Toko | Votoatiny |
Toko 1
| Sasin-teny; lohateny sy fototry ny boky; zava-poana amam-pahoriana avokoa ny zavatra momba ny olombelona; zava-poana ny fahendren'ny olombelona. |
Toko 2
| Zava-poana ny hafaliana - Ny iafaran'ny hendry sy ny adala: samy tsy maintsy mamela ny vokatry ny asany ho an'ny hafa. |
Toko 3
| Samy manana ny fotoany voatendrin'Andriamanitra avy ny zavatra rehetra; tsy azon'olombelona ovana izany - Tsy hainy atao ahoana koa ny tsy rariny amin'izao tontolo izao. |
Toko 4
| Tsy mahefa inona ny olombelona, amin'ny loza amam-pahoriana manjo azy amin'ity fiainana ity. |
Toko 5
| Ny mety hatao amin'ny fanefana ny adidy momba ny fivavahana; fampahoriana amam-panimbana samihafa, fametrahan-tena amin'ny fitondran'Andriamanitra. |
Toko 6
| Ny harena tsy mahasambatra - Voatendrin'Andriamanitra ny anjaran'ny isan'olona. |
Toko 7
| Foto-kevitra momba ny alahelo amam-pahendrena, ary fahononana amin'ity fiainana ity. |
Toko 8
| Ny tokony hatao amin'ny mpanjaka tsy refesi-mandidy - Sahala ihany ny manjo ny marina sy ny meloka eto an-tany, fa ny manao izay hiadanana no mety - Tsy mahatakatra ny anton-javatra ny olombelona. |
Toko 9
| Mitovy ny mahazo ny marina sy ny meloka; ny miadana amin'ny andro iainana; ny soa sy ny tsy soa avy amin'ny fahendrena - Ny hendry fa tsy ny adala no henoy. |
Toko 10
| Fifanoheran'ny fahendrena sy ny fahadalana. |
Toko 11
| Mazotoa miasa - Mifalia, nefa aza manadino fa hotsarain'Andriamanitra hianao. |
Toko 12
| Tokony ho tsara fanahy hatramin'ny fahatanorana, fa tsy miandry ny fara andro iainana. |