Bokin'i Osea
Toko faha-7
10 Mitsangan-ko vavolombelona miampanga azy ny avonavon'i Efraima: tsy miverina amin'ny Tompo Andriamaniny anefa izy ireo, na mitady azy, na dia izany rehetra izany aza.11 Efraima tonga hoatra ny domoina, adaladala tsy misy saina; miantso an'i Ejipta, mankany Asiria.
12 Amin'ilay mankany iny izy ireo, izaho kosa mamelatra eo amboniny ny fandrika haratoko; dia hataoko latsaka toy ny voromanidina izy, ary hamay azy, araka ny efa voalaza rahateo teo amin'ny fiangonany.
13 Loza ho an'ireny, fa nandositra lavitra ahy izy! Hanjo azy anie ny faharavana satria nivadika tamiko! Raha izaho,dia mba te-hamonjy azy ireo aho, fa izy kosa milaza lainga hamelezana ahy.
14 Tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, raha ilay midradradradra foana eo am-pandriany iny. Misahirana fatratra izy ny amin'ny vary aman-divay vaovao, nefa izaho iambohoany.
15 Izaho nampianatra azy sy nankahery ny sandriny; izy ireo kosa misaintsain-dratsy hanoherana ahy.
16 Mitodika izy, fa tsy ho any amin'ny ambony; manahaka ny tsipìka mivaona: ho lavon'ny sabatra ny mpanapaka azy, noho ny fisafoaky ny lelany; ary handatsana azy izany any amin'ny tany Ejipta.
Toko faha-8
1 Ataovy am-bava ny anjomara, Fa misy, toy ny voromahery, hiantefa amin'ny tranon'ny Tompo!... Satria izy ireo nivadika ny fanekeko, sy nandika ny lalàko.2 Mitaraina amiko izy hoe: Andriamanitro ô, efa nahalala anao izahay Israely.
3 Efa boboky ny soa anefa Israely; ka aoka henjehin'ny fahavalo izy!
4 Fa izy ireo nanangam-panjaka, nefa tsy avy amiko; nanendry mpanapaka nefa tsy nahalala an'ireo aho; nanao sampy tamin'ny volafotsiny amam-bolamenany, mba hanalana aminy ny volafotsy amam-bolamena.
5 Naharikoriko ahy ity zanak'ombinao, ry Samaria; nirehitra tamin'izy ireo ny fahatezerako. Mandra-pahoviana no tsy hahazoana mandio azy ireo?
6 Fa avy amin'Israely koa izy; mpanao taozavatra no nanamboatra azy, ka tsy Andriamanitra izy io; fa hotorotoroina ny zanak'ombin'i Samaria!
7 Namafy rivotra izy ireo, ka hijinja tafio-drivotra. Tsy hisy salohim-bary ho azy, fa hisy vary tsy vanon-ko lafarina; ary raha vanon-ko lafarina aza, ny hafa firenena no hihinana azy.
8 Voatelina Israely: izy ireo ankehitriny, eny amin'ny firenena nanjary toy ny zavatra tsinontsinona;
9 satria ny tenan'izy ihany no niakatra ho any Asora. Ny ampondra dia monina an-takona; Efraima kosa nanangy lahy ho azy.
10 Na manao fanatitra amin'ny firenena aza izy, dia hovoriko hamely azy ireny; ka hangozohozo izy, amin'ny fotoana fohifohy, tsindrian'ny entan'ny mpanjakan'ireo mpanapaka.
11 Nampitombo ny otely Efraima tamin'ny nanotany, ary ireo otely ireo nahalavo azy tamin'ny ota.
12 Na hanoratra lohateny arivo ho azy amin'ny lalàko aza aho, dia ho zavatra tsy mikasika azy no fijeriny an'izany.
13 Ny sorona aterin'izy ireo ho ahy, dia ny henan'ny zavatra vonoiny sy haniny; tsy ankasitrahan'ny Tompo izany. Hahatsiaro ny helok'izy ireo izy ankehitriny, ka hanasazy ny fahotany: hiverina any Ejipta izy ireo.
14 Nanadino ny mpanao azy Israely, ka nanorina lapa; nanamaro ny tanàna mimanda Jodà. Fa handefa afo ao an-tanànany aho, ka handevona ireo rovany izany.
Toko faha-9
1 Aza miarana amin'ny fifaliana, ry Israely, na amin'ny firavoravoana toy ny firenena. Fa hianao, efa nitolo-tena amin'ny ratsy lavitra ny Andriamanitrao, efa nankamamy ny tangin'ny mpijangajanga, teny am-pamoloana rehetra teny.2 Ny famoloana amam-pandomam-boaloboka, tsy hisy hamelona azy ireo, ary ny divay vaovao handà azy.
3 Tsy honina eo amin'ny tanin'ny Tompo izy ireo; fa hiverina ho any Ejipta Efraima, ary hihinana ny zava-padina any Asiria izy ireo.
4 Tsy hanolotra divay ho fanatitra araraka ho an'ny Tompo izy: ary tsy hankasitrahany ny sorona ataony; fa ho toy ny fahan-kanina fisaonana izany aminy, ka haloto izay mihinana amin'izany; satria ny hanin'izy ireo ho an'ny tenany ihany, fa tsy hiditra ao an-tranon'ny Tompo.
5 Inona no hataonareo amin'ny fety lehibe, amin'ny andro fetin'ny Tompo?
6 Fa indro lasa izy ireo teo anatrehan'ny fandringanana: i Ejipta handray azy, ary Memfisy handevina azy; ny fanaka volafotsiny sarobidy, ho rembin'ny beroberokamboa ny lainy ho tongan'ny tsilo.
7 Tonga ny andro famaizana! Tonga ny andro fanodiavana; vetivety ho fantatr'Israely izany. Adala ny mpaminany, ny olona tsindriam-panahy mirediredy foana, noho ny haben'ny helokao sy ny fanoheranao mafy.
8 Ny tilin'i Efraima dia ao amin'Andriamanitro; fandriky ny mpamandri-borona avokoa, no eny amin'ny alehan'ny mpaminany, ary fanenjehana no any amin'ny tranon'Andriamaniny.
9 Simba hatrany am-potony izy ireo, toy ny tamin'ny andron'i Gabaa; hotsarovan'ny Tompo ny helony, ary hovaliany ny fahotany.
10 Tahaka ny voaloboka any an'efitra no nahitako an'Israely; tahaka ny voaloham-bokatry ny aviavy tanora no nahitako ny razanareo. Kanjo tonga tao Beelfegora izy ireo, sy nanolo-tena ho an'ny sampy vetaveta, ka tonga vetaveta tahaka itsy zava-tiany ihany.
11 Nihelina toy ny voromanidina, ny voninahitr'i Efraima; tsy hisy intsony ny hiteraka na hanan'anaka, na ho torontoronina.
12 Na hitaiza ny zanany aza izy, hesoriko aminy alohan'ny hahatongavany ho lehilahy ireny; satria loza ho azy ireo, raha ihatahako izy!
13 Raha nitodi-maso nankany Tira aho, dia indreo Efraima voavoly eo amin'ny tanim-bilona mahafinaritra; kanjo Efraima efa nitondra ny zanany ho any amin'ny mpamono.
14 Omeo azy Iaveh ô!... Inona no homenao azy?... Omeo azy ny kibo momba, sy ny nono ritra.
15 Any Galgala ny faharatsiany rehetra; fa tany no vao nankahalako azy. Noho ny faharatsian'ny ataony, horoahiko hiala ao an-tranoko izy; tsy hanam-pitiavana azy intsony aho, mpiodina avokoa ny mpanapaka izy.
16 Voa Efraima, maina ny fakany, tsy hamoa intsony izy ireo; ary na dia miteraka aza izy, hovonoiko ny malalany naloaky ny kibony.
17 Harian'ny Andriamantro izy, satria tsy nihaino azy, ka ho mpirenireny foana eny amin'ny firenena.
Toko faha-10
1 Voaloboka mirobona ery Israely, efa mavesatry ny voany. Araka ny habetsahan'ny voany no ampitomboany ny oteliny; araka ny hatsaran'ny taniny, no hatsaran'ny tsangam-bato nataony.2 Mpihatsaravelatsihy ny fony; ka efa hivesatra ny valin'izany izy. Hanjera ny oteliny izy, handrava ny tsangam-batony.
3 Tsy ho ela no hilazany hoe: Tsy manam-panjaka isika, noho isika tsy natahotra an'ny Tompo; fa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka?
4 Hanonona teny izy ireo, manao fianianana tsy misy antony, sy mandraikitra fanekena; ary ny fitsarana kosa hiposaka toy ny fivelatry ny pavoty eny amin'ny saha voasoritsoritra.
5 Noho ny ombivavy kely ao Betavena no atahoran'ny mponina ao Samaria, satria ny vahoakany misaona ny sampiny, ary ny mpisorona mangovitra noho ny aminy, noho ny voninahiny, fa efa niala taminy.
6 Hoentina any Asiria koa izy, hatao fanatitra ho an'ny mpanjaka mpamaly; ho azon'ny henatra Efraima, hangaihay noho ny hevitra voakasany Israely.
7 Levona Samaria; ny mpanjakany dia toy ny tapak'ahitra eo ambonin'ny rano.
8 Ho rava ny fitoerana avon'i Avena, izay fahotan'Israely; handadian'ny tsilo amam-boarointsaka ny oteliny. Ny tendrombohitra hilazany hoe: Sarony izahay! ary ny havoana hataony hoe: Mianjerà aminay!
9 Efa nanota hatramin'ny andro, fony tany Gabaà, hianao, ry Israely; mikiribiby amam-keloka izy ireo. Moa tsy hahatratra azy ireo koa any Gabaà ny ady voalaza hatao amin'ny zanaky ny faharatsiana?
10 Hofaiziko araka ny sitra-poko izy ireo; ary ho tafangona hamely azy ny firenena, rahefa hafatotra amin'ny fahotany roa izy ireo.
11 Efraima dia ombivavy kely tsara folaka, finaritra ny hively vary. Izaho kosa nanisy jioga ny vozony tsara tarehy; Efraima hampitarihako kodiarana. Jodà hiasa; Jakoba hitarika fihogo famakiam-bainga.
12 Afafazo araka ny fahamarinana ny voanareo; ataovy araka ny famindram-po ny fijinjanareo; miasà tany vao ho anareo; fa efa fotoana hitadiavana an'ny Tompo izao, mandra-pihaviny handatsaka ny fahamarinana ao aminareo.