| Toko | Votoatiny |
| Toko 1
| Sasin-teny - Ny hahaterahan'i Joany Batista - Ny hahaterahan'ny Mpamonjy - Ny namangian'i Maria an'i Elizabeta - Ny nahaterahan'i Joany Batista. |
| Toko 2
| Ny nahaterahan'i Jeso tao Betlehema - Ny nankanesan'ny mpiandry ondry tany aminy - Ny nandiovan'i Maria tena - Jeso efa 12 taona, tao an-tempoly. |
| Toko 3
| Ny toritenin'i Joany Batista - Ny nananarany ny vahoaka sy ny poblikàna ary ny miaramila - Ny nanambarany an'i Jeso-Kristy - Ny nanaovan'i Joany batemy an'i Jeso - Ny razan'i Jeso-Kristy. |
| Toko 4
| Ny nakan'ny demony fanahy an'i Jeso - Jeso tsy voahaja tao Nazareta - Demony voaroaka sy marary maro sitrana. |
| Toko 5
| Ny nampahazoan'i Jeso hazandrano betsaka an'i Piera - Ny nanasitranany an'ilay boka sy ilay lehilahy malemy - Ny niantsoany an'i Matio - Ny amin'ny fifadiana. |
| Toko 6
| Ny mpianatra nioty salohim-bary - Ilay maty tànana - Izy roa ambin'ny folo lahy - Olona maro sitrana - Ilay Toriteny tany an-tendrombohitra - Izay sambatra - Izay hahita loza - Ny tena fitiavana namana - Ny tena fahendrena. |
| Toko 7
| Ny ankizilahin'ilay kapiteny - Ny zanakalahin'ilay mpitondratena tany Naima - Ny mpianatr'i Joany tany amin'i Jeso - Ilay vehivavy mpanota tao an-tranon'i Simona Farisiana. |
| Toko 8
| Ny voa nafafy - Ny jiro - Iza no renin'i Jeso sy rahalahiny? - Ny nampitoniany ny ranomasina - Ny nandroahany demony betsaka ho any amin'ny kisoa - Ny zanakavavin'i Jaïra - Ilay vehivavy nitsi-drà. |
| Toko 9
| Ny nanirahan'i Jeso ny Apostoly - Ny fisalasalan'i Heroda - Ny nampitomboan'i Jeso ny mofo dimy - Ny nieken'i Piera an'i Jeso ho Kristy - Ny niovan'i Jeso tarehy - Ny Samaritana tsy nandray an'i Jeso. |
| Toko 10
| Ny mpianatra 72 lahy - Ny nientanan'i Jeso tamin'ny Fanahy Masina - Ilay Samaritana tsara fanahy - Marta sy Maria. |
| Toko 11
| Ny nampianaran'i Jeso-Kristy ny mpianany hivavaka - Ilay demony moana - Ny taranaka ratsy - Ny faharatsian'ny Farisiana. |
| Toko 12
| Andriamanitra ihany no tsy maintsy hatahorana - Zava-poana ny haren'ny tany - Ny tsy fanahiana izay ilaina - Ny mpanompo miambina - Ny mpitandri-pananana mahatoky - Ny hisarahan'ny olona hevitra ny amin'i Jeso - Ny famantarana ny fotoana. |
| Toko 13
| Ilaina ny fibebahana - Ny aviavy tsy mamoa - Ilay vehivavy tsy nahatraka sitrana tamin'ny andro sabata - Ny voan-tsinapy - Ny lalivay - Ny varavarana ety - Jerosalema mpamono ny mpaminany. |
| Toko 14
| Ilay lehilahy manirano - Ny amin'ny fanetren-tena - Ireo nasaina miala tsiny - Ny fahafoizana izay rehetra ananana. |
| Toko 15
| Ny ondry very sy ny dragma very - Ilay zanaka mpandany. |
| Toko 16
| Ilay mpitandrina tsy marina - Ilay mpanan-karena sy Lazara. |
| Toko 17
| Ny fanafintohinana - Ny famelana ny namana - Ny finoana - Ny fanetren-tena - Ny boka folo lahy - Ny hahatongavan'ny fanjakan'Andriamanitra sy ny andron'ny Zanak'olona. |
| Toko 18
| Ilay mpitondratena nanao lemozy tamin'ny mpitsara - Ny Farisiana sy ny poblikàna - Ny zazakely - Ilay mpanan-karena tsy nanaraka an'i Jeso - Ny nilazan'i Jeso ny fijaliany - Ilay jamba tao Jerikao. |
| Toko 19
| Jeso tao amin'i Zake - Ny fanoharana ny amin'ny mina folo - Ny niakaran'i Jeso tany Jerosalema - Ny nitomaniany an'i Jerosalema - Ny nandroahany ny mpivarotra tao an-tempoly. |
| Toko 20
| Resy lahatra ny Farisiana - Ireo mpiasa tanimboaloboka ratsy fanahy - Ny fandoavan-ketra ho an'i Sezara - Ny hitsanganan'ny maty - Sady zanak'i Davida no tompony ny Kristy. |
| Toko 21
| Ny rakitr'ilay mpitondratena - Ny handravana ny tempoly sy ny tanàna masina - Ny hahatongavan'ny Zanak'olona. |
| Toko 22
| Ny faneken'i Jodasy hamadika ny Tompo - Ny namoronan'i Jeso ny Eokaristia - Jeso tao Getsemany - Jeso tao amin'i Kaïfa - Ny nandavan'i Piera azy. |
| Toko 23
| Ny nitondrana an'i Jeso tany amin'i Pilaty - Ny nanesoan'i Heroda azy - Jeso sy Barabasy - Ny nanamelohana azy hofantsihana - Ny nilanjan'i Jeso ny hazo fijaliana - Ny namantsihana azy - Ny nialan'i Jeso aina - Ny nandevenana azy. |
| Toko 24
| Ny vehivavy sy Piera teo amin'ny fasana - Ireo mpianatra roalahy nankany Emaosy - Ny nisehoan'i Jeso tamin'ny Apostoly - Ny hafatra farany - Ny niakarany ho any an-danitra. |