Bokin'i Amosy
Toko faha-8
7 Efa nianiana tamin'ny reharehan'i Jakoba Iaveh: Raha hohadinoiko mandra-pihavin'ny farany, izay rehetra nataon'izy ireo.8 Noho izany, tsy hihorohoro va ny tany, ary tsy hisaona va ny mponina rehetra eo aminy? Hisondrotra tahaka an'i Nila ny tany manontolo, hisondrotra sy hietry tahaka an'i Nilan'i Ejipta izy.
9 Amin'izany andro izany, izao no hitranga, - teny marin'ny Tompo Iaveh: Ny masoandro halentiko mitatao vovonana; ary ny tany hosaronako aizina amin'ny andro tony tsara.
10 Ny fetinareo hampodiko ho fisaonana; ny hira fifalianareo, ho fitomaniana; ny valahana rehetra hosikinako lasaka, ny loha rehetra hataoko sola; ny tany hataoko hoatra ny misaona zanakalahy tokana; ary ny farany, ho tahaka ny andro mangidy.
11 Indro tamy ny andro, - teny marin'ny Tompo Iaveh, hanirahako hanoanana amin'ny tany; tsy mba hanoanana momba ny mofo, na hetaheta momba ny rano, fa ny faniriana te-handre ny tenin'ny Tompo.
12 Dia hirenireny hatrany amin'ny ranomasina izy ireo, hatrany amin'ny avaratra, ka hatrany amin'ny atsinanana; hivezivezy atsy ary, hitady ny tenin'ny Tompo, nefa tsy hahita izany izy ireo.
13 Amin'izany andro izany, dia ho reraka ny virjiny tsara tarehy, mbamin'ny tovolahy, azon'ny hetaheta.
14 Ry zareo mianiana amin'ny fahotan'i Samaria, ka manao hoe: Amin'ny Andriamanitrao, ry Dàna! Amin'ny làlan'i Bersabea! dia samy ho lavo tsy haharina intsony.
Toko faha-9
1 Nahita ny Tompo nitsangana teo akaikin'ny otely aho, ka hoy izy: Asio ny koronosy, ary aoka hihozongozona ny tokonana; dia torotoroy izy mamely ny lohan'izy rehetra! Ary izay sisa dia hovonoiko amin'ny sabatra; tsy hisy ho afaka, tsy hisy ho afa-mandositra.2 Raha mitsofoka ho any amin'ny seoly izy ireo hotsoahan'ny tànako avy any; raha miakatra any an-danitra, hampidiniko avy any.
3 Raha miery any an-tampon'i Karmela izy, hotadiaviko any, sy halaiko ihany; ary raha miafina ny masoko any anaty ranomasina izy, hodidiako hanaikitra any ny bibilava.
4 Ary raha lasan-ko babo eo anoloan'ny fahavalony izy, hodidiako hamono azy any ny sabatra. Ka hifantoka aminy ny masoko, nefa tsy hahatonga soa, fa loza ho azy izany.
5 Ny Tompo Iavehn'ny tafika mikasika ny tany ka miempo izy, ary misaona avokoa ny mponina eo aminy; misondrotra tahaka an'i Nila izy manontolo, ary mietry tahaka ny onin'i Ejipta, izy.
6 Manao ny ambaratongany any an-danitra izy, ary manorina ny andohalambony ety ambonin'ny tany; miantso ny rano eo amin'ny ranomasina izy, dia nampiely azy ety ambonin'ny tany; Iaveh no anarany.
7 Moa tsy toy ny taranaky ny Kosita va hianareo, raha amiko, ry zanak'Israely, - teny marin'ny Tompo? Moa Israely va, tsy nentiko niakatra avy any amin'ny tany Ejipta, sy ny Filistina avy tany Kafitora, ary ny Siriana avy tany Kira?
8 Indro, ny mason'ny Tompo Iaveh mifantoka amin'ny fanjakana mpanota; ka ho fongorana tsy ho eo ambonin'ny tany izy; nefa tsy dia hofongorako manontolo tsy akory ny taranak'i Jakoba, - teny marin'ny Tompo Iaveh.
9 Fa indro efa hamoaka didy aho, ka hosivaniko any amin'ny firenena rehetra any ny taranak'Israely toy ny fanasivana vary amin'ny sivana, ka tsy hisy latsaka amin'ny tany ny voa tsara.
10 Ho fatin'ny sabatra avokoa ny mpanota, amin'ny vahoakako, izay manao hoe: Tsy hanakaiky anay akory ny loza tsy hahatratra anay akory ny loza.
11 Amin'izany andro izany ny tranobongon'i Davida efa nianjera, hatsangako indray, ny banga hotapenako, ny rava hamboariko; ka haoriko indray ho tahaka ny tamin'ny andro taloha;
12 mba hananan'izy ireo izay sisa amin'i Edoma, mbamin'ny firenena rehetra niantsoana ny anarako, - teny marin'ny Tompo, izay manao izany zavatra izany.
13 Indro avy ny andro, - teny marin'ny Tompo, ka ny mpiasa tany hahatratra ny mpijinja; ary ny mpanosihosy voaloboka, hahatratra ny mpanely voa famafy; hitete avy amin'ny tendrombohitra ny divay vaovao, ary ny havoana rehetra hitsonika.
14 Hampodiko indray ny babo amin'Israely vahoakako; ka ny tanàna rava, haoriny sy honenany indray; ny voaloboka hamboleny, hisotroany ny divay avy aminy; hanao tanimboly izy ireo, hihinanany ny vokany.
15 Hamboleko eo amin'ny taniny izy, ka tsy hongotana intsony hiala amin'ny tany, izay efa nomeko azy, hoy Iaveh, Andriamanitrao.
Bokin'i Abdiasa
Toko voalohany
1 Fahitan'i Abdiasa. Izao no nolazain'ny Tompo Iaveh tamin'i Edoma: - Nandray filazana avy amin'ny Tompo izahay ary nisy iraka nalefa ho any amin'ny firenena: Mitsangàna! Aoka hitsangan-kamely azy, izahay. -2 Indro hianao efa nataoko kely eo amin'ny firenena dia faniratsira indrindra.
3 Ny avonavon'ny fonao nahavery saina anao! Izy izay mitoetra eny an-tsefatsefa-bato, ka ny havoana no fonenany, dia manao anakampo hoe: Zovy moa no hampidina ahy eny amin'ny tany?
4 Na hisondrotra ho avo toy ny voromahery aza hianao, ka hametraka ny akaninao eny amin'ny kintana, dia hampidina anao avy eny aho, - teny marin'ny Tompo.
5 Raha nisy tafiditra ao aminao, na ny mpangalatra, na ny mpandroba alina - Endrey izany faharavanao! - moa ho tsy izay ampy azy ihany va no nongoahany? Raha misy mpioty voaloboka tonga tao aminao, moa dia tsy ho nasiany sisa hotsimponina va?
6 Endrey izany fisava an'i Esao! Endrey izany fikaroka ny rakiny miafina!
7 Nanosika anao hatrany an-tsisin-tany avokoa, ireo vita fanekena taminao; namazivazy anao, naharesy anao ireo izay nifaly tamin'ny fihavanany aminao; ry zareo nihinana ny haninao, namela-pandrika eo ambanin'ny dianao. Tsy misy saina azo aminy.
8 Moa amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompo, tsy hofongorako va ny olon-kendry ao Edoma, sy ny fahazavan-tsaina ao an-tendrombohitr'i Esao?
9 Ho raiki-tahotra mafy ny mpiadinao, ry Temàna, mba ho voafongotra rahefa mety ho lehilahy, ao an-tendrombohitr'i Esao.
10 Noho ny famonoana, noho ny fahasiahanao amin'i Jakoba rahalahinao, dia ho safo-kenatra sy hofongorana mandrakizay hianao.
11 Tamin'ny andro nitsangananao nanandrify azy, tamin'ny andro nitondran'ny fahavalo ny miaramilany, sy nitsofohan'ny hafa firenena amin'ny vavahadiny, ka nanaovany loka an'i Jerosalema, dia toy ny iray tamin'ireny koa hianao.
12 Aza faly mijery ny andron'ny rahalahinao, amin'ny andro idiran-doza aminy; aza mifaly amin'ny momba ny taranak'i Jodà, amin'ny andro andringanana azy; ary aza dia avoavo fiteny amin'ny andron'ny fahoriany.
13 Aza miditra ny vavahadin'ny vahoakako, amin'ny andro ahitany loza; aza faly mijery ny fahoriany koa hianao, amin'ny andro ahitany loza; ary aza maninji-tànana haka ny fananany, amin'ny andro ahitany loza.
14 Aza miandry eo am-pihaonan-dàlana, hamono ny mandositra avy any aminy; aza manolotra ireo afa-nandositra, amin'ny andron'ny fahoriany.
15 Fa efa akaiky ny andron'ny Tompo amin'ny firenena rehetra; ka toraky ny nataonao no hatao aminao; hitsingerina ho eo an-dohanao, ny asanao.
16 Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitro masina, no hisotroan'ny firenena rehetra tsy an-kijanona koa; hisotro izy, hitelina izy, ary ho toy ny tsy nisy akory izy.
17 Ao an-tendrombohitra Siona kosa hisy sisa nanamborana; ho fitoerana masina izy; ary hahazo ny fananany indray ny taranak'i Jakoba.
18 Ny taranak'i Jakoba, ho afo; ny taranak'i Josefa, ho lelafo; ary ny taranak'i Esao kosa, ho bozaka; ka harehitr'ireo izy sy holevoniny, dia tsy hisy miangana ny taranak'i Esao, fa Iaveh no efa niteny.
19 Ny tendrombohitr'i Esao, ho lasan-dry zareo any Negeba, ary ny tanin'ny Filistina ho an-dry zareo amin'ny Sefelah; hanana ny faritanin'i Efraima izy ireo, mbamin'ny faritanin'i Samaria; ary ny any Benjamina hahalasa an'i Galaada.
20 Ireo lasan-ko babo tamin'ny tafiky ny zanak'Israely hahalasa ny tanin'ny Kananeana, hatrany Sareptà. Ary ireo lasan-ko babo tamin'i Jerosalema izay any Sefarada hanana ny tanàna any amin'ny Negeba.
21 Ka hisy mpamonjy hiakatra ao an-tendrombohitra Siona hitsara ny tendrombohitr'i Esao; ary ho an'ny Tompo ny fanjakana.
Bokin'i Jonasa
Toko voalohany
1 Ary tonga tamin'i Jonasa, zanak'i Amatì, ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:2 Mitsangàna hianao, ka mankanesa any Niniva, tanàna lehibe, hitory ny hamelezana azy, fa tafakatra hatraty amiko ny haratsian'izy ireo. 3 Dia nitsangana Jonasa handositra ho any Tarsisa, lavitra ny tavan'ny Tompo. Nidina tany Jope izy, dia nahita sambo ho any Tarsisa, ka naloany ny saran-tsambo, dia niditra tao izy, hiaraka amin'izy ireo ho any Tarsisa, lavitra ny tavan'ny Tompo.
4 Fa Iaveh kosa nampifofofofo rivo-mahery eny amin'ny ranomasina, ka nisy tafio-drivotra teny amin'ny ranomasina; ny sambo efa nila ho vaky.
5 Raiki-tahotra ny matilò ka samy nitaraina tamin'izay andriamaniny avy, sady nanary ny zavatra tao an-tsambo tany anaty ranomasina, mba hanamaivana azy; fa Jonasa kosa nidina tao am-bodisambo, dia nandry ka renoka natory tao. 6 Avy nanatona azy ny kapitenin-tsambo, ka nanao taminy hoe: Inona ity ataonao, no matory foana? Mitsangàna, antsoy ny Andriamanitrao, ndrao mba mihevitra antsika Andriamanitra, ka tsy ho faty isika.