Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Mikea

TokoVotoatiny
Toko 1 Mivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina Iaveh, hamaly ny heloka nataon'Israely sy Jodà - Sazy hamelezana an'i Samaria - Fisaonan'ny mpaminany, mahita ny sazy mihatra amin'i Jerosalema sy amin'ny tany rehetra.
Toko 2 Fahotan'ny lehibe - Fiharahan'ny mpanankarena - Fifandaharana amin'ny mpaminany sandoka - Hadisoan'ny mpanankarena - Fampanantenana ny fodiany.
Toko 3 Ny heloky ny mpanankarena - Ireo mpaminany sandoka - Ny heloky ny lehibe ho sazina amin'ny faharavan'i Jerosalema.
Toko 4 Voninahitr'i Jerosalema amin'ny ho avy - Fodian'ny babo - Fahirano sy famonjena ny tanàna masina.
Toko 5 Ny mpanjaka taranak'i Davida - Fanjakana ambony indrindra - Fanafoanana ny fiarovan-tena foronin'olombelona, fandravana ny sampy.
Toko 6 Fifandaharan'Iaveh amin'ny vahoakany; amin'ny ankapobem-bahoaka aloha fa nanao heloka tsy azo onerana hafa-tsy amin'ny fahamarinana amam-pamindram-po; dia amin'ny renivohitra indrindra; fa mendri-kosazina mafy indrindra ny fahotany.
Toko 7 Mihoam-pampana ny ratsy - Fanantenan'ny olo-marina - Toky omen'Andriamanitra fa hampanjaka ny fiadanana indray - Fiderana ny hatsaram-pon'Andriamanitra.