Toko | Votoatiny |
Toko 1
| Ilay vehivavy mpanitsakitsa-bady, sy ireo zanany famantarana maneho ny tsinin'Israely, sy ny famaizana miandry azy. |
Toko 2
| Hatsangana indray Israely - Ny fahotany, ny famaizana azy - Fanekena vaovao. |
Toko 3
| Fanavotana an-dravehivavy mpivadika; famantarana ny famindram-pon'Andriamanitra amin'Israely. |
Toko 4
| Tsy misy fahamarinana, na hatsaram-po, na fahalalana an'Andriamanitra eo amin'ny tany; indrindra fa amin-dry zareo mpisorona, izay mandiso làlana ny olona - Fahavetavetana amin'ny fombam-pivavahana - Mandroso miharatsy ny olona; famaizana. |
Toko 5
| Ny hiharan'ny famaizana indrindra dia ireo mpisorona izay namitaka ny vahoaka sy ireo mpanapaka ny vahoaka, izay tsy afa-miaro tena, noho ny fanekena nataony, amin'ny loza hamelezan'Andriamanitra azy. |
Toko 6
| Ny fiovan'ny fo no tian'Andriamanitra hiverenan'Israely aminy. |
Toko 7
| Teny mamely ny faharatsian'ny lehibe sy ny fanekena ataony eny ivelany. |
Toko 8
| Teny mamely ny fanompoan-tsampy. |
Toko 9
| Any amin'ny fahababoana tsy hisy fety intsony; efa antomotra ny famaizana - Fanozonana ny taranak'Israely. |
Toko 10
| Horavana ny otelin'Israely, ary izy ho fongana noho ny helony efa hatramin'ny ela be sady tsy anenenany. |
Toko 11
| Tsy nahalala ny fitiavan'Andriamanitra azy hatramin'ny fahazazany Israely, ka izany no namaizana azy: hamindra fo aminy anefa Andriamanitra, ka hamonjy azy. |
Toko 12
| Nampitombo ny helony Israely; tsy tsaroany ny ohatra navelan'ny razany, ka noho ny habetsahan'ny hadisoany, tsy maintsy sazian'Andriamanitra. |
Toko 13
| Anatema varomaty - Efraima, be voninahitra erý taloha dia efa nivadika ka nofaizina; miantso famaizana safatsiroa ny helony rehetra - Ho levona koa Samaria. |
Toko 14
| Aoka hihaiky ny helony Israely dia hovonjen'Andriamanitra izy sy hambininy. |