Toko | Votoatiny |
Toko 1
| Fiarahabana - Fitiavan'i Paoly ny kristianina ao Roma - Ny tsy nahalalan'ny jentily an'Andriamanitra - Ny nanamelohan'Andriamanitra azy ireo. |
Toko 2
| Ny tsy fahamarinan'ny Jody koa - Samy hotsaraina araka ny asany, na Jody na jentily - Ny Jody koa nanota - Tsy mahamarina ny Jody ny famorana. |
Toko 3
| Ny tombo-tsoa ananan'ny Jody - Mila fahamarinana avokoa ny olona rehetra - Ny finoana an'i Jesoa-Kritsy no ahazoana ny fahamarinana. |
Toko 4
| Ny finoana, fa tsy ny famorana, no nahazoan'i Abrahama ny fahamarinana - Tsy ny asan'ny Lalàna, fa ny herin'ny finoana ihany, no ahazoana ny fahamarinana. |
Toko 5
| Ny vokatry ny fahamarinana - Adama no nahafaty, fa ny Kristy kosa no nahavelona. |
Toko 6
| Maty ny amin'ny fahotana izay natao batemy ho amin'ny Kristy - Tsy maintsy ho masina izay ambanin'ny fahasoavana. |
Toko 7
| Afaka amin'ny Lalàna ny manaraka an'i Jesoa-Kristy - Tsy maintsy ho masina izay ambanin'ny fahasoavana - Masina ny Lalàna nefa nitarika ota ihany - Ny fifanoheran'ny nofo sy ny fanahy. |
Toko 8
| Jesoa-Kristy no mahafaka antsika - Sambatra izay entin'ny Fanahin'Andriamanitra - Ny toky sy ny fanantenana masina omen'ny Fanahy - Ny itiavan'Andriamanitra ny olom-pinidy. |
Toko 9
| Fitiavan'i Paoly ny Jody - Ny tena Israely sy taranak'i Abrahama - Ny fifidianan'Andriamanitra ny olona - Ny niantsoana ny jentily noho ny ditran'ny Jody. |
Toko 10
| Ny Kristy no anton'ny Lalàna - Ny finoana azy no làlam-pamonjena - Nahalala ihany ny Jody, ka tsy manan-kalahatra. |
Toko 11
| Mba mino ihany ny Jody sasany - Mbola hibebaka ihany ny Jody - Lalina ny fitondran'Andriamanitra! |
Toko 12
| Samia masina sy miasa, araka ny fanomezam-pahasoavana azony avy - Fifankatiavana - Fihavanana amin'ny olona rehetra. |
Toko 13
| Maneke ny manam-pahefana - Tiavo ny namana - Ario ny asan'ny maizina. |
Toko 14
| Tokony tsy hitsara ny malemy finoana - Aza misy manafintohi-nàmana. |
Toko 15
| Tokony handefitra amin'ny malemy, toraka ny nataon'ny Kristy - Ny antony nanoratan'i Paoly ho an'ny Romana - Ny niasany tao amin'ny jentily. |
Toko 16
| Ataony tsara laza Febe, anabavy - Veloma madinidinika - Fanalavirana ny mpampisara-tsaina - Famapanaovam-beloma - Famaranan-teny. |