Toko | Votoatiny |
Toko 1
| Fiarahabana - Fanalana alahelo azon'i Paoly tao anatin'ny fahoriana maro - Tsy namitaka izy, na nanao kitoatoa, fa voampanga tsy marina. |
Toko 2
| Ny antony tsy nankanesany tany Korinto - Ny amin'ny hamelana an'ilay nanao ratsy (I Kor. v) - Ny dia nalehany, sy ny vokatry ny fisasarany. |
Toko 3
| Andriamanitra ihany no iankinany - Ambony ny mpandraharaha amin'ny Lalàm-baovao. |
Toko 4
| Mandeha sy mitory tsy an-kinafinafina izy - Ny mafy manjò ny Apostoly - Ny anantenany ny voninahitra ho avy. |
Toko 5
| Maniry hiala amin'izao fiainana izao izy mba hiaraka amin'ny Kristy - Manery azy mafy ny nitiavan'ny Kristy antsika. |
Toko 6
| Ny nisasarany mafy ho azy rehetra - Ny tsy tokony hikambanana amin'ny tsy mpino. |
Toko 7
| Ny ifaliany ny amin'izy ireo, sy ny fitiavany azy - Ny soa azo tamin'ilay taratasiny voalohany - Ny niarahany nifaly tamin'i Tito noho ny amin'izy ireo. |
Toko 8
| Ny amin'ny famoriam-bola hanampiana ny mpino any Jodea - Ataony tsara laza ny mpamory. |
Toko 9
| Aoka hiomana tsara aloha izay ao Korinto - Hisy valiny izay omena. |
Toko 10
| Ny anamarinan'i Paoly ny tenany, sy ilazany ny fahefana ananany - Andriamanitra no hany reharehany sy iankinany. |
Toko 11
| Tsy latsa-danja noho ny nàmany izy, sady tsy nahavaky tratra olona. |
Toko 12
| Ny tsindrimandry sy fanambarana azony - Ny fahalemeny ihany anefa no ireharehany - Manao azafady indray izy sady mbola mananatra. |
Toko 13
| Fandrahonana - Fananarana farany sy fanaovam-beloma. |