Toko | Votoatiny |
Toko 1
| Fitarihan-teny - Fanabeazana an'i Daniely tao an-dapan'ny mpanjakan'i Babilona. |
Toko 2
| Fahitana ilay sariolona - Ny nofin'ny mpanjaka; voatebitebin'izany ny fanahiny, ka nolazainy hovonoina ireo olon-kendry, raha tsy mampahalala azy ny nofy sy ny heviny - Tafalatsaka anatin'izay iharan'izany fanamelohan-ko faty izany koa Daniely sy ireo namany, ka nivavaka tamin'Andriamanitra izy, sy nampanantena ny mpanjaka fa hampahalala azy ny nofiny, sy hilaza aminy ny heviny - Ilay sary vongana - Ny fanjakana efatra lehibe sy ny fanjakan'Andriamanitra - Feno voninahitra Daniely sy ireo namany. |
Toko 3
| Ireo Hebrio telo lahy tao anatin'ny memy - Ilay sariolona tao amin'ny tanilemaka Dora, nasaina nivavahana - Nampangaina izy telo lahy, naman'i Daniely fa tsy nety nivavaka tamin'io; nantsoina ho eo anatrehan'i Nabokodonozora izy ireo, dia nohelohina hatsipy ao amin'ny memy mirehitra - Ny vavaka nataon'ireo tao anaty memy - Novonjen'ilay anjelin'ny Tompo izy ireo - Ny hira fisaoran'izy ireo - Nankalaza ny Andriamanitra marina Nabokodonozora sady nanondro-boninahitra azy ireo. |
Toko 4
| Nofy ny amin'ilay hazo makadiry: ny niantsoana an'i Daniely hilaza ny heviny - Filazana ny hevitry ny nofy - Tonga adala Nabokodonozora - Ny nahasitrana azy. |
Toko 5
| Ny fanasan'i Baltasara - Ny fanasana, ny fanaka masina tany amin'ny tempolin'i Jerosalema - Ny soratra teo amin'ny rindrina - Ny niantsoana ny olon-kendry sy Daniely koa - Ny namakiana ireo teny voasoratra sy nilazana ny heviny - Ny nahatanterahan'izany. |
Toko 6
| Daniely tao an-davaky ny liona - Nialona an'i Daniely ireo solom-panjaka, ka niray tetika hamely azy tamin'i Dariosa; fanerena hivavaka amin'ny mpanjaka - Ny nandavan'i Daniely an'izany, sy ny nanamelohana azy; ny nanafahan'ny anjelin'ny Tompo azy - Ireo solom-panjaka, natsipy tao an-davaky ny liona, ary Dariosa nidera ny Andriamanitr'i Daniely. |
Toko 7
| Ny biby efatra, ny fanjakan'ny Zanak'olona sy ireo masina - Fahitana ireo biby efatra; ny anti-dahy sy ny fitsarana; ny fahefana nomena ny Zanak'olona - Filazana ny hevitry ny fahitana, ny fanjakana lehibe efatra. |
Toko 8
| Ilay ondralahy sy ny osilahy - Ny fahitana ny ondralahy; ny osilahy; ny tandroka kely sy ny nafitsony - Filazana ny heviny: ny fanjakana roa, ny Medo-Persa sy ny Greka; ilay mpanjaka masia-tarehy, nampahory an'Israely. |
Toko 9
| Faminaniana ny amin'ny herinandro fitopolo - Fitarihan-teny - Fiekena fahotana sy fivavahana - Valy avy amin'Andriamanitra. |
Toko 10
| Fahoriana amam-pamonjena ny vahoakan'Andriamanitra, niady amin'ny fanjakana mpanompo sampy - Ny fifadian-kanina sy vavak'i Daniely - Ny fahitana an'ilay anjely; ny antony tsy nahatongavany faingana, hitondra ny valim-bavak'i Daniely tamin'Andriamanitra. |
Toko 11
| Adin'i Siria sy Ejipta - Antiokosa Epifana: Ny fanenjehany an'Israely - Ny fionganany. |
Toko 12
| Fotoana hahatanterahan'izany zavatra izany. |
Toko 13
| Tantaran'i Sozana. |
Toko 14
| Bela sy ilay Dragona. |