Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Amosy

TokoVotoatiny
Toko 1 Ny fitsarana ny Siriana, ny Filistina, ny Tiriana, ny Edomita, ny Amonita.
Toko 2 Fitsarana an'i Moaba, sy Jodà, ary Israely.
Toko 3 Ny helok'Israely - Famaizana azy.
Toko 4 Ravaka amam-pahalotoan'ny vehivavy - Mahita ny fombam-pivavahana betsaka atao tsy tapaka ny Israelita, ka tsy azony an-tsaina ny famaizan'Andriamanitra azy - Hany sisa handrasana dia ny famaizana farany.
Toko 5 Mampitomany ny faharavan'Israely diso hevitra ity mpaminany ity fa Andriamanitra tadiaviny ao amin'ny fitoerana masina; nefa ny tsy marina no arahany, ny manao ny marina anefa no foibeny - Antomotra ny famaizana - Ny andron'Iaveh.
Toko 6 Matokitoky foana ireo mpanan-karena; nefa izy ireo ho lasan-ko babo, ny tranony hazera, ny ankabeazany hovonoina.
Toko 7 Fahitana telo, famantarana: ny valala, ny afo, ny pilao - Fifamalian'i Amosy sy Amasiasa.
Toko 8 Efa masaka hojinjan'ny fitsarana Israely - Ny fivadihana, izay nahatonga ny famaizana mafy - Hesorin'Andriamanitra amin'Israely ny teniny.
Toko 9 Ny otely rava, ny vahoaka enjehin'Iaveh; alàn-tombontsoa ka ampitoviana amin'ny firenena hafa - Mbola hatsangana indray anefa ny fanjakan'i Davida ka hiadana.