Bokin'i Jeremia
Toko faha-3
23 Eny, zava-poana teny amin'ny havoana teny an-tendrombohitra ny horakoraka mankalaza ny sampy. Fa amin'ny Tompo Andriamanitsika ihany no misy ny famonjena an'Israely.24 Efa levon'ny fahavetavetan'ny sampy ny fahatanorantsika, ny vokatry ny fisasaran'ny razantsika, ny ondry aman-ombiny, ny zanany lahy aman-janany vavy.
25 Aoka isika handry eo amin'ny fahafaham-barakantsika, sy horakofan'ny henatr'isika; fa samy efa nanota tamin'ny Tompo Andriamanitsika, na isika na ny razantsika, hatramin'ny fahatanorantsika ka mandrak'androany; sady tsy nihaino ny feon'ny Tompo Andriamanitsika.
Toko faha-4
1 Raha te-hiverina hianao, ry Israely, - teny marin'ny Tompo dia miverena amiko. Ka raha esorinao tsy ho eo anatrehako ny fahavetavetanao, dia tsy hirenireny foana intsony hianao!2 Ary raha hianao mianiana hoe: Velona Iaveh! ka amim-pahamarinana sy hitsiny ary rariny no ianiananao, dia holazain'ny firenena, fa izy no hanambina azy ireo ary izy no hireharehan'izy ireo.
3 Fa izao no lazain'ny Tompo amin'ny olona ao Jodà sy Jerosalema: Asao ny tanivaonareo, ary aza mamafy amin'ny tsilo.
4 Miforà ho an'ny Tompo hianareo, ary ny fonareo no forao, ry olona ao Jodà, sy ry mponina ao Jerosalema, fandrao hipoaka hoatra ny afo ny fahatezerako, ka handoro, ary tsy hisy olona hamono azy, noho ny haratsian'ny ataonareo.
5 Torio any Jodà, ary ambarao any Jerosalema, lazao, mitsofa anjomara ao amin'ny tany, ary manaova antso avo, ka lazao hoe: Mivoria hianareo, ary andao hiditra amin'ny tanàna mimanda!
6 Manangàna saina, manandrify an'i Siona, mandosira hianareo, aza miatoato akory! Fa avy any avaratra aho dia hahatonga loza amin'antambo lehibe.
7 Misy liona miantoraka avy eny an-kirihitrala fiereny, ary ny mpandrava firenena anankiray nangoron-day, niala tamin'ny fitoerany hampanjary efitra ny taninao; ka ho lao ny tanànanao, tsy hisy mponina intsony.
8 Noho izany misikìna lamba malailay hianareo; mitomania sy midradradradra; fa ny firehitry ny hatezeran'ny Tompo, tsy nihodivitra antsika.
9 Amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompo, ny mpanjaka amam-panapaka ho rera-po, ny mpisorona hiraviravy tànana, ary ny mpaminany ho kepoka foana.
10 Ary hoy aho: Indrisy, Iaveh Tompo ô, nofitahinao izany ity firenena ity, sy Jerosalema, fony hianao nanao hoe: Hahazo fiadanana hianareo; kanjo sabatra ity, no hamono mahafaty!
11 Amin'izany andro izany, dia hilazana ity firenena ity sy Jerosalema hatao hoe: Misy rivo-mahamay avy any amin'ny havoana any an'efitra, eo amin'ny làlana mankany amin'ny zanakavavin'ny vahoakako, ka tsy hikororohana na hanadiovana;
12 rivotra mahery noho ny mahapaoka mololo no tonga mankamiko. Ary amin'izao dia izaho kosa indray no hamoaka ny teny fitsarana momba azy ireo.
13 Indro izy miakatra toy ny rahona; tahaka ny tadio ny kalesiny; miriotra faingana mihoatra noho ny voromahery ny soavaliny. Loza ho antsika fa ringana isika ity!
14 Ry Jerosalema ô, diovy ho afaka amin'ny ratsy ny fonao, mba hovonjena hianao; mandra-pahoviana no hitoeran'ny hevi-dratsinao ao am-ponao?
15 Fa misy feo avy any Dana, ka manambara, hatrany an-tendrombohitr'i Efraima izy no milaza ny loza ho avy.
16 Ampandreneso ny firenena izany; ambarao azy ireo ny lozan'i Jerosalema. Misy mpanao fahirano avy any an-tany lavitra, manao akoralava hamely ny tanànan'i Jodà.
17 Hoatra ny mpiandry saha izy ireo manodidina an'i Jerosalema, satria niodina tamiko izy, - teny marin'ny Tompo.
18 Izany no tamby, valin'ny fitondran-tena aman'asa ratsinao; izany no vokatry ny haratsiam-panahinao, ka mangidy! Eny, mihatra amin'ny fo izany!
19 Ny kiboko re! ny kiboko re! mihatra amin'ny vololon'aiko ny fanaintainana! Mikorontana ny foko; tsy afa-mangina aho, fa renao, ry fanahiko, ny feon'anjomara, ny akoran'ady.
20 Fandravana mitongoa fandravana no ambara; fa rava ny tany rehetra. Rava tampoka ny laiko, raha indray mihelina monja ny trano laiko.
21 Mandra-pahoviana re no mbola hahitako ny faneva, sy andrenesako ny feon'anjomara?...
22 Izany, dia noho ny hadalan'ny vahoakako! Fa tsy mba mahalala ahy akory izy ireo; zaza tsy misy saina, sy tsy manam-pahalalana izy, ka ny manao ratsy no mahakinga azy; fa ny manao soa tsy fantany akory.
23 Mijery ny tany aho, ka inty izy tsy misy endrika sady foana; nijery ny lanitra aho, ka tsy nanam-pahazavana intsony izy.
24 Mijery ny tendrombohitra aho, ka mihozongozona izy; ary ny havoana rehetra mivembena avokoa.
25 Mijery aho, ka indro ny olona tsy nisy teo; ary ny voromanidina rehetra efa nandositra.
26 Mijery aho, ka ny sahan-kazo mamoa zary efitra; ary ny tanànany rehetra, rava avokoa eo anatrehan'ny Tompo.
27 Fa izao no lazain'ny Tompo: Ho lao ny tany rehetra, kanefa tsy mba hofongorako avokoa izy.
28 Noho izany ny tany misaona, ary ny lanitra any ambony mihamainty, satria efa nolazaiko sy nokasaiko izany, ka tsy hanenenako na hitsoahako intsony.
29 Vao re ny feon'ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka, dia vaky nandositra avokoa ny tanàna; mitsofoka, any anaty ala, mananika ny vatolampy ny olona. Nilaozany avokoa ny tanàna, tsy misy mponina intsony.
30 Inona indray no hataonao, ry ilay noravana? Na dia hiakanjo jaky aza hianao, ka hiravaka haingo volamena sy hitentina ny manodidina ny masonao, dia foana ny fanaovanao izay hahatsara tarehy anao; fa manamavo anao ireo lehilahinao, ny ainao no tadiaviny halana.
31 Fa izaho nandre feo, toy ny an'ny vehivavy mihetsi-jaza, tahaka ny fidridridridrin'ny vehivavy vao miteraka voalohany, dia ny feon'ny zanakavavin'i Siona; fa sady velon-taraina izy, no mitsotra tànana manao hoe: Loza no manjo ahy, maty ny aiko, azon'ireo mpamono olona!
Toko faha-5
1 Tetezo ny lalana ao Jerosalema, ka jereo, fotory; savao eny amin'ny kianjany raha sendra mahita olona iray ao hianareo, raha misy iray monja aza, mba manao ny rariny sy mitady ny hitsiny, dia hamindra fo amin'ny tanana aho.2 Na dia amin'ny teniny manao hoe: Velona Iaveh! aza, dia mianiana tsy to izy.
3 Ry Tompo o, tsy ny fo mahatoky va no tadiavin'ny masonao? Nikapoka azy hianao, fa tsy nalahelo izy; nandripaka azy hianao, fa tsy nety nino anatra izy; nohamafisiny mihoatra noho ny vatolampy ny tavany, tsy nety nibebaka izy.
4 Ary hoy aho kosa nanao hoe: Ny ankizy ihany izany. Manao tahaka ny adala izy, fa tsy mahalala ny lalan'ny Tompo izy ireo, sy ny lalan'ny Andriamaniny.
5 Ka ry zareo lehibe no halehako, ireo no hitenenako; Fa ireo no mahalala ny lalan'ny Tompo, sy ny lalan'ny Andriamaniny... Kanjo ireo koa, samy efa nanapaka jioga sy nanito fatorana avokoa!
6 Noho izany ny liona avy any an'ala namely azy; ny amboadia avy any an'efitra mandringana azy; ny pantera mamitsaka eo anoloan'ny tananany, ka izay mivoaka avy ao voaviravira avokoa; satria efa maro ny hadisoany, ary efa betsaka ny fiodinany.
7 Ahoana ange no hamindrako fo aminao? Ny zanako, nahafoy ahy, sady mianiana amin'izay tsy Andriamanitra. Izaho namoky azy, izy kosa nitolo-tena tamin'ny hafa; mandeha manao andiany, ho any an-tranon'ny vehivavy janga.
8 Lahin-tsoavaly tsara fahana mikarenjy izy ireo, ka samy maneno amin'ny vadin'ny namany avy.
9 Koa tsy hosaziko va izy amin'izany heloka izany! - teny marin'ny Tompo; ary izay firenena toy izany va tsy hovaliako?
10 Aniho ny mandany ka ravao, fa aza levonina avokoa; esory ny sakeliny, fa tsy an'ny Tompo ireny!
11 Satria efa nivadika tamiko, ny taranak'Israely sy ny taranak'i Joda, - teny marin'ny Tompo.
12 Efa nanda an'ny Tompo izy, fa nanao hoe: Tsy misy izy, ka tsy hisy loza hanjo antsika; tsy hahita sabatra na mosary isika.
13 Ny mpaminany, rivotra foana, fa tsy misy miteny ao anatin'izy ireo: ka ny tenan'izy ireo ihany no aoka hozoin'izany.
14 Noho izany, izao koa no lazain'ny Tompo, Andriamanitry ny tafika: Noho izany vava ataonao izany, indro ny teniko hataoko toy ny afo no eo am-bavanao; ary ity vahoaka ity ho kitay hazo; ka holevonin'izany afo izany.
15 Inty aho mitondra hamely anareo firenena iray avy lavitra, ry taranak'Israely, - teny marin'ny Tompo; firenena mahery izy io, firenena fahagola, firenena tsy hainao fiteny, ary tsy fantatrao izay lazainy.
16 Fasana misokatra ny tranon-jana-tsipikany; lehilahy mahery avokoa izy.