Bokin'i Jeremia

Toko faha-5

17 Holaniny ny hanina amam-bokatrao; holaniny ny zanakao lahy aman-janakao vavy holaniny ny ondry aman'ombinao; holaniny ny voalobokao aman'aviavinao; horavany amin'ny sabatra ny tanananao mimanda izay nitokianao.

18 Nefa na dia amin'izany andro izany aza, - teny marin'ny Tompo, tsy dia hofongorako avokoa hianareo.

19 Ary raha tahiny hianareo manao hoe: Nahoana Iaveh Andriamanitsika, no dia manao toy izao aminay? izao no lazainao aminy: Toy ny nahafoizanareo ahy, hanompoanareo andriamani-kafa eo amin'ny taninareo, no hanompoanareo olon-kafa, eo amin'ny tany tsy anareo.

20 Ambarao izao amin'ny taranak'i Jakoba ary torio amin'i Joda arak'izao teny izao:

21 Henoinareo ary izao, ry firenena adala sy tsy misy fo, mana-maso izy fa tsy mahita; manan-tsofina fa tsy mandre!

22 Tsy hatahotra ahy va hianareo, - teny marin'ny Tompo; tsy hangovitra eo anatrehako va hianareo; Izaho no nanao ny fasika ho fefin'ny ranomasina, dia fefy mandrakizay tsy hihoarany! Mitopatopa ny onjany, fa tsy afaka izy; mirohondrohona izy, fa tsy afa-mihoatra azy.

23 Fa ity vahoaka ity manana fo maditra sy miodina; mihataka izy dia lasa.

24 Fa tsy mba manao anakam-po hoe: Aoka isika hatahotra an'ny Tompo Andriamanitsika, izay mandatsaka ny ranonorana, dia ny loha-orana sy ny fara-orana, amin'ny fotoanany avy, sady mitandrina ho antsika ireo herinandro voatendry ho fararano.

25 Ny helokareo no nanakorontana izany filaminana izany; ny fahotanareo no nanala izany soa izany taminareo.

26 Fa misy ratsy fanahy amin'ny vahoakako; mamitsaka toy ny mpamandri-borona mijoko izy, mamela-pandrika izy, ka mahazo olona.

27 Toy ny tranom-borona feno vorona, no mahafeno fitaka ny tranony. Amin'izany izy, tonga lehibe sy manan-karena;

28 mihamatavy mandimandina izy ireo. Mihoa-pampana amin'ny fanaovan-dratsy izy; tsy manao fitsarana marina, fitsarana marina ho an'ny kamboty... nefa ambinina ihany! tsy manome hitsiny ny mahantra.

29 Tsy hasiako saziny va izany heloka izany? - teny marin'ny Tompo; ary izay firenena toy izany va tsy hovaliako!...

30 Zava-betaveta sy mahatsiravina no atao amin'ny tany.

31 Ny mpaminany, maminany lainga, ny mpisorona, mitondra araka izay sitrak'ireo mpaminany ireo; ary ny vahoakako mankasitraka izany! Ka inona no hataonareo hiafaran'izany rehetra izany!

Toko faha-6

1 Mandosìra, ry taranak'i Benjamina, hiala ao afovoan'i Jerosalema. Mitsòfa anjomara any Tekoà, ary manangàna famantarana any Betakarema! Fa misy loza tamy avy any avaratra ary fandringanana lehibe.

2 Ilay tsara tarehy, sy fatra-piangola, ilay zanakavavin'i Siona, horavako!

3 Tonga mitondra ny andian'ondriny ho ao aminy, ireo mpiandry ondry, ka hanorina ny lainy manodidina azy; dia samy homam-bilona amin'ny faritaniny avy.

4 Atombohy ny ady hamelezana azy; mitsangàna, andeha isika hananika azy amin'izao antoandro be izao! Loza ho antsika fa efa mirerarefa ny andro, efa mandroso ny aloky ny hariva.

5 Mitsangàna andeha hanaovantsika latsak'alina, efa mandroso ny aloky ny hariva, dia horavantsika ny lapany!

6 Fa izao no lazain'ny Tompo'ny tafika: Kapao ny hazony; manaova tovon-tany hamelezana an'i Jerosalema; io no tanàna hovaliana, fa tsy misy afa-tsy faharatisana ao anatiny.

7 Toy ny fantsakana mampiboiboika ny ranony izy, mampiboiboika ny faharatsiany. An-keriny amam-pandravana no hany re ao; fery aman-dratra, no eo anatrehako eo mandrakariva.

8 Mitsahara hianao, ry Jerosalema, fandrao ialan'ny fanahiko hianao, ka ataoko zary efitra, tany tsy onenana.

9 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Hotsimponina hoatra ny fitsimpona voaloboka, izay sisa amin'Israely. Averimbereno eo ny tànanao, toy ny ataon'ny mpioty amin'ny rantsam-boaloboka.

10 Iza no hitenenako, ary zovy no hiangaviako hihainoany ahy? Indro fa tsy voafora ny sofin'izy ireo, ka tsy mahahaino izy. Indro fa tonga fahafaham-baraka ho azy ireo ny tenin'ny Tompo, ka tsy ankasitrahany kely akory.

11 Izaho anefa, efa feno ny hatezeran'ny Tompo, ka sasatra ny mitana izany. Aidino amin'ny ankizy eny an-dalambe izany, sy eo amin'ny fivorian'ny zatovo! Fa samy hosamborina avokoa na lahy na vavy, na ny antitra sy ny efa ela niainana.

12 Ny tranony ho lasan'ny hafa; ny sahany mbamin'ny vadiny torak'izany koa. Fa haninji-tànana amin'ny mponina amin'ny tany aho, - teny marin'ny Tompo.

13 Satria hatramin'ny kely ka hatramin'ny lehibe samy manao filàna tsy marina avokoa; hatramin'ny mpaminany ka hatramin'ny mpisorona samy mamitaka avokoa.

14 Ataotaony foana ny fitsaboana ny ferin'ny zanakavavin'ny vahoakako, lazainy hoe: Fiadanana! Fiadanana! nefa tsy misy fiadanana tsinona.

15 Homenarina izy, fa nanao fahavetavetana; nefa tsy mba mahalala menatra intsony izy, ary tsy mba valahara! Koa dia hiara-davo amin'izay lavo izy ireo; ary hiretaka amin'ny andro hamangiako azy izy, hoy Iaveh.

16 Izao no lazain'ny Tompo: Mitoera eny amin'ny làlana hianareo, ka mijere; anontanio izay làlana faleha taloha, izay làlan'ny famonjena ka iny aleha, dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo hianareo. Kanjo izao no navalin'izy ireo: Tsy handeha amin'izany izahay.

17 Nametraka mpitily teo anilanareo aho: Ka tandremo ny feon'ny anjomara! Kanjo namaly izy nanao hoe: Tsy hotandremanay izany!

18 Koa mihainoa hianareo, ry firenena; aoka ho fantatrareo ny hanjo azy, ry fivorian'ny firenena;

19 mihainoa, ry tany: Indro fa misy loza entiko hamely ity vahoaka ity, dia ny vokatry ny hevi-dratsiny; satria tsy nihaino ny teniko izy ireo; sady nandà ny lalàko.

20 Mampaninona ahy izay emboka manitra avy any Sabà, sy izay veromanitra sarobidy avy any an-tany lavitra? Tsy sitrako ny sorona doranareo; tsy mamiko ny soronareo.

21 Koa izao no lazain'ny Tompo: Indro aho hanisy vato fanafintohinana amin'ity vahoaka ity, ka samy ho tafintohina eo ny ray sy ny zanany; hiara-maty eo ny mponina sy ny manakaiky azy.

22 Izao no lazain'ny Tompo: Indro misy firenena tamy avy any amin'ny tany avaratra; misy firenena lehibe miainga avy any am-paran'ny tany.

23 Ka izy ireo dia mahay mandefa zana-tsipìka aman-defona; olona masiaka tsy manana indrafo; mirohondrohona hoatra ny ranomasina ny feony; mitaingin-tsoavaly izy, vonon-kiady, toa olona iray monja, hamely anao, ry zanakavavin'i Siona.

24 Vao nandre azy tamy izahay, dia niraviravy tànana, velon-tebiteby, azom-panaintainana, hoatra ny vehivavy miteraka.

25 Aza mivoaka ho any an-tsaha, na mandeha eny an-dalambe, fa mitan-tsabatra ny fahavalo, misy fangorohoroana manodidina.

26 Ry zanakavavin'ny vahoakako, misikìna lamba malailay; mihosena amin'ny lavenona; manaova fisaonana, toy ny fisaonana zanaka lahy tokana; midradradradrà mafy fa tonga tampoka amintsika ny mpandringana.

27 Nanangana anao eo amin'ny vahoakako aho, ho mpizaha toetra sy ho trano mimanda, mba hahalalanao sy hizahanao toetra ny làlany.

28 Mpiodina raha samy mpiodina izy rehetra; mamafy fanendrikendrehana; varahana sy vy izy ireo; ary samy efa simba avokoa.

29 Levon'ny afo ny tafoforana; lany ny firaka; diovina ka diovina koa, nefa tsy mihataka hiala eo ny ratsy fanahy.

30 Volafotsy fanary, hoy ny olona: satria fa nataon'ny Tompo ao amin'ny fanarian-javatra izy ireo.

Toko faha-7

1 Izao no teny natao tamin'i Jeremia, tamin'ny anaran'ny Tompo, dia toy izao:

2 Mitsangàna eo am-bavahadin'ny tranon'ny Tompo, ka eo no torio izao teny izao, ataovy hoe: Mihainoa ny tenin'ny Tompo hianareo rehetra lehilahy amin'i Jodà, izay miditra amin'ireto vavahady ireto, hivavaka amin'ny Tompo. 3 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Ahitsio ny làlanareo aman'asanareo, dia hamponeniko amin'ity tany ity hianareo.

4 Aza matoky ny teny laingan-dry zareo manao hoe: Ity no tempolin'ny Tompo, tempolin'ny Tompo, tempolin'ny Tompo!

5 Fa raha ahitsinareo ny làlanareo aman'asanareo; raha tsarainareo marina ny adin'ny olona amin'ny namany,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1765