Bokin'i Amosy

Toko faha-5

15 Ankahalao ny ratsy, fa ny tsara no tiavo, ary ampanjakao eo am-bavahady indray ny rariny; angamba Iaveh Andriamanitry ny tafika, dia hamindra fo amin'izay sisa amin'i Josefa!

16 Koa izao no lazain'ny Tompo, ny Andriamanitry ny tafika, ny Tompo: Hisy hidradradradra eny amin'ny kianja rehetra eny: hisy hanao hoe: Indrisy! indrisy! eny an-dalambe rehetra eny; hisy hiantso ny mpiasa hisaona, sy higogogogo, miaraka amin'izay mahay midridridridry.

17 Hitomany ny olona eo amin'ny tanim-boaloboka rehetra: fa handalo eo afovoanao aho, hoy Iaveh.

18 Loza ho an'izay maniry ny andron'ny Tompo! Ho inona ho anareo moa, ny andron'ny Tompo? Ho haizina izy, fa tsy fahazavana.

19 Toy ny olona mandositra ny liona, nefa tonga mitsena azy kosa ny orsa; miditra ao an-tranony izy, mitehin-tànana amin'ny rindrina dia kakerin'ny menarana!...

20 Moa tsy aizina va ny andron'ny Tompo fa tsy fahazavana, haizina tsy misy mangirana?

21 Halako sy tsy ahoako akory izay fetinareo, tsy hankamamiko akory ny fiangonanareo.

22 Raha manolotra sorona dorana amam-panatitra hianareo tsy mankatelina izany aho; ary izay fisoronanareo zanak'omby matavy tsy jereko velively.

23 Halaviro ahy ny finaonaonan'ny hiranareo; aoka tsy ho reko akory izay feon-dokanganareo!

24 Fa aoka hisononoka hoatra ny rano kosa ny fitsarana; ary toy ny ranondriaka tsy mety ritra ny fahamarinana!

25 Moa nanatitra sorona amam-panatitra ho ahy va hianareo, ry taranak'Israely, nandritra ny efapolo taona tany an'efitra?

26 Ny lain'ny mpanjakanareo no nolanjainareo, mbamin'i Kijoma, ny sampinareo, amam-kintan'andriamanitrareo, izay nataonareo ho anareo;

27 koa hoentiko hatao sesitany ambadik'i Damasa hianareo, hoy Iaveh: Andriamanitry ny tafika no anarany.

Toko faha-6

1 Loza ho an'ireo mandry fahizay ao Siona, sy mitoetra matoky ao an-tendrombohitr'i Samaria; dia ireo malaza indrindra amin'ilay firenena, lohan'ny firenena, ireo izay hatonin'ny taranak'Israely!

2 Miampità ho any Kalne hianareo ka zahao; avy ao dia mankanesa any Hamata ilay lehibe: midìna koa ho any Geta ao amin'ny Filistina: moa miadana noho ireto fanjakana ireto va ireo tanàna ireo, ary lehibe noho ny anareo va ny tanin'izy ireo?

3 Hianareo manao ny andro mahory ho mbola lavitra ary mampanatona ho akaiky ny fanjakan'ny fahasiahana!

4 Mandrimandry eo ambony farafara ivoara izy ireo; sy mivalandotra eo, amin'ny sofà-ny; mihinana ny zanak'ondry avy amin'ny andian'ondry izy ireo, sy ny zanak'omby voafahy ao an-tranon'omby.

5 Mandihindihy manaraka ny feon-dokanga izy; namorona zava-maneno, toa an'i Davida.

6 Kaopy lehibe no isotroany divay; diloilo manitra faran'izay tsara no ihosorany; ary tsy mankararirary azy akory ny loza manjo an'i Josefa.

7 Koa ho lasa izy ireo hatao sesin-tany ho lohan'ny lasan-ko babo; ary tsy hisy intsony ny hobim-pifalian'ireo mpanaram-batana ireo.

8 Efa nianiana tamin'ny tenany, ny Tompo Iaveh, - teny marin'ny Tompo Andriamanitry ny tafika. Tsy tiako mainty ny avonavon'i Jakoba, ary halako ny lapany; ka hatolotro mbamin'izay rehetra ao aminy ny tanàna.

9 Ary raha misy folo lahy no sisa ao amin'ny trano iray, dia ho faty ireo.

10 Ho tonga ny havany anankiray mbamin'izay mandoro ny faty, ka hitondra ny faty, dia hoesoriny ny taolam-paty, hiala ao an-trano; ary ny anankiray hilaza amin'izay ao amin'ny faran'ny trano: Mbola misy ihany va ato miaraka aminao? ka hovaliany hoe: Tsy misy olona intsony! Dia hataon'ilay voalohany hoe: Mangina! Fa tsy tokony hotononina ny anaran'ny Tompo.

11 Satria, indro Iaveh fa efa mandidy, ka nampianjerany trano lehibe ho rava foana, ary ny madinika ho montsana.

12 Moa ny vatolampy ihazakazahan'ny soavaly, na ampiasaina ny omby va izany? no dia navadikareo ho poizina ny hitsiny, ary ho abisinta, ny vokatry ny rariny.

13 Dia mifaly hianareo amin'izay zava-poana; hianareo manao hoe: Tsy tamin'ny herinay va, no nahazoanay fahefana?

14 Fa indro hanangana hamely anareo aho, ry taranak'Israely, - teny marin'ny Tompo, Andriamanitry ny tafika - hanangana firenena anankiray hampahory anareo, hatrany amin'ny hadilalan'i Hamata ka hatrany amin'ny lohasan-driaky ny efitra.

Toko faha-7

1 Izao no nasehon'ny Tompo Iaveh tamiko, dia indro izy fa namorona valala, tamin'ny fotoana vao itsimohan'ny kolokolo, dia ny kolokolo avy nijinjana ho an'ny mpanjaka.

2 Nony tapitra lanin'ireny avokoa ny ahitra amin'ny tany, dia hoy aho: Ry Tompo Iaveh ô, mba mamelà heloka! Ahoana no haharetan'i Jakoba? fa kely izy.

3 Ary nanenina amin'izay Iaveh. Tsy hisy izany, hoy Iaveh.

4 Izao no nasehon'ny Tompo Iaveh tamiko: dia indro tonga Iaveh hanasazy amn'ny afo, dia nandevona ny hantsana lehibe ny afo, sy nandevona ny anjara-lovan'ny Tompo.

5 Ka hoy aho: Mba mitsahara, ry Tompo Iaveh ô! Ahoana no haharetan'i Jakoba? fa kely izy.

6 Nanenina Iaveh. Tsy hisy izany koa, hoy ny Tompo Iaveh.

7 Izao no nasehon'ny Tompo tamiko: dia indro fa nitsangana teo ambonin'ny rindrina mijoro ny Tompo ary nisy kofehy pilao teny an-tanany.

8 Hoy Iaveh tamiko: Inona no hitanao ry Amosy? Ka namaly aho hoe: Kofehy pilao. Dia hoy ny Tompo: Indro aho manisy ny kofehy pilao, eo amin'Israely vahoakako; fa tsy hamela ny helony intsony.

9 Ny fitoerana avon'Isaaka ho foanana; ny fitoera-masin'Israely horavana; ary hitsangana hamely ny taranak'i Jeroboama amin'ny sabatra aho.

10 Ary Amasiasa, mpisorona ao Betela, naniraka hilaza amin'i Jeroboama, mpanjakan'Israely hoe: Mitetika ny hikomy aminao eo amin'ny taranak'Israely Amosy; tsy zakan'ny tany intsony ny teniny rehetra.

11 Satria izao no tenin'i Amosy: Jeroboama ho fatin'ny sabatra; ary Israely hoentin-ko babo hiala amin'ny taniny. 12 Dia hoy Amasiasa tamin'i Amosy: Ry mpahita ô, mandehana mandositra any amin'ny tanin'i Jodà, ka any hianao no mihinàna hanina; any hianao no maminania.

13 Fa aza maminany atý Betela intsony, satria fitoera-masin'ny mpanjaka ny atý, ary tranom-panjakana. 14 Izao no navalin'i Amosy an'i Amasiasa: Tsy mba mpaminany aho na zanaky ny mpaminany; fa mpiandry omby sy mpamboly aviavy. 15 Ary nalain'ny Tompo tany aorian'ny biby fiompy aho, dia nataon'ny Tompo tamiko hoe: Mandehana hianao, maminany any amin'Israely vahoakako. 16 Koa ankehitriny, mihainoa ny tenin'ny Tompo hianao: Hoy hianao hoe; Aza maminany ny hamelezana an'Israely; ary aza miteny ny hamelezana ny taranak'Isaaka!... 17 Koa izao no lazain'ny Tompo: Ny vadinao hovetavetaina ao an-tanàna; ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ho lavon-tsabatra; ny taninao, hozaraina amin'ny famolaina, ary hianao ho faty eo amin'ny tany maloto; ary Israely hoentin-ko babo hiala amin'ny taniny.

Toko faha-8

1 Izao no nasehon'ny Tompo Iaveh tamiko: dia indreto voankazo masaka iray sobika.

2 Ary hoy izy: Inona no hitanao, ry Amosy? Dia hoy ny navaliko: Voankazo masaka iray sobika. Ka hoy Iaveh tamiko: Tonga ny farany ho an'Israely vahoakako: Tsy hamela azy intsony aho, izao sisa izao.

3 Amin'izany andro izany, ny hira ao an-dapa ho zary finaonaonana - teny marin'ny Tompo Iaveh. Ny faty ho betsaka, ary hazera hatraiza hatraiza amim-pahanginana ireny.

4 Mihainoa izao, hianareo mihinana ny mahantra, sy mitady hamongotra ny mavomavo amin'ny tany,

5 manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana; mba hahazoantsika mivarotra vary; ary ny sabata mba hamohantsika ny tranom-bary, ka ny efah hakelezina; ny sikla hampitomboina; ny mizàna, hatao mandainga, hamitahana.

6 Dia novidintsika vola ny fadiranovana, ary ny mahantra, noho ny amin'ny kapa iray lomisy, sady hivarotantsika ny vary loha-kororoka?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1659