Bokin'i Mikea
Toko voalohany
10 Aza ambaranareo any Geta izany; aza mitomany any Akao hianareo! Mihosinkosina amin'ny vovoka any Beta-Afra aho.11 Mandalova mitanjaka amin-kenatra, ry kala mponina ao Safira! Tsy mivoaka ikala mponina ao Tsoanàna; ny fisaonan'ny ao Beta-Hatsely no tsy ahazoanareo mialoka eo.
12 Ory ikala mponina ao Maroty, noho ny amin'ny fananany; fa nidina avy tany amin'ny Tompo ny loza, ho eo ambavahadin'i Jerosalema.
13 Afehezo amin'ny kalesa ny soavaly, ry kala mponina ao Lakisa; fiandohan'ny fahotana ho an'ny zanakavavin'i Siona, no nahitana ny helok'Israely ao aminao.
14 Noho izany hianao hamoy ny anananao an'i Moreseta ao Geta; ny trano ao Akziba dia ho fanodokana ho an'ny mpanjakan'Israely.
15 Hitondrako mpandresy hianao, ry kala mponina ao Maresà; ho lasana hatrany Odollama ny tabihan'Israely.
16 Ongoty ny volonao, kakaso izy, noho ny amin'ireo zanakao malalanao; ataovy tonga sola toy ny papango sola ny lohanao fa lasan-ko babo lavitra anao ireny.
Toko faha-2
1 Loza ho an'izay mieritreritra ny hanao ratsy sy misaintsaina eo am-pandriany ny loza hafitsony! Raha vao maraina koa tanterahany izany, raha tahiny mbola mety hoefain'ny tànany ihany.2 Tsiriritiny ny saha, ka alainy, ny trano koa, ka lasany; anaovany an-keriny avokoa ny olona mbamin'ny tranony, ny tompo mbamin'ny lovany.
3 Ka izao no lazain'ny Tompo: Indro fa misy loza saintsainiko hamelezana ity taranaka ity, ka tsy ho azonareo anafahana ny vozonareo; ka tsy handeha miandranandrana intsony hianareo, fa ho andro ratsy izany.
4 Amin'izany andro izany, dia hanononan'ny olona ohabolana hianareo sy hihirany hira fitomaniana, hataony hoe: Tanteraka tokoa izao, dia fongana mihitsy isika; amidiny ho anjaran'ny vahoakako! Ahoana no angalany izany amiko? Zarainy ho an'ny mpiodina ny sahantsika?
5 Koa tsy hahita olona hanenjana ny famolaina hahazoanao anjara lova eo amin'ny fiangonan'ny Tompo.
6 - Aza maminany intsony hianareo, hoy izy ireo maminany. Raha tsy misy maminany amin'ireto anefa, tsy hiala ny fahafaham-baraka.
7 Hianao, ilay antsoina hoe taranak'i Jakoba, moa tsy manana fandeferana va Iaveh? Izany va no asa fanaony? - Moa ny teniko tsy mba tenim-pitiavana ho an'izay mandeha amin'ny hitsiny?
8 Omaly ny vahoakako no nitsangan-ko fahavalo: ny kapaoty endahanareo hiala eo ambonin'ny akanjo; ny mizotra tsy manan'ahiahy, ataonareo fahavalo.
9 Ny vehivavy eo amin'ny vahoakako roahinareo hiala amin'ny tranony tsy foiny; esorinareo eo amin'ny zanany madinika ny voninahitro hiala aminy mandrakizay.
10 Mitsangàna hianareo, ka mandehana: fa tsy toerana fitsaharana eto, noho ny loto hampijaly anareo, sy noho ny fampijaliana mampangirifiry.
11 Raha misy olona manenji-drivotra, ka milazalaza lainga manao hoe: Haminany divay aman-dabiera ho anao aho! dia izay no ho mpaminanin'ity firenena ity.
12 Hamory anao manontolo aho, ry Jakoba ô, hangoniko izay sisa amin'Israely; hovoriko hikambana toy ny ondry amin'ny vala izy; toy ny ondry andiany eo afovoam-balany, no ho fisasasasan'ny olona ankabetsahany.
13 Miakatra eo alohan'izy ireo, ny mpanabanga. Izy ireo koa manabanga, miditra ny vavahady, ary mivoaka aminy koa; ny mpanjaka no mandroso eo anoloany, ary Iaveh no mitarika azy.
Toko faha-3
1 Hoy aho: Mihainoa hianareo, ry loholon'i Jakoba, mbaminareo mpanapaka ny taranak'Israely! Tsy anjaranareo va ny mahalala ny rariny,2 dia hianareo izay mankahala ny tsara sy tia ny ratsy, manendaka ny hoditra amin'ny vatana, sy ny nofo amin'ny taolana?
3 Izy ireo no mihinana ny nofon'ny vahoakako; manendaka ny hoditra eo amin'ny vatany, mamakivaky ny taolany, mamotipotika azy toy ny ao am-bilany, ary toy ny hena ao am-bilany lehibe.
4 Hitaraina amin'ny Tompo izy ireo amin'izany, nefa tsy hohenoiny; hafeniny amin'izy ireo ny tavany amin'izany andro izany, araka ny haratsiana nanaovany ny asany.
5 Izao no lazain'ny Tompo, ny amin'ireo mpaminany izay nampaniasia ny vahoakako; izy ireo raha mbola manan-kokekerina ny nifiny, mitory ny fihavanana; izay rehetra tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia ilazany avokoa fa hiady:
6 Koa alina no ho azonareo ho solon'ny fahitana; ary aizina ho solon'ny faminaniana; ny masoandro hilentika amin'ny mpaminany ary ny andro ho maizina amin'izy ireo.
7 Hangaihay ny mpahita, ary ho mena azon'ny henatra ny mpanao fankatoavana; hisarom-bolom-bavany izy rehetra, fa tsy hisy intsony ny valy avy amin'Andriamanitra.
8 Fa izaho kosa feno hery, omban'ny Fanahin'ny Tompo, ary feno rariny aman-kerim-po, hanambara amin'i Jakoba ny helony; sy amin'Israely ny fahotany.
9 Koa henoinareo izao, ry loholon'ny taranak'i Jakoba, sy mpanapaka ny taranak'Israely, izay mankahala ny rariny, sy mamadika ny hitsiny,
10 manangana an'i Siona amin'ny fandatsahan-dra, sy Jerosalema amin'ny faharatsiana!
11 Ny mpanapaka ao aminy, mitsara noho ny kolikoly, ary ny mpisorona, mampianatra noho ny karama, ary ny mpaminany, maminany noho ny vola, ary miankina amin'ny Tompo izy manao hoe: Moa tsy eto amintsika va Iaveh? Tsy mety hanjo antsika ny loza!
12 Koa noho ny aminareo, Siona hanjary saha asaina, Jerosalema ho tonga antontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny tempoly ho fitoerana avo misy hazo!
Toko faha-4
1 Izao no ho tonga any amparan'ny andro any: ny Tendrombohitra misy ny tranon'ny Tompo, haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra, sy hasandratra eo ambonin'ny havoana. Ary hitanjozotra ho any aminy ny firenena.2 Vahoaka maro no ho tonga sy hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny Tompo, any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba; fa hampianariny antsika ny làlany, dia hizotra amin'ny sakeli-dàlany isika.
3 Ho elanelam-panahy amin'ny firenena maro izy sy ho mpitsara ny vahoaka mahery hatrany lavitra any. Hanefy ny sabany ho lelan'angadin'omby ireny ary ny lefony ho antsy fijinjana; tsy hanainga sabatra hamely ny hafa, ny firenena, ary tsy hianatra ady intsony ny olona.
4 Samy hipetraka eny ambany voalobony avy izy; sy eny ambanin'ny aviaviny; tsy hisy olona hanelingelina azy akory; fa ny vavan'ny Tompo'ny tafika no efa niteny.
5 Satria ny firenena rehetra samy mandeha amin'ny anaran'ny andriamaniny avy, ary isika mandeha amin'ny anaran'ny Tompo, Andriamanitsika mandrakizay dia ho mandrakizay.
6 Amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompo, horaisiko ny mandringa, hovoriko ny efa mihahaka, sy izay efa nasiako mafy.
7 Ny mandringa hataoko ho sisa, ary ny lasa lavitra ho firenena mahery; ka Iaveh hanjaka amin'izy ireo ao an-tendrombohitra Siona hatramin'izay ka ho mandrakizay.
8 Ary hianao, ry tilikambon'ny andiam-biby fiompy, tendrombohitry ny zanakavanin'i Siona ho tonga hatreo aminao, dia hiverina aminao ny fanapahana taloha, dia ny fanjakana izay ananan'ny zanakavavin'i Jerosalema.
9 Nahoana no manezaka mitaraina hianao ankehitriny? Tsy misy mpanjaka va, eo aminao, ary levona ny mpanolo-tsainao, no dia voan'ny fanaintainana hianao, toy ny vehivavy raha miteraka?
10 Aoka ho voan'ny fanaintainana sy hanezaka hianao, ry zanakavavin'i Siona, toy ny vehivavy raha miteraka! Fa efa hivoaka ny tanàna hianao ankehitriny, ka honina any an-tsaha, ary ho tonga hatrany Babilona; any no hanafahana anao; any no anavotan'ny Tompo anao, ho afaka amin'ny tànan'ny fahavalonao.
11 Ankehitriny kosa efa tafavory hamely anao, ny firenena maro; ka manao hoe: Aoka halam-baraka izy, ary aoka hibanjina an'i Siona ny masontsika!
12 Tsy fantatr'izy ireo anefa ny hevitry ny Tompo; ka tsy azony an-tsaina ny hevitra voakasany, dia ny nanambarany azy ireo toy ny amboara eo am-pamoloana.
13 Mitsangàna ka mihose, ry zanakavavin'i Siona, fa ny tandrokao hataoko vy, ary ny kihonao, hataoko varahana, ka hanorotoro firenena maro hianao, ka hanokana ny tombo-karena azony ho an'ny Tompo aho, sy ny hareny, ho an'ny Tompon'ny tany rehetra.
14 Koa ankehitriny, ry zanakavavin'ny antoko - miaramila, vorio ny antoko - miaramilanao! Fa isika efa natao fahirano; asiana ny tsorakazo amin'ny takolany ny mpitsara an'Israely.
Toko faha-5
1 Ary hianao, ry Betleema Efrata, kely tsy tokony ho isan'ireo arivon'i Jodà akory, avy aminao no hivoaka ho ahy ilay tsy maintsy ho Mpanapaka amin'Israely, ary ny niandohany dia efa hatramin'ny andro fahagola, hatramin'ny andro mandrakizay.2 Koa noho izany, dia hanolotra an'ireny izy mandra-pihavin'ny fotoana hiterahan'ilay tsy maintsy miteraka; ary ny sisa amin'ireo rahalahiny dia hiverina amin'ny zanak'Israely.
3 Ho mafy fijoro izy, ka hiandry ny ondriny, amin'ny herin'ny Tompo, amin'ny fiandrianan'ny anaran'ny Tompo Andriamaniny; ary handry fahizay ny olona, fa ho lehibe izy amin'izay hatrany amin'ny faran'ny tany.
4 Izy no ho fiadanana. Rahefa ho tonga eto amin'ny tanintsika ny Asiriana, ka hanitsaka ny lapantsika ny tongony, dia hanangana mpiandry ondry fito isika, hamely azy, sy mpanapaka ny vahoaka valo.