Bokin'i Osea
Toko faha-14
7 Ny rantsany hisandrahaka; ny voninahiny, ho toy ny an'ny fototr'oliva, ary ny fofony manitra ho tahaka ny an'i Libàna.8 Izay ho avy hiala sasatra ao ambanin'ny alokalony, hampahavokatra ny vary indray; haniry toy ny voaloboka izy; ary ho tahaka ny divain'i Libàna ny anarany.
9 Efraima... Inona no mbola mba hataony any amin'ny sampy? Izaho no efa mamaly ny fangatahany sy mitsinjo azy; tahaka ny sipresa maitso aho; izaho no ihavian'ny voanao.
10 Izay hendry no aoka hahafantatra izany zavatra izany, izay manan-tsaina aoka hihaiky izany ho marina. Fa mahitsy ny làlan'ny Tompo; ka ny marina no hizotra eo, fa ny mpiodina kosa, lavo aminy.
Bokin'i Joely
Toko voalohany
1 Tenin'ny Tompo tonga tamin'i Joely zanak'i Fatoely.2 Mihainoa an'izao hianareo anti-panahy; mitongilana sofina hianareo rehetra monina amin'ny tany! Mba efa nisy toy izao va tamin'ny andronareo, na tamin'ny andron'ny razanareo?
3 Aoka hilaza izao hianareo amin'ny zanakareo, ny zanakareo amin'ny zanany, ary ny zanak'izy ireo, amin'ny taranaka mandimby azy.
4 Ny sisan'ny gazana nohanin'ny valala; ny sisan'ny valala nohanin'ny ieleka, ny sisan'ny ieleka nohanin'ny kasila.
5 Mifohaza hianareo mpimamo, ka mitomania; hianareo rehetra mpisotro divay dia midradradradrà, noho ny amin'ny divay vaovao; izay notapahana tsy ho amin'ny vavanareo intsony.
6 Fa misy firenena niakatra tamin'ny taniko sady mahery no tsy hita isa; ka ny nifiny dia nifin-diona; ary ny vazany vazan-diom-bavy.
7 Nosimbany ny voaloboko; notapatapahany ny aviaviko; dia nataony makiky sady nazerany ireny; ary tonga tena fotsy mihitsy ny rantsany.
8 Midradradradra hianao toy ny virjiny mitafy lasaka hitomany ny vadin'ny fahatanorany.
9 Tapaka tsy misy intsony ny fanatitra amam-panatitra araraka ao an-tranon'ny Tompo; misaona ny mpisorona mpanao raharahan'ny Tompo!
10 Simba ny saha; misaona ny tany, fa levona ny vary, mangaihay ny divay vaovao, reraka ny diloilo.
11 Mangaihaiza, ry mpiasa tany, midradradradra ry mpamboly voaloboka, noho ny amin'ny vary sy ny orja; satria majifa ny vary hojinjaina any an-tsaha.
12 Mangaihay ny voaloboka, ary reraka ny aviavy; ny ampongabendanitra mbamin'ny antrendry sy ny paoma, dia ny hazo rehetra any an-tsaha no efa maina avokoa; menatra ny hafaliana ka nihataka lavitra ny zanak'olombelona.
13 Mietrà, mitolokoa, hianareo mpisorona; midradradradrà hianareo mpanao ny fanompoana momba ny otely! Avia hiari-tory mitafy lasaka, hianareo mpandraharahan'Andriamanitro, fa ny fanatitra amam-panatitra araraka dia voatana lavitra ny tranon'Andriamanitrareo.
14 Miantsoa fifadian-kanina; mamoria fiangonana; vorio ny loholona, izay rehetra monina amin'ny tany, ao an-tranon'ny Tompo Andriamanitrareo,
15 ka mitarainà amin'ny Tompo hoe: Indrisy, ity andro ity! Fa efa antomotra ny andron'ny Tompo! Tamy toy ny fandravana avy amin'ny Tsitoha!
16 Tsy efa nesorina teo imasontsika va, ny hanina mbamin'ny fifaliana amam-piravoravoana izay voaesotra tao an-tranon'Andriamanitsika?
17 Maina tao ambany bainga ny voa nafafy; foana ny sompitra; mirodana ny trano fitahirizana, satria mangaihay ny vary.
18 Endrey izany fitolokon'ny biby: Mihoalahoala ny andian'omby, satria tsy manan-kanina izy, miferinaina mbamin'ny andian'ondry.
19 Mitaraina aminao aho, Iaveh ô, fa levon'ny afo ny kijana an'efitra, voadoron'ny lelafo ny hazo rehetra any an-tsaha.
20 Mimamamama miantso anao hatramin'ny biby dia, satria ny renirano ritra; ny kijana an'efitra levon'ny afo.
Toko faha-2
1 Tsofy ao Siona, ny anjomara; ary ampanenoy ao an-tendrombohitro masina ny trompetra. Ary aoka hangovitra ny mponina rehetra amin'ny tany, fa tonga ny andron'ny Tompo, fa efa antomotra!2 Andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy manjavona mainty! Toy ny fahazavan'ny maraina, manerana ny tendrombohitra, no ihavian'ity firenena maro sady mahery, tsy mbola nisy toy izany hatrizay hatrizay, ary tsy hisy toy izany any aoriana any, hatramin'izay taon-ko avy amin'ny andro mbola ho ela indrindra.
3 Eo alohany misy afo mandevona, ary eo aoriany misy lelafo mandoro. Ny tany eo alohany, toy ny zaridainan'i Edena, ary ny eo aoriany, toy ny efitra voarava; tsy misy tsy asiany na kely akory aza.
4 Toy ny soavaly no fijery azy, ary toy ny mpitaingin-tsoavaly ny firiotrany.
5 Misy re hoatra ny firodorodon'ny kalesy mievotrevotra eny an-tampon-tendrombohitra; tahaka ny firohondrohon'ny lelafo, mandevona ny mololo; ary tahaka ny firenena mahery, voalahatra hiady.
6 Eo anoloan'izy ireo ny firenena mangovitra matahotra, ny tarehy mivaloarika avokoa.
7 Mihazakazaka hoatra ny olo-mahery izy ireo, mananika ny manda, toy ny lehilahy mpiady, samy mandeha amin'ny làlany avy; fa tsy mifanjevo amin'ny làlana alehany akory.
8 Tsy mba misy mifanosika izy, fa samy mizotra amin'ny làlany avy; mirimorimo eo afovoan'ny zana-tsipìka izy, ary tsy mba mandrava laharana.
9 Miely eran'ny tanana izy, mihazakazaka eo ambonin'ny manda, mananika ny trano, mitsofoka amin'ny varavarankely toy ny mpangalatra.
10 Eo anoloan'izy io mihorohoro ny tany, mihozongozona ny lanitra, mihamaizina ny masoandro amam-bolana, ary mihamaloka ny kintana.
11 Ampandrenesin'ny Tompo ny feony eo amin'ny loha tafiny; fa tsy erany ny haben'ny tobiny, ary mahery fo ny mpanatanteraka ny teniny. Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron'ny Tompo, ka zovy no hahatanty an'izany?
12 Na ankehitriny aza anefa, - teny marin'ny Tompo, miverena amiko, amin'ny fonareo rehetra, amin'ny fifadian-kanina sy amin-dranomaso amam-pitarainana.
13 Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin'ny Tompo Andriamanitrareo, fa mamindra fo sy miantra izy, malain-kitezitra sy be hatsaram-po, ary ny loza afitsony dia alahelovany.
14 Iza moa no mahalala fa tsy hihemotra sy tsy hanenina, ary tsy hamela fitahiana eo aoriany izy, dia ny fanatitra amam-panatitra araraka ho an'ny Tompo Andriamanitsika?
15 Tsofy ao Siona, ny trompetra, miantsoa fifadian-kanina, mamoria fiangonana.
16 Eho ny vahoaka, miantsoa fivoriana masina, angony ny anti-panahy, vorio ny ankizy madinika, sy ny zaza minono. Aoka ny mpampakatra handao ny efi-tranony, ary ny ampakarina ny trano lainy.
17 Eo anelanelan'ny alo-baravarana sy ny otely, dia aoka ny mpisorona mpanao raharahan'ny Tompo, hitomany ka hanao hoe: Iaveh ô, tsimbino ny vahoakanao, aza hatolotrao halam-baraka ny lovanao, ka hataon'ny firenena fandatsa. Ahoana no dia hanaovana any amin'ny firenena hoe: Fa aiza izay Andriamaniny?
18 Nentanin'ny fahasarotam-piaro ny taniny Iaveh ka namindra fo ny vahoakany.
19 Dia namaly Iaveh ka nanao tamin'ny vahoakany hoe: Indro hianareo efa nandefasako vary, sy divay vaovao amam-diloilo, dia ho vokin'izany hianareo; ary tsy hataoko fandatsa any amin'ny firenena intsony hianareo.
20 Hampanalaviriko anareo ilay avy any avaratra, ka horoahiko ho any amin'ny tany karankaina sy efitra izy; ny lohan-lalany ho any amin'ny ranomasina atsinanana; ny vodi-làlany ho any amin'ny ranomasina andrefana; ka fofona mantsina no hanetona avy aminy, ary hiakatra ny fahamaimboany satria nahefa zava-dehibe izy.
21 Aza matahotra, ry tany, fa mifalia sy miravoravoa, satria nanao zava-dehibe Iaveh!
22 Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa ny kijana any an'efitra efa nihamaitso indray, ny hazo, efa namoa; ny aviavy amam-boaloboka nanolotra ny vokany sarobidy.
23 Ary hianareo, ry zanak'i Siona, aoka hientan-kafaliana sy hiravoravo ao amin'ny Tompo Andriamanitrareo; fa ny mpampianatra efa nomeny anareo hanoro ny marina, ny ando alatsany ho anareo, dia ny fara orana sy ny loha orana, toy ny taloha indray.
24 Ho feno vary ny famoloanareo; ary ho tondraka ny divay vaovao aman-diloilo ao amin'ny barika.
25 Honerako aminareo ny taona nolevonin'ny valala sy ny jeleka ary ny kasila sy ny gazana, izay tafiko lehibe efa nalefako hamely anareo.
26 Hihinana be hianareo ka ho voky, dia hidera ny anaran'ny Tompo, Andriamanitrareo, izay nanao zava-mahagaga ho anareo; ary tsy ho menatra intsony ny vahoakako, na oviana na oviana.