Toko | Votoatiny |
Toko 1
| Fanasana lehibe nataon'i Asoerosa mpanjaka - Nisaoran'i Asoerosa Vastì, vadiny, satria tsy nety naneky azy. |
Toko 2
| Voafidy ho mpanjakavavy Estera: nolazainy tamin'ny mpanjaka ny teti-dratsy hitan'i Mardokea. |
Toko 3
| Tezitra tamin'i Mardokea Amanà, ka nangatahiny tamin'i Asoerosa mpanjaka hatao maty tsy miteny ny Jody rehetra. |
Toko 4
| Fisaonan'i Mardokea - Famporisihany an'i Estera hanatona ny mpanjaka. |
Toko 5
| Noraisin'i Asoerosa tamim-pitiavana Estera. Nanaiky ny hankany amin'ny fanasan'i Estera izy mbamin'i Amanà. |
Toko 6
| Amanà voatery hanome voninahitra an'i Mardokea. |
Toko 7
| Teo amin'ny fanasana, notondroin'i Estera ho mpamadika Amanà, ka nalefa hovonoina teo no ho teo. |
Toko 8
| Fanandratana an'i Mardokea - Fanafahana ny Jody. |
Toko 9
| Tamin'ny andro voatendry handringanana ny Jody no nandreseny ny fahavalony - Ny namonoana ireo zanak'i Amanà folo lahy - Ny fetin'ny Porima. |
Toko 10
| Ny fahefan'i Asoerosa - Ny lazan'i Mardokea - Hitan'i Mardokea fa tanteraka izay nofiny izay. |
Toko 11
| Nofin'i Mardokea. |
Toko 12
| Mardokea manambara amin'i Asoerosa ny teti-dratsin'ny eonoka roa lahy hamono azy. |
Toko 13
| Didin'i Asoerosa nampandringana ny Jody - Vavak'i Mardokea. |
Toko 14
| Vavak'i Estera. |
Toko 15
| Famporisihina nataon'i Mardokea tamin'i Estera. |
Toko 16
| Didy avy amin'i Asoerosa mahasoa ny Jody. |