Bokin'i Joely
Toko faha-2
27 Dia ho fantatrareo fa eo afovoan'Israely aho! Izaho no Iaveh Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa intsony; ary tsy ho menatra intsony ny vahoakako na oviana na oviana!
Toko faha-3
1 Ary rahefa afaka izany, dia indro fa handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra aho, ka ny zanakalahy aman-janakavavinareo haminany; ny anti-panahinareo hahita nofy, ny zatovonareo hahazo fahitana.2 Na dia ny mpanompolahy amam-panompovavy aza, handatsahako ny fanahiko amin'izany andro izany.
3 Haneho zava-mahagaga eny an-danitra sy ety an-tany aho, dia ra sy afo aman-tsetroka mitankosina.
4 Ny masoandro hiova ho aizina, ary ny volana ho ra, alohan'ny hahatongavan'ny andron'ny Tompo, izay sady lehibe no mahatahotra.
5 Ary na zovy na zovy hiantso ny anaran'ny Tompo, dia ho voavonjy; fa ao an-tendrombohitra Siona sy ao Jerosalema dia hisy fivorian'ny voavonjy araka ny voalazan'ny Tompo, mbamin'ireo eo amin'izay sisa velona, izay antsoin'ny Tompo.
Toko faha-4
1 Fa amin'izany andro izany, sy amin'izany fotoana izany, izay hampodiako ireo lasan-ko babo avy amin'i Jodà sy Jerosalema,2 dia indro fa hovoriko ny firenena rehetra, ka hoentiko midina ho eo amin'ny lohasahan'i Josafata; ary eo no hifandaharako amin'izy ireo, noho ny amin'Israely vahoakako sy lovako, izay naeliny tany amin'ny firenena, sy noho ny amin'ny taniko izay nozarazarainy.
3 Satria nanaovany loka ny vahoakako, zazalahy no nataony takalon'ny vehivavy janga, ary zazavavy no namidiny divay, ka nisotro izy ireo.
4 Ny aminareo koa dia mifaninona izaho sy hianareo, ry Tira sy Sidona, mbaminareo faritany rehetra any Filistina? Mitady ny hamaly ahy va hianareo? Raha mba mihaika ahy hianareo, dia vetivety foana tsy ampy toy inona no hanatsingerenako eo an-dohanareo ny fihaikanareo;
5 fa hianareo no naka ny volafotsy amam-bolamenako, hianareo no nitondra ho any an-tempolinareo ny firavako sarobidy indrindra;
6 hianareo no nivarotra tamin'ireo zanak'i Javàna ny zanakalahin'i Jodà sy ny zanakalahin'i Jerosalema, mba hitondrana azy lavitra ny taniny.
7 Fa indro aho kosa efa hampitsangana azy any amin'ny tany nivarotanareo azy, sy hampitsingerina ny fihaikanareo ho eo an-dohanareo.
8 Hamidiko ny zanakalahy aman-janakavavinareo ho eo an-tanan'ny zanak'i Jodà, ka hamidiny amin'ny Sabeana amin'ny firenena lavitra any; fa Iaveh efa niteny.
9 Miantsoa izao any amin'ny firenena: Miomàna hiady hianareo! Asaovy mitsangàna ny lehilahy mahery! Aoka hanatona, aoka hiakatra avokoa, ny lehilahy mpiady rehetra!
10 Manaova sabatra amin'ny angadinareo; sy lefona amin'ny antsinareo; aoka ny osa hilaza hoe: olo-mahery fo aho!
11 Faingàna hianareo, tongava avokoa hianareo firenena manodidina rehetra, ka mivoria. Tompo o, ento midina ao ny maherinao!
12 Aoka hitsangana ny firenena, ary aoka hiakatra izy ho eny amin'ny lohasahan'i Josafata! Fa any no hipetrahako hitsara ny firenena rehetra manodidina.
13 Raiso ny antsy fijinjana fa masaka ny vary; avia hanosihosy fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny barika; satria be ny haratsian'izy ireo.
14 Vahoaka be, vahoaka be, ao amin'ny lohasahan'ny fanapahana!
15 Ny masoandro amam-bolana, nihamaizina, afaka amin'ny kintana ny famirapiratany.
16 Hierona avy ao Siona Iaveh, ary hampandre ny feony avy eo Jerosalema izy; hihorohoro ny tany aman-danitra. Nefa Iaveh no ho fialofana ho an'ny vahoakany, ho fiarovana ho an'ny zanak'Israely.
17 Dia ho fantatrareo fa Iaveh Andriamanitrareo aho, izay monina ao Siona, tendrombohitro masina; ho fitoerana masina, Jerosalema, ka tsy hodiavin'ny hafa firenena intsony.
18 Amin'izany andro izany dia hitete avy amin'ny tendrombohitra rehetra ny divay vaovao; ny havoana handriaka ronono; ary ny lohasahan-driaka any Jodà, hitsororohan'ny rano avokoa. Hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon'ny Tompo, ka handena ny lohasahan'ny Akasià.
19 Ejipta kosa, hanjary tany lao, Edoma ho efitra faharavana, noho ny fahasiahana namelezany ny taranak'i Jodà, fa nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny teo amin'ny taniny izy ireo.
20 Ary Jodà, honenana mandrakizay, ary Jerosalema koa mandritra ny taona mifandimby.
21 Fa hosasako ny ran'izy ireo, izay mbola tsy voasasako. Dia honina ao Siona Iaveh.
Bokin'i Amosy
Toko voalohany
1 Tenin'i Amosy, isan'ireo mpiandry ondry tao Tekoe. Izay hitany momba an'Israely, tamin'ny andron'i Oziasa, mpanjakan'i Jodà, sy tamin'ny andron'i Jeroboama, zanak'i Joasa, mpanjakan'Israely, roa taona talohan'ny horohoron-tany. Hoy izy:2 Hierona avy ao Siona Iaveh; ary hampandre ny feony avy ao Jerosalema izy; ny tany fiandrasan'ny mpiandry ondry, hisaona; ary ny tampon'i Karmela, ho maina.
3 Izao no lazain'ny Tompo: Noho ny heloka telo nataon'i Damasa, ary noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria izy ireo nanorotoro an'i Galaada tamin'ny ambarambana vy,
4 dia handefasako afo ny tranon'i Hazaely ka handevona ny lapan'i Ben-Hadada izany.
5 Homontsaniko ny hidin'i Damasa, haringako ny mponina ao Bikata Avena, ny mitana ny tehim-panjakana any Beta-Edena; ary ho entina babo ho any Kira ny vahoaka any Siria, hoy Iaveh.
6 Izao no lazain'ny Tompo: Noho ny heloka telo nataon'i Gazà, sy noho ny efatra, - tsy hahemotro ny didy. Satria olona babo an'andiany mihitsy no nentiny nataony sesitany mba hatolony ho any Edoma,
7 dia handefa ny afo ao anatin'ny mandan'i Gazà aho ka handevona ireo lapany izany;
8 haringako ny mponina rehetra ao Azota, sy izay mitana tehim-panjakana ao Askalona; dia hafotitro amin'i Akkarona indray ny tànako; ka ho faty izay sisa amin'ny Filistina, hoy ny Tompo Iaveh.
9 Izao no lazain'ny Tompo: Noho ny heloka telo nataon'i Tira sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria nanolotra olona babo an'andiany mihitsy ho any Edoma izy, fa tsy nahatsiaro ny fanekem-pirahalahiana,
10 dia handefa ny afo ao ambonin'ny mandan'i Tira aho, ka handevona ireo lapany izany.
11 Izao no lazain'ny Tompo: Noho ny heloka telo nataon'i Edoma, sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria nanenjika ny rahalahiny tamin'ny sabatra izy, fa namono ny fangoraham-po ary satria mamiravira lalandava ny hatezerany,
12 dia handefa afo ho ao Temàna aho ka handevona ny lapan'i Bosrà izany.
13 Izao no lazain'ny Tompo: Noho ny heloka telo nataon'ny taranak'i Ammona, sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria notatahany ny kibon'ny vehivavy bevohoka teo Galaada, mba hanitarany ny faritaniny,
14 hampirehitra afo ao ambonin'ny mandan'i Rabaha aho, ka handevona ny lapany izany, eo amin'ny akoran'ady toy ny amin'ny andro iadiana, sy eo amin'ny rivo-mahery mitambolombolona amin'ny andron'ny tafio-drivotra.
15 Ary ho lasan-ko babo ny mpanjakany, dia izy sy ireo mpanapaka ao aminy koa, hoy Iaveh.
Toko faha-2
1 Izao no lazain'ny Tompo: Noho ny heloka telo nataon'i Moaba, sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria nodorany ny taolan'ny mpanjakan'i Edoma, nataony zary sokay,2 dia handefa ny afo ho ao amin'i Moaba aho, ka handevona ny lapan'i Kariota izany; ary Moaba ho faty ao anatin'ny tabataba be, sy ny akoran'ady, mbamin'ny feon-trompetra.
3 Hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy ary hovonoiko miaraka aminy avokoa ny mpanapaka ao aminy, hoy Iaveh.
4 Izao no lazain'ny Tompo: Noho ny heloka telo nataon'i Jodà, sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria nanary ny lalàn'ny Tompo izy, sady tsy nitandrina ny didiny, ka nety havilivilin'ny sampin-daingany, dia ireo izay narahan'ny razany,
5 dia handefa ny afo ho ao amin'i Jodà aho ka handevona ny lapan'i Jerosalema izany.
6 Izao no lazain'ny Tompo: Noho ny heloka telo nataon'Israely sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria namidiny vola ny marina; ary ny mahantra koa noho ny kapa iray lomisy;
7 satria iriny mafy ny mahita ny vovo-tany eo an-dohan'ny olona ory; sy ataony izay hiketrahan'ny làlan'ny madinika; satria olo-mianaka izy samy mandeha amin'ny zazavavy iray ihany mba handotoany ny anarako masina;
8 satria lamba azony tamin'ny tsatòka no iamparany eny anilan'ny otely rehetra eny; ary ny divay avy amin'izay nosaziny lamandy no sotroiny ao an-tranon'Andriamaniny.