra ny manendaka alika; izay manolotra fanatitra, hoatra ny manatitra ran-kisoa; izay mandoro emboka, hoatra ny misaotra ny sampy. Tahaka ny ifidianany ny làlany, sy ankasitrahan'ny fanahiny ny fahavetavetany,4 toy izany koa aho hifidy ny fampahoriana azy sy hampianjera amin'izy ireo ny zavatra atahorany, satria niantso aho, fa tsy nisy namaly; niteny aho, fa tsy nohenoin'izy ireo; izay ratsy eo imasoko no nataony; ary izay tsy sitrako no nofidiny.
5 Mihainoa ny tenin'ny Tompo, hianareo izay mangovitra amin'ny teniny: Niteny ireo rahalahinareo izay mankahala anareo, sady nandroaka anareo noho ny amin'ny anarako, nanao hoe: Aoka hasehon'ny Tompo ny voninahiny, mba hahitanay ny fifalianareo! Kanefa izy ireo no ho menatra.
6 Injany misy kotroka sy hahohaho avy any amin'ny tanàna, ary horakoraka avy ao an-tempoly! dia ny feon'ny Tompo, mandoa ny karaman'ireo fahavalony izany.
7 Mbola tsy nihetsi-jaza izy, dia efa niteraka; mbola tsy nanaintaina akory, dia efa velon-jazalahy!
8 Zovy no mba efa nandre izay toy izany, zovy no mba efa nahita izay tahaka izany. Misy tany iray teraka indray andro va? na firenena iray natao indray niteraka? no vao nihetsi-jaza Siona dia niteraka ireo zanany?
9 Hanokatra ny fiterahana va aho, ka tsy hampiteraka? hoy Iaveh; sa izaho izay mampiteraka indray no hisakana tsy hiteraka: hoy ny Andriamanitrao.
10 Miaraha mifaly amin'i Jerosalema hianareo, ary miravoravoa noho ny aminy, hianareo rehetra tia azy. Ary aoka hiara-mientan-kafaliana aminy avokoa, hianareo nitomany azy;
11 mba hinonoanareo sy hivokisanareo, amin'ny nonon'ny fampiononany; ary mba hankafizanareo amim-pahafinaretana, ny hafenoan'ny voninahiny.
12 Satria izao no lazain'ny Tompo: Indro hataoko misononoka eo aminy, ny fiadanana hoatra ny ony, sy ny voninahitry ny firenena, hoatra ny renirano tondraka; ka hianareo dia hampinonoina, hotrotroina, ary hosafosafoina eo am-pofoana.
13 Hoatra ny olona alan-dreniny alahelo, no hanalako alahelo anareo, ka dia ho afak'alahelo ao Jerosalema hianareo.
14 Hahita izany hianareo, ka ho faly ny fonareo, ary hahazo aina indray hoatra ny ahi-maitso ny taolanareo. Hataon'ny tanan'ny Tompo izay hahalalan'ny mpanompony azy, sy hahalalan'ny fahavalony kosa ny fahatezerany.
15 Satria indro Iaveh tamy ao amin'ny afo; ary ny kalesiny dia sahala amin'ny tadio, hamoaka ny fahatezerany amim-pirehetana, sy ny fandrahonany amin'ny afo midedadeda.
16 Fa amin'ny afo no anaovan'ny Tompo ny fitsarana, ary ny sabany no ampiharany azy amin'ny nofo rehetra; ary maro no ho voagorobak'Iaveh.
17 Izay manokan-tena sy mandio tena ho ao an-tanimboly, eo ivohon'ilay iray efa mijoro eo afovoany, izay mihinana henan-kisoa sy ny zava-betaveta mbamin'ny totozy, dia hiara-devona avokoa, - teny marin'ny Tompo.
18 Fa izaho mahalala ny asany aman-kevitr'izy ireo! Tonga ny fotoana hamoriana ny firenena rehetra mbamin'ny samihafa fiteny rehetra. Ho avy izy ireo ka hahita ny voninahitro,
19 ary hanao fahagagana eo amin'izy ireo aho. Ary ny afa-nandositra taminy dia hanirahako ho any amin'ny firenena, any Tarsisa, Fola, Loda mpandefa zana-tsipika, Tobala sy Javana, ary any amin'ireo nosy lavitra, tsy mbola nandre ny lazako akory, na nahita ny voninahitro; dia hitory ny voninahitro any amin'ny firenena ireo.
20 Ny rahalahinao rehetra dia naverin'izy ireo, avy amin'ny firenena rehetra, ho fanatitra ho an'ny Tompo; haveriny mitaingin-tsoavaly, ambony kalesy, am-pilanjana, mitaingina mole aman-drameva, ho ao amin'ny tendrombohitro masina, ho any Jerosalema, hoy Iaveh, toy ny itondran'ny zanak'Israely ny fanatitra ao anaty lovia madio, any an-tranon'ny Tompo.
21 Ary misy halaiko aza amin'izy ireo, ho mpisorona sy levita, hoy Iaveh.
22 Fa tahaka ny lanitra vaovao, sy ny tany vaovao efa hohariko, haharitra eo anatrehako, - teny marin'ny Tompo, no haharetan'ny taranakareo sy ny anaranareo.
23 Isaky ny voalohan'ny volana, isaky ny voalohan'ny volana, sy isan-tsabata, isan-tsabata, ho avy hiankohoka eo anatrehako ny nofo rehetra, hoy Iaveh.
24 Ary rehefa mivoaka izy ireo, dia hahita ny fatin' ireo olona niodina tamiko; fa ny kankan'ireny tsy ho faty ny afony tsy ho vonoina, ary izy dia ho zava-maharikoriko amin'ny nofo rehetra.
Bokin'i Jeremia
Toko voalohany
1 Tenin'i Jeremia, zanak'i Helkiasy, iray amin'ireo mpisorona any Anatota, amin'ny tanin'i Benjamina.2 Natao taminy ny tenin'ny Tompo tamin'ny andron'i Josiasa, zanak'i Amona, mpanjakan'i Jodà, tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo nanjakany; 3 sy tamin'ny andron'i Joakima, zanak'i Josiasa mpanjakan'i Jodà, hatramin'ny faran'ny taona faharaika ambin'ny folo, nanjakan'i Sedesiasa zanak'i Josiasa, mpanjakan'i Jodà, hatramin'ny nambaboana an'i Jerosalema, tamin'ny volana fahadimy. 4 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:
5 Efa fantatro talohan'ny namoronana anao tao am-bohoka hianao, ary raha mbola tsy naloaky ny kibon-dreninao hianao, dia efa nohamariniko; notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena.
6 Dia hoy aho: Indrisy, Iaveh Tompo ô, tsy mahay miteny aho fa zaza.
7 Fa hoy Iaveh tamiko: Aza manao hoe: Zaza aho, fa handeha ho any amin'izay rehetra anirahako anao hianao, ary hilaza izay rehetra handidiako anao.
8 Aza manana izay tahotra akory hianao eo anatrehan'izy ireo, fa momba anao hamonjy anao aho, - teny marin'ny Tompo!
9 Dia naninjitra ny tànany Iaveh, ka nanendry ny vavako, ary hoy Iaveh tamiko: Indro ataoko eo am-bavanao ny teniko;
10 ary indro aho anio manendry anao, ho eo amin'ny firenena amam-panjakana, hanongotra sy hanjera, hamery sy handrava, hamboly sy hanorina.
11 Dia izao no tenin'ny Tompo natao tamiko: Inona no hitanao, ry Jeremia? ary hoy aho: Mahita rantsan'ny amandie aho.
12 Ka hoy Iaveh tamiko: Nahita tsara hianao, fa mahatsiaro ny teniko aho, hanatanterahako azy.
13 Dia tonga tamiko fanindroany ny tenin'ny Tompo nanao hoe: Inona no hitanao? Ary hoy aho: Mahita vilany mangotraka aho; ary avy any amin'ny lafiny avaratra no hiaviany.
14 Ka hoy Iaveh tamiko: Avy any avaratra no hiroatan'ny loza hanjo ny mponina rehetra amin'ny tany.
15 Fa inty aho miantso ny fianakaviana rehetra amin'ny fanjakana any avaratra, - teny marin'ny Tompo. Ka ho avy izy, ary samy hametraka ny seza fiandrianany eo am-pidiran'ny vavahadin'i Jerosalema, eo anoloan'ny mandany rehetra manodidina, ary eo anoloan'ny tanànan'i Jodà rehetra.
16 Dia hamoaka ny didim-pitsarana hanameloka azy ireo aho, noho ny haratsiany rehetra, fa nandao ahy izy ireo, dia nanolotra emboka tamin'andriamani-kafa, ary nivavaka tamin'ny asan-tànany.
17 Fa hianao kosa: misikìna, mitsangàna ary lazao aminy izay rehetra handidiako anao. Aza mangovitra eo anatrehany, fandrao ataoko mangovitra eo anatrehany hianao. 18 Indro aho anio manao anao ho tanàna mimanda, andry vy ary manda varahana, eo anatrehan'ny tany rehetra, eo anatrehan'ny mpanjakan'i Jodà, sy ny mpanapaka eo aminy, eo anatrehan'ny mpisorony, eo anatrehan'ny vahoakany.
19 Hiady aminao izy ireo, nefa tsy hahefa na inona na inona aminao, satria momba anao aho, hamonjy anao aho; - teny marin'ny Tompo.
Toko faha-2
1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:2 Mandehana, ataovy antso avo ho ren'i Jerosalema izao teny izao: Izao no lazain'ny Tompo: Tsaroako ny firaiketam-ponao tamiko, fony hianao mbola tanora, ny fitiavanao, fony hianao vao fofom-bady; dia ilay nanarahanao ahy tany an'efitra, tany amin'ny tany tsy famafazana.
3 Fahizany Israely dia ilay zavatra voatokana ho an'ny Tompo, dia ilay voaloham-bokany, ka izay nihinana taminy, dia nahazo heloka, ka nozoin-doza, - teny marin'ny Tompo.
4 Mihainoa ny tenin'ny Tompo, ry taranak'i Jakoba, mbaminareo rehetra, fianakavian'ny taranak'Israely. Izao no lazain'ny Tompo:
5 Inona no tsy marina, hitan'ny zanakareo tamiko, no dia nihataka tamiko izy, ka nanaraka ny zava-poana sy tonga zava-poana?
6 Izy ireny tsy mba nanao hoe: Aiza Iaveh, izay nitondra antsika niakatra avy any amin'ny tany Ejipta, nitari-dàlana antsika tany an'efitra, tany amin'ny tany ngazana sady vaky hentana, tany amin'ny tany karankaina sy aloky ny fahafatesana, tany amin'ny tany tsy falehan'ny olona, tsy onenan'olona?
7 Ary tany hoatra ny saha be hazo mamoa no nitondrako anareo, mba hihinananareo ny vokany aman-java-tsoa eo aminy. Kanjo nony tafiditra hianareo nolotoinareo ny taniko, ary nataonareo ho fahavetavetana ny lovako.
8 Ny mpisorona tsy nanao hoe: Aiza Iaveh? ny mpitan-dalàna, tsy nahalala ahy: ny mpitondra, nivadika tamiko; ary ny mpaminany, maminany tamin'ny anaran'i Baala, ka nanaraka ny tsy mahasoa na inona na inona izy ireny.
9 Koa mbola hifandahatra aminareo aho - teny marin'ny Tompo, ary hifandahatra amin'ny zanaky ny zanakareo.