Bokin'i Jonasa
Toko voalohany
7 Ary nifampilaza izy ireo nanao hoe: Avia, hanao filokana isika, mba hahafantarantsika izay mahatonga izao loza izao amintsika. Dia nanao filokana izy, ka Jonasa no voan'ny filokana. 8 Izay izy ireo nanao taminy hoe: Lazao aminay re, izay mahatonga izao loza izao amintsika! Inona no raharahanao; avy aiza hianao; aiza no taninao; ary inona no firenenao?9 Ka izao no navaliny azy ireo: Hebrio aho, ary Iaveh, Andriamanitry ny lanitra, izay nanao ny tany aman-dranomasina, no ivavahako. 10 Dia raiki-tahotra mafy ireo olona ireo, ka nanao taminy hoe: Inona izany nataonao izany! Satria fantatr'ireo olona ireo fa nandositra lavitra ny tavan'ny Tompo izy, fa efa nambarany taminy izany. 11 Hataonay ahoana hianao, hoy ireo taminy, dia hitony amintsika ny ranomasina? Fa mbola nihananonja, nihananonja mafimafy kokoa ny ranomasina. 12 Ka hoy ny navaliny azy: Raiso aho, ka atsipazo any anaty ranomasina, ka hitony aminareo ny ranomasina; satria fantatro fa noho ny amiko, no mahatonga izao tafio-drivotra mafy izao aminareo. 13 Nivory ny olona mba hitondra ny sambo hitody amin'ny tany maina, fa tsy afaka; satria nihananonja mafimafy kokoa nanohitra azy ny ranomasina.
14 Koa dia niantso an'ny Tompo izy nanao hoe: Endrey! ry Iaveh ô! aoka tsy ho faty noho ny amin'ny ain'ity lehilahy ity izahay na ataonao milonjo ny ra tsy manan-tsiny, satria hianao no nanao araka izay sitrakao, ry Iaveh ô! 15 Dia noraisiny Jonasa, natsipiny tany amin'ny ranomasina, ka nitony ny fisafoaky ny ranomasina. Ary raiki-tahotra mafy an'ny Tompo ny olona, ka nanatitra sorona ho an'ny Tompo, sy raiki-boady.
Toko faha-2
1 Naniraka hazandrano lehibe anankiray Iaveh hitelina an'i Jonasa; ka tao an-kibon'ny hazandrano Jonasa, hateloan'andro sy hateloan'alina.2 Dia nivavaka tamin'ny Tompo Andriamaniny, Jonasa, tao an-kibon'ny hazandrano, 3 ka nanao hoe: Niantso an'ny Tompo tao anatin'ny fahoriako aho, ary namaly ahy izy; nitaraina aho tao an-kibon'ny seoly, ka nihaino ny feoko hianao. 4 Natsipinao tany amin'ny hantsana aho, dia tany anatin'ny ranomasina, ka ny riaka nanodidina ahy; ny alon-dranonao aman'onjanao rehetra nandeha teo amboniko.
5 Dia hoy aho hoe: Voaroaka tsy ho eo imasonao aho; nefa mbola hibanjina ny tempolinao masina.
6 Ny rano nanery ahy hatramin'ny aiko; ny hantsana be nanodidina ahy; ny ahi-dranomasina nangeja ny lohako.
7 Tafalentika hatrany amin'ny fanambanin'ny tendrombohitra aho; ny hidin'ny tany efa voahidy tamiko mandrakizay. Kanjo hianao kosa, nampiakatra ny aiko avy any an-davaka, ry Iaveh Andriamanitro ô !
8 Raha reraka tao anatiko ny fanahiko, dia nahatsiaro an'ny Tompo aho; ka tonga hatrany aminao ny fivavahako, hatr'any an-tempolinao masina.
9 Izay miraiki-po amin'ny zava-poana tsinontsinona dia mandao ilay fototry ny famonjena.
10 Fa izaho kosa, dia amin'ny feo fiderana anao, no hanolorako sorona aminao; ary ny voady nataoko hoefaiko. An'ny Tompo ny famonjena!
11 Dia nandidy ilay hazandrano Iaveh, ka naloan'ny hazandrano teny amin'ny tany Jonasa.
Toko faha-3
1 Tonga fanindroany tamin'i Jonasa ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:2 Mitsangàna hianao mandehana mankany Niniva, tanàna lehibe, hitory aminy ny toriteny holazaiko aminao. 3 Dia nitsangana Jonasa, ka nankany Niniva, araka ny tenin'ny Tompo. Ary Niniva dia tanàna lehibe teo anatrehan'Andriamanitra, fa làlan-kateloana. 4 Nanomboka niditra tao anatin'ny tanàna, làlana indray andro aloha Jonasa, ka nitory izy nanao hoe: Rahefa afaka efapolo andro, dia horavana Niniva! 5 Nino an'Andriamanitra ny olona tao Niniva, ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasaka avokoa, hatramin'ny lehibe indrindra ka hatramin'ny kely indrindra.
6 Dia nampandrenesina izany ny mpanjaka, ka niala teo amin'ny seza fiandrianany, nanesotra ny kapaotiny, nirakotra lasaka, ary nipetraka teo amin'ny lavenona. 7 Ary nantsoina tao Niniva sy nolazaina araka ny didin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka amin'izao teny izao: Aza misy manandrana zavatra akory na miraotra sy misotro rano, na olona na biby, na omby aman'ondry; 8 aoka samy hirakotra lasaka ny olona sy ny biby; ary aoka izy ireo hitaraina mafy amin'Andriamanitra, samy hiala amin'ny làlan-dratsiny sy ny asa fahasiahana fanaon'ny tànany avy. 9 Ndrao mba avy ihany izay hanenenan'Andriamanitra sy hitonen'ny hatezerany mirehitra, ka dia mba tsy haripaka isika? 10 Nahita ny nataon'izy ireo, sy ny nialany tamin'ny làlan-dratsiny Andriamanitra, ka nanenina tamin'ny loza voalazany hamelezana azy ireo Andriamanitra, ka dia tsy notanterahany indray izany.
Toko faha-4
1 Nampalahelo mafy an'i Jonasa izany, ka tezitra terý izy.2 Nanao fivavahana tamin'ny Tompo izy nanao hoe: Indrisy Iaveh ô! Tsy izao indrindra va no nolazaiko, fony aho mbola tany amin'ny taniko. Koa izany no nandosirako ho any Tarsisa aloha, satria fantatro fa Andriamanitra mamindra fo sy miantra, malain-kitezitra, be fitiavana hianao, ary manenina amin'ny loza voalazanao. 3 Koa ankehitriny Iaveh ô, esory amiko ny fanahiko, fa aleoko maty toy izay velona. 4 Fa hoy ny navalin'ny Tompo: Mety va ny hatezeranao? 5 Dia nivoaka ny tanàna Jonasa, ka nipetraka teo atsinanan-tanàna, nanao trano rantsan-kazo ho azy, sy nipetraka nialokaloka teo ambanin'io mandra-pahitany izay hanjo ny tanàna.
6 Ary Iaveh, Andriamanitra, nampaniry tanatanamanga, izay nisondrotra teo ambonin'i Jonasa, mba hialokalofan'ny lohany mba hanafahana azy amin'ny alahelony; ka nahatsiaro faly ery i Jonasa, tamin'ny tanatanamanga. 7 Kanjo nony ampitso raha vao niposaka ny mazava atsinanana, dia nandefa fositra Iaveh hamely ilay tanatanamanga, ka tonga maina izy. 8 Nony niposaka indray ny masoandro, nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana Iaveh sady nasian'ny masoandro ny lohan'i Jonasa, ka efa hana mihitsy izy. Nangataka ny ho faty izy nanao hoe: Aleoko maty toy izay ho velona. 9 Fa hoy Iaveh tamin'i Jonasa: Mety va izao hatezeranao, noho ny amin'ny tanatanamanga izao? Ka hoy ny navaliny: Mety ny hatezerako mandra-pahafatiko. 10 Dia hoy Iaveh: Hianao malahelo noho ny amin'ny tanatanamanga izay tsy nisasaranao, tsy nampanirinao, izay naniry tamin'ny indray alina koa;
11 ka izaho va tsy mba halahelo noho ny amin'i Niniva, tanàna lehibe, izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy, tsy mahay manavaka ny havanany amin'ny haviany, ary biby be dia be!
Bokin'i Mikea
Toko voalohany
1 Tenin'ny Tompo natao tamin'i Mikea avy ao Moreseta, tamin'ny andro nanjakan'i Joatana sy Akaza ary Ezekiasa, mpanjakan'i Jodà, izay nahazoany fahitana momba an'i Samaria sy Jerosalema.2 Mihainoa hianareo, ry firenena rehetra! Mandrenesa tsara, ry tany, mbamin'izay rehetra monina eo aminao! Efa hitsangan-ko vavolombelona hiampanga anareo ny Tompo Iaveh, dia ny Tompo avy ao amin'ny lapan'ny fahamasinany!
3 Fa indro Iaveh efa hivoaka avy ao amin'ny fonenany; hidina izy handia ny havoana amin'ny tany.
4 Ny tendrombohitra hitsonika eo ambanin'ny diany, ny lohasaha hitresaka toy ny savoka eo anoloan'ny afo, toy ny rano voarotsaka amin'ny tany misolampy.
5 Ny hisian'izany dia noho ny helok'i Jakoba sy noho ny fahotan'ny taranak'Israely. Inona no helok'i Jakoba? Tsy Samaria va? Ary iza no fitoerana avon'i Jodà? Tsy Jerosalema va?
6 Koa Samaria dia hataoko antontam-bato any an-tsaha, tany fambolena voaloboka; hakodiako ho any an-dohasaha ny vatony, ary hampihanjahanjaiko ny fanorenany.
7 Hotorotoroina ny sariolona rehetra ao aminy; ho levon'ny afo ny tambiny rehetra; hataoko faharavan-javatra avokoa ny sampiny fa tangim-pijangajangana no nanangonany an'ireny, ka hody ho tangim-pijangajangana indray koa ireny.
8 Noho izany aho dia hitomany sy hidradradradra, handeha tsy mitafy sy miboridana; handefa finaonaonana toy ny amboadia, ary fitarainana toy ny ostritsa.
9 Fa fery mahafaty ny azy, fa tonga hatrany amin'i Jodà, tonga hatreo ambavahadin'ny vahoakako dia hatrany Jerosalema.