Toko | Votoatiny |
Toko 1
| Aleksandra ilay malaza - Ny nidiran'ny fanaon'ny Greka tany Palestina - Antiokosa Epifana, fandrobana ny Tempoly, fanenjehana ny Jody tsy nivadika. |
Toko 2
| Nanomboka ny ady masina Matatiasa mpisorona. |
Toko 3
| Nandresy hatrany Jodasa, ka azony indray Jerosalema; dia novelominy tao indray ny fanompoana an'Andriamanitra marina. |
Toko 4
| Ny nandresen'i Jodasa Makabeo an'i Gorjiasa sy Lisiasa - Ny nanadiovana ny Tempoly sy nitokanana azy indray. |
Toko 5
| Ny nandresen'i Jodasa an'Idomea, Beana, sy Amona - Ny fanafihana any amin'i Galilea sy Galaada - Faharesen'i Josefa sy Azariasa. |
Toko 6
| Fahafatesan'i Antiokosa Epifana - Ady tamin'i Antiokosa Eopatora - Nafahirano Jerosalema. |
Toko 7
| Nirahin'i Demetriosa I hamely ny Jody, Bakidesa sy Alsima - Ny faharesen'i Nikanora. |
Toko 8
| Naniraka ambasadaoro tany Roma Jodasa. |
Toko 9
| Fahafatesan'i Jodasa Makabeo - Jonatasa mandimby azy - Ady maro tamin' i Bakidesa. |
Toko 10
| Notaomin'i Demetriosa I sy Aleksandra Epifana, Jonatasa ka nikambana tamin'i Aleksandra, izay nanome azy fiandrianan'ny mpisorona lehibe sy nanasa azy tamin'ny fampakaram-badin'ny zanany tamin'ny zakavavin'i Ptolemea - Ny nandresen'i Jonatasa an'i Apolloniosa jeneralin'i Demetriosa II. |
Toko 11
| Nony maty Aleksandra sy Ptolemea, nanao fanekem-pihavanana tamin'i Demetriosa Jonatasa sady nanampy azy hanafoana fikomiana anankiray - Tsy fankasitrahana anefa no azony, ka nandray ny fanekem-pihavanana tamin'i Antiokosa VI sy Trifona izy. |
Toko 12
| Nohavaozin'i Jonatasa ny fanekena tamin'i Roma sy Sparta - Resiny mafy Demetriosa - Lavo tamin'ny fandrika nafitsok'i Trifona izy. |
Toko 13
| Nandimby ny rahalahiny, izay tsy azony novonjena Simona, ka nanosika an'i Trofona, nanao ny fasam-pianakaviana, ary nanamafy an'i Jodea - Nankasitrahan'i Demetrosa izy, ka nitana an'i Gazara sy Akra ao Jerosalema. |
Toko 14
| Fiadanana any amin'Isrealy - Nony voasambotry ny Parta Demetriosa, Simona kosa nitondra amim-pahendrena sy nandray taratasy avy any Sparta sy avy any Roma - Nankasitrahan'ny vahoaka izy, ka naraikiny ho mpanapaka sy mpisorona lehibe mandrakariva. |
Toko 15
| Nankatoavin'i Antiokosa ny fahefan'i Simona, nefa nirahiny hamely azy Sendebe, na dia teo aza ny taratasin'ny Romana. |
Toko 16
| Ny nandresen'ny zanak'i Simona an'i Sendebe - Ny namonoana an'i Simona. |