Bokin'i Amosy
Toko faha-2
9 Teo anoloan'izy ireo anefa no nandringanako ny Amoreana izay avo be hoatra ny sedera, sy matanjaka hoatra ny oaka. Noravako avokoa ny voany teny ambony, sy ny fakany teo ambany.10 Nitondra anareo niakatra avy any amin'ny tany Ejipta anefa aho, sy nitari-dàlana anareo, efapolo taona, tany an'efitra, mba hametrahako anareo ho tompon'ny tanin'ny Amoreana.
11 Nanangana mpaminany, tamin'ireo zanakalahinareo aho, sy nazareana tamin'ireo zatovonareo, - sa tsy izany va, ry zanak'Israely? - teny marin'ny Tompo.
12 Kanjo ny nazareana nampisotroinareo divay; ary ny mpaminany, nomenareo didy hoe: Aza maminany!
13 Indro aho efa hanosihosy anareo, hoatra ny fanosihosin'ny sarety raha feno amboara.
14 Ka ny faingam-pandeha, tsy ho afa-mandositra; ary ny matanjaka, tsy hahita ny heriny intsony; ary ny mahery fo, tsy hahavonjy ny ainy;
15 ary ny mpahay tsipìka tsy hahatohitra; ary ny faingan-tongotra, tsy ho afa-mitsoaka; ary ny mpitaingin-tsoavaly, tsy hahavonjy ny ainy.
16 Ary ny mahery fo amin'ny mahery handositra miboridana amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompo.
Toko faha-3
1 Henoy izao teny izao notononin'ny Tompo ny aminareo, ry zanak'Israely, ny amin'ny fianakaviana rehetra nentiko niakatra avy any amin'ny tany Ejipta, - dia ireto hoe:2 Hianareo irery no fantatro tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany; ka izany no hamaizako anareo noho ny helokareo rehetra.
3 Miara-mandeha va ny olona roa, raha tsy efa nifanaiky izy?
4 Mierona any an'ala va ny liona, raha tsy efa nahazo remby? Maneno any an-davany va ny feon'ny liona tanora, raha mbola tsy nahazo na inona na inona akory?
5 Latsaka amin'ny fandrika eo amin'ny tany va ny fody, raha tsy misy hanim-pandrika ho azy ao? Moa miainga avy eo amin'ny tany va ny fandrika, raha tsy efa nahazo zavatra izy?
6 Trompetra va no haneno ao an-tanàna, ka tsy hivadi-po ny vahoaka? Misy loza tonga amin'ny tanàna va, raha tsy Iaveh no nahatonga izany?
7 Fa tsy manao na inona na inona ny Tompo Iaveh, raha tsy efa nanambara ny heviny miafina tamin'ny mpaminany, mpanompony.
8 Efa nierona ny liona, ka zovy no tsy hatahotra? Efa niteny ny Tompo Iaveh, ka iza no tsy haminany?
9 Ampandreneso eo ambonin'ny lapan'i Azota izao teny izao, ary eo ambonin'ny lapan'ny mpanjakan'i Ejipta koa, ka ataovy hoe: Miangona any an-tendrombohitr'i Samaria hianareo, ka zahao izato fikorontanam-be ao aminy, sy izato fahasiahana ao anatiny.
10 Ary tsy mahay manaraka ny hitsiny izy ireo, - teny marin'ny Tompo, dia ireo izay mampiavosa ny fahasiahana amam-pandrobana ao anatin'ny lapany.
11 Koa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Inty ny fahavalo, manodidina ny tany izy, ka ny herinao hendahany aminao; ary ny lapanao ho voaroba.
12 Izao no lazain'ny Tompo: Toy ny fanatsoaky ny mpiandry ondry, avy eo am-bavan'ny liona ny ranjo roa na tendron-tsofina iray, no famonjy ny zanak'Israely izay mipetraka ao Samaria, eo an-joron'ny sezabe, eo ambonin'ny ondana avy any Damasa.
13 Mihainoa hianareo ka lazao marina eny amin'ny taranak'i Jakoba, - teny marin'ny Tompo Iaveh, Andriamanitry ny tafika:
14 Amin'ny andro hamaliako an'Israely noho ny fandikany ny lalàna, no hamaliako ny momba an'ireo otely ao Betela koa; hokapaina ny tandroky ny otely ka hianjera amin'ny tany.
15 Hasiako ny trano ririnina aman-trano fahavaratra; hosimbana ny trano ivoara, ary horavana ny trano maro, - teny marin'ny Tompo.
Toko faha-4
1 Henoinareo izao teny izao, ry ombivavin'i Basàna, izay eny an-tendromohitr'i Samaria, dia hianareo izay mampahory ny osa, sy manosihosy ny tsy manana, hianareo izay milaza amin'ny vadinareo hoe: Mitondrà hosotrointsika!2 Nianiana tamin'ny fahamasinany, ny Tompo Iaveh: Indro ho avy aminareo ny andro hipaohana anareo amin'ny farango, sy ny taranakareo, amin'ny firombaka.
3 Hivoaka eo amin'ny banga samy amin'izay hitsiny avy hianareo, dia horoahina ho any Armona, - teny marin'ny Tompo.
4 Mankanesa any Betela ka manotà; sy any Galgala, ka mampitomboa ny fahotana! Ento isa-maraina ny soronareo; ary isan-kateloana, ny fahafolon-karenareo!
5 Ataovy manetona ny fanati-pisaorana tsy misy lalivay; miantsoa ny fanatitra an-tsitra-po, ka torio am-pahibemaso izany! Fa izany no tianareo, ry zanak'Israely, - teny marin'ny Tompo Iaveh.
6 Koa noho izany nataoko madio nify hianareo teny an-tanànanareo rehetra teny sy mosaren-kanina eny amin'ny fonenanareo rehetra; nefa tsy mbola niverina tamiko ihany hianareo, - teny marin'ny Tompo.
7 Koa ny orana nahantoko tsy ho aminareo, raha mbola telo volana sisa vao ho fararano; tamin'ny tanana iray nataoko avy ny orana; fa tamin'ny tanana iray hafa kosa, tsy nalatsako ny orana; ny faritany iray tondrahan'ny orana; fa ny faritany iray hafa kosa, izay tsy nilatsahan'ny orana dia nihamaina.
8 Tanàna roa aman-telo no indray miezaka mankany an-tanàna hafa, mba hisotro rano, kanjo tsy mety afa-ketaheta ireny; nefa tsy mbola niverina tamiko ihany hianareo, - teny marin'ny Tompo.
9 Nasiako hianareo, tamin'ny fahalovan'ny vary sy tamin'ny tomboka; ny zaridainanareo maro, ny tanim-boalobokareo, sy ny aviavy aman'olivanareo, dia ny valala no nihinana izany, nefa tsy niverina tamiko ihany hianareo, - teny marin'ny Tompo.
10 Hianareo, nanirahako ny pesta; toy ny fisian'izany any Ejipta; novonoiko tamin'ny sabatra ny zatovonareo, ary tamin'izay indrindra no nisamborana ny soavalinareo; nampanetona ny hamaimbon'ny tobinareo aho ka tonga eo am-bavoronareo; nefa tsy niverina tamiko hianareo, - teny marin'ny Tompo.
11 Nahatonga fanakorokoroana ao anatinareo aho toy ny nanakorokoroan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora, ary hianareo izany, dia toy ny forohana voatsoaka tamin'ny hain-trano; nefa tsy niverina tamiko ihany hianareo, - teny marin'ny Tompo.
12 Ka noho izany, izao no hataoko aminao, ry Israely. Koa rahefa izany no hataoko aminao, dia miomàna amin'izany fihaonana amin'Andriamanitrao hianao, ry Israely.
13 Satria izy no namorona ny tendrombohitra, sy nahary ny rivotra; izay mampahafantatra ny heviny, amin'ny olombelona, izay mahatonga ny maraina ho maizina, sy mandia ny tampon'ny tany? Iaveh, Andriamanitry ny tafika no anarany.
Toko faha-5
1 Henoinareo izao teny izao, izay tononiko ny amin'ny momba anareo, - hira fitomaniana, - ry taranak'Israely:2 Efa lavo, efa tsy hahatsangana intsony, ilay virjinin'Israely! Mitsingadina amin'ny tany izy, ary tsy hisy hanarina azy.
3 Fa izao no lazain'ny Tompo: Ny tanàna namoaka arivo lahy hiantafika, dia hitana zato lahy; ary izay namoaka zato lahy hiantafika, dia hitana folo lahy ho an'ny taranak'Israely.
4 Fa izao no lazain'ny Tompo, amin'ny taranak'Israely: Tadiavo aho, dia velomy hianareo.
5 Aza mitady an'i Betela, aza mankany Galgalà, aza miampita ho any Bersabea! Fa Galgalà, ho lasan-kobabo; ary Betela hanjary tsinontsinona.
6 Tadiavo Iaveh, dia velomy hianareo, fandrao milatsaka, toy ny afo, amin'ny taranak'i Josefa izy, ka handevona azy, nefa tsy hanana olona handevona izany, Betela.
7 Ovany ho abisinta ny hitsiny, ary azerany amin'ny tany ny rariny!
8 Nanao ny Kotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy izy; mampody ho maraina ny aizina, ary ny andro ho alim-pito; miantso ny rano ao an-dranomasina, dia mampiely azy eo ambonin'ny tany; Iaveh no anarany.
9 Ataony mipoaka ny faharavana mamely ny mahery, ary mianjera amin'ny tanana mimanda ny fandravana.
10 Mankahala eo am-bavahady izay mananatra izy ireo; ary tsy tia mainty an'izay miteny amim-pahamarinana.
11 Koa noho hianareo manitsakitsaka ny mahantra, sy mampadoa hetram-bary azy; dia nanao trano vato vaopaika hianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; namboly voaloboka faran'izay tsara hianareo, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
12 Fa fantatro fa maro ny helokareo ary lehibe ny fahotanareo, hianareo izay mampahory ny marina sy mandray kolikoly, ary mampandefitra ny rariny momba ny mahantra eo am-bavahady.
13 Koa dia mangina ny olon-kendry amin'izao andro izao, satria andro ratsy izao.
14 Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona hianareo, ka homba anareo Iaveh, Andriamanitry ny tafika, araka ny lazainareo.