Bokin'i Nahoma
Toko voalohany
5 Mihorohoro ny tendrombohitra eo anoloany, ary miempo ny havoana; mientanentana ny tany eo anatrehany, dia izao tontolo izao sy izay rehetra monina eo aminy.6 Iza no mahatoetra eo anoloan'ny fahamarinany? Zovy no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Mìtatra toy ny afo ny fahatezerany, ary mitresaka eo anoloany ny vatolampy.
7 Tsara fo Iaveh; fiarovana amin'ny androm-pahoriana izy, ary mahalala izay matoky azy.
8 Hofoanany amin'ny riaka manafotra izany fitoerana izany; ary henjehiny hatrany anatin'ny aizina ny fahavalony.
9 Inona no hevitrareo ny amin'ny Tompo? Hotanterahany ny fandravana: tsy hipoitra fanindroany ny fahoriana.
10 Fa nifaningotra toy ny tsilo sy toy ny leon'ny divainy izy ireo, ka ho levona toy ny mololo karankaina.
11 Avy taminao no nivoahan'ilay misain-dratsy hanoherana an'ny Tompo, izay mamoron-kevitra mahameloka.
12 Izao no lazain'ny Tompo: Na dia tsy latsak'isa sady maro aza izy ireo, dia hojinjaina ary tsy hitsy intsony. Efa nanetry anao aho, ka tsy hanetry anao intsony.
13 Ary ankehitriny, ry Jodà ô,ho tapahiko hiala aminao ny jiogany; ary hotòsako ny famatorana anao.
14 Ny aminao kosa izao no voadidin'ny Tompo: Tsy ho velo-maso intsony ny anaranao; hofoanako ao an-tranon'Andriamanitrao ny sarin-javatra voapaika sy ny anidina; manomam-pasana ho anao aho satria latsa-danja hianao.
Toko faha-2
1 Indro, eny an-tendrombohitra, ny tongotry ny iraka mitondra filazana mahafaly, izay manambara fiadanana. Ankalazao ny fetinao, ry Jodà, efao ny voadinao! Fa tsy handalo eo aminao intsony izy; efa levona mihitsy ny ratsy fanahy.2 Misy mpandrava tamy hamely anao; tano ny trano mimanda, ambeno ny làlana, hatanjaho ny valahanao, angony ny herinao rehetra!
3 Fa Iaveh mampody ny voninahitr'i Jakoba, mbamin'ny voninahitr'Israely, satria norobain'ny mpandroba izy, sady nosimbany ny foto-boalobony.
4 Voaloko mena ny ampingan'ny mpiadiny, miakanjo mena mangatrakatraka ny miaramilany: mitranga ny kalesiny eo anatin'ny vy manjelanjelatra, amin'ny andro iomanany hiady, ary ny lefony mandihindihy.
5 Eny amin'ny arabe ny kalesiny miriotra mifofofofo; miezaka faingana eny amin'ny kianja, hoatra ny lelafo no fijery azy, toy ny tselatra mitsoriaka.
6 Mahatsiahy ny olo-malazany izy; tafintohina eny am-pandehanana ireny; miezaka ho amin'ny manda izy ireo: mivonon-kiaro tena ny olona.
7 Mivoha ny vavahadin'ny ony, dia mirodana ny lapa.
8 Efa tanteraka izao, dia nampitanjahana, lasan-ko babo izy io, ka mitoloko ny mpanompovaviny toy ny fitolokon'ny voromailala; mandondon-tratra izy ireo.
9 Toy ny dobo Niniva hatrizay niandohany... Mandositra izy ireo!.. Mijanòna e! Mijanòna e!... nefa tsy misy miherika!
10 Baboy ny volafotsy, baboy ny volamena! fa tsy hita lany ny hareny, mbamin'ny fanaka sarobidiny rehetra voaangony.
11 Foana, voaroba, tankina! Kivy ny fo, mangovitra ny lohalika, mitapitapin'ny fiahiana mafy ny valahana rehetra, mivaloarika avokoa ny tarehy.
12 Aiza no misy ny lavak'ireo liona, izay fitoerana ifahanan'ny liona tanora, izay nieren'ny lion-dahy aman-diom-bavy sy ny zana-diona, sady tsy misy manaitaitra azy?
13 Ilay liona nifaoka izay nilain'ny zanany, nanakenda ho an'ny liom-baviny, nameno haza ny lavany, sy toha, ny zohiny.
14 Inty aho izao manohitra anao! - teny marin'ny Tompo'ny tafika; hampanjariko setroka ny kalesinao; holevonin'ny sabatra, ny liona tanoranao: hoesoriko amin'ny tany ny hazanao; ary tsy ho re intsony ny feon'ny irakao.
Toko faha-3
1 Loza ho an'ny tànana mpandatsa-dra, feno fanambakana amam-pahasiahana tsy mitsahatra amin'ny halatra!2 Injany re ny firivorivon'ny karavasy, ny firodorodon'ny kodia, ny katrokatroky ny soavaly, ny fiantraitraiky ny sarety!
3 Mpitaingin-tsoavaly miezaka, sabatra mamirapiratra, lefona manjelatra, olo-maratra sesehena, maty miavosa, faty tsy hita isa... Voafingampingan'ny faty, ny olona!
4 Ny nahatonga izany, dia noho ny fijangajangana maro be nataon'ilay vehivavy janga, feno zavatra mahafinaritra manangoly, kinga amin'ny fankatoavana, izay nivarotra firenena amin'ny fijangajangany sy vahoaka amin'ny fankatoavany.
5 Inty aho izao manohitra anao, - teny marin'ny Tompon'ny tafika; haingaiko hatrany amin'ny tavanao ny rambon'ny akanjonao, haharihariko amin'ny firenena ny fitanjahanao, ary amin'ny fanjakana ny fahamenaranao.
6 Hotsipazako loto hianao, sy halàko baraka, sy hataoko fijerin'ny olona hianao.
7 Izay mahita anao, handositra lavitra anao avokoa, sy hanao hoe: Rava Niniva! Iza no hangoraka azy? Aiza no hitadiavako mpampionona anao?
8 Moa hianao tsara noho No-Amona izay nipetraka teo amin'ny ony, nohodidinin'ny rano, nanana ny ranomasina ho mandany, sy ny rano be ho tambohony?
9 Etiopia no heriny, mbamin'ny Ejipta koa, ary be tsy hita isa ireny; Foty sy ny Libiana no mpanampy anao.
10 Mba lasana voasesi-tany ihany anefa, ary nentin-ko babo izy; ny zanany madinika koa notorotoroina, teny an-joron-dalambe rehetra teny; ny olo-malazany nanaovana filokana, ary ny lehibeny rehetra nivesatra gadra avokoa.
11 Hianao koa hampileovina, dia hanjavona tsy hita intsony; hianao koa eo anatrehan'ny fahavalo hitady fialofana.
12 Ny tanànanao mimanda mafy rehetra dia aviavy misy voany masaka; hozongozonina dia miraraka eo am-bavan'izay te-hihinana azy ireny.
13 Indro ny vahoakanao fa toy ny vehivavy eo afovoanao; eo anoloan'ny fahavalonao, dia hivoha midanadana ireo vavahadin'ny taninao; levon'ny afo ny hidinao.
14 Mantsaka rano ho anao ho fitaovana amin'ny fahirano; hamafiso ny manda, manditia tanimanga, mihose tanidilatra, raiso ny lasitra hanaovana biriky.
15 Any no handevonan'ny afo anao, handripahan'ny sabatra anao, sy hihinanany anao, toy ny ieleka na dia ho maro toy ny ieleka aza hianao, sy ho betsaka toy ny valalavao.
16 Nampitombo isa ny mpandrantonao hianao, mihoatra noho ny kintana eny an-danitra; mikopak'elatra ny ieleka dia lasa manidina.
17 Ny mpiambinao no toy ny ieleka ary ny mpanapaka anao no toy ny valalavao miavosa, mipetraka eny amin'ny fefy izy, amin'izay andro mangatsiaka; fa lasa mandositra raha vao miposaka ny masoandro, ka tsy fantatra intsony izay nisy azy; nankaiza izy?
18 Rendremana ny mpiandrinao, ry mpanjakan'i Asiria; mivalandotra ny lehilahy maherinao; mihahaka eny an-tendrombohitra ny vahoakanao; sady tsy misy olona mamory azy.
19 Tsy lai-panafody ny ratranao; ratsy ny ferinao; izay rehetra hitantarana ny nanjo anao, hiteha-tànana noho ny aminao avokoa; satria zovy moa no tsy niharan'ny hasomparanao lava izao?
Bokin'i Habakòka
Toko voalohany
1 Teny fitsarana izay nahazoan'i Habakòka mpaminany fahitana.2 Iaveh ô, mandra-pahoviana no hiantsoako anao, nefa tsy mihaino ahy ihany hianao, ary hitaraina aminao aho hoe: fahasiahana! nefa tsy vonjenao ihany aho?
3 Nahoana aho no ataonao mahita ny tsy fahamarinana ary hianao mijery ny fahoriana? Fa fandravana amam-pahasiahana no eo anatrehako; misy fifandirana ary mitranga ny tsy fifanarahana,
4 noho izany maty ny lalàna, ary tsy mahita mangirana ny fahamarinana; fa solokin'ny ratsy fanahy ny marina, ka rariny mivaona no mivoaka.
5 Topazo maso ireo firenena ka zahao; dia migagà sy mitalanjòna. Fa indro aho amin'ny andronareo hanao zavatra, izay tsy hinoanareo raha olona no mitantara aminareo.
6 Satria indro aho hamoky ny Kaldeana, firenena masiaka sy mirehidrehitra, izay mandroso ho any amin'ireo tany midadasika be mba haka fonenana izay tsy azy.
7 Mahatsiravina sy mahatahotra izy; ary avy amin'ny tenany ihany ny fahefany amam-pahalehibeazany.
