Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Jodita

TokoVotoatiny
Toko 1 Efa nandresy an'i Arfaksada, mpanjakan'ny Meda, Nabokodonosora ka nitady hahazo ny vahoaka rehetra any andrefan'ny ony Eofrata ho eo ambany fahefany.
Toko 2 Ny nanafihan'i Holoferina vahoaka maromaro.
Toko 3 Ny nampaneken'i Holoferina ny tany amam-panjakana maro.
Toko 4 Nankaherezin'i Eliasima mpisoron-dehibe ny Israelita ka nivonon-kanohitra sy niantso vonjy tamin'Andriamanitra.
Toko 5 Nilaza tamin'i Holoferina ny herin'ny Andriamanitr'Israely Akiora mpifehy ny Amonita, ka naterin'i Holoferina any amin'ny Israelita hampahoriny miaraka amin'izy ireo.
Toko 6 Ny Asiriana manolotra an'i Akiora ho eo an-tanan'ny Israelita izay mandray azy tsara.
Toko 7 Tsy nahita rano ny olona voafahy rano, ka nihevitra hanaiky.
Toko 8 Nentanin'i Jodita ny herim-pon'ny mpiray tanindrazana aminy.
Toko 9 Niantso vonjy tamin'Andriamanitra Jodita.
Toko 10 Jodita nanatona an'i Holoferina.
Toko 11 Lazain'i Jodita amin'i Holoferina ny antony nanatonany azy.
Toko 12 Ny nanasan'i Holoferina an'i Jodita hiara-hihinana aminy.>
Toko 13 Ny namonoan'i Jodita an'i Holoferina - Ny nodiany any Betolia.
Toko 14 Nomen'i Jodita hevitra hanao rodobe mivoaka ny mponina ao Betolia - Vaky nandositra ny Asiriana.
Toko 15 Fanenjehana ny Asiriana - Babo azo taminy - Voninahitr'i Jodita.
Toko 16 Tononkiran'i Jodita.