Bokin'i Jeremia

Toko faha-2

10 Fa mità ary eny amin'ireo nosin'i Setima ka mijere; maniraha ho any Sedara, ka mandiniha tsara; dia jereo raha mba misy izay toy izao any.

11 Moa misy firenena manakalo ny andriamaniny va? - nefa ireny aza tsy Andriamanitra akory!... Fa ny vahoakako kosa efa nanakalo ny voninahiny, amin'izay tsy mahasoa na inona na inona!

12 Talanjòna amin'izany, ry lanitra, mangovita sy mangorohoroa mafy hianareo, - teny marin'ny Tompo.

13 Fa nanao ratsy roa sosona ny vahoakako: Nafoiny aho, izaho loharanon'ny rano velona, ary lavaka no nohadiny ho azy, lavaka mitriatriatra, tsy mahatan-drano.

14 Andevo va Israely? Ompikely va izy? Ka ahoana ary no itondrana azy toy ny babo?

15 Mierona hamely azy ny liona tanora, sy miloa-peo mafy, ka mahatonga ny taniny ho lao. Voadotry ny afo ny tanànany, ka tsy misy mponina intsony.

16 Ny taranak'i Nofa sy Tafnesa avy no nanabory ny lohanao.

17 Izany no mahazo anao, moa tsy dia noho hianao nahafoy an'ny Tompo Andriamanitrao, tamin'ny andro nitondrany anao teny an-dàlana?

18 Ary ankehitriny, inona no ataonao any amin'ny làlana mankany Ejipta, handeha hisotro ny ranon'i Nila? Ary inona no ataonao eny amin'ny làlana mankany Asiria, handeha hisotro ny rano amin'ny Ony?

19 Ny haratsianao no mamely anao, ary ny fiodinanao no manafay anao. Koa fantaro sy jereo, fa ratsy sady mangidy manao ahoana ny nahafoizanao an'ny Tompo, Andriamanitrao, sy ny tsy nanananao tahotra ahy kely akory, - teny marin'ny Tompo Iavehn'ny tafika.

20 Fa hatramin'ny ela no efa nanapahanao ny jioganao, sy nanitosanao ny fatoranao, ka nanaovanao hoe: Tsy hanompo intsony aho! Teny amin'ny havoana manerinerina rehetra, sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra teny, no nandrianao hoatra ny vehivavy janga.

21 Izaho anefa namboly anao, ho karazam-boaloboka tsara indrindra, avy amin'ny fototra tena tsara avokoa. Ka ahoana no dia niovanao amiko, ho sampana ratsy avy amin'ny voaloboka hafa karazana?

22 Eny, na dia handro amin'ny sirahazo aza hianao, ka hataonao betsaka ny siravondrona, mbola ho voaloto eo anatrehako ihany hianao noho ny fahotanao, - teny marin'ny Tompo.

23 Ahoana no hilazanao hoe: Tsy nandoto tena aho, tsy nandeha nanaraka an'ireo Baala aho? Zahao ny dian-tongotrao ao amin'ny Lohasaha, ka mieke ny nataonao! Ramevavavy faingan-tongotra, mifanapaka mankatsy mankary ny diany,

24 ampondravavy dia, zatra efitra: manimbolo ny rivotra izy, noho ny firehetan'ny filany; iza no hahasakana azy tsy hiarana amin'izay iriny? Tsy hisasatra akory izay rehetra mitady azy, fa mahita azy amin'ny volany.

25 Tandremo mba tsy hiala kapa ny tongotrao, ary mba tsy ho maina ny tendanao! Nefa hoy hianao: Tsy hisy antony tsinona! Tsia, fa ny hafa tiako, ka hanaraka an'ireny aho!

26 Toy ny fangaihain'ny mpangalatra azo an-tanàna no fangaihain'ny taranak'Israely, dia izy ireo, ny mpanjakany, ny lehibeny, ny mpisorony amam-paminaniny,

27 izay manao amin'ny hazo hoe: Hianao no raiko; sy amin'ny vato hoe: Hianao no niteraka ahy. Fa ny lamosiny no natodiny ahy, fa tsy mba ny tavany, ka nony avy izay mahory azy, vao hanao hoe izy: Mitsangàna, ka vonjeo izahay!

28 Fa aiza izay andriamanitra nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny raha mahavonjy anao amin'ny andron'ny fahorianao. Fa mifanisa amin'ny tanànanao ny isan'ny andriamanitrao, ry Jodà.

29 Ahoana no ifandaharanareo amiko? Nefa efa niodina tamiko avokoa hianareo, - teny marin'ny Tompo.

30 Ny nikapohako ny zanakareo, foana; fa tsy nahazo anatra tamin'izany akory izy ireo; ny sabatrareo nandevona ny mpaminaninareo, hoatra ny liona mpandripaka.

31 Taranaka ahoana re hianao izany e! Diniho ny tenin'ny Tompo: Moa tany efitra ho an'Israely va aho, moa tany maizim-pito va? Nahoana ny vahoakako no manao hoe: Efa afaka izahay, ka tsy hiverina aminao intsony?

32 Manadino ny firavany va ny zazavavy, sa manadino ny fehin-kibony ny fofom-bady? Ny vahoakako kosa anefa nanadino ahy, hatramin'ny andro efa tsy hita isa!

33 Akory izany fahaizanao mandamina ny làlanao raha hitady fitia! Noho izany na ny heloka aza, ataonao zatra ny làlanao.

34 Hatreny amin'ny rambon-dambanao eny, no ahitana ny ran'olo-mahantra tsy manan-tsiny; tsy azonao manamy trano izy ireo, nefa izany zava-drehetra izany no namonoanao azy.

35 Dia hoy hianao: Tsy manan-tsiny aho; efa afaka tokoa ny fahatezerany tamiko. Indro hifandahatra aminao aho, amin'ny anaovanao hoe: Tsy nanota aho!

36 Mba maika loatra hianao hanova ny làlanao! Hataon'i Ejipta mahazo henatra hianao, toy ny nahazoanao henatra tamin'i Asiria.

37 Avy any hianao dia hiverina, miloloha tànana; satria nolavin'ny Tompo ry zareo itokianao, ka tsy hahomby hianao miankina amin'ireo.

Toko faha-3

1 Teny fanao ny hoe: Raha misy lehilahy misao-bady, ary rahefa nilaozany io, dia tonga vadin'olon-kafa ravehivavy; moa hiverina aminy indray va ralehilahy io? Tsy ho tena voaloto mihitsy va izany tany izany? Ary hianao, dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, - teny marin'ny Tompo, ka hiverina amiko indray va hianao?

2 Andrandrao amin'ny havoana ny masonao, ka jereo: Taiza no tsy nandotoana anao?... Nipetraka eny an-dalambe eny hianao mba ho azy ireo, mova tsy ny Arabo any an'efitra! Ary ny fijangajanganao sy ny haratsiam-panahinao, dia efa nandotoanao ny tany;

3 ka voasakana ny oram-pararano, tsy nisy ny oran-dohataona. Nefa handrim-behivavy janga ny anao, ka tsy nety nahalala menatra hianao.

4 Ary ankehitriny kosa izao manko no lazainao amiko: Ry Raiko ô, hianao ilay sakaizan'ny fahatanorako. Ho tezitra mandrakariva va izy, hitahiry fahatezerana mandrakizay va izy?

5 Izany no lazainao, nefa mbola manao ratsy ihany hianao, sady mahatanteraka izany.

6 Izao no lazain'ny Tompo tamiko, tamin'ny andro nanjakan'i Josiasa mpanjaka: Hitanao va ny nataon'Israely mpiodina? Lasa nankany amin'ny tendrombohitra avo rehetra izy, sy teny ambany hazo maitso rehetra teny ka nitolo-tena tamin'ny hafa tany!

7 Dia hoy aho: hiverina amiko izy, rahefa avy nanao izany rehetra izany! Kanjo tsy niverina izy. Joda, mpivadika, rahavaviny, dia nahita izany koa.

8 Ary hitako fa izany fitolorany tena amin'ny hafa izany, no nisaorako an'Israely mpiodina, sy nanomezako azy taratasy fisaorana: nefa tsy natahotra akory Jodà, mpivadika, rahavaviny, fa lasa nitolo-tena tamin'ny hafa mban'izy koa aza.

9 Ny fahavetavetany mahoraka no nandotoany ny tany, ary nitolo-tena hiraiki-po tamin'ny vato aman-kazo izy.

10 Ary na izany rehetra izany koa aza Jodà mpivadika, rahavaviny, tsy niverina tamiko, tamin'ny fony rehetra, fa tamim-pitaka fotsiny, - teny marin'ny Tompo.

11 Ary hoy Iaveh tamiko: Israely ilay mpiodina no niseho ho marina ihany, raha miolotra amin'i Jodà ilay mpivadika.

12 Koa mandehana, ary ireto teny ireto ataovy amin'ny feo avo, amin'ny lafiny avaratra ka lazao hoe: Miverena, ry Israely mpiodina, - teny marin'ny Tompo. Tsy sitrako ny hanenja-tava aminareo, fa mamindra fo aho - teny marin'ny Tompo ka tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay.

13 Mieke anefa ny hadisoanao, satria niodina tamin'ny Tompo Andriamanitrao hianao, ka nandehandeha foana tany amin'ny tany hafa, teny ambany hazo maitsonao teny, fa tsy nihaino ny feoko hianareo, - teny marin'ny Tompo.

14 Miverena, ry zaza mpiodina, - teny marin'ny Tompo, fa izaho no Tomponareo; ary halaiko hianareo, ny iray ao amin'ny tanàna iray, ary ny roa amin'ny fianakaviana iray; ka hoentiko any Siona.

15 Dia homeko mpiandry araka ny foko hianareo, izay hamahana anareo amim-pahalalana sy fahendrena.

16 Ary rahefa mitombo sy mihamaro amin'ny tany hianareo, amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompo, amin'izay tsy hisy intsony ny hilaza hoe: Ny fiaran'ny faneken'ny Tompo! tsy ho mby ao an-tsaina akory izany, tsy hisy hahatsiaro na ho manina an'izany intsony, na hanao anankiray hafa indray.

17 Amin'izany andro izany Jerosalema hantsoina hoe: ny seza fiandrianan'ny Tompo! Ary ny firenena rehetra hivory ao Jerosalema, amin'ny anaran'ny Tompo, fa tsy hanaraka ny ditran'ny fony ratsy intsony izy.

18 Amin'izany andro izany, hiara-mandeha ny taranak'i Jodà sy ny taranak'Israely, ka hiara-tonga avy any amin'ny tany avaratra, ho ao amin'ny tany nomeko ho lovan'ny razanareo.

19 Ary izaho nanao hoe: Ahoana no hametrahako anao, eo amin'ireo zanako, sy homeko tanim-pahafinaretana hianao, dia izay soa indrindra eo amin'ny firenena, mba ho lovanao? Ary hoy aho: Hiantso ahy hoe Raiko, hianao, sady tsy hitsahatra ny hanaraka ahy.

20 Kanefa kosa, toy ny ivadihan'ny vehivavy amin'ny sakaizany no niodinanareo tamiko, ry taranak'Israely, - teny marin'ny Tompo.

21 Misy feo mihahohaho any amin'ny fitoerana avo, dia fitomanian'ny zanak'Israely mifona; fa nanimba ny làlany izy ireo, nanadino an'ny Tompo Andriamaniny. -

22 Miverena, ry zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo. - Indreto izahay manatona anao, fa hianao no Iaveh Andriamanitray.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1544